Ny hasoan’ny toetra kristiana
“Mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.” — EFESIANA 4:24.
1. Ny amin’ny hasoa inona moa no irintsika horesahina eto?
NOLAZAINA fa ‘ao amin’ny mason’izay mijery azy amim-pahafinaretana ny hasoa’, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe miankina amin’ny toe-javatra izany. Inona àry no mahatonga ny hasoan’ny lehilahy kristiana na ny vehivavy kristiana iray? Izany no hojerentsika izao.
Ny hasoan’ny lehilahy kristiana
2. Nahoana moa no tsy ampy hahatonga ny olona iray ho lehilahin’Andriamanitra ny toetra ara-batana?
2 Aoka hojerentsika aloha ireo toetra mahatonga ny hasoan’ny lehilahy kristiana iray ka manosika ny hafa hitady ny hiaraka aminy. Tsy ampy hahatonga ny olona iray ho “lehilahin’Andriamanitra” ny toetra ara-batana. (I Timoty 6:11.) Na manao ahoana na manao ahoana hasoan’ny lehilahy iray ivelany, dia tsy milaza zavatra firy izany raha mihevitra amin-kadalana izy. Tsy manintona ny lehilahy miavonavona, vavana, tsy mahalala fomba sy tsy mahay na inona na inona; mampandositra izy. Raha tsy mahay mankasitraka izy eo amin’ny ataony, dia azo antoka fa hahatafintohina ny hafa. Raha tsy mihevitra afa-tsy ny tenany, ny fisehoany ivelany na ny ho fijerin’ny hafa azy izy, dia azo antoka fa tsy ny karazan’olona hotadiavina hiarahana.
3, 4. a) Inona moa no sasantsasany amin’ny toetry ny lehilahin’Andriamanitra iray araka ny nasongadin’i Jesosy Kristy? b) Ahoana no hanazavanao ny sasany amin’ireo toetra mampiavaka ny lehilahin’Andriamanitra?
3 Ny lehilahin’Andriamanitra kosa dia namboly toetra toy ny fahamarinana, ny famindrampo, ny fitiavana sy ny fahamoram-panahy. Tsy noho ny toe-batany tanteraka indrindra no nahalalana an’i Jesosy, fa noho ny fifikirany tamim-pahatokiana tamin’ireo fotopoto-pitsipika sy tamin’ny fahamarinana. Ny fomba fampianarany dia nampahafantatra azy ho olona niresaka tamim-pahefana tamin’ny anaran’Andriamanitra (Matio 7:28, 29; Jaona 7:46). Ny lehilahin’Andriamanitra dia tsy manaiky ho simban’ny hetahetam-pahefana sy voninahitra, na ireo tombontsoa atolotry ny toerana sasany. Manana finiavana izy; tia fanetren-tena izy ary tsy mandainga. Mampiseho tahotra an’i Jehovah mahasoa izy (Ohabolana 22:4). Toy izany ny sasantsasany amin’ireo toetra tsara voamarika eo amin’ny lehilahin’Andriamanitra.
4 Ny lehilahin’Andriamanitra iray dia manana fieritreretana, fo tsara sy antony manosika tsara dia tsara (I Timoty 1:5; Ohabolana 4:23). Tsy manao na inona na inona mandika ny fieritreretany izy ary tsy manakimpy ny masony eo anoloan’ireo fotopoto-pitsipika marina. Koa satria tsara ny fony sy ny antony manosika azy, dia tsy mampiasa fitaka izy eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa (Hebreo 13:18). Tsy avelany hanimba ny antony tsara manosika azy ny fitondrantena sy ny fanaovan-javatra maloto (Hosea 4:11). Mifehy tena foana izy mba tsy hanjary hamitaka ny fony. Miharihary ho lehilahy mifikitra amin’ireo fotopoto-pitsipika izy, na amin’ny teniny, na amin’ny ataony. — Salamo 15:1, 2.
5. Inona no maha-zava-dehibe ny fangoraham-po eo amin’ny fiainan’ny lehilahin’Andriamanitra iray?
5 Mangoraka ny hafa ny lehilahin’Andriamanitra iray; mamela heloka sy maneho fahamoram-panahy izy. Ny lehilahy manana fangoraham-po dia mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa. Mahay miseho ho mahatakatra ny fihevitr’ireo izay manan-java-manahirana sarotra alamina izy, dia zava-manahirana mahatonga azy ireny ho be fanahiana. Ambonin’izany, dia mahay mamela ny helok’izay nety ho nanisy ratsy azy izy. Afaka mandresy ny faniriana avy hatrany hamaly fanevatevana ny fanevatevana sy hamaly ratsy ny ratsy izy. Manao zavatra mifanaraka amin’ny teny voalaza ao amin’ny I Petera 3:8, 9 tokoa izy. Amin’ny tsy fanozonana fa amin’ny fisaorana, dia miseho ho mora fanahy izy; mifehy ny fanirian-dratsy mampiavaka ny lehilahy tery saina izay tsy mahay mampiseho fangoraham-po, famindrampo sy fahamoram-panahy amin’ny hafa. — Efesiana 4:31, 32.
6. a) Inona avy moa no toetra hafa mampiavaka ny lehilahin’Andriamanitra, ary milaza inona izany? b) Ahoana no hiheveran’ny vady aman-janany ny lehilahy toy izany?
6 Ankoatra ny toetra hafa mampiavaka ny lehilahin’Andriamanitra dia ao ny fahalalahan-tanana. Raha manambady izy, dia miseho koa ho vady mahatoky sy ray tsara. Amin’izany izy dia tsara toerana tokoa mba hampihatra fitaomana tsara eo amin’ny vady aman-janany sy mba hanome ohatra tsara halain’izy ireo tahaka (Kolosiana 3:19, 21). Raha ny amin’ny fahalalahan-tanana, ny lehilahy toy izany dia manaraka ny torohevitra tsara dia tsara omen’i Jesosy Kristy Tompo, izay nilaza hoe: “Omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.” (Lioka 6:38). Ao anatin’ny faritry ny fianakaviana, dia miahy ny ankohonany ny lehilahin’Andriamanitra iray. Heveriny koa anefa ny fananarana tsara voarakitra ao amin’ny Efesiana 4:28 ka ilazana fa tokony “hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana”. Lehilahy vady mendrika izany anarana izany izy ka tsy mivadika hatrany ao anatin’ny faritry ny fanambadiana. Ny vadiny àry dia afaka matoky tanteraka ny lahy izay tena iray ihany aminy tokoa ao anatin’ny fatoram-panambadiana (Ohabolana 5:18, 19). Ambonin’izany, raha manana zanaka izy, dia hiseho ho ray manao ny marina amin’ny tsy fampiasana fitaka na fanaovana ny tsy marina eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa. Amin’izany no hampianarany ireo zanany hanao ny marina (Ohabolana 4:1-5). Ho ohatra tsara dia tsara ho an’ireo zanany manana saina mora mandray zavatra tokoa izy. Ho hitan’izy ireo fa lehilahy mahatoky sy tsy mivadika izy. — Ohabolana 11:3, 4.
7. Fihetsika mety inona moa no arahin’ny lehilahin’Andriamanitra eo anoloan’ny trosa?
7 Amin’io lafiny io, ny lehilahin’Andriamanitra dia miahy koa mba tsy hitrosa be izy mianakavy, satria fantany fa mety hiteraka zava-manahirana lehibe ho azy ireo izany. Milaza izany fa tsy hamela ny ankohonany sy ny tenany hiaina mihoatra noho izay ananan’izy ireo izy. Tombanany ny vidin’ny zavatra kasaina hatao rehetra alohan’ny hanaovana izany (Lioka 14:28-30). Azo lazaina hoe hainy ny mihafy amin’izao rehetra izao amin’ny fieritreretana ny ho avy sy ny mamoy ny hita mba hahazoana ny tsy hita (jereo Hebreo 11:8-10). Izany fomba fiaina izany dia manampy ny lehilahin’Andriamanitra tsy hiala amin’ireo fotopoto-pitsipiny kristiana eo amin’ny fiainana andavanandro.
8. Ahoana no hisetran’ny lehilahy toy izany ireo tarehin-javatra sarotra?
8 Noho ny fahotana sy ny tsy fahatanterahana, ny lehilahy rehetra dia tsy maintsy misetra tarehin-javatra tsy mahafinaritra indray andro any. Amin’ny toe-javatra toy izany anefa ny lehilahin’Andriamanitra dia miseho ho be herim-po sy mifikitra amin’ireo fotopoto-pitsipika, ka manaraka amin’izany ny ohatra navelan’i Jesosy (Jaona 16:33). Noho ny hery azony avy amin’ny Andriamaniny, Jehovah, dia misetra ireo zava-manahirana sarotra amin-kerim-po izy ka miantehitra aminy mba hahazoana fanampiana sy fitarihana. — Ohabolana 18:10.
9. Ahoana no azo ilazalazana ny fitondrantenan’ny lehilahy iray mitady hahazo sitraka amin’Andriamanitra?
9 Ny tena lehilahin’Andriamanitra dia mahay mifehy tena. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia manapaka ny faniriany sy ny fahamaimaizany izy, noho ny fahatsapana hoe mpanompo tsara ny tenany fa tompo ratsy dia ratsy. Tsaroany foana ireto tenin’ny apostoly Paoly ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireto: “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko.” (I Korintiana 9:27). Miezaka ary izy mba hamboly foana “ny vokatry ny fanahy [dia] (...) fahononam-po” na fifehezan-tena, ka manary izay rehetra mety hanimba azy (Galatiana 5:22, 23). Miaiky amim-pahendrena izy fa raha manaraka hevitra maloto dia mety hanaraka fahalotoam-pitondrantena. Eo koa izy dia miantehitra amin’i Jehovah Andriamanitra sy amin’ny hery omeny. — Filipiana 4:13.
10, 11. a) Toetra inona, mahatonga azy hahazo famelana, moa no asehon’ny lehilahin’Andriamanitra rehefa diso fiheverana izy? b) Ohatra inona no harahin’ireo filoham-pianakaviana raha ny amin’ny fianarana ao anatin’ny fianakaviana?
10 Farany, ny lehilahin’Andriamanitra dia mahay miaiky ny fahadisoany, manenina noho izany ka milaza izany amin’ny vadiny sy ireo olon-kafa nety ho tafintohina na tezitra noho ny nataony tamin’ny fomba iray noho ny tsy fahatanterahany. Afaka mitodika any amin’i Jehovah amin’ny fo madio izy mba hangataka aminy hamela ny fahotany satria efa nangata-pamelana tamin’ny vadiny, ireo namany na ireo zanany izy. Izay mahay milaza hoe: “Malahelo aho, tsy nety ny nataoko”, izany dia tena lehilahy tokoa, lehilahin’Andriamanitra. — Matio 18:21, 22; Marka 11:25.
11 Tsy heverinao ve fa ny lehilahy iray manana toe-tsaina toy izany, lehilahy vady na ray dia handray soa amin’ny fanampian’Andriamanitra (Salamo 54:4)? Manam-piadiana tokoa izy mba handaminana ireo zava-manahirana aterak’izao tontolo izao ankehitriny, nefa avy amin’i Satana izay ny fikasany dia ny handrava izay rehetra tsara, anisan’izany ny fanambadiana sy ireo fianakaviana miray saina sy sambatra. Ny lehilahy toy izany dia miahy ny amin’ny fahasalamana ara-panahin’ny ankohonany. Mitarika azy izy raha ny amin’ny fianarana tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka, ka manaraka amin’izany ny ohatra navelan’ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky taloha. — Deoteronomia 11:18-21; Ohabolana 7:1-3.
12. Anjara asa lehibe inona izao no hojerentsika?
12 Tokony horesahina koa ny anjara raisin’ny vehivavy raha ny amin’ny fandaminana ireo zava-manahirana ara-pianakaviana. Aoka àry hojerentsika ireo toetra azo antoka fa ho tiany hambolena. — Ohabolana 19:14.
Ny hasoan’ny vehivavy kristiana
13, 14. Afaka manao inona moa ny vehivavy iray izay maniry hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah ary, raha manambady izy, ny an’ny ankohonany? Inona moa no torohevitra omen’i Petera ho an’ireo vehivavy ao amin’ny I Petera 3:1-5?
13 Izao no lazain’ny bokin’ny Ohabolana momba ny vehivavy tia fivavahana, izay matahotra an’Andriamanitra: “Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina.” (Ohabolana 31:30). Fa ahoana no azon’ny vehivavy iray ambolena ireo toetra mahatonga azy ho sarobidy amin’ny vadiny, ny zanany, na ny havany raha mpitovo izy, toetra mahatonga azy ho olona mahafinaritra ny mifanerasera aminy? Voalohany indrindra, ny vehivavy toy izany dia malala-tanana, vonona ny hanampy ny hafa amin’ny fomba azo atao rehetra, ara-nofo na ara-panahy. Rehefa misy mila fanampiana, dia anisan’ireo voalohany manolotra ny fanampiany izy. Amin’izany izy dia mihevitra amim-pahatsorana izay ilain’ny hafa, nefa amin’ny fomba mety, sady mazava ho azy fa amin’ny fikarakarana sy fiheverana ny fianakavian’ny tenany raha manambady izy. — Titosy 2:3-5.
14 Ambonin’izany, dia tsy mianjonanjona izy, tsy malaky tezitra, tsy hoe tsy mahava-tena na tia ady, fa manetry tena kosa, malemy fanahy, mahakarakara tena sy manana fangoraham-po. Raha manambady izy, dia miezaka hanaraka ny torohevitra omen’ny apostoly ao amin’ny I Petera 3:1-5.
15. a) Inona moa no tokony ho zava-kendren’ny vehivavy tia fivavahana iray, ary amin’ny fomba ahoana no azony anatrarana izany? b) Ahoana no itondrany fanohanana ho an’ny vadiny? d) Nahoana izy no tiana foana ao anatin’ny tokantrano?
15 Afa-tsy izany koa, dia tsy mikatsaka ny fahendren’izao tontolo izao izy, fa mikely aina mba hampitombo ny fahasalamany ara-panahy. Mamaky tsy tapaka ny Baiboly izy ary miahy ny amin’ny hampiharana ireo fotopoto-pitsipika eo amin’ny fiainany (Salamo 119:66). Tsy noho ny tombontsoa manokana, noho ny faniriana hahazo fahalalana ho an’ny tenany, fa noho izy mikasa ny hampita amin’ny hafa ireo zavatra tsara no ianarany, na amin’ny fanompoany kristiana izany na eo amin’ny fifampikasohany isan’andro amin’ny manodidina, ny havany na ny namany. Ny lehilahy kristiana iray dia faly manana vady azony iresahana ny amin’ny zavatra ara-panahy, vehivavy izay, amin’ny maha-famenony azy, dia mankamamy koa ny zavatra ara-panahy sy maniry hiara-hitady aminy izay hahalalana tsara kokoa hatrany an’i Jehovah (Ohabolana 9:9, 10). Ny vehivavy tia fivavahana iray dia mampiseho fahaiza-manavaka sy fahiratan-tsaina. Raha manambady izy, dia fantany fa ny anjara asany dia ny ho famenon’ny vadiny. Manampy an’io izy hanome fampianarana ara-panahy ireo zanaka, indrindra fa rehefa tsy ao an-tokantrano io (Jereo II Timoty 1:2, 5; II Jaona 1, 2). Tia sy tiana foana izy ao anatin’ny faritry ny fianakaviana, na dia ela be aorian’ny ahalasanan’ny hatsaran-tarehin’ny fahatanorana aza. Afaka miantehitra amin’ireo fanamarihana mampiseho fahendrena sy marina ataony ny vadiny, amin’ny fiheverany mety sy ny fampaherezany amim-pahatsorana, satria malemy fanahy sy manan-tsaina izy (Ohabolana 25:11). Noho Abigaila nanao zavatra tamim-pahaiza-manavaka sy haingana, dia nilaza taminy toy izao i Davida: “Hotahiny [Jehovah] anie ny fahendrenao”! — I Samoela 25:32, 33.
16. Karazan-dresaka sy fanaovan-javatra inona no mampiavaka ny vehivavy tia fivavahana iray?
16 Ny hery tsara mety hampiharin’ny vehivavy iray amim-panetren-tena tanteraka noho ny fikendrena ny hanohana ny vadiny dia tsy ho teny manindrona, mafy na manesoeso. Hahita sitraka eo imasony izy amin’ny fijery mampiseho fahamoram-panahy, ny teny lazaina amin’ny ilàna azy, ny fihetsehana mampiseho firaiketam-po sy fitiavana, amin’ny faharisihany miasa, amin’ny fahamoram-panahiny sy ny hatsaram-panahiny ary amin’ny fahatakarany lalina ny fihevitry ny hafa (jereo Ohabolana 25:11; 31:10-28; I Tesaloniana 2:7). Ny fanetren-tena, ny finoana, ny tsy fieboeboana, dia samy toetra hahatonga azy foana ho sarobidy amin’ny vadiny. — Salamo 37:11; Hebreo 11:11, 31, 35; Ohabolana 11:2.
17. Inona moa no maha-zava-dehibe ny fitiavana eo amin’ny vehivavy kristiana iray?
17 Ny toetra miavaka hafa iray koa ananan’ny vehivavy kristiana dia ny fahaizany mampiseho fahatakarana ny fihevitry ny hafa sy firaiketam-po (Romana 12:10). Ny firavahany tsara indrindra dia ny fitiavana, izay hisakana azy tsy hiseho ho sarotsarotiny amin’ny zavatra madinika. Voalazalaza amin’ny fomba mahafinaritra io toetra io ao amin’ny I Korintiana 13:4-7, izay amakiantsika toy izao, araka ny Bible en français courant: “Ny fitiavana maharitra, ny fitiavana manana hatsaram-po, tsy mialona izy, tsy mirehareha, tsy mieboebo izy; tsy manao na inona na inona mahamenatra ny fitiavana, tsy tia tena izy, tsy misafoaka, tsy mahatsiaro lolompo; tsy mifaly amin’ny ratsy ny fitiavana, fa mifaly amin’ny marina kosa. Mahatonga ho afaka hizaka ny zavatra rehetra ny fitiavana, manao izay hitanantsika ny finoana sy ny fanantenana ary ny faharetana amin’ny toe-javatra miseho rehetra izy.
Inona moa isika?
18. Fanontaniana inona avy no tokony hovalian’ny tsirairay avy manokana, ary inona no hilana fandinihana manokana toy izany?
18 Ireto àry izao ny fanontaniana lehibe: Na manambady isika na mpitovo, azo atao ve ny manondro antsika ho lehilahy kristiana na vehivavy kristiana? Moa ve misy lafiny ahatsapantsika fa ilaina ny manao fiovana raha irintsika ny hahazo sitraka amin’i Jehovah sy amin’ny namantsika? Ny fandinihan-tena dia azo antoka fa hampiharihary lafiny azontsika androsoana. Toy inona anefa ny fifaliana mahatsapa ireo fandrosoantsika ary, ny mbola tsaratsara kokoa ihany, mandre olon-kafa miresaka fandrosoana nataontsika tamin’ny fanarahana akaiky ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampianarany! — II Korintiana 13:5; I Timoty 4:15, 16.
19. Inona no hanampy antsika handamina izay mety ho zava-manahirana, mba hananana fiainana feno fitiavam-pivavahana sy filaminana?
19 Afaka miezaka hamboly ireo toetra ireo koa ny mpitovo (I Korintiana 7:32). Araka izany, raha manapa-kevitra ny hanambady angamba izy indray andro any, dia tsy isalasalana mihitsy fa ho sarobidy aminy tokoa ireo toetra ireo. Fa raha ny amin’ireo kristiana manambady, dia hahazo fifaliana sy fahasambarana lalina izy ireny amin’ny fiezahana hatrany hamboly ireo toetra tsara kristiana ireo (Filipiana 4:8, 9). Ny tsirairay avy amin’ny mpivady dia tokony hanao fiezahana mba handamina izay rehetra mety ho zava-manahirana. Amin’ny fahavononana hiaiky fa manana fahazaran-dratsy ny tena sy amin’ny fiovana, dia mandray anjara lehibe tokoa ny tena amin’ny fampitomboana toetra kristiana mahafinaritra aoka izany (Kolosiana 3:8-10). Tadidio koa fa izay mampiavaka ny lehilahy kristiana na ny vehivavy kristiana, dia ny fahaizany milaza hoe: “Malahelo aho; mamelà ahy raha sitrakao.” Manao fahadisoana daholo isika rehetra. Raha miaiky izany isika, dia manaporofo fa mamboly tsy fieboeboana sy fanetren-tena, toetra ambony. — Mika 6:8; Jakoba 3:2.
20. Tenin’i Paoly inona, voalaza ao amin’ny Kolosiana 3:12-17 no ilain’ny rehetra?
20 Tena mety ireto teny manaraka ireto, nataon’i Paoly ho an’ny kongregasiona tany Kolosia: “Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. Mifandefera ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana [fatorana mampiray tanteraka, MN ] izany. Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana hianareo. Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra. Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.” — Kolosiana 3:12-17.
21. Ahoana no mety hamporisihan’ny fitondrantenantsika sy ny asantsika kristiana ny mpiara-belona amintsika?
21 Ireo ohatra tsara dia tsara omen’ny Baiboly sy ireo hita eo anivon’ny kongregasiona kristiana amin’izao taonjato faha-20 izao dia tokony hamporisika ny tsirairay avy hanohy hitafy ny toetra vaovao (Efesiana 4:22-24). Amin’ny fanaovana toy izany, dia ho fitahiana ho an’izay rehetra ifaneraserantsika isika. Afa-tsy izany koa, dia olon-kafa be dia be ampahafantarintsika ny hafatra momba ilay Fanjakana no hieritreritra sy hahazo fampaherezana, tsy amin’ny teny ataontsika ihany, fa amin’ny zotom-pontsika koa sy amin’ny fitondrantena tsara hitany ao anatin’ny fianakaviambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah. — Jaona 13:34, 35.
Ahoana no havalinao mba hamintinana ny voalaza eo aloha?
◻ Toetra inona avy no tokony hambolen’ny lehilahin’Andriamanitra?
◻ Ahoana no ikarakaran’ny lehilahy kristiana ny vady aman-janany?
◻ Toetra tsara inona avy moa no mampiavaka ny vehivavy tia fivavahana?
◻ Ahoana no azon’ny mpitovo anomanana ny ho avy amim-pahendrena?
[Sary, pejy 22]
Mampiseho toetra manintona ny lehilahy araka ny fanahy.
[Sary, pejy 24]
Tia sady tiana ny vehivavy tia fivavahana iray.
[Sary, pejy 26]
Afaka mamboly toetra vaovao ny kristiana tsy manambady mba hananana fiainana ampoky ny soa sy falifaly.