FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/3 p. 31-32
  • Fitantarana ny asa fitoriana avy amin’ny tany sasany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitantarana ny asa fitoriana avy amin’ny tany sasany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/3 p. 31-32

Fitantarana ny asa fitoriana avy amin’ny tany sasany

CÔTE-D’IVOIRE: Ny sasany amin’ireo izay manompo an’i Jehovah ao amin’io tany io dia nianatra ny nanao izany tany an-tranomaizina. Araka izany, nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra tany an-tany hafa ny zazalahy tanora miozilimana iray antsoina hoe Berté dia namono lehilahy iray nifanditra mafy taminy noho ny raharaha ara-bola. Voaheloka 20 taona an-tranomaizina izy. Koa satria tsy nahita lalan-kivoahana mihitsy izy, dia nihevitra ny hamono tena, amin’ny fisetrana ny hanaiky ho faty noana. Tamin’izay indrindra izy no nahazo ny fitsidihan’ny Vavolombelon’i Jehovah roa izay nitory tao an-tranomaizina. Niova tsikelikely ny fomba fijeriny zavatra. Vao voalohany teo amin’ny fiainany izy no nahita ny tena fifaliana. Tamin’ny farany izy dia natao batisa tao anatin’ny barìka lehibe iray, teo afovoan-tokontany, teo anoloan’ny mpigadra sy ny mpiambina dimampolo teo ho eo. Hatramin’izay, dia faritaniny ny tranomaizina. Tamin’ny fotoana iray dia nanana mpigadra 6 000 teo ho eo izy mba hitoriana. Misy olona mipetraka 1 000 eo ho eo ilay fitambaran-trano misy azy ankehitriny. Nanompo tamin’ny naha-mpitory maharitra mpanampy izy, mitarika fampianarana ny Baiboly 23 ary manatrika ireo fivoriana atrehin’ny olona eo ho eo amin’ny efapolo tsy tapaka.

GHANA: Ao amin’io tany io, ny vaovao tsara dia raisina amin-jotom-po fatratra. Tamin’ny novambra, dia nisaina ho 43 579 ny fampianarana ny Baiboly, isa nihoatra 16 000 teo ho eo tamin’ny an’ny mpitory. Nahavory olona 101 926 ny Fahatsiarovana. Noho io fitomboana io, dia nilaina ny fanorenana haingana dia haingana fitambaran-trano vaovao ho an’ny sampana, ary mizotra tsara ny asa ankehitriny. Nitondra ny fanampiany tamin’io raharaha io ny olona avy amin’ny karazan-taona rehetra, ary izany dia tamin’ny fomba maro tokoa. Nandefa izao teny kely izao ny zazavavy kely iray 9 taona: “Indro vola 50 ‘cédis’ ho an’ny fanorenana. Nahazo io vola io aho tamin’ny fivarotana gilasy. Raiso ny fitiavako rehetra.” Nivarotra ny akohovaviny 200 “cédis” ny zazavavy kely iray 10 taona, ary nitondra ny vola tany amin’ny mpiandraikitra-prezidà ao amin’ny kongregasiona misy azy mba halefan’io any amin’ny Fikambanana izany ho fandraisana anjara amin’ny lany amin’ny fanorenana. Ny sasany nampanatitra osy, ondry, kisoa ary akoho teny amin’ilay toerana. Nanome hazo fanaovan-drafitra be dia be ny rahalahy iray. Ny hafa indray nampindrana fitaovana ho an’ny fanorenana.

KENYA: Mitombo ny toe-tsaina tia ny asan’ny mpitory maharitra any Afrika atsinanana, ary miaraka amin’ny fitahiana lehibe izany. Any Kenya, ny isan’ny mpitory maharitra mandavantaona dia nitombo 270 isan-jato tao anatin’ny efa-taona. Maherin’ny 10 isan-jaton’ny mpitory no mpitory maharitra mandavantaona amin’izao fotoana izao.

Ao amin’io tany io, dia mahita vokatra tsara dia tsara ny tena miaraka amin’ilay bokikely hoe Aoka ianao ho velona amim-pahasambarana mandrakizay eto an-tany!. Tao anatin’iny taom-piasana lasa iny, ireo mpitory sahabo ho 7 000 avy any Afrika atsinanana dia nahapetraka 100 000 teo ho eo tamin’izany amin’ny fiteny 33. Indraindray, ny olona izay nahita ilay bokikely tany aman’olona dia manaraka ireo mpitory mba hitaky anankiray aminy. Ny lehilahy mpampirafy anankiray namaky ilay bokikely dia nanao fandaharana mba handroahana ny vadiny faharoa talohan’ny niverenan’ilay Vavolombelona hitsidika azy. Ny lehilahy iray tsy Vavolombelona dia nandeha nitsidika ireo mpifanolobodirindrina aminy mba “hananatra” azy ireo amin’ny alalan’ilay bokikely, indrindra ny amin’ny raharaha momba ny fampirafesana. Niteny izy hoe: “Na dia mamela hanao izany aza ny fiangonanareo, dia hitanareo tsara fa tsy mamela hanao izany ny Baiboly.”

Tao amin’ny kongregasiona anankiray, dia fampianarana 41 no natomboka tao anatin’ny roa volana noho io bokikely io. Ny anabavy anankiray dia niara-nianatra tamin’ny vehivavy iray izay toa tsy nahatakatra sady tsy nahatadidy izay noresahiny taminy, kanefa nitalaho taminy na dia izany aza mba tsy hamela azy. Nahatonga fiovana haingana ilay bokikely. Hatramin’izao, io vehivavy io dia nahatadidy izay nianarany. Rehefa avy namita ilay bokikely izy, dia vonona hanaraka ny fahamarinana sy hanao ireo dingana ataony voalohany amin’ny asa fitoriana. Tsy mahagaga raha mitarika fampianarana ny Baiboly 5 172 amin’izao fotoana izao ireo mpitory 3 422 any Kenya.

SÉNÉGAL: Tao anatin’ny taona 1985, dia niezahana manokana ny hanatratra bebe kokoa ireo olona maro be mipetraka any amin’ireo faritany tsy niasana. Mba hanaovana izany, dia namporisihina ireo rahalahy any an-tanàn-dehibe hiresaka amin’ny olona eny amin’ny gara na eny am-pialana amin’ny fiara fitaterana eny am-banivohitra. Izany dia namela azy ireny hanomboka hifandray amin’ny olona mipetraka any amin’ny faritra mihataka indrindra amin’ilay tany. Ny lehilahy iray nandre firesahana ny fahamarinana tamin’izany fomba izany dia nanoratra tany amin’ny sampana mba hahazo fanazavana fanampiny. Nahazo tahiry tamin’ilay bokikely Aoka ianao ho velona amim-pahasambarana mandrakizay eto an-tany! izy mba handaminana fianarana ao amin’ny sekoly ampianarany. Nitsidika azy ny misionera iray mba hanampy azy handamina tsara io fandaharana io. Nahafantatra ireo mpianany hoe iza no anaran’Andriamanitra, ahoana no nanomanan’Andriamanitra ny tany ho an’ny olombelona, ary ahoana no nampisy ny fanahy olombelona voalohany. Koa satria tsy maintsy nikatona ilay sekoly nandritra ireo andro be orana, dia nangataka ireo mpianatra izy handika ilay bokikely amin’ny fiteny arabo ary hanao fanazaran-tena mamaky azy any aminy. Nandray Bokikely 40 sy Baiboly anankiray ny mpampianatra hafa anankiray miasa mbola lavitra kokoa mba hampahafantatra an’io fandaharana io ao amin’ny sekoliny koa.

SIERRA LEONE: Araka ny naminanian’i Jesosy azy, dia maro be amin’ireo izay mandray ny fanompoam-pivavahana madio no tsy maintsy misetra ny fanoheran’ireo havany akaiky (Matio 10:32-39). Toy izany no nitranga tamin’i Jonathan, izay nandany ny fahazazany tany amin’ny faritra iray ambanivohitra any Sierra Leone. Mpisorona mpanompo sampy hatramin’ny taranaka efatra ny ray aman-dreniny, ary nanantena hahita azy handray ny toeran’ny mpandimby ny fianakaviany. Kanefa, tamin’ny fianarany ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia fantatr’i Jonathan fa, araka ny Baiboly, dia tsy amin’ny fanaovana famosaviana, fa amin’ny fanompoana an’i Jehovah no mety hahazoana ny fitahiany. Rehefa nanapa-kevitra hiala amin’ny fanilon’ny fianakiavana izy, dia nifandona tamin’ny fanoherana nirehitra. Nisakana azy tsy ho any an-tsekoly ny ray aman-dreniny. Raha nanatrika fivoriana kristiana izy, dia nanda tsy hanome sakafo azy izy ireo, tamin’ny filazana taminy hoe: “Raha izany no izy, dia aoka ny Andriamanitrao hanome sakafo anao!” Tsy nijaly noho ny hanoanana anefa i Jonathan. Nitoetra tamim-pifikirana mafy tamin’ny fahamarinana izy ary natao batisa tamin’ny farany. Nianatra namaky teny sy nanoratra irery koa izy. Taty aoriana, ny reniny dia nanaiky ny fahamarinana koa. Mpitory maharitra mandavantaona izy amin’izao fotoana izao.

[Loharanon-kevitra]

Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1986 (anglisy)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara