FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/9 p. 10-15
  • Aoka isika handeha amin’ny finoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka isika handeha amin’ny finoana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo loza mikendry an’izay ‘mandeha amin’ny fahitana’
  • Ny fomba ‘handehanana amin’ny finoana’
  • Fisedrana sy soa
  • Mandehana Amin’ny Finoana, fa Tsy Amin’ny Hitan’ny Maso!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mandehana Amin’ny Finoana Foana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Miara-mandeha Amin’Andriamanitra — Ireo Dingana Voalohany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/9 p. 10-15

Aoka isika handeha amin’ny finoana

“Matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin’ny tena, dia tsy mitoetra any amin’ny Tompo (fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana).” — II KORINTIANA 5:6, 7.

1. Tonòny ny sasantsasany amin’ireo soa entin’ny masontsika ho antsika.

ANISAN’NY faritra mahagaga indrindra eo amin’ny tenan’olombelona ny maso. Io fiasana fakan-tsary tsy misy toy izany io dia tsy vitan’ny hoe mahatonga antsika ho afaka hanalavitra ny zavatra misakana fa ho afaka hanangona sary be dia be koa izay matetika no misy heriny eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Miharihary tokoa fa tsy irin’ilay Mpamorona ny maso ny hamantarantsika ny planetantsika amim-pitsapatsapana, ao anatin’ny maizina. Niriny kosa ny hahitantsika fahafinaretana amin’ny fijerena ireo asany mahatalanjona: ny olombelona sy ny biby, ny tendrombohitra sy ny renirano, ny farihy sy ny ranomasina, ny voninkazo sy ny zavamaniry isan-karazany, ny lanitra manga sy ny loko miovaovan’ny masoandro mody. Ireo izay mahay mankamamy fisehoan-javatra toy izany dia tsy maintsy hiara-mihiaka toy izao amin’ny mpanao salamo: “Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; henika ny zavatra nataonao ny tany.” — Salamo 104:24.

2. Nahoana moa no tsy fahendrena ny handehanana amin’ny fahitana fotsiny? Inona no nolazain’i Paoly ny amin’izany?

2 Tsy azo lavina àry fa ny fijerena ara-bakiteny dia fahatsapan-javatra mahatalanjona. Tandindomin-doza lehibe anefa izay tsy mijery afa-tsy amin’izy io. Raha tiantsika ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia tokony handeha amin’ny finoana isika, dia finoana an’Ilay namorona ny mason’olombelona. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tokony hitady ny fitarihan’Andriamanitra isika mba hanaovana ny tsara. Raha niteny tamin’ny kristiana voahosotry ny fanahy sahala aminy ny apostoly Paoly, dia izao no nambarany araka ny marina: “Matoky mandrakariva isika, ka fantatsika fa raha mitoetra eo amin’ny tena, dia tsy mitoetra any amin’ny Tompo (fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana); eny, matoky isika, ka aleontsika ny tsy hitoetra ao amin’ny tena, fa ny hitoetra ao amin’ny Tompo [amin’ny alalan’ny fahafatesana sy ny fitsanganana amin’ny maty ho any an-danitra]. Koa dia ataontsika ho voninahitsika ny mba hankasitrahany antsika, na mitoetra, na tsy mitoetra. Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy ho hita miharihary eo amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisan’ny olona rehetra izay zavatra nataon’ny tenany, dia araka izay nataony, na tsara na ratsy.” — II Korintiana 5:6-10.

3. Inona moa no tokony ho fanirian’izay rehetra nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hanompo azy? Fanontaniana inona avy no mendrika ny hoeritreretina?

3 Na anisan’ny sisa voahosotra izy na anisan’ny “olona betsaka” izay mamelona fanantenana ny ho eto an-tany ary mitombo isa hatrany, izay rehetra nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hanompo azy, tsy misy avakavaka, dia maniry hanao ny tsara (Apokalypsy 7:9). Fa nahoana izy ireo no hisetra loza lehibe raha ‘mandeha amin’ny fahitana’? Etsy andaniny koa, ahoana no azo ‘andehanana amin’ny finoana’?

Ireo loza mikendry an’izay ‘mandeha amin’ny fahitana’

4. a) Nahoana no tsy mety ny hitsarana araka ny miseho ivelany? b) Ahoana no fomba fijerin’ilay Mpamorona ny maso ny zavatra?

4 Raha heverintsika ho tsy maintsy tsara daholo ny zavatra rehetra ka matoky loatra ny fisehoana ivelany isika, dia tena mety hamita-tena sy ho voatery hiharan’ny vokany isika. Tamin’izany dia nisy olona nandeha teo ambony fasika ary tsitapitapitr’izay dia voasinton’ny fasi-polaka. Toy izany koa, ny fahaizan’ny olona iray miseho ho sakaiza izay hiharihary fa ‘amboadia mitafy hoditr’ondry’ any aoriana dia mety hamitaka ny fahamalinantsika (Matio 7:15). Noho izany antony izany, dia tokony hitandrina isika. Ilay nanao ny maso dia tsy manorina ny heviny amin’ny fisehoana ivelany. Ny tenany mihitsy no nilaza tamin’i Samoela mpaminany hoe: “Fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (I Samoela 16:7). Marina tokoa fa ilay Mpamorona ny maso dia mahay manavaka ny fisainana sy ny fikasana miafina indrindra. Noho izany, ny fitsarany ny vidin’ny olona sy ny zavatra dia marina foana (jereo Hebreo 4:12). Noho ny fahatanterahan’ny fahitany sy ny fahiratan-tsainy, dia tena afaka mahita ny zavatra rehetra izy.

5. Nahoana moa isika no mila ny hampitandremana ny amin’ny loza mikendry an’ireo izay ‘mandeha amin’ny fahitana’?

5 Raha ny amin’izay mahakasika antsika kosa, dia tsy afaka mamaky toy ny ao amin’ny boky mivelatra ao am-pon’ny mpiara-belona amintsika isika. Na dia ao aza ny fahaizana nomen’Andriamanitra antsika, ny tsy fahatanterahantsika dia mahatonga antsika ho diso hevitra matetika. Afa-tsy izany koa, ny fontsika dia mety hampaniasia antsika, satria izy io “dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina”. (Jeremia 17:9.) Koa zava-dehibe indrindra ny hampitandremana antsika ny amin’ny loza mikendry an’ireo izay ‘mandeha amin’ny fahitana’. Nomen’i Jehovah ve izany zavatra ilaina dia ilaina izany? Izany tokoa. Ho fampianarana antsika, dia nampanoratiny ny fitantarana fisehoan-javatra miavaka maromaro manazava ny loza setrain’ireo izay tsy mandeha afa-tsy amin’ny fahitana. — Romana 15:4.

6. Rehefa ‘nandeha tamin’ny fahitana’ ny Isiraelita, nitarika azy ho amin’inona izany?

6 Mety indrindra ny hampahatsiahivana izay nitranga tamin’ny Isiraely, firenena nanana tombontsoa ambony dia ambony izay nahaforona ny vahoakan’Andriamanitra taloha. Na dia nanana ny fitarihana tsy nety dison’i Jehovah aza izy ireo, dia Isiraelita maro be tsy nanam-pinoana no nikiry ‘nanaraka ny fisainan’ny tenany’. (Salamo 81:12.) Noho izy ireo ‘nandeha tamin’ny fahitana’, dia nanomboka nivavaka tamin’ny sampy izy ireny, dia tamin’ny andriamanitra nety ho hitan’ny masony. Noho izy ireo nitsara araka ny niseho ivelany, dia nangovitra teo anoloan’ny fahavalony izay maro an’isa noho ny tenany izy ireo. Afa-tsy izany koa, noho izy ireo ‘nandeha tamin’ny fahitana fa tsy tamin’ny finoana’, dia nolaviny ny fahefana nankinin’Andriamanitra tamin’i Mosesy ka nimenomenona noho ny nanjo azy izy ireo (jereo Joda 16). Afa-tsy izany koa, dia maro be tamin’izy ireny no nitsiriritra ny fahafahana sy ny fanambinana toa nananan’ireo firenena nanodidina azy, tamin’ny fanadinoana fa nilomano tao anatin’ny faharatsiana teo ambany fanapahan’ny demonia izy ireny. — Levitikosy 18:1-3, 30.

7. Inona moa no nitranga tamin’ireo Isiraelita izay tsy niraharaha ny fitarihan’Andriamanitra?

7 Inona àry no nitranga tamin’ireo Isiraelita izay nikiry nanao ny tian’ny tenany hatao ka tsy niraharaha ny fitarihan’Andriamanitra? Ny fihetsik’izy ireo dia nahatonga azy hiharan’ny tsy fankasitrahan’i Jehovah. Voatery tsy nanome azy ireo ny fiarovany Jehovah, ka izany dia nahatonga azy ireo ho resin’ny fahavalony. Na dia tany amin’ny Tany nampanantenaina aza izy ireo dia matetika no nandevozin’ireo firenena tsy nifaditrovana (Mpitsara 2:17-23). Mifanohitra amin’i Mosesy izay nahafoy ny zavatra nampiadana ara-nofo tao amin’ny kilasin’ny mpitondra tany Egypta, ny Isiraelita tamin’ny ankapobeny dia nanaraka ny ‘fifaliana vetivety tamin’ny fahotana’. Tsy nanohy nandeha “toy ny mahita Izay tsy hita izy”. Raha lazaina amin’ny teny indraim-bava, dia tsy ampy finoana izy ireo. Ary anefa ‘raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.’ — Hebreo 3:16-19; 11:6, 24-27.

8. Nahoana moa no mahasoa an’ireo mpanompon’i Jehovah ny manatsoaka fianarana avy amin’izay nitranga tamin’ny Isiraely fahizay?

8 Amin’izao androntsika izao, ireo mpanompon’i Jehovah dia afaka maka fianarana avy amin’ireny fisehoan-javatra tamin’ny lasa ireny. Isika koa dia mety hahita ny finoantsika mihena, ary mety hanary izany tsotra izao aza. Tena mety hanaiky ho voataonan’ny fisehoana ivelany loatra tokoa isika ka ‘handeha amin’ny fahotana’ indray. Noho izany antony izany, noho ny fahamoram-panahiny, dia mitari-dalana ireo izay maniry hanompo azy amim-pinoana Jehovah. Nataony ohatra ho an’ireo taranaka ho avy, anisan’izany ny misy antsika, tokoa ny Isiraelita sy ny fifandraisany tamin’izy ireo (I Korintiana 10:11). Ireny ohatra taloha ireny dia manatanjaka antsika amin’ny fanomezana antsika fahalalana marina, fanantenana mafy orina ary fahaiza-miaritra.

9. Raha ‘mandeha amin’ny fahitana’ isika, dia tsy isalasalana fa hanao ahoana ny fihetsika hasehontsika eo anoloan’ny karazam-pitondrantena sasany sy ireo fandaharana teokratika?

9 Raha tsy misy ireo torohevitra mendrika inoana avy amin’ny Mpamorona antsika tia, dia mety handa ny fahefan’ilay Mosesy Lehibe, Jesosy Kristy, isika, amin’ny fanadinoana fa izy, miaraka amin’ny Rainy, no mitari-dalana amin’izao fotoana izao ny kristiana marina (Jereo I Korintiana 11:3; Efesiana 5:24). Tsy ho ela isika amin’izany dia hahita ao amin’ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fandaminana iray araka ny olombelona fotsiny ary noho izany dia hahatsiaro ho manana fahafahana hanao izay marina eo imasontsika (jereo Mpitsara 21:25). Ny sasany ho latsaka ao anatin’ny fahadisoan-kevitra amin’ny filazana anakampo hoe: ‘Raha mbola tsy manakorontana ny fieritreretako koa ny fitsipi-pitondrantena toy izao na izao, dia mandeha tsara ny zavatra rehetra.’ Misy hafa koa hanjary hieritreritra fa tsy misy ny fandaminana teokratika raha tsy mba hanomezana fahafahampo sy fahafinaretana ho an’ny tenany, fa tokony hohalefahina ny fitsipiny ary tsy misy tokony hitakiana fahafoizan-tena be loatra toy izao. Ny loza hafa iray koa dia ho ny fitadiavana hampanaraka ny sitrapontsika fa tsy ny an’Andriamanitra intsony, ireo fandaharana ataon’ny fandaminana. Kanefa Jesosy Kristy, Ohatra tahafintsika, dia nahita fahafinaretana foana tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy any an-danitra. — Salamo 40:8; Hebreo 10:5-10.

10. Raha tsy raharahaintsika ny fitarihan’Andriamanitra na tsy heverintsika ho zava-dehibe, inona no azo inoana fa ho vokatr’izany eo amin’ny fiheverantsika ny amin’ny fitoriana sy ny asa ara-panahy hafa?

10 Noho izy ireo manadino ny fitarihan’Andriamanitra na tsy mihevitra izany ho zava-dehibe, dia hisy angamba hihevitra fa tokony ho fohy kokoa ireo fivoriana, fa tokony tsy ho lavitra loatra ireo toerana hanaovana fivoriambe, ary ny teny ianarana dia tokony ho tsotra foana ka tsy hasiana “ventin-kanina” mihitsy. (Hebreo 5:12.) Any amin’ireo tany ahitany fiadanana sy filaminana, ireo kristiana koa dia mety hanjary hihevitra ny soa raisiny avy amin’ilay Fanjakana ho zavatra fahita ka tsy hahita intsony ny ilàna hanao fiezahana manokana ao anatin’ny faritry ny asa masina. Raha manaraka izany karazam-pihetsika izany isika dia mety hanjary ho ‘tia fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavana an’Andriamanitra’. Angamba amin’ny farany isika dia handany ny ankamaroan’ny faran’ny herinandrontsika hialana voly fa tsy hanokanana izany ho an’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana sy ny asa ara-panahy hafa izay ho porofon’ny fifikirantsika tanteraka amin’i Jehovah (II Timoty 3:1, 4). Raha izany no izy, mbola ho azontsika atao ihany ve ny hilaza fa ‘mandeha amin’ny finoana isika fa tsy amin’ny fahitana’?

11. Inona no mety hitranga amintsika raha somary mampanarana loatra ny tenantsika isika? Noho izany, inona no tokony hataontsika?

11 Ny loza hafa iray koa dia ny fampanaranana ny tenantsika loatra. Mora ny mampitombo ny hamafin’ny aretina an-doha na ny tsy metimety kely sahala amin’izany. Ny nofontsika tsy tanteraka dia mety hanosika antsika hanararaotra fanalan-tsiny ny tena toy izany mba hialana amin’ny andraikitsika, ohatra, mba tsy hanaovana famelabelarana ao amin’ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, kanefa tsy hieritreritra na dia kely akory aza isika ny tsy hanana fialam-boly iray noho izany antony izany ihany koa. Mazava ho azy fa tsara ny hanehoana fahaiza-mitsara zavatra sy ny tsy hanaovana tsirambina famantarana aretina lehibe. Ilaina koa anefa ny ‘hiadiana mafy’. (Lioka 13:24, MN.) Raha ny marina, raha tsy tiantsika ny ‘handeha amin’ny fahitana’, araka ny fitsarantsika fotsiny, ny finoantsika dia tokony handray anjara lehibe eo amin’ny fanapahan-kevitra ataontsika. — Romana 12:1-3.

12. Niditra hanao inona moa isika? Fihetsika manao ahoana àry no tokony harahintsika?

12 Aoka tsy hohadinointsika na oviana na oviana fa miady amin’ny hery ara-panahy ratsy isika (Efesiana 6:11-18). Satana, fahavalontsika ratsy indrindra, dia mety hampihatra fitaomana mahery eo amintsika amin’ny alalan’ny fiadiana nataony tomombana mba hanimbana ny finoantsika an’i Jehovah. Tsy maintsy hampiasainy ny fironantsika rehetra mampiseho fitiavan-tena, ary tsy hanao tsirambina mihitsy ny karazam-pitaomana rehetra mety hampivaona ny fiheverantsika izy. Nanomboka tamin’ny fotoana nilaharantsika tao amin’ny andaniny misy ny “sisa” amin’ny ‘taranaky’ ny “vehivavy”, ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, dia miady isika. Tsy hisy fitsaharana mihitsy raha mbola tsy ho nanafoana ny fandaminan’ny Devoly Jehovah izay manatanjaka antsika mba hahafahantsika mahatohitra ireo fanafihan’i Satana (Apokalypsy 12:16, 17; I Petera 5:6-11). Moa ve tsy izao no fotoana tokony hisehoana ho be herim-po sy mahatsapa ny fandodonan’ny fotoana? Izany dia izany tokoa. — Salamo 31:24.

Ny fomba ‘handehanana amin’ny finoana’

13. Ahoana no azo ‘andehanana amin’ny finoana’?

13 Ny hoe ‘mandeha amin’ny finoana’ dia milaza fandresena ireo fahasahiranana amin’ny fanehoana finoana an’Andriamanitra, noho ny fiaikena fa afaka mitarika ny diantsika izy ary maniry ny hahita antsika tsy manana ahiahy (Salamo 22:3-5; Hebreo 11:6). Mba hanaovana izany, dia tsy mety ny hiorenana amin’ny fisehoana ivelany fotsiny na amin’ny fiheverana araka ny olombelona tsotra izao. Ny finoana dia hanosika antsika kosa handeha amin’ny lalana atoron’i Jehovah antsika, na dia fantatsika fa toa feno fandrika aza ny lalana. Izay ‘mandeha amin’ny finoana’ dia hiray fihetseham-po amin’i Davida fony izy nilaza tamin’Andriamanitra hoe: “Hampahafantatra ahy ny làlan’aina Hianao; fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tànanao ankavanana mandrakizay.” (Salamo 16:11). Afa-tsy izany koa, raha manaiky hotarihin’i Jehovah isika, dia hanome antsika fiadanan-tsaina izy ary hanampy antsika handresy na inona na inona mitranga (Jaona 16:33; Filipiana 4:6, 7). Kanefa, mba ‘handehanana amin’ny finoana’ dia ilaintsika, ankoatra ny zavatra hafa rehetra, ny miara-mivory tsy tapaka amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika ara-panahy mba hianarana ny Baiboly sy hivavahana miaraka. — Hebreo 10:24, 25.

14, 15. a) Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy teo anoloan’ny harena, ny laza sy ny politika? b) Araka ny Soratra masina, ahoana no niheveran’i Jesosy ny fitarihan’Andriamanitra?

14 Amin’ny ‘fandehanana amin’ny finoana’ koa no hahatongavantsika ho toy ny naman’ireo lehilahy sy vehivavy nanompo tamim-pahatokiana an’i Jehovah tamin’ny lasa, indrindra fa Jesosy Kristy, “ilay Fiasana lehibe indrindra ho an’ny finoantsika, ilay mitarika izany ho amin’ny fahatanterahana”. Raha miezaka ‘hanaraka tsara ny diany’ isika, hanao ahoana ny fihetsitsika? — Hebreo 12:1-3, MN; I Petera 2:21.

15 Tsy nitsabaka mihitsy tamin’ny raharaha ara-politikan’izao tontolo izao i Jesosy. Mifanohitra amin’ny ankamaroan’ny niara-belona taminy, dia tsy naniry harena na laza izy. Nosoritany kosa fa “tsy avy amin’izao tontolo izao” ny Fanjakany. Tsy tia fatratra ny zavatra ara-nofo velively izy fa ‘tsy nanana izay hipetrahan’ny lohany’. (Jaona 6:14, 15; 18:36; Lioka 9:57, 58.) Na dia tanteraka aza ny sainy, dia tsy nanaraka ny lalan’ny tsy fiankinana izy, fa nitady foana ny fitarihan’ny Rainy any an-danitra. — Jaona 8:28, 29.

16. Araka ny fanazavan’ny ohatra nomen’i Kristy, tokony hanao ahoana ny fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah?

16 Araka ny hazavain’ny ohatra nomen’i Jesosy, tokony hanao ahoana ny fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao? Noho isika miaro ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, dia manaja ny “fahefana lehibe”, ireo fitondram-panjakana, isika, kanefa mitoetra ho tsy momba ny atsy na ny aroa amin’ny ara-politika (Romana 13:1-7; Matio 6:9, 10; Jaona 17:16). Tsy mikatsaka harena sy laza eo anivon’izao tontolo izao ankehitriny isika fa ‘mikatsaka ilay Fanjakana aloha’ ary matoky isika fa hataon’i Jehovah izay hananantsika foana ny ilaina eo amin’ny fiainana (Matio 6:24-34; Salamo 37:25). Ambonin’izany, sahala amin’i Jesosy, dia ‘tsy miankina amin’ny fahalalantsika’ isika, fa manaiky amim-pankasitrahana hotarihin’ny Andriamanitsika tia (Ohabolana 3:5, 6). Tsy isalasalana fa izany rehetra izany dia manampy antsika ‘handeha amin’ny finoana’.

Fisedrana sy soa

17. Mba ‘handehanana amin’ny finoana’, tokony hiaritra inona ireo mpanompon’i Jehovah? Manomeza ohatra.

17 Any amin’ny tany maro, mba ‘handehanana amin’ny finoana’, ireo rahalahintsika dia tsy maintsy mizaka fahoriana sy zavatra tsy mahafinaritra tsy fahita firy, hatramin’ny fanenjehana mahery vaika. Mazava ho azy fa mety hosedraina amin’ny fomba maro ny finoantsika. Ohatra, ho tiantsika ny hiresaka ny amin’ny fahatokiana nasehon’ny Vavolombelona ekoatoriana iray teo amin’ny asan’i Jehovah na dia tao aza ny fahasahiranana maro. Nahita ny fahamarinana io lehilahy io teo amin’ny faha-80 taonany. Tamin’izay izy vao nianatra namaky teny sy nanoratra. Rehefa afaka roa taona taty aoriana, dia natao batisa izy. Noho izy nonina tany anaty ala mikitroka, dia nila ny nandeha ora telo izy mba hankanesana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Ny vadiny izay nanohitra ny fahamarinana dia nanafina ny fitafiany sy ny volany mba hisakanana azy tsy hanatrika ireo fivoriana. Tsy naharesy ny fahatokiany anefa izany zava-manahirana rehetra izany. Nandritra ny folo taona dia nanao tamin’ny volana rehetra ny asan’ny mpitory maharitra vonjimaika (holazaina amin’izao andro izao hoe mpanampy) izy ary nitory tany amin’ny vohitra maro izy, na dia matetika aza no notevatevain’ny olona. Taty aoriana, rehefa nisy mpitory maharitra sy misionera nankany amin’io faritra io, dia tantsaha maro be no nankany amin’izy ireny mba hangataka azy hanampy azy ireo hianatra ny Baiboly. Araka izany, ny asa nataon’io rahalahy io tamin-jotom-po dia niteraka vokatra tsara dia tsara. Fa raha ny aminy, dia maty noho ny homamiadana izy teo amin’ny faha-92 taonany. Tamin’ny volana nahafatesany mihitsy anefa dia efa nanokana 40 ora ho amin’ny fanompoana izy.

18. a) Inona no hataontsika raha tiantsika ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra? b) Valisoa inona no azontsika antenaina raha manohy ‘mandeha amin’ny finoana fa tsy amin’ny fahitana’ isika?

18 Isika koa dia tokony haharitra na dia ao aza ny fisedrana mahazo antsika (Matio 24:13). Raha tiantsika ny hanana ny fankasitrahan’Andriamanitra, dia tena ilaina ny hanarahantsika ireo torohevitr’Andriamanitra, ny hametrahantsika ny fitokisantsika aminy sy ny hihatahantsika amin’izao tontolo izao sy ny toe-tsainy ary ny fomba fiasany (Salamo 37:5; I Korintiana 2:12; Jakoba 1:27). Aoka àry isika hiezaka hanahaka an’i Jesosy Kristy, Ohatra tokony halaintsika tahaka. Aoka isika haneho fahafoizan-tena ka ho vonona ny handany hery amin’ny asa mahatalanjona nankinin’i Jehovah tamintsika. Amin’ny fanaovana toy izany, dia ho azontsika atao ny hiandry amin-toky ny fahatanterahan’ny fampanantenana kanto nomen’ny Raintsika any an-danitra an’ireo mpivavaka aminy mahatoky. Soa toy inona moa no hoentin’izany ho antsika ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao! Afa-tsy izany koa, raha ‘mandeha amin’ny finoana isika fa tsy amin’ny fahitana’, ny valisoantsika lehibe indrindra dia ho ny nandraisana anjara tamin’ny fanamarinana ny fiandrianan’i Jehovah eo amin’izao rehetra izao.

Tadidinao ve?

◻ Inona avy moa no loza mikendry an’ireo izay ‘mandeha amin’ny fahitana’?

◻ Inona avy no fianarana azon’ireo mpanompon’i Jehovah tsoahina amin’izao andro izao amin’izay nitranga tamin’ny Isiraelita?

◻ Tsy tokony hampanarana ny tenantsika isika fa tokony hanao inona kosa?

◻ Ahoana no azo ‘andehanana amin’ny finoana’?

[Sary, pejy 12]

Matetika ve ianao no manapa-kevitra ny hiara-miala voly amin’ny fianakavianao raha mbola mandray anjara amin’ireo asa ara-panahy ny Vavolombelona hafa?

[Sary, pejy 14]

Namela ohatra tsara dia tsara ho antsika Jesosy Kristy. Hanahaka azy ve ianao ‘amin’ny fandehanana amin’ny finoana’?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara