Aoka isika handeha amim-pitokisana tanteraka eo ambany fitarihan’i Jehovah
“Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.” — DEOTERONOMIA 31:6.
1. Ahoana moa no nihariharian’i Jehovah ho Mpitondra niavaka ho an’ny Isiraelita?
NIHARIHARY ho Mpitondra tsy nanam-paharoa Jehovah rehefa nanafaka ny Isiraelita andevo tany Egypta. Tsy vitan’ny hoe nitarika azy ireny namakivaky ny efitra izy, fa nanome hohaniny sy hosotroiny koa ary nanome azy toromarika tonga lafatra. Noho izany antony izany no nahafahan’ireo Levita tamin’ny andron’i Nehemia nilaza hoe: “Noho ny haben’ny famindramponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao [Jehovah]; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dàlana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay làlana tokony halehany. Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny mananao tamin’ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy; eny, efa-polo taona no namelomanao azy tany an-efitra, ka tsy nanan-java-mahory akory izy; tsy rovitra ny fitafiany, ary tsy nivonto ny tongony.” — Nehemia 9:19-21.
2. Nahoana moa i Mosesy no afaka namporisika ny Isiraelita hiseho ‘hahery sy hatanjaka’?
2 Tamin’ny fifehezana ny Isiraelita tamim-pahamoram-panahy toy ny ataon’ny ray, ilay Andriamanitra Mpampianatra dia nampianatra azy ireo ny rariny sy ny fahitsiana. Nanao zavatra mba hahasoa azy ireo foana izy. Na dia rehefa nimonomonona na nikomy aza izy ireo, dia niseho ho nahari-po izy ary tsy nahafoy azy ireo. Noporofoiny indrindra fa hainy tsara ny nitondra ireo mpanompony rehefa nandresy ny tafika nahery namely azy ireo izy. Nanana antony tsara nampaherezana ny fireneny toy izao i Mosesy: “Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.” (Deoteronomia 31:1, 6). Eny, ‘hiara-mandeha’ amin’izy ireo Andriamanitra raha mbola naneho finoana koa izy ireo. Izany dia mamporisika antsika handeha amim-pitokisana tanteraka eo ambany fitarihan’i Jehovah.
Fianarana avy amin’ny lasa
3. Taoriana kelin’ny nivoahany avy tany Egypta, ahoana no nampisehoan’ny Isiraelita fa tsy ampy fankasitrahana sy fitokisana an’i Jehovah izy?
3 Ny tantaran’ny Isiraely anefa dia mirakitra fampitandremana ho antsika. Fotoana fohy taorian’ny nanafahana azy ireo avy tany Egypta tokoa, dia nanota imbetsaka tokoa tamin’ilay Mpitondra azy tsy hita maso ny Isiraelita. Rehefa nandray ny Lalàna teo an-tendrombohitra i Mosesy, dia nasehon’izy ireo fa tsy nankasitraka izay rehetra nataon’Andriamanitra ho azy izy ireo. Nahataona an’i Arona hanamboatra ombilahikely volamena izy ireo ary nanomboka nivavaka tamin’io sary io tamin’ny lanonana nolazain’i Arona fa “andro firavoravoana ho an’i Jehovah”. (Eksodosy 32:1-6.) Tamin’ireo mpisafo tany roa ambin’ny folo nirahina mba hamantatra ny tany Kanana, dia folo no tsy ampy finoana. Josoa sy Kaleba ihany no nananatra ny vahoaka hankany amin’ny Tany nampanantenaina sy haka an’ilay tany. Mampalahelo anefa fa tamin’izay fotoana izay ny firenen’Isiraely dia tsy nanao zavatra tamim-pinoana an’Andriamanitra. Noho izany, dia namoaka didy Andriamanitra fa ny lehilahy rehetra “hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra”, afa-tsy ny fokon’i Levy sy Kaleba ary Josoa, dia ireo mpisafo tany nahatoky, dia ho ringana mandritra ireo efapolo taona ho lanin’ny Isiraely any an’efitra (Nomery 13:1 ka hatramin’ny 14:38; Deoteronomia 1:19-40). Izany dia tokony hampiala antsika amin’izay rehetra tsy fahampiam-pankasitrahana sy fitokisana ny fitarihan’i Jehovah.
4. Ahoana no anazavan’ny tantaran’ny Isiraely ny loza namely an’i Joda sy Jerosalema ary ny tempoly tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana?
4 Na dia tsy maintsy nirenireny efapolo taona tany an’efitra aza ny Isiraelita, dia tsy nahafoy azy ireo akory Jehovah. Nanohy niady ho azy ireo izy. Taorian’ny nahafatesan’i Mosesy sy Josoa, dia naniraka mpitsara izy mba hanafaka ny olony tamin’ireo mpampahory azy. Tamin’izany fotoana izany anefa ny firenen’Isiraely dia nanao izay tsara teo imason’ny tenany ihany, hany ka nandroso be dia be tao ny herisetra, ny faharatsiam-pitondrantena sy ny fanompoan-tsampy ho faniratsirana lalàna (Mpitsara 17:6 ka hatramin’ny 19:30). Taty aoriana, rehefa nangataka mpanjaka olombelona ny Isiraelita mba tsy hiavahana intsony amin’ireo firenena nanodidina azy, dia nihaino ny hataka nataony Jehovah, nefa tsy maintsy nampiomana azy ny amin’ny ho vokatr’izany (I Samoela 8:10-18). Afa-tsy izany koa, na dia ny fiandrianana tao amin’ny ankohonan’i Davida aza dia tsy nahafa-po azy ireo, satria nikomy ny foko folo tamin’ny andro nanjakan’i Rehoboama (I Mpanjaka 11:26 ka hatramin’ny 12:19). Rehefa nandeha ireo taonjato, ny ankamaroan’ny Jiosy dia niha-tsy nieritreritra ny hanaiky hotarihin’Andriamanitra. Noho izany, tamin’ny fanafoanana an’i Jerosalema, tamin’ny fandravana ny tempoly sy tamin’ny fandrodanana ny fanjakan’ny Joda tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ny Babyloniana dia nampihatra fotsiny fanamelohana mendrika an’io firenena io izay tsy nahay nandeha tamim-pitokisana tanteraka teo ambany fitarihan’i Jehovah. Mampieritreritra izany.
Mitarika firenena vaovao iray Jehovah
5. Nanao ny tenan’i Jesosy ho inona moa i Jehovah? Inona no asa hanirahana an’i Kristy?
5 Sahala amin’ireo Isiraelita fahizay, ireo izay nanompo an’i Jehovah taty aoriana dia nandalo tamin’ny fiovan’ny tarehin-javatra maro, kanefa Andriamanitra nitari-dalana azy ireo foana tamin’ny fomba azo antoka toy izany. Tamin’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana, rehefa natao batisa tamin’ny fandrobohana Jesosy avy any Nazareta, dia nanao azy ho Mpaminany sy Mpitondra lehibe kokoa noho Mosesy i Jehovah. Tamin’ny naha-Mesia azy, izy io dia hamoaka olona avy amin’izao tontolo izao ratsy ankehitriny izay mipetraka eo ambany fahefan’i Satana (Matio 3:13-17; Daniela 9:25; Deoteronomia 18:18, 19; Asan’ny apostoly 3:19-23; I Jaona 5:19). Olona iza? Izay rehetra, jiosy na tsia, haneho finoana ny Mesia voatendrin’ilay Mpitondra lehibe any an-danitra, dia Jehovah.
6. a) Inona no nahatonga an’ireo mpianatra ho afaka hitory sy hikarakara fandaminana iray nitatra aoka izany? b) Nahoana moa taty aoriana no nety ho nisy nieritreritra fa maty tanteraka ny fahazavan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly?
6 Nampianatra fahamarinana mahatalanjona ny amin’Andriamanitra an’ireo mpianany Jesosy, ary nanome azy ireo ny toromarika hilainy mba hanatontosana tsara ny fanompoan’izy ireo (Lioka 10:1-16). Noho izany, rehefa nahavita ny asany Kristy tamin’ny fanolorana ny tenany ho sorona noho ny fahotan’ny taranak’olombelona, dia nampiofana mpianatra nahay nitory ny vaovao tsara sy nitantana ireo raharahan’ny fandaminana iray nitatra aoka izany izy, dia ny an’ny olona nino azy. Nandritra ny vanim-potoana niainan’ireo apostoly, dia nisy fanenjehana tamin-kalozana nirehitra. Nomba an’ireo mpanompony anefa ny tanan’i Jehovah, hany ka ny fisedrana azy ireo dia voaonitry ny fitomboana isan’ny mpino tsy nisy toy izany (Asan’ny apostoly 5:41, 42; 8:4-8; 11:19-21). Taorian’ny nahafatesan’ireo apostolin’i Jesosy sy ireo mpiara-miasa akaiky tamin’ireo, izay nilaza tena ho mpianatr’i Kristy dia tonga teo ambany fifehezan’ny mpitondra fivavahana sy mpanjaka lozabe sy niavonavona (Asan’ny apostoly 20:28-30). Koa satria izany toe-javatra izany naharitra nandritra ny taonjato 15 eo ho eo, dia nety ho ninoana fa maty tanteraka ny fahazavan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
7. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nitaky indray ny fahefany amin’ny maha-Mpitondra Jehovah? Inona no naharihariny tamin’ireo mpanompony amin’ny andro ankehitriny?
7 Tamin’izay no niboiboika ny fanambarana ‘toy ny feo tany an’efitra’ nanao hoe: ‘Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.’ (Jereo Isaia 40:3-5; Lioka 3:3-6; Matio 10:7). Tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, dia nohamafisin’i Jehovah indray ny fahefany amin’ny maha-Mpitondra tamin’ny fanombohana niantso ireo tena mpivavaka aminy sy ny famoahana azy ireo avy tamin’izao tontolo izao ratsy, indrindra fa avy amin’ireo fandehan-javatra ara-pivavahana nanam-piandohana babyloniana (Apokalypsy 18:1-5). Tamin’ny alalan’ny Teniny voasoratra sy tamin’ny alalan’ny fanahy masina, Andriamanitra dia nampiharihary tamin’ireo mpanompony amin’ny andro ankehitriny fa ny taona 1914 dia sady hanamarika ny fahataperan’ny vanim-potoana hisian’ny fanapahana tsy jiosy nitohy no hanamarika ny fandraisan’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra fahefana, dia ilay nofidiny ho Mpanjaka ho an’ny olona rehetra. — Lioka 21:24; jereo ny Annuaire des Témoins de Jéhovah taona 1975, pejy faha-34 ka hatramin’ny faha-37.
8. a) Inona no nalamina nanaraka izany? b) Iza no niaraka tamin’ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra? Ahoana no nanjary nampiharihary fa mitarika ny fandaminana teokratika Andriamanitra sy Kristy?
8 Tamin’izany ny firenena vaovao iray voaforon’ny Isiraely ara-panahy no nalamina, nohazavaina miandalana raha ny amin’ny fikasan’Andriamanitra ary nampiofanina tanteraka ho amin’ny fanompoana. Taty aoriana, dia mpino maro be manana fanantenana ny ho eto an-tany no tonga niaraka tamin’ireny mpianatr’i Kristy voahosotra ireny. Ankehitriny, ireny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ireny dia manambara amim-pifaliana ny anarany sy ny Fanjakany hatrany amin’ny faran’ny tany (Isaia 66:7, 8; Galatiana 6:16; Apokalypsy 7:4, 9, 10). Miharihary tanteraka fa Jehovah sy ny Zanany, ilay Mpanjaka voatendriny, dia nitarika ny asan’izy ireo voalamina. Miharihary indrindra izany amin’ny fandraisan’ny olona tso-po an-tapitrisany maro ny hafatra entin’izy ireo amin’ny mba fahatongavana koa ho mpiaro amin-kitsim-po ilay Fanjakana. Moa ve ianao anisan’izany olona maro be falifaly izany izay mandeha amim-pitokisana tanteraka eo ambany fitarihan’i Jehovah? — Mika 4:1, 2, 5.
9. Fianakaviana iraisam-pirenena inona no niseho? Manao ahoana ny fihetsiny eo anoloan’ny fitarihan’Andriamanitra sy ny fandaharana teokratika?
9 Araka ny fandehan’ny fotoana, ireo mpianatr’i Jesosy dia tokony hanao fanambarana ny aminy “hatramin’ny faran’ny tany”. (Asan’ny apostoly 1:6-8; Marka 13:10.) Noho izany antony izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitory amin’izao andro izao ny vaovao tsaran’ny Fanjakana maneran-tany, ka ireo izay “manana toe-tsaina mety mba hahazoana ny fiainana mandrakizay” dia manaraka amim-pifaliana ny fahamarinana. Amin’ny fanaovana toy izany no idirany ao anatin’ny fianakaviana maneran-tanin’ny rahalahy sy anabavy ara-panahy izay nanaiky tamin’ny fo rehetra ny fitarihan’Andriamanitra ka nanaraka ny fandaharana teokratika (Asan’ny apostoly 13:48, MN; I Petera 2:17). Raha ny amin’izay mahakasika anao, moa ve ianao miaiky tanteraka fa Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany, Jesosy Kristy Mpanjaka, dia mitarika an’io fandaminana misy mpitory ilay Fanjakana io?
Aoka isika tsy hanary toky
10. Inona moa no fampitandremana tokony hanosika ny kristiana rehetra handini-tena tsara tokoa?
10 Moa ve ireo izay nanandrana ny soa avy amin’ny fitarihan’Andriamanitra mety hanjary tsy ho ampy finoana sy fitokisana azy? Izany tokoa. Izao tokoa no fampitandremana natao ho antsika ny amin’izany: “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’Andriamanitra velona; fa mifananara isan-andro, raha mbola atao hoe ‘Anio’; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan’ny ota.” (Hebreo 3:12, 13). Noho izany, ny tsirairay avy amin’ny mpianatr’i Kristy dia tsara raha mandini-tena amim-pitandremana tokoa.
11. a) Amin’ny fomba ahoana no mety hahadonto ny fieritreretan’ny olona iray? b) Inona no nitranga tamin’ny olona sasany tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana?
11 Mety hihadonto ny fieritreretantsika ka tsy ho hitantsika intsony izay maha-ratsy ny hanarahana fitsipi-pitondrantena iray mifanohitra amin’ny hevitra fonosin’ny kristianisma ka mampiseho tsy fahampiam-pinoana sy fitokisana an’i Jehovah. Araka izany, ny sasany dia ho tonga amin’ny fametrahana zava-kendrena mampiseho fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo na fahafinaretana ara-nofo hitovy toerana amin’ny asan’Andriamanitra, na ambony kokoa aza. Ny hafa ho latsaka ao anatin’ny fahalotoam-pitondrantena na hanomboka hanaratsy an’ireo lehilahy notendrena hanana andraikitra ao anatin’ny kongregasiona. Tamin’ny taonjato voalohany, ireo “olona ratsy fanahy” nitsofoka tao amin’ny vahoakan’Andriamanitra dia ‘nandoto ny nofo sady nandà ny nanana fahalehibiazana ary niteny ratsy ny manana voninahitra’ izay niantsoroka andraikitra teo anivon’ny kongregasiona kristiana (Joda 4-8, 16). Ireny mpianatra sandoka ireny dia nanary ny finoana marina an’i Jehovah sy ny fitarihany. Enga anie ka tsy hitranga amintsika mihitsy izany!
12. a) Tsy miraharaha inona moa ireo izay maneho fitiavana tsy fiankinana sy fikomiana? b) Inona no fifanoheran-javatra mety ho hita eo amin’i Kora sy Davida?
12 Afa-tsy izany koa, ireo olona “mandà ny manana fahalehibiazana” dia matetika no mampiseho fitiavana tsy fiankinana sy fikomiana izay misakana azy ireny tsy hanaiky fa mitarika ny fandaminany Jehovah. Ny fihetsika toy izany fahiny dia nisy vokany nampidi-doza ho an’i Kora sy ho an’izay rehetra, sahala aminy, nanohitra ny fahefana nomen’Andriamanitra an’i Mosesy sy Arona (Nomery 16:1-35). Endrey ny fifanoheran’izany tamin’i Davida mpanjaka! Naleon’izy io niandry ny hanarenan’Andriamanitra ny zavatra. Tsy tiany mihitsy ny hamely an’ilay fahavalony, Saoly mpanjaka ratsy, satria izy io “voahosotr’i Jehovah”. (I Samoela 24:2-7.) Jehovah tokoa no nanendry an’i Mosesy, Arona, Saoly, Davida, Jesosy Kristy sy maro hafa koa. Amin’izao andro izao koa, ao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra, ireo fanendrena ho amin’ny raharaha toy izao na izao dia atao araka ireo fepetra takin’Andriamanitra sy eo ambany fitarihan’ny fanahy masina. — I Timoty 3:1-13; Titosy 1:5-9; Asan’ny apostoly 20:28.
13. a) Nahoana moa isika no tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho ny fitarihany? b) Tokony haka ohatra ny amin’iza moa isika? Hanao ahoana àry ny ho fihetsitsika?
13 Koa satria tsy “an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany”, dia tokony ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika noho ny fitarihana omeny antsika (Jeremia 10:23). Abrahama sy Saraha vadiny be fandavan-tena dia nankatò an’Andriamanitra tamim-pinoana. Boaza sy Rota koa dia nanaiky ireo fandaharana nomanin’i Jehovah. Eny, lehilahy sy vehivavy nahatoky maro be no nanaiky tamim-pahafinaretana hotarihin’Andriamanitra (Hebreo 11:4-38; Rota 3:1 ka hatramin’ny 4:17). Sahala amin’ireny olona manompo an’Andriamanitra taloha ireny, dia zava-dehibe ny hanariantsika ny fitiavana tsy fiankinana, ny hahitantsika fifaliana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fandaminana teokratika sy ny handehanana amim-pitokisana tanteraka eo ambany fitarihan’i Jehovah.
Amim-pitokisana tanteraka, dia aoka ‘hapetratsika amin’i Jehovah ny entantsika’
14. Inona no hanampy antsika hitandrin-tena amin’ny fitiavana fikomiana?
14 Inona no hanampy antsika hitandrin-tena amin’ny fitiavana fikomiana mba hijanonana ho vavolombelon’i Jehovah mahatoky? Tokony hekentsika voalohany indrindra fa ratsy ny mikomy sy ny tsy miraharaha amim-pieboeboana ny fitarihan’Andriamanitra (Nehemia 9:16, 28-31; Ohabolana 11:2). Amin’izany isika dia ho afaka hitalaho amin’ny Raintsika any an-danitra toy ny nataon’i Davida izay nanambara hoe: “Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ny ota sahisahy [fanaovan-javatra amim-pieboeboana, MN ]; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’izay fahadisoana lehibe.” (Salamo 19:13). Hahasoa koa ny hitadidiantsika fa tia antsika tokoa Jehovah. Tsy maintsy hampitombo ny fitiavantsika azy izany ka hanosika antsika hanaiky ny fitarihany amin’ny fotoana rehetra. — Jaona 3:16; Lioka 10:27.
15. Raha mieritreritra ny rahalahy iray fa tsy notendrena ho mpikarakara momba ny asa na mpiandraikitra izy satria tsy azoazon’ireo loholona, inona no azony atao?
15 Na dia tsy mora foana aza ny mandeha amim-pitokisana tanteraka eo ambany fitarihan’i Jehovah, dia tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa mitari-dalana ny fandaminany Andriamanitra. Ho ohatra, dia aoka hatao hoe mieritreritra ny rahalahy iray fa tsy voatendry ho mpikarakara momba ny asa na loholona satria tsy azoazon’ireo loholona. Tsy tokony hanao zavatra mety hanakorontana ny kongregasiona izany kristiana izany fa tsara ny hitadidiany hoe mitarika ny fandaminany teokratika Jehovah. Ho azony atao ny hangataka fanazavana amim-panetren-tena tanteraka sy amin’ny fomba milamina (Hebreo 12:14). Aorian’izany, dia haneho fahendrena izy amin’ny fiaikena ireo fahalemena hanintonana ny sainy angamba, amin’ny fivavahana amin’i Jehovah mba hanampy azy handroso sy amin’ny fanaovan’ny tenany fandaharana koa amin’izany lafiny izany. Rehefa vita izany, dia hiankina amin’Andriamanitra izy, ka hanaraka amin’izany ny torohevitra hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao.” (Salamo 55:22). Rehefa mandeha ny fotoana ary arakaraka ny hahafenoantsika ireo fepetra ara-panahy takina, dia tsy isalasalana fa hanome antsika zavatra be dia be hatao amin’ny asany Jehovah. — Jereo I Korintiana 15:58.
16. Na dia tena nisy nitera-pahavoazana ho antsika tokoa aza teo anivon’ny kongregasiona, inona no tsy tokony hatao? Nahoana?
16 Na dia tena mitera-pahavoazana ho antsika tokoa aza ny rahalahy iray na ny anabavy iray, moa ve izany antony tsy tokony hankanesana ao amin’ny kongregasiona intsony? Moa ve ny fahatafintohinana manome lalana antsika hiala amin’ny fanompoana masina tontosaintsika ho an’i Jehovah? Tsy izany velively. Izay hanao toy izany tokoa dia hiseho hivadika amin’Andriamanitra sy tsy ho ampy fankasitrahana noho ny fitarihany. Raha manaraka fihetsika toy izany isika, izany dia hilaza koa fa tsy tia an’ireo rahalahintsika mahatoky maneran-tany isika (Matio 22:36-40; I Jaona 4:7, 8). Ambonin’izany, raha miala amin’ny tsy fivadihantsika isika, dia hanome ho an’i Satana fahafahana hanazimba an’i Jehovah. Azo antoka fa tsy izany no irintsika hatao. — Ohabolana 27:11.
17. a) Inona no hanampy antsika hiaiky hatrany fa mitarika ny fandaminany Jehovah? b) Inona no ho anjaran’ireo izay manohy mandeha amim-pitokisana tanteraka eo ambany fitarihan’i Jehovah?
17 Aoka àry isika hisaotra an’i Jehovah ka tsy hanadino na oviana na oviana an’Ilay mameno ny fiainantsika amin’ny hatsaram-po sy ny famindrampo (Salamo 103:2-4). Raha mahatsiaro foana ny Raintsika tia isika ka manao zavatra mifanaraka amin’ny Teniny, dia hitana fitokisana mafy ny fitarihany tsy mety diso (Ohabolana 22:19). Izay miala amin’i Jehovah sy ny fandaminany, izay mandà amim-panamavoana ny fitarihan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ka mitoky amin’ny filazan’ny tenany ihany ny hevitry ny Baiboly dia voaheloka ho tonga toy ny hazo tokana eo amin’ny tany karakaina. Nefa kosa, izay nametraka ny fitokisany tamin’i Jehovah Mpitondra antsika lehibe, dia “ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano (...) izay mamaka eo anilan’ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany” ho voninahitr’Andriamanitra (Matio 24:45-47, MN; Jeremia 17:8). Hahita izany fahasambarana izany koa ianao raha tapa-kevitra hatrany ny handeha amim-pitokisana tanteraka eo ambany fitarihan’i Jehovah.
Ho hainao ve ny hamaly?
◻ Ahoana no nihariharian’i Jehovah ho Mpitondra tsy nanam-paharoa ho an’ny Isiraelita?
◻ Inona avy no fianarana azontsika tsoahina avy amin’ny tantaran’ny Isiraely?
◻ Iza no tarihin’i Jehovah amin’izao andro izao?
◻ Inona no hanampy antsika tsy hanary ny fitokisantsika ny fitarihan’i Jehovah?
◻ Na dia nisy niteraka fahavoazana ho antsika aza teo anivon’ny kongregasiona, inona no fihetsika tokony hotanantsika eo anoloan’ny fitarihan’i Jehovah?
[Sary, pejy 17]
Tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ny loza dia namely an’ireo izay tsy nandeha tamim-pitokisana tanteraka teo ambany fitarihan’i Jehovah. Izany dia fampitandremana izay fahendrena ny hihainoana azy.
[Sary, pejy 19]
Nandeha tamim-pitokisana tanteraka teo ambany fitarihan’i Jehovah i Abrahama, Saraha, Davida, Jesosy sy ny maro hafa koa. Toy izany koa ve ny aminao?