FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/9 p. 22-26
  • “Miravoravoa mandrakizay”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Miravoravoa mandrakizay”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay “Jerosalema any an-danitra”
  • Ilay “Jerosalema vaovao”
  • “Jerosalema any ambony”
  • “Lanitra vaovao sy tany vaovao”
  • “Tany vaovao” mifaly
  • “Ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony”
  • Inona Ilay hoe Jerosalema Vaovao?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Ilay Tanàna Mamirapiratra
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Jerosalema — Ilay “Tanànan’ny Mpanjaka Lehibe”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Misy Zavatra Noforonina Vaovao Teraka!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/9 p. 22-26

“Miravoravoa mandrakizay”

1. a) Inona moa ny ”tanàna” resahina ao amin’ny Hebreo 11:10? b) Mandra-pahoviana moa ny “olona betsaka” no tokony hiandry “ny fahatanterahan’ny fampanantenana”?

TENA afaka ny hiravoravo tokoa isika satria Jesosy Kristy, Mpanjaka mesianika, dia manjaka ao amin’ny “Jerosalema” iray any an-danitra izao. Izany dia ilay tanàna “an’ny lanitra” voatonona ao amin’ny Hebreo toko faharaika ambin’ny folo ‘nirin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Ireny olona ireny dia “nanambara ampahibemaso fa izy dia vahiny sy mpivahiny tao amin’ny tany” Kanana, satria izy ireo nitady fatratra ny “tanàna misy tena fanorenana, tanàna izay Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy”. Nefa sahala amin’ny amin’izao andro izao amin’ny “olona betsaka” manantena ny hiaina eto an-tany, ireny olo-nahatoky taloha ireny dia tsy hahazo ny “fahatanterahan’ny fampanantenana” raha tsy efa ho nahazo ny lovany any amin’ny Fanjakan’ny lanitra ireo kristiana voahosotra.—Hebreo 11:8-16, 39, 40, MN, Apokalypsy 7:9.

Ilay “Jerosalema any an-danitra”

2. a) Ahoana moa no anasoritan’ny Hebreo 12:1, 2 ny fanantenana asehon’ny Fanjakana mesianika (Salamo 110:1, 2) b) Ahoana no nampisehoana an’ohatra ny fahatongavan’ny Fanjakana teo an-tendrombohitra Sinay?

2 Ny Hebreo toko faharoa ambin’ny folo dia mamporisika an’ireo kristiana voahosotra mba handray soa amin’ny ohatra nomen’ireo vavolombelona nahatoky taloha ka ‘hibanjina an’i Jesosy, ilay Fiasana lehibe indrindra ho an’ny finoantsika, ilay mitarika izany ho amin’ny fahatanterahana’ izay, rehefa avy niaritra fahafatesana, dia “mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra” amin’ny fiandrasana ny fahataperan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”. (Hebreo 12:1, 2, MN.) Mba hanatanjahana an’ireo kristiana tamin’ny androny tamin’ny fiandrasan’izy ireo ilay Fanjakana, dia nolazalazain’i Paoly nanaraka izany ireo fisehoan’ny voninahitr’i Jehovah nanaitra teo an-tendrombohitra Sinay, tamin’ny fanaovana ny faneken’ny Lalàna tamin’ny Isiraely ara-nofo. Jehovah no niteny tamin’ny Isiraely hoe: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko (...) dia ho fanjakà-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo.”​—Eksodosy 19:5, 6.

3. Tamin’ny heviny ahoana moa ny Isiraelita ara-panahy no “nanatona” zavatra mahatahotra kokoa?

3 Nefa ny Isiraelita ara-panahy — ny kristiana voahosotra amin’izao andro izao — dia ao anatin’ny “fanekena vaovao” iray. (Hebreo 8:8-11.) Izy ireo kosa dia “nanatona” zavatra mbola mahatahotra kokoa ihany. Nolazain’i Paoly ny hoe inona izany, ao amin’ny Hebreo 12:22, izay amakiantsika toy izao: “Fa hianareo kosa efa mby [nanatona, MN] eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra”. Izany fanatonana izany dia nanomboka tamin’ireo mpandova ilay Fanjakana niara-belona tamin’i Paoly, satria ireo dia “naorina ho trano ara-panahy” teo amin’i Jesosy Kristy, ilay vato fanorenana napetraka tao Ziona hatramin’izao (I Petera 2:4-9). Ireo kristiana voahosotra hafa dia hanohy hanatona toy izany an’ilay Jerosalema any an-danitra mandra-pahatongan’ny fanakambanana ny 144 000 rehetra amin’ny Zanak’ondry eo an-tendrombohitra Ziona any an-danitra. — Apokalypsy 14:1-5.

4. Mifanaraka amin’ny Fanjakana mesianika, nanatona zavatra hafa inona moa ny kristiana voahosotra?

4 Ao amin’ny Hebreo 12:22-24 i Paoly dia milaza fa mbola misy zavatra hafa koa ‘nohatonin’ny’ kristiana, dia zavatra mifamatotra amin’ny Fanjakana mesianika sy ny kendreny. Resahin’ilay apostoly ny fanatrehan’ny “anjely tsy omby alinalina” (izay resahin’ny Daniela 7:9-14 sy ny Matio 25:31 koa rehefa milazalaza ny amin’ny “toy ny zanak’olona” izy). Rehefa avy eo i Paoly dia miresaka ny amin’ny “fiangonan’ny [kongregasionan’ny, MN] lahimatoa” izay mandray ny Fanjakana ho lova. Asandrany Andriamanitra, “Mpitsara ny olona rehetra”, izay manambara an’ireny “lahimatoa” ireny fa marina mba hahafahany miditra ao amin’ny fanekena vaovao natao tamin’ny alalan’i Jesosy tamin’ny rany sarobidy (Hebreo 9:13-15; Romana 5:1, 9). Farany, dia resahin’i Paoly ny amin’ny “fanahin’ny [fiainana ara-panahin’ny, MN] olona marina”, izany hoe ireo mpandova ilay Fanjakana izay mandeha amin’ny “fiainam-baovao” izao. — Romana 6:4; 8:16.

5. a) Ahoana moa no anamafisan’ ny Hebreo 12:28, 29 fa tena ny Fanjakana mesianika tokoa “Jerosalema any an-danitra”? b) Ahoana no nampisehoan’ny Hebreo 13:14, 15 fa mbola vao ho avy tamin’izay io “tanàna” io?

5 Ny hoe tena anondroan’ilay “Jerosalema any an-danitra” voalazan’ny Hebreo 12:22 tokoa ny Fanjakana mesianika ‘nohatonin’ny’ kristiana voahosotra dia hamarinin’ny andininy faha-28 sy 29 izay ilazan’i Paoly hoe: “Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak’Andriamanitra amin’ny fanajana sy ny fahatahorana; fa Andriamanitsika dia afo mandevona.” Hita indray izany fampaherezana ‘hanatona amin-jotom-po an’ilay Jerosalema any an-danitra, dia ilay Fanjakana mesianika, izany, hatramin’ny faran’ny taratasin’i Paoly. Izao no vakintsika ao amin’ny Hebreo 13:14: “Fa ety isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.” Amin’izao andro izao, dia eo io Fanjakana io; tonga izy io tamin’ny taona voamarika 1914. Amin’ny faharisihana toy inona moa no tokony ‘hikatsahan’ireny anisan’ny sisa farany voahosotra eto an-tany ireny ny Fanjakana’ sy hanolorana ho an’i Jehovah “fanati-piderana amin’ny alalany ho an’Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky [manao fanambarana ampahibemaso, MN] ny anarany”! — Matio 6:33; Hebreo 13:15.

Ilay “Jerosalema vaovao”

6. a) Inona moa “Jerosalema vaovao” voalazalaza ao amin’ny Apokalypsy? b) Nahoana moa ny “olona betsaka” no tokony hihevitra mafy an’io “Jerosalema” io?

6 Aoka horesahintsika izao ny amin’ilay “Jerosalema vaovao” asiana fitenenana voalohany ao amin’ny Apokalypsy 3:12. Ao amin’io andinin-teny io, dia izao no lazain’i Kristy nomem-boninahitra momba izay “maharesy”: “Hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro (izy) (...) ary hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitra sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitro.” Taty aoriana, ao amin’ny Apokalypsy 21:1, 2, 10, Jaona dia milazalaza ny amin’ireo naharesy ao amin’ny “lanitra vaovao” ary miresaka ny amin’ny fitambaran’ireo ho “ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny”, dia Kristy. Io Jerosalema Vaovao io dia ny fiasana ampiasain’Andriamanitra mba hizarana ny “ranon’aina” ho an’ny olombelona mankato izay mahita tsikelikely ny fanasitranana ka asandratra ho amin’ny fahatanterahana. Amin’izany Andriamanitra, Mpanao an’ireny fandaharana mahatalanjona ireny, dia tena hamafa tokoa “ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana”. Ny “olona betsaka”, naman’ny sisa amin’ny kilasin’ny “ampakarina”, dia mifaly tokoa amin’izany fahatsinjovan-javatra izany!​—Apokalypsy 22:1, 2; 21:4.

7. Amin’ny ahoana moa “Jerosalema vaovao” no hafa noho “Jerosalema any an-danitra”?

7 Aoka homarihintsika anefa fa misy tsy fitoviana kely amin’ilay “Jerosalema vaovao” voalaza ao amin’ny Apokalypsy sy ny “Jerosalema any an-danitra” voatonona ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo. “Jerosalema vaovao” tokoa dia voaforon’ny kristiana 144 000 voafofo ho vadin’ny mpampakatra, nefa kosa ilay “Jerosalema any an-danitra” dia misy olona 144 001, ka ny olona amboniny dia ilay Mpanjaka Mpampakatra mihitsy. Ny taratasy ho an’ny Hebreo sy ny bokin’ny Apokalypsy àry dia manorina fitoviana akaiky amin’i “Jerosalema any an-danitra” sy “Jerosalema vaovao”.

“Jerosalema any ambony”

8, 9. a) Iza na inona moa no mahaforona ny “Jerosalema any ambony”? b) Ahoana moa, amin’ny fakana teny avy ao amin’ny Isaia 54, no ampisehoan’i Paoly fa izy io dia azo ampitahaina amin’ny vehivavy iray?

8 Ao amin’ny Galatiana 4:26, dia misy firesahana koa ny amin’ny “Jerosalema any ambony”. Inona izany? Izao no lazain’ny apostoly Paoly: “Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.” — Jereo Isaia 54:13.

9 Io “Jerosalema any ambony” io dia ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra azo ampitahaina amin’ny vehivavy. Izy io dia voaforon’ny anjely mahatoky maro be, ka tokony halahatra amin’izany koa ilay arkanjely nomem-boninahitra, dia Jesosy Kristy (Apokalypsy 12:7). Ireny anjely ireny dia manompo an’ilay Mpanjaka Tompo toy ny “vehivavy”. Ny amin’io “vehivavy” io, dia izao no teny nanampin’i Paoly: “Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; miantsoa sy minanananà, hianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondrantena dia maro noho ny an’ny manam-bady.” — Galatiana 4:27.

10. Inona moa no nitarika an’i “Jerosalema any ambony” ‘hinananana’ noho ny fifaliana?

10 Tamin’ny fahatanterahan’io faminaniana io, ny “vadin’i Jehovah”, ny fandaminany any an-danitra voaforon’ny zava-boary ara-panahy, dia tsy maintsy ho nentanin-kafaliana rehefa nahita an’i Jesosy Kristy tonga ny ‘taranany’ lehibe indrindra tamin’ny batisany, tamin’ny taona 29. Tsy maintsy ho safononoka ny fifaliany tamin’ny taona 33 rehefa natsangana tamin’ny maty sy nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra any an-danitra Jesosy izay maty tsy nivadika. Ary toy inona moa ny fifaliana nahita nanaraka izany, mpianatr’i Jesosy Kristy maro, nanatevin-daharana ny “taranaka” ka tonga zanany ara-panahy! Izany rehetra izany dia fahatanterahan’ny fampanantenana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama, nilazana fa ‘hahamaro ny taranany’ izy mba hahasoa ny firenena rehetra amin’ny tany. — Genesisy 22:15-18; Galatiana 3:29.

11. a) Amin’ny androntsika ankehitriny, inona no nahatonga an’i “Jerosalema any ambony” ho falifaly?

11 Tamin’ny 1914, ny lanitra dia nifaly koa nahita ny ‘vadin’Andriamanitra’ niteraka “zazalahy”, dia ny Fanjakan’i Kristy. Ary rehefa namaly ny fihaikan’i Satana Kristy Mpanjaka (antsoina koa hoe Mikaela, ka ny dikany dia hoe “Iza no sahala amin’Andriamanitra?”) tamin’ny fandroahana azy avy tany an-danitra, izy sy ireo demoniany, dia tsy isalasalana mihitsy fa ireo anjely miaramila dia tsy maintsy namaly tamim-pifaliana ny “feo mahery” izay nanambara hoe: “Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy.” Nifaly koa ireo anjely nanomboka tamin’ny 1919 rehefa nahita ny sisa amin’ireo ‘zanak’i’ “Jerosalema any ambony” mbola eto an-tany, afaka tanteraka tamin’ny fivavahana babyloniana (Apokalypsy 12:1-11; 18:4, 5). Ary amin’izao andro izao, raha mbola eo am-pamitana ny fanatonana an’i “Jerosalema any an-danitra” ny Fanjakana mesianika, toy inona moa ny fifaliana tsy maintsy manjaka eo amin’ireo anjely mahatoky be dia be mahaforona an’i “Jerosalema any ambony”!​—Isaia 62:11; Apokalypsy 19:7.

“Lanitra vaovao sy tany vaovao”

12. a) Ny amin’ny “Jerosalema” iza no resahina ao amin’ny Isaia 65:17, 18? b) Inona no fifandraisan’i “Jerosalema vaovao” sy ny “lanitra vaovao” ary inona no anjara raisin’i “Jerosalema vaovao”?

12 Ilay “Jerosalema any ambony”, izany hoe ny fandaminana na vadin’Andriamanitra, dia ravoravo mandinika izay rehetra tanterahin’i Jehovah, Mpanjaka Tompony. Nefa aoka hodinihintsika ny faminaniana ao amin’ny Isaia 65:17-19 izay mampiseho an’i Jehovah eo am-pamoronan-java-baovao. Ilay “Jerosalema” voalazan’io faminaniana io àry dia tokony ho ny “Jerosalema vaovao” aseho ho “Ziona zanakavavy” [zanakavavin’i Ziona, MN] izao, voafofo ho vadin’i Jesosy Kristy, Mpanjaka Mpampakatra (Isaia 62:11). Raha niresaka ny amin’io “ampakarina” io Jehovah dia nanambara hoe: “Indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.” Lehibe ny fifalian’io “ampakarina” any an-danitra io rehefa tratra ny isa fenon’ny mpikambana ao aminy — 144 000 — ka hitany Andriamanitra mamorona “tany vaovao”, izany hoe fikambanana teokratika tafaray eo amin’ny olombelona. — Apokalypsy 21:1-5.

13, 14. a) Nahoana moa no ambara ny fanasana ‘hifaly’? b) Filazalazana malaza inona no hitantsika ao amin’ny Apokalypsy 21:9-27? d) Inona moa no mahatonga antsika hahita “antom-pifaliana” amin’i “Jerosalema vaovao”?

13 Ny vahoakan’Andriamanitra rehetra no anaovana izao fanasana manaraka izao: “Mifalia (...) sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho”. Rariny tokoa raha hifaly isika, satria tsy ho ela dia hanamarina ny anarany malaza Jehovah amin’ny fandringanana ny fahavalony rehetra (Salamo 83:17, 18). Amin’izany ny “lanitra vaovao” dia hampihatra fanapahana feno. Ny Apokalypsy 21:9-27 dia milazalaza amintsika amin’ny fomba be voninahitra, “ny tanàna masina, dia Jerosalema [ny “vadin’ny Zanak’ondry”, Jesosy], midina avy tamin’Andriamanitra any an-danitra, sady manana ny voninahitr’Andriamanitra”. Mamirapiratra, raha lazaina an’ohatra, amin’ny fanjelajelatr’izao karazam-batosoa rehetra izao sy voazavan’ny voninahitr’Andriamanitra mihitsy io Jerosalema vaovao io ka manatanteraka amin’ny fomba mahatalanjona ny anjara sasany amin’ny fanomezana an’ireo “firenena”, dia ny olombelona, ny “ranon’aina” miboiboika avy amin’ny “seza fiandrianan’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry”.​—Apokalypsy 22:1, 2, 17.

14 Araka ny fandrindran-kevitra àry ny hoe ny amin’ny “ampakarina, vadin’ny Zanak’ondry”, tafaray amin’i Kristy Mpampakatra azy ao amin’ny “lanitra vaovao”, izany hoe ny fitondram-panjakana, no nilazan’i Jehovah toy izao: “Fa, indro, mahary an’i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.” (Isaia 65:18). Fa ahoana no mba ananan’ny “tany vaovao” koa izany fifaliana izany?

“Tany vaovao” mifaly

15. Ahoana no nametrahana fanorenan’ny “tany vaovao”?

15 Nahatonga “antom-pifaliana” Jehovah, tsy tany an-danitra ihany, fa teto an-tany koa. Nalatsany tokoa ny fototry ny “tany vaovao”, dia fitambaran’olona tia fivavahana izay hitombo ka amin’ny fotoana mety dia hameno ny tany manontolo, ho fiderana an’i Jehovah (Isaia 11:9). Tamin’ny 1919 Jehovah no nitarika an’i “Jerosalema any ambony” vadiny, hiteraka “tany” iray — toe-piainana na toe-javatra tena nandroso — izay nampidirany ny sisa tamin’ireo anisan’ny Isiraely ara-panahy mbola eto an-tany (Isaia 66:8, 10, 22). Io “tany” io dia niharihary ho paradisa ara-panahy niangonan’ny olon’i Jehovah mba hahaforona ny votoatin’ny “tany vaovao”. Tsy nilaina ny hiandrasana ny hahavitan’ny fahoriana farany mba hidirana ao amin’io paradisa ara-panahy io. Efa misy sahady izany.

16. Ahoana no nahitan’ny Isaia 62:1, 6, 7 fahatanterahany malaza?

16 Rehefa nampidirina ao amin’io “tany” mandroso io izao ireo mpanompon’i Jehovah, dia tanteraka ilay faminaniana lehibe ao amin’ny Isaia toko faharoa amby enimpolo momba an’i Ziona, dia “Jerosalema any ambony”. ‘Miposaka tahaka ny famirapiratry ny mazava ny fahamarinany’ ary manome ny tarany eo anoloan’ny firenena rehetra ny firenen’Isaia izay asehon’Isaia amin’izao teny izao: “Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ny màndanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, hianareo izay mpampahatsiaro an’i Jehovah, aza mitsahatra (...) mandra-panaony an’i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin’ny tany.” Ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra dia tena tonga ‘fiderana eto an-tany’ noho ny fitoriana ataon’ireo vavolombelony manerana ny gilaoby. Ny ankamaroan’io asa io izay miteraka fiderana, amin’izao andro izao dia tontosain’ireo naman’ny “mpiambina” voahosotry ny fanahy, izany hoe ny ‘olona betsaka (...) avy amin’ny firenena rehetra’ izay ny anisany dia mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ary “manompo Azy andro aman-alina”.​—Isaia 62:1, 6, 7; Apokalypsy 7:9, 14, 15.

17. a) Ahoana moa no nahatonga ny fanompoana “andro aman-alina” ao amin’ny tempolin’Andriamanitra ho toetra mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Inona moa tamin’ny 1982 no niteraka fifaliana niavaka indrindra? d) Amin’ ny fotoana inona ao anatin’ny taona no safononoka izany fifaliana izany, ary nahoana no mety izany?

17 Tsy mitsahatra mitombo ny maha-zava-dehibe an’io fanompoana io izay ataon’ny “mpiambina” sy ireo namany anisan’ny “olona betsaka” “andro aman-alina”. Izany dia nitana foana ny sain’ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadin’izy ireo, ny misionera, ny mpitory maharitra tsotra sy manokana ary ireo izay miasa ao amin’ny Betela; miasa amim-pahatokiana sy amin’ny fanahiny rehetra daholo izy ireo. Tamin’izao fotoana faramparany izao, dia nisy Vavolombelona be zotom-po, tanora sy antitra, nanaiky hahafoy tena mba ho mpitory maharitra mpanampy mandritra ny iray volana na mihoatra, ka hanokana amin’izany ora roa isan’andro amin’ny ara-keviny amin’ny fitoriana isan-trano na ny karazana asa fitoriana hafa. Tamin’ny 1982, dia nisy tampon’isa vaovao voamarika tamin’io asa io satria, naneran-tany, dia mpitory maharitra 305 778 no nanome filazana ny asany mahafaly. Vavolombelon’ilay Fanjakana mahatoky hafa 2 000 000 no nanampy azy ireny tamin’ny fomba mandaitra. Eny, Jehovah tokoa dia ‘nahary an’i Jerosalema ho antom-pifaliana’, dia fifaliana mitafotafo isan-taona rehefa tonga ny fotoana hankalazana ny fahatsiarovana, araka ny baiko omen’i Jesosy Tompo. — I Korintiana 11:23-26.

“Ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony”

18. Na dia tao aza ny fahasahiranana, inona moa no fampanantenana notanterahina ho an’ny “olona betsaka”, ary tamin’ny fomba ahoana?

18 Na dia mbola hisy fahasahiranana sy fanenjehana foana aza raha mbola avela foana Satana hitondra loza ho an’ny tany, ireo anisan’ny “olona betsaka” izay nanolo-tena ho an’Andriamanitra mba hivavaka aminy dia tsy hianjadian’ny ‘hafanana mivaivain’ny’ tsy fankasitrahan’Andriamanitra intsony. Rehefa nangataka sy nahazo “fieritreretana tsara” ireny mpitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana vita batisa ireny dia manompo amim-pifaliana, tarihin’ny Zanak’ondry, Jesosy Kristy, ho amin’ny “loharanon’ny ranon’aina”. Efa tanteraka sahady ho azy ireo izao fampanantenana manaraka izao raha mbola ao anatin ‘ny paradisa ara-panahy izy ireo: “Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony”. — I Petera 3:21; Apokalypsy 7:16, 17.

19. a) Nahoana moa no tsy misy fandrenesana “feo mitaraina” mihitsy ao “Jerosalema”? b) Inona moa no filazalazana hitantsika ao amin’ny Isaia 65:21-25, dia filazalazana mifanaraka tanteraka amin’ny hevitry ny anarana hoe “Jerosalema”?

19 Hita ao amin’ny Isaia 65:19 izao fanambarana tena mitovy amin’izany nataon’i Jehovah izao: “Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin’ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.” Ny sisa amin’ny kristiana voahosotra mbola eto an-tany izay hatsangana mba hiditra ao amin’i “Jerosalema vaovao” dia nanandrana izany fifaliana izany, ary amin’izao andro izao Jehovah dia manome fitahiana be dia be sahala amin’izany ho an’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa”. (Jaona 10:16.) Ny teny voatantara manaraka izany ao amin’ny Isaia 65:21-25 dia milazalaza amin’ny fomba mahafinaritra ny toe-piainana paradisa ananan’ny ‘olon’Andriamanitra’ izay nangonina mba hahaforona ny votoatin’ny “tany vaovao”. Izany dia tena “fanorenan’ny fiadanana roa sosona”, dia fiadanana dieny izao eo amin’ireo mpivavaka amin’i Jehovah, nefa koa any aoriana ao amin’ny paradisa an-tany rehefa hatao manerana ny gilaoby ny sitrapon’Andriamanitra. — Apokalypsy 21:3-5; Matio 6:10.

20. Fanontaniana inona avy no ara-dalàna ny hametrahana azy amin’ny tena?

20 Tianao ve ny hidera mandrakizay an’i Jehovah ao amin’ny paradisa an-tany noho ny asa mahatalanjona tanterahiny amin’ny alalan’ilay “Jerosalema any ambony”, dia ny vadiny na fandaminany be fandavan-tena? Irinao ve ny hahita an’i “Jerosalema any an-danitra” izay ny Mpanjaka dia Jesosy Kristy, ilay Davida Lehibe, handresy ny tsy rariny? Tianao ve ny hahita ny ampakarina, dia “Jerosalema vaovao” izay eo anilan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy any an-danitra, mampihatra n heriny eo amin’ny tany mba hamafana ny ranomason’ny olombelona rehetra?

21. Ahoana no azontsika ampisehoana ny fankasitrahantsika noho izay rehetra nasehon’ilay Jerosalema nahatoky taloha?

21 Raha tena izany tokoa ny fanirianao, dia mahareta amim-pahatokiana amin’ny “fanompoana masina” ka amin’izany dia manohiza miaro izay rehetra naseho an’ohatra tamin’ilay Jerosalema nivadika taloha, dia ny tanànan’ny “Mpanjaka lehibe”, Jehovah Mpanjaka Tompo (Apokalypsy 7:15). Amin’izany dia ho afaka hiray feo ianao hiventy izao hiran’ny tempoly falifaly izao, voasoratra ao amin’ny Salamo 87:3 ka hikalo amim-piravoravoana hoe: “Zava-malaza no anambarana anao, ry tanànan’Andriamanitra.”

Taorian’ny fianarana ity lahatsoratra ity, ahoana no andraisanao ny hoe...

□ “Jerosalema any an-danitra”? — Hebreo 12:22

□ “Jerosalema vaovao”? — Apokalypsy 21:2

□ “Jerosalema any ambony”? — Galatiana 4:26

□ “lanitra vaovao sy tany vaovao”? — Isaia 65:17, 18

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara