FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 1/6 p. 8-9
  • Nanasa mpianatra efatra hanaraka azy i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanasa mpianatra efatra hanaraka azy i Jesosy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Nantsoina ny mpianatra efatra
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Ho Lasa Mpanarato Olona ny Mpianatra Efatra
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Aoka Isika Hanompo Amin’ny Maha-mpanarato Olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Niezaka ny Tsy Hatahotra na Hisalasala Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 1/6 p. 8-9

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Nanasa mpianatra efatra hanaraka azy i Jesosy

REHEFA saika maty tany Nazareta, tanàna nahabe azy, i Jesosy, dia nankany Kapernaomy, any akaikin’ny ranomasin’i Galilia. Izany dia fahatanterahan’ny faminanian’Isaia hafa iray, ilay nanambara fa ny vahoaka tany Galilia nonina amoron-dranomasina, dia hahita fahazavana lehibe.

Raha mbola nanohy nampamirapiratra ny fahazavany izy tamin’ny fitoriana ilay Fanjakana tao amin’io toerana io, dia tsikaritr’i Jesosy ny efatra tamin’ireo mpianany. Niaraka taminy tamin’ny fifindrafindrany ireo taloha kelin’izay, nefa nanao indray ny asany tamin’ny naha-mpanarato hatramin’ny nahatafaverenany avy tany Jodia niaraka taminy. Azo inoana fa nitady azy ireny i Jesosy, satria tonga ny fotoana hampiofanany mpanampy mahatoky sy marisika izay hanohy ny fanompoany rehefa lasa izy.

Nandeha teo amoron-dranomasina àry i Jesosy ary rehefa nahita an’i Simona Petera sy ireo namany nanasa ny haratony izy dia nanatona azy ireo. Niakatra tao amin’ny sambon’i Petera izy ary nangataka azy mba hanalavitra ny tany maina. Rehefa nihataka kely tamin’ny moron-drano izy ireo, dia nipetraka teo an-tsambo i Jesosy ka nanomboka nampianatra ny vahoaka nijanona teny amoron-drano.

Nandidy an’i Petera toy izao i Jesosy nony avy eo: “Mandrosoa ho any amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.”

“Tompoko, hoy ny fanamarihan’i Petera, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.”

Nalatsaka àry ny harato ka nahazoana hazandrano be dia be aoka izany, hany ka nanomboka nitriatra. Nantsoin’ireo lehilahy avy hatrany ny namany teny amin’ny sambo iray teo akaiky teo mba ho tonga hanampy azy ireo. Be dia be aoka izany ny hazandrano ka nanomboka nilentika ireo sambo roa feno izany. Rehefa nahita izany i Petera dia nianjera teo amin’ny lohalik’i Jesosy ka nilaza taminy hoe: “Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.”

“Aza matahotra, hoy ny navalin’i Jesosy; hatramin’izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao [velona, MN].”

“Andeha hanaraka Ahy, hoy ny fanoroany azy hevitra mafy, fa hataoko mpanarato olona hianareo.” Toy izany ny famporisihana nandodona nataon’i Jesosy tamin’i Petera sy Andrea rahalahiny. Jakoba sy Jaona, zanak’i Zebedio no mpanarato niaraka tamin’izy ireo. Nahazo fanasana sahala amin’ny an’ireo hafa koa ireo ary nanaiky tsy nisy fisalasalana koa. Nandao ny asan’ny mpanarato àry ireny lehilahy ireny ary tonga ny mpianatra efatra voalohany nanaraka an’i Jesosy tamim-pahatokiana sy tamim-paharisihana. Lioka 5:1-11; Matio 4:13-22; Marka 1:16-20; Isaia 9:1, 2.

◆ Nahoana moa i Jesosy no nanipy hevitra tamin’ireo mpianany mba hanaraka azy? Iza moa izany mpianatra izany?

◆ Fahagagana inona no naharaiki-tahotra an’i Petera?

◆ Karazam-panaratoana inona no nanasan’i Jesosy an’ireo mpianany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara