Fanontanian’ny mpamaky
◼ Koa satria ny foko roan’ny Joda no lasa tany amin’ny fahababoana tany Babylona tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana, nahoana no nisy anisan’ny foko 12 amin’ny Isiraely niverina avy tany, 70 taona taty aoriana?
Toa misy antony roa tena lehibe amin’izany. Voalohany indrindra, ny zavatra rehetra dia mahatonga hino fa tamin’ny fotoana nisarahan’ny fanjakan’ny Isiraely, rehefa nisaraka ireo foko 10, dia nisy solontenan’ny foko 12 nijanona tao amin’ny faritanin’ny Joda. Faharoa manaraka izany, talohan’ny taona 740, dia tena azo inoana fa nisy Isiraelita vitsivitsy avy amin’ny tsirairay avy tamin’ireo foko 10 nandositra nankany amin’ny faritanin’ny Joda mba hanalavirana ny fanompoan-tsampy nanjaka teo amin’ny Isiraely.
Matoa voazarazara ny fanjakan’ny Isiraely, dia satria ny fon’i Solomona ‘nivily niala tamin’i Jehovah’. Noho izany, dia nanambara toy izao Andriamanitra tamin’io mpanjaka io: “Hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao (...); fa rehefa mby amin’ny zanakao vao hendahako aminy (...), fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao.” (I Mpanjaka 11:9-13). Rehoboama, zanak’i Solomona, izay anisan’ny fokon’ny Joda, dia tena nahazo ny fokon’ny Benjamina tokoa ka tamin’izany izy dia nahaforona fanjakan’ny foko roa, ny fanjakan’ny Atsimo.
Na dia tsy nanana afa-tsy foko roa ara-bakiteny teo ambany fanevany aza Rehoboama, dia nanohy nanjaka teo amin’ny “Zanak’Isiraely [anisan’ny foko folon’ny Avaratra ] izay nonina tany an-tanànan’i Joda”. (I Mpanjaka 12:17; jereo koa II Tantara 10:17.) Afa-tsy izany koa, rehefa nanorina ny fanompoam-pivavahana tamin’ny ombilahikely volamena i Jeroboama ka nanendry mpisorona ho an’ny tenany tao amin’ny fanjakan’ny Avaratra, ireo mpisoron’i Jehovah sy ireo Levita izay nonina tao amin’ny faritaniny dia niandany tamin-dRehoboama. Izao no vakintsika: “Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an’i Jehovah (...).” Tamin’izay fotoana izay, dia nisy solontena avy tamin’ny “firenen’Isiraely rehetra” niaraka tamin’ireo mpisorona sy Levita nankany Jerosalema (II Tantara 11:13-17). Ny Soratra masina dia mitantara ny amin’ny fialan’ny anisan’ny foko maromaro tamin’ny andro nanjakan’i Asa. — II Tantara 15:9, 10.
Tamin’ny 740 alohan’ny fanisan-taona iraisana, rehefa naka an’i Samaria, renivohitry ny fanjakan’ny Avaratra ny Asyriana, dia nampihatra ny politikany mahazatra izy tamin’ny famindrana ny mponina tao amin’ireo faritra teo ambany fanapahana mba hampihenana ny mety ho fikomiana (I Tantara 5:6, 26). Tamin’izany no nitsahatra tsy nisy ny mpanjakan’ny Avaratra. Tsy voakasik’izany fisehoan-javatra izany anefa ireo solontenan’ny foko folo izay nonina tany amin’ny fanjakan’ny Joda tany atsimo. Izy ireny kosa dia anisan’ireo babo natao sesitany tany Babylona tamin’ny taona 607, fony nianjera koa ny Joda. Tamin’izany ny sasany tamin’ireo taranany no afaka niverina tany Joda tamin’ny 537, tamin’ny andron’ny fampodiana. Tetsy andaniny koa, dia nety ho nisy taranaky ny Isiraelita nobaboin’ny Asyriana tamin’ny 740 tafaverina tamin’izay fotoana izay koa.
Tsara ny manamarika fa ao amin’ilay boky mitondra ny anarany, Ezekiela mpaminany dia miresaka matetika lavitra ny amin’ny “taranak’Isiraely” noho ny “taranak’i Joda”, ary izany dia na dia nirahina ho any amin’ny mponin’ny Joda aza izy tamin’ny nahababoany tany Babylona. Ambonin’izany, ny faminaniany dia nilaza fa ireo ‘taranaka’ roa resahina dia hakambana mba ho iray ihany (Ezekiela 37:19-28; jereo koa Jeremia 3:18; Hosea 2:2). Noho izany, dia tsy nety intsony ny nanavahana azy ireo taorian’ny fahababoana tany Babylona.
Hita àry fa ny nifindran’ny foko folo (tamin’ny 740) dia tsy nampanary azy ireo ny maha-izy azy. Ny porofo dia ny nanamarihana ny fanatrehany tamin’ny fiverenana avy any amin’ny fahababoana, tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Ambonin’izany, ny amin’ny fitokanana ny tempoly naorina indray tany Jerosalema, dia izao no nosoratan’i Ezra mpisorona: “Ary ny Zanak’Isiraely, na mpisorona, na ny Levita, na ny olona sisa izay nody avy tamin’ny fahababoana, dia nitokana io tranon’Andriamanitra io tamin’ny fifaliana, ary ny nateriny (...) dia osilahy roa ambin’ny folo, araka ny isan’ny firenen’Isiraely.” (Ezra 6:16, 17). Nampahafantarin’Isaia koa fa ny sisa ho tafaverina dia ho voaforon’ny solontenan’ny fokon’ny Isiraely rehetra fa tsy Joda sy Benjamina ihany. Izao no vakintsika: “Fa na dia tahaka ny fasika any amin’ny ranomasina aza ny isan’ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina.” (Isaia 10:22). Araka izany àry, ireo babo tafaverina avy tany Babylona dia tena nampiseho ny fokon’ny Isiraely rehetra tokoa.