Tena nisy tokoa ve Adama sy Eva?
“ADAMA no lehilahy voalohany ary Eva no vehivavy voalohany; ireo no ray aman-drenintsika voalohany.” Io fanekem-pinoana io dia nambara tamin’ny 1947 tao amin’ny Katesizy ampiasain’ireo diosezy eto Frantsa, dia boky tokony hampiasaina mba hampianarana ny foto-pinoana katolika an’ireo ankizy frantsay.
Izao anefa no azo novakina tamin’ny taona nanaraka tao amin’ny “encyclopédie” hoe Catholicisme, boky neken’ny Eglizy: “Ny fampianarana evaolisionista izay mihevitra ny famoronan’Andriamanitra ny fanahy, dia tsy mifanohitra amin’ny Baiboly.” Mbola tamin’ny 1948 ihany, ny Fandinihan-draharaha pontifikaly ho amin’ny Fianarana ny Baiboly dia nampiseho ny fitantarana ny famoronana voasoratra ao amin’ny Genesisy ho “filazalazana ho an’ny vahoaka ny amin’ny niandohan’ny taranak’olombelona” voalaza amin’ny “fiteny tsotra sy ara-panoharana, mifanaraka amin’ny fahalalan’ny olona tsy mandroso kokoa.”
Tamin’ny 1981, ny papa Jean-Paul II dia nanao izao fanambarana izao teo anatrehan’ny Akademia pontifikalin’ny siansa: “Ny Baiboly koa aza dia miresaka amintsika ny amin’ny fiandohan’izao rehetra izao sy ny mahaforona azy, tsy hoe mba hanomezana antsika filazan-javatra ara-tsiansa fa mba hilazana mazava ireo fifandraisana ara-drariny eo amin’ny olombelona sy Andriamanitra ary izao rehetra izao.” Tetsy andaniny koa, ny Baibolin’ny Litorjia izay nahazoan-dalana hatonta pirinty tamin’ny 1976, dia mamintina amin’izao teny izao ny hevitry ny teolojiana katolika maro momba ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny famoronana: “Raha ny marina, izany dia tsy tantara na fahamarinana ara-tsiansa.”
Tsy maniry ny ho tratra aoriana ny Fiangonana hafa lazaina fa kristiana rehefa hoe hanohana ny tsangan-kevitra momba ny evaolisiona. Araka izany, Alexandre Westphal, profesora “honoraire” taloha amin’ny Tantaran’ireo fivavahana sy ny Teolojia araka ny Baiboly tao amin’ny “Faculté de théologie” protestanta any Montauban, dia nanazava ao amin’ny Dictionnaire encyclopédique de la Bible nataony fa ny andinin-teny ao amin’ny Genesisy mahakasika an’i Adama sy Eva sy ireo zanany roa voalohany dia “tokony hoheverina ho filazalazana, tsy fisehoan-javatra nitranga tao anatin’ny andro niainan’ny olona efatra, fa ho toy ny fitantarana amin’ny fomba fiteny ara-panoharana sy amin’ny sary fohy, ny fiandohan’ny olombelona amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra”. (Genesisy 2:7 ka hatramin’ny 4:16.) Tamin’ny 1949, ny arsevekan’i Cantorbéry, izay heverin’ny Eglizy anglikana ho lehiben’ireo evekany, dia tonga hatramin’ny filazana hoe: “Eo imason’ny fitambaran’ny Fiangonana kristiana, ny tsangan-kevitra ny amin’ny evaolisiaona izao dia zava-misy ara-tsiansa voaporofo.”
Araka izany, tsy ela izay, ny gazety frantsay mivoaka isan-kerinandro atao hoe L’Express dia nanizingizina mazava fa ankehitriny ny maha-anisan’ny biby ny olombelona dia “ny tsy mahalala na inona na inona sy ny olona hafahafa sasany ihany no miady hevitra ny aminy”.
Ny fitantarana ny amin’ny famoronana sy ny siansa
Moa ve hatramin’izao tokony hariana ny fitantarana ny amin’ny famoronana izay nekena nandritra ny taonjato maro? Marina fa ny bokin’ny Genesisy dia tsy manome antsika antsipiriany ara-teknika ny amin’ny fomba namoronana ny fiainan’ny zavamaniry sy ny biby. Ny zavatra fantatra amin’ny ankapobeny raketiny anefa dia mifandrindra tanteraka amin’ny zava-misy voaporofon’ny siansa.
Araka izany, ny Baiboly dia manaporofo fa iray fiaviana ny olona rehetra, fa izy rehetra dia samy taranak’i Adama sy Eva, lehilahy voalohany sy vehivavy voalohany daholo. Tao amin’ny nomerao manokana amin’ilay revio mivoaka isam-bolana hoe Science et Vie, André Langaney, tale lefitra ao amin’ny “Musée de l’Homme” any Paris, dia nanamafy fa avy amin’ny fototra iray ihany ny olombelona rehetra. Izao no vakintsika nosoratany: “Amin’ny zava-misy ara-biolojia sy ara-tantara, ny fitoviana lalina eo amin’ny olombelona dia mahery lavitra noho ny ara-kevin’ny tsy fitoviana amin’ny volon-koditra na ny fahabetsahan’ny “gènes” amin’ny “système Gm [fitambaran’ny “globulines” amin’ny “sérum” amin’ny ra mampiavaka ny foko sasany].”
Mamaly fanontaniana tsy takatry ny sain’ny manam-pahaizana koa ny bokin’ny Genesisy. Tamin’ny fiaraha-midinika nekeny hatao tamin’ny L’Express, ilay biolojista atao hoe François Jacob, nahazo ny loka Nobel, dia nanao izao fiaikena izao ny amin’ny “fifanoheran-javatra mahatalanjona eo amin’ny fahanterana”: “Tsy takatra ny fomba fiasany. Mampiseho fifanoheran-javatra tanteraka tokoa ny hoe ny tena iray izay afaka miforona eo am-pifaranan’ny fiovaovana sarotra sy mahagaga, dia tsy afaka mitana amin’ny toerany fotsiny izay misy rehefa avy eo. Ny fahafahana manamboatra olombelona iray avy amin’ny “cellule” iray, ny atody novokarina iray, dia azo inoana fa ny fisehoan-javatra mahatalanjona indrindra mety hitranga eto amin’ity planeta ity.”
Manazava koa ny Baiboly fa amin’ny heviny iray, dia misy fifanoheran-javatra eo amin’ny fahafatesan’ny olombelona. Marina tokoa fa araka ny fitantarana ao amin’ny Genesisy, ny olombelona dia noforonina mba ho velona, mba ‘hitana ny toerany mandrakizay’. Mba hanaovana izany anefa dia tokony hitana fifandraisana tsara amin’Ilay namorona azy izy. Rehefa ninia nikomy tamin’ireo fepetra notakiny ireo ray aman-drenintsika voalohany, dia nanota izy ireo. Ny fahotana anefa no nampiditra tao amin’ny olombelona ny “fifanoheran-javatra” ny amin’ny fahafatesana. Eny, ny fahotana no ‘niteraka’ fahafatesan’ny olombelona, araka ny nambaran’Andriamanitra. — Romana 7:13; Genesisy 3:16-19.
Noho izany, dia tsy hadalana velively ny hinoana ireo fanazavana araka ny Baiboly momba ny niandohan’ny olombelona. Afa-tsy izany koa, ny lahatsoratra manaraka dia hampiseho fa tsy afaka mandà ny fitantarana ny amin’ny famoronana ny kristiana raha tsy misalasala ny amin’ny finoany ny fanorenan’ny fanantenana kristiana mihitsy, dia: ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona. Mamporisika mafy anareo izahay mba hamaky izany.