FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/9 p. 13-16
  • Nanohana ahy “ny tanjaka mihoatra ny hery fahita”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nanohana ahy “ny tanjaka mihoatra ny hery fahita”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo taom-piandohako tany an-tsekoly
  • Ny fahatongavanay tany Etazonia
  • Ny fanampian’i Jehovah
  • Voafafy ny voan’ny fahamarinana
  • Ho vonona hanao sorona toy izany ve aho?
  • Nandroso tamin’ny fahamarinana aho
  • Nanohana ahy “ny tanjaka mihoatra ny hery fahita”
  • Nizara ny fahamarinana aho
  • Nanahirana Sady Nahafaly ny Nitaiza Zaza Valo mba Handeha Amin’ny Lalan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Ny Faniriako Miredareda Hanompo An’Andriamanitra
    Mifohaza!—1993
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Vehivavy mananotena aho, nefa nahita ny tena fampiononana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/9 p. 13-16

Nanohana ahy “ny tanjaka mihoatra ny hery fahita”

Tantarain’i Sadie Haddad

“AHOANA no nataonao?” hoy ireo manontany ahy indraindray. Angamba irinao ny hahafantatra izay nataoko? Eny, nitaiza zanaka sivy aho, ka ny fito farany tamin’ireo dia notezaiko irery. Ary amin’ireo valo izay mbola velona ankehitriny dia fito no mpanompon’i Jehovah Andriamanitra vita fanoloran-tena sy mahatoky hatramin’ny ela.

Rehefa mitodika ny fiainako tamin’ny lasa aho, dia fantatro fa raha nitaiza ireo zanako tao amin’ny lalan’Andriamanitra aho, dia tsy nanao izany tamin’ny heriko manokana. Tsy ho afaka nanao izany aho. Miaiky aho fa nanampy ahy Jehovah. Araka ny asehon’ny II Korintiana 4:7 (MN), ireo izay maniry marina hanompo an’Andriamanitra sy hanatanteraka ny sitrapony dia afaka mahazo ‘ny tanjaka mihoatra ny hery fahita’, izay omeny amin’ny alalan’ny fanahiny masina.

Fa ahoana no nahatonga ahy tsy maintsy nitaiza irery fito tamin’ireo zanako? Ahoana no nahatongavako tamin’ny fahalalana an’i Jehovah sy ny fikasany? Avelao aho hiresaka kely aminao ny amin’ny fiainako tamin’ny lasa.

Ireo taom-piandohako tany an-tsekoly

Teraka tany Liban aho tamin’ny 1892, izany hoe nihoatra ny 90 taona lasa izay. Pretra tao amin’ny fivavahana ortodoksa grika ny raiko, tahaka ny rainy ihany koa izay toy izany talohany. Ny faniriany lalina indrindra dia ny hoe mba hisy iray fara faharatsiny amin’ireo zanany lahy hanaraka ny diany amin’ny fidirana amin’ny raharahan’ny pretra. Nefa tsy nisy na dia iray aza tamin’izy ireo naniry hanohy tamin’io lalana io.

Nalahelo mafy ny raiko noho izany. Kanefa raha izany no sitrapon’i Jehovah, Izay “manangana ny maty”, dia hiverina ho amin’ny fiainana ny raiko amin’ny alalan’ny fitsanganana rehefa hampiorina “tany vaovao” lasa paradisa Andriamanitra (II Korintiana 1:9; II Petera 3:13). Amin’izay dia ho afaka hilaza aminy aho fa na dia tsy nisy tamin’ireo zanany lahy aza minisitra, Saddie, zanany vavy, ireo zanany sy zafikeliny kosa dia lasa minisitr’i Jehovah!

Tsy dia fantatro marina ny reniko izay maty raha mbola telo taona aho. Noho ny fangatahany anefa, ny raiko dia nametraka ahy tany amin’ny kilasimandry izay nanomezan’ny relijiozy loteriana alemana ahy fampianarana sady tamin’ny fitenin’izy ireo no tamin’ny teny arabo. Nampianarina ho tia an’i Jesosy aho, nefa tsy nianatra firy ny amin’Andriamanitra sy ny fikasany.

Na izany aza, ny faniriako dia ny ho tonga relijiozy ary ho any an-danitra. Nefa tsy niditra an-daharana aho, satria tsy maintsy niverina tany aminay rehefa nifarana ny fianarako mba hikarakara ny raiko, ary izany no nataoko mandra-pahafatiny. Tamin’izay fotoana izay, ireo anadahiko dia nanana andraikitra hikarakara ahy, araka ny takin’ny fomba amam-panao any Liban tamin’izay. Nihevitra izy ireo fa tsy tokony hijanona ho irery intsony aho ary dia nitady vady ho ahy izy ireo. Tsy nanan-kolazaina aho. Nanambady àry aho tamin’ny 1909, raha vao avy nandray 17 taona.

Ny fahatongavanay tany Etazonia

Nandao an’i Liban izahay mivady tamin’ny 1910 ary tonga nipetraka tany Etazonia. Niorim-ponenana tao amin’ny toeram-piompiana iray tany Texas izahay tamin’ny farany. Ary arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia nanana zanaka sivy izahay.

Nefa tsy sambatra ny fanambadiako. Raha ny tena izy dia nandao ahy ny vadiko tamin’ny 1935. Tamin’izay fotoana izay dia vao telo taona monja ny zanako farany. Na dia efa nanambady aza ny vavimatoako sy ny lahimatoako, dia sahiran-tsaina aho noho ireo zava-manahirana hitan’izy ireo. Ary indro fa tsy maintsy hitaiza irery ireo zanaka fito farany aho ankehitriny.

Ny taona nanaraka, dia namidinay izay rehetra azonay namidy, afa-tsy ampahany amin’ny taninay, ary dia nanofa trano tany Beaumont, any Texas izahay. Maro tamin’ireo zanako àry no nanomboka niasa ary nandray anjara tamin’ny lany tao amin’ny fianakaviana. Nanampy ahy betsaka tokoa izany.

Ny fanampian’i Jehovah

Nefa avy tamin’i Jehovah no nandraisako fanampiana indrindra. Hatramin’ny 1917, fotoana izay mbola nipetrahanay tao amin’ilay toeram-piompiana, dia efa nandre firesahana ny amin’i Jehovah sy ny fikasany aho ary nanomboka nitodika tany aminy mba handraisana ny fanohanany.

Hatramin’ny fony mbola fahazazako, dia nanana fanajana an’Andriamanitra aho ary naniry fatratra aho ankehitriny hahafantatra bebe kokoa ny momba azy. Nahatsapa ny ilana izany indrindra aho satria tamin’ny 1914 dia nipoaka izay nantsoina tamin’izany fotoana izany hoe ny Ady Lehibe. Ny rahavaviko izay nonina tany Beyrouth, any Liban, dia nanoratra tamiko mba hampandre ahy ny amin’ny tarehin-javatra nahatsiravina nanjaka tamin’iny faritry ny gilaoby iny noho ny ady. Tao amin’ny fianakaviako dia maro no maty mosary.

Nanazava tamiko ilay rahavaviko fa tsy maintsy nivarotra ny tranony sy ny fananany izy mba hahafahana mividy mofo kely. Ambonin’izany, dia narary mafy izy. Niangavy ahy mafy izy mba handefa vola ho azy hahafahany mividy sakafo, ary izany no nataoko avy hatrany. Nefa nilazana an-taratasy aho fa maty ny andro nahatongavan’ilay vola izy. Mbola ao amiko ihany ankehitriny io taratasy mampalahelo indrindra io.

Ireo zava-nitranga ireo dia nahafahako nahita tamin’ny fomba faran’izay mazava, ny fahatanterahan’ny Matio 24:7, ary izany dia nanampy ahy hanaiky ny fahamarinana rehefa nandre izany aho.

Voafafy ny voan’ny fahamarinana

Nanomboka voafafy tao am-poko ny voan’ny fahamarinana tamin’ny 1917. Tamin’io taona io, ny minisitra manontolo andro an’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tonga teo am-baravarako. Nanolotra ahy famandrihana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny arabo izy. Novakiko hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ilay gazety voalohany. Hatramin’izay dia tsy mbola diso mihitsy tamin’ny famakiana na dia nomerao iray aza aho, sady nandinika ny Baiboly, izay loharanon’ny finoako sy ny fitokisako amin’i Jehovah.

Taty aoriana dia nianatra namaky tsara ny teny anglisy aho ka nangataka ny handefasana ho ahy Ny Tilikambo Fiambenana amin’io fiteny io. Naniry io fanovana io indrindra aho satria niriko ho afaka hamaky ireo gazety koa ny zanako.

Tsy nanohitra ny zavatra nianarako ny vadiko, nefa tena nahasosotra azy aho namaky be dia be toy izany. Ny hariva àry, raha vao vita ireo raharaha fikarakarako tokantrano ary efa tany am-pandriana ireo zanako, dia tsy maintsy nanidy ny varavarana nisy ahy aho ary nanampina ireo hirika nety ho namela ny fahazavana ho hita mba hahafahako mamaky. Tamin’izany no nahafahako nanohy ny famakiako teny.

Ho vonona hanao sorona toy izany ve aho?

Lasa ny taona maromaro. Nanohy namaky sy nianatra foana zavatra betsaka kokoa momba an’Andriamanitra ah. Avy eo, tamin’ny 1935, fotoana kelikely taorian’ny nandaozan’ny vadiko ahy, dia nasaina ho any amin’ny sekoly iray teo akaikin’ny toeram-piompiana aho mba hihaino lahatenin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ankoatra ny zavatra hafa dia nisy firesahana an’i Abrahama sy ny soron’Isaka zanany.

Tamin’ny naha-loteriana ahy dia nisy fanontaniana nanahirana ahy foana, dia ny hoe nahoana Andriamanitra no nangataka tamin’i Abrahama mba hanaovany sorona ny zanany ho azy. Ankehitriny, rehefa renin’ny zaza sivy aho dia vao mainka nanahirana ahy izany. Toa tsy ho afaka hanao zavatra toy izany na oviana na oviana aho.

Kanefa, ireo fanazavana nomena momba io foto-kevitra io nandritra ny lahateny dia nanampy ahy hahatakatra izay tena hevitry ny finoana marina ary nahoana izany no nahafahan’i Abrahama niasa araka izay nataony. Nino mafy izy fa Andriamanitra izay manangana ny maty dia afaka nanangana koa ny zanany lahy (Hebreo 11:17-19). Tsapako fa nila io finoana io aho mba hiatrehako ireo zava-manahirana notehirizin’ny ho avy ho ahy. Nefa ahoana no hahatratrarako tsara ny fitaizana ireo zanako sy hanomezana azy ireo finoana mitovy amin’ny an’i Abrahama? Nivavaka tsy tapaka tamin’Andriamanitra aho mba hanampy ahy amin’io asa io.

Nandroso tamin’ny fahamarinana aho

Fotoana fohy talohan’ny nandehananay nonina tany an-tanàn-dehibe tamin’ny 1936, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nitsidika ahy indray ary nampihaino ahy horonampeon’i Joseph Rutherford, prezidan’ny Fikambanana Watchtower. Nohazavainy fa ny fahalalana marina dia zavatra iankinan’ny aina satria Jesosy nilaza fa ny fahalalana an’Andriamanitra sy ny Kristiny dia hidika fiainana mandrakizay (Jaona 17:3). Nanasa ahy koa ho tonga any amin’ireo fivoriany ireo Vavolombelona. Noho izany taorian’ny niorenanay fonenana tany an-tanàn-dehibe, izaho sy ny anankiray tamin’ireo zanako vavy dia nangataka fanazavana ny amin’ny toerana nisy ireo fivoriana, ary dia nandeha tany izahay.

Tiako aoka izany iny fivoriana voalohany iny, hany ka tamin’ny farany dia nanontany aho raha nisy sekoly alahady azon’ireo zanako natrehina. Niriko ny hianaran’izy ireo ny zavatra kanto hitako. Mazava ho azy fa nanazava tamiko ireo Vavolombelona fa tsy nanao sekoly alahady izy ireo nefa kosa ho avy any aminay isan-kerinandro izy hampianatra anay izay lazain’ny Baiboly. Nanontany azy ireo aho raha lafo izany. “Tsy izany velively, hoy ny navalin’izy ireo, maimaimpoana izany.” Akory ny fahagagako!

Talohan’ny nahatongavan’ireo Vavolombelona ho amin’ny fampianarana voalohany dia nivavaka tamin’i Jehovah aho. Tamin-kafanam-po, dia nangataka azy aho mba hanampy ahy amin’ny fitaizana ny zanako mba hitiavan’izy ireo tsara koa ny hianatra ny Baiboly miaraka aminay. Faly be tokoa aho satria nitambatra tamin’ny fianarana daholo izy ireo, anisan’izany koa ny zanako vavimatoa sy ireo zanany.

Isan-kerinandro nifandimby, dia revo izahay nianatra fahamarinana vaovao momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanapahana hampihariny eo amin’ny paradisa ho avy etỳ an-tany. Takatray koa ny maha-zava-dehibe ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah (Salamo 83:18). Izany dia zavatra tsy mbola reko mihitsy fony aho nandeha tany amin’ny sekoly loteriana, tany Liban.

Nanohana ahy “ny tanjaka mihoatra ny hery fahita”

Nianarako koa fa manohana ireo mpanompony Jehovah Andriamanitra rehefa miankina aminy ireo. Azoko atao ny milaza amim-pahamarinana fa hatramin’ny fotoana nanohinan’ny fahamarinana tanteraka ny foko dia tsy sahiran-tsaina mihitsy intsony tamin’ny fanontanian-tena ny amin’izay mety ho fandehan-javatra aho. Nametraka ny fitokisako rehetra tamin’i Jehovah aho, tamin’ny tsy fanaovana tsirambina ny anjarako, mazava ho azy, no sady nino mafy fa hanome ahy “ny tanjaka mihoatra noho ny hery fahita” izy.

Arakaraka ny fandehan’ireo volana dia nitondra vokatra io fitokisana io. Rehefa tapitra ny herintaona nianarako Baiboly tany an-tokantranoko, dia natao batisa aho. Tamin’ny 1937 izany. Taty aoriana, ireo zanako vavy fito dia natao batisa koa. Toy inona moa ny fisaorako an’i Jehovah noho ny nanomezany ahy izany fitahiana izany!

Avy eo dia nisy fisedrana mahery vaika tonga. Amin’ny tarehin-javatra toy izany dia tsy maintsy nilaiko ny niantehitra tamin’i Jehovah sy nitady ny fanohanany. Ny zanako lahy farany izay nianatra ny Baiboly nandritra ny fotoana kelikely anefa, dia tsy niandany mafy mihitsy tamin’ny fahamarinana. Nefa nanaja izany izy ary nankasitraka foana ny hanohizanay tamin’io lalana io. Kanjo narary izy ary maty tamin’ny 1968.

Ny fahafatesany no zavatra niainako nampivarahontsana ahy indrindra. Tiako tokoa izy io, tahaka ny tsirairay avy tamin’ireo zanako. Tsy maintsy milaza amim-pahatsorana tokoa aho fa raha tsy nanana ny fanohanan’i Jehovah dia tsy ho nahazaka ny alaheloko. Ambonin’izany, nahita fampiononana lehibe aho tamin’ny fieritreretana fa hahita indray ny zanako lahy aho noho ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany.

Nizara ny fahamarinana aho

Hatramin’ny fotoana izay nianarako ny fahamarinana dia nanandrana fiadanan’ny saina sy ny fo izay tsy fantatro velively teo aloha aho. Ankoatr’izany, ny faniriako lalina dia tsy ny ho tonga relijiozy intsony na ho any an-danitra, fa ny hiaina eo amin’ny paradisa an-tany ho eo ambany fitantanan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsara loatra io fanantenana io ka nahatsapa faniriana nandodona ny hizara azy amin’ny mpiara-belona amiko aho. Izany no nataoko nandritra ireo taona lasa ireo, ary izany dia nahazoako niaina fotoana kanto.

Na dia hatramin’izao aza — efa ho 91 taona aho izao — dia maniry handray anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana aho. Marina aloha fa tsy afaka mandeha toy ny taloha aho, nefa ireo zanako vavy dia manampy ahy betsaka tokoa amin’io lafiny io. Raisin’izy ireo amin’ny fiarakodia aho ary avelany hampiseho eo amin’ny varavarana anankiray ny hafatr’ilay Fanjakana. Avy eo dia ateriny eny amin’ny fiarakodia izay ialako sasatra kelikely sy iandrasako azy ireo aho, raha manohy ny fitoriany izy ireo.

Raha ny tena izay, izaho sy ny iray amin’ireo zanako vavy dia mianatra ny Baiboly isan-kerinandro miaraka amin’ny vehivavy be taona efatra. Manampy ahy hitazona mazava ao an-tsaiko ireo fahamarinana kanto momba an’i Jehovah sy ny fikasany izany.

Efa ho 45 taona ankehitriny no nanolorako tena ho an’Andriamanitra. Trotraka ve aho satria tsy mbola voaorina ny fandehan-javatra vaovao? Marina aloha fa vizana aho amin’ny lafiny ara-batana. Nefa toy inona ny fahasambarako nahita fa nandritra ireo taona rehetra ireo dia nitatra aoka izany ny fandaminan’i Jehovah hany ka ny isan’ny mpitory izay an’aliny vitsivitsy tamin’ny 1937, fony aho natao batisa dia lasa nihoatra ny 2 400 000 tamin’ny 1982!

Isaiko ho anisan’ireo mpihira fiderana an’i Jehovah rehetra ireo ny fito amin’ireo zanako valo mbola velona ary saika ny zafikeliko sy ny zafiafiko rehetra. Ny anankiray amin’ireo zanako vavy, i Rose Peloyan, sy ny vadiny, dia nandany mihoatra ny 25 taona koa tamin’ny asa manontolo andro, tao amin’ny foiben’ny Fikambanana Watchtower any Brooklyn. Ary hatramin’izao, ny anankiray amin’ireo zafikeliko vavy sy ny vadiny dia mbola manompo ao koa.

Tsy misy aloky ny fisalasalana kely akory ao an-tsaiko: raha tsy maintsy nitaiza ny ankohonako tao amin’ny lalan’i Jehovah aho tamin’ny tsy fiankinana afa-tsy tamin’ny heriko manokana nandritra izay taona rehetra izay, dia tsy ho nahomby tamin’alahelo aho. Nefa Jehovah dia nanome fampanantenana fa tsy handao ahy velively ny mpanompony. Mifanohitra amin’izany, fa hanampy azy ireny hanatanteraka ny sitrapony izy amin’ny fanomezana ho azy ireny “ny tanjaka mihoatra noho ny hery fahita”, amin’ny alalan’ny fanahiny masina. Nandritra izay am-polony taona maro izay dia afaka nahatsapa aho fa izany tokoa no izy. Ankehitriny dia miandry amim-pahadodonana ny hahafahana mahita indray ny heriko ara-batana aho ao amin’ny paradisa mba hanompoana an’i Jehovah mandrakizay.—Salamo 94:14-19.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara