FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/9 p. 10-12
  • Miteny aminao ny Apostoly Petera

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miteny aminao ny Apostoly Petera
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpiandry iray mahay
  • Aoka hoheverintsika ho ambony be ny finoana
  • Aoka isika hifaly na dia ao aza ireo zava-manahirana
  • Fandrahonana lehibe
  • Aoka Isika Hihazona Mafy ny Finoantsika Sarobidy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Nampianarin’i Jesosy Hamela Heloka Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
  • Nampianarin’ny Tompo Hamela Heloka Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Tsy Nivadika Mihitsy Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/9 p. 10-12

Miteny aminao ny Apostoly Petera

TSY mora ny ho kristiana amin’izao androntsika izao. Ilaina amin’izany ny manohitra fitaomana maro. Any amin’ny tany sasany, ny Fanjakana dia manandrana manery ireo kristiana hampandefitra ny fieritreretany. Vehivavy kristiana maro no manambady tsy mpino. Ny tanora dia voasinton’ny famirapiratana sandoka sy ny “fahendren’izao” tontolo izao ankehitriny. Ankoatr’izany, rehefa avy niandry nandritra ny am-polony taona maro, dia misy aza manontany tena raha ho avy Haramagedona indray andro any.

Raha tojo zava-manahirana toy izany ianao—ary izany raha ny tena izy no mahazo ny kristiana rehetra, — dia natao mivantana ho anao ireo taratasy roa araka ny Baiboly nosoratan’ny apostoly Petera. Nanoratra ho an’ny kongregasiona tamin’ny androny Petera, telopolo taona mahery kely taorian’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy araka ny tokony ho izy. Kanefa ireo zava-manahirana ny kristiana dia tsy niova firy nandritra ireo taonjato lasa hatramin’izay. Ireo torohevitr’i Petera àry izany dia azo ekena ihany koa amin’izao andro izao toy ny tamin’ny androny. Ankoatr’izany, Petera dia nanana ny toetra rehetra nilaina mba hanomezana izany.

Mpiandry iray mahay

Amin’ny famakiana ireo Filazantsara sy ny bokin’ny Asan’ny apostoly dia azontsika atao ny mifankahalala bebe kokoa amin’ilay mpanarato galiliana izay tonga ny apostoly Petera. Mahita amim-pahafinaretana olona malemy fanahy tokoa isika. Marina fa ny tsy fivadihany tamin’i Jesosy dia tsy misy mampiahiahy velively. Kanefa izy dia taitaitra, ary indraindray dia nanao fahadisoana. Angamba ankoatr’izany isika dia hahita tsy misy fahasahiranana mihitsy ny tenantsika eo amin’ireo zava-niseho tamin’i Petera.

Araka izany, tsarovy ny fihetsiny rehefa nahita an’i Jesosy nandeha teny ambony rano izy. Taitra aoka izany izy ka naniry hanao toy izany koa. Kanefa rehefa nahafantatra tanteraka ny toerana nisy azy izy dia nikoropaka be aoka izany izy ka tsy maintsy novonjena. Tadidio koa ilay zava-niseho izay nanantitranteran’i Petera koa ilay zava-niseho izay nanantitranteran’i Petera tamin-kerim-po fatratra faizy, fara faharatsiny, dia tsy ho tafintohina na oviana na oviana. Ora vitsivitsy taty aoriana, dia nanda an’i Jesosy intelo izy. — Matio 14:23-24; 26:33, 34, 69-75.

Na izany aza, ilay mpanoratra ireo taratasy roa ao amin’ny Baiboly izay mahaliana antsika dia niova tokoa hatramin’ny andro izay tsy maintsy nanaovan’i Jesosy taminy ity fananarana mahery ity: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao.” (Matio 16:23). Izany dia ilay apostoly izay ny asa nanirahana azy dia nolazalazain’i Jesosy tamin’ireto teny ireto: “Fahano ary ny ondriko.” (Jaona 21:17). Ao anatin’ireo taratasiny, isika dia mahita lehilahy iray mahay mandanjalanja noho ny telopolo taona mahery nahazoana fanandraman-javatra tamin’ny asa ‘fiandrasana ny ondry’.

Noho izany, rehefa mananatra antsika Petera amin’ireto teny ireto hoe: “Mifankatiava fatratra amin’ny fo”, dia azontsika atao ny mitadidy fa ilay nanontany an’i Jesosy fahiny toy izao ihany io: ‘Impiry moa no tokony hamelako ny rahalahiko? Hatramin’ny impito va?’ Takatr’i Petera ankehitriny fa ny fitiavana mamatotra ireo kristiana dia tsy manam-petra (I Petera 1:22; Matio 18:21). Ambonin’izany, rehefa hitantsika mamporisika ireo rahalahiny hitoetra ho ‘mahonon-tena ho amin’ny fivavahana’ izy, dia mahatsapa fa nianatra be dia be izy hatramin’iny alina nampahatahotra iny izay namelan’i Jesosy ireo mpianany hivavaka tao Getsemane ka nahitany azy ireo natory. — I Petera 4:7; Lioka 22:39-46.

Marina tokoa àry fa nanjary ondry tena nahay ilay mpanaratontsika galiliana. Fa raha ny amin’ireo toroheviny amin’ny maha-mpiandry, azo tamin’ny alalan’ny fanahy masina, dia amin’izay ilàna azy koa izany amin’izao androntsika izao toy ny naha-izany tamin’ny androny. Aoka àry isika handinika sasantsasany amin’izy ireny.

Aoka hoheverintsika ho ambony be ny finoana

Tamin’ny taonjato voalohany, ny izao tontolo izao jiosy sy romana dia sady namiratra no nahery. Ireo kristiana àry dia tsy maintsy niambina mba tsy hanaiky ho sodokan’ny firentiny na hatahotra ny fanereny. Izany no antony namporisihan’i Petera alohan’ny zavatra rehetra ireo mpamaky azy mba ‘hisikina ny sainy’ary ‘hahonon-tena’. (I Petera 1:13.) Nefa ahoana no mety hahatongavan’izy ireo amin’izany? Amin’ny fambolena fankasitrahana lalina ny tombontsoa nomena azy ireo.

Nampahatsiahy azy ireo tokoa Petera fa ireo mpaminany tamin’ny andro fahiny ary hatramin’ireo anjely dia nandala ireo zavatra izay nambaran’Andriamanitra tamin’ireo kristiana. Nataony azon’izy ireo notsapain-tanana ny fahatondrahan’ny tombontsoa azon’izy ireo. Novidina tamin’ny ran’i Jesosy Kristy izy ireo, nateraka noho ny famafazana tsy mety lo, noho ny teny mandrakizain’Andriamanitra, ary izy ireo dia nahaforona “taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany”. (I Petera 2:9.) Nety raha nahatsapa hatrany ny toerany izy ireo: izy ireo izay mpivahiny eo amin’izao tontolo izao ratsy, dia nandray soa tokoa tamin’ny famindrampon’i Jehovah lehibe.

Ankehitriny dia tsy misy afa-tsy sisan-javatra vitsy sisa tavela tamin’io izao tontolo izao fahiny io. Kanefa isika dia mbola miaina foana eo amin’ny izao tontolo izao tsy mivavaka izay miezaka manangoly antsika amin’ireo fakam-panahy na mampivily lalana antsika noho ireo fanereny. Araka izany, ireo torohevitr’i Petera dia mihatra amintsika amin-kery toy izany koa. Isika koa dia tsy tokony tsy hahita intsony izay ananantsika. Raha tsy maniry ny hanaiky ho fefiky ny filozofia fatra-pitia ny zavatra hita mason’izao tontolo izao isika, dia tokony ‘haniry rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboantsika amin’izany ho amin’ny famonjena’. — I Petera 2:2.

Aoka isika hifaly na dia ao aza ireo zava-manahirana

Tahaka ireo mpiara-belona tamin’i Petera, isika ka dia matetika manana zava-manahirana noho isika miaina eo amin’izao tontolo izao ratsy. Miresaka foto-kevitra telo ilay apostoly: 1) Ny andraikitry ny kristiana eo anatrehan’ny fanjakana; 2) ny fifandraisan’ny mpanompo kristiana iray amin’ny tompony ary 3) ny fanekena tokony hasehon’ny vehivavy kristiana ny vadiny tsy mpino mba hanampiana azy.

Tamin’ny andron’ny apostoly, dia raharaha niankinan’ny aina izany. Ireo manam-pahefana tokoa dia matetika manana fahefana hampijaly, eny, hamono hahafaty mihitsy aza ireo tsy olom-pirenena romana. Ireo mpanompo kosa dia tsy nahita fanampiana firy rehefa nentin’ireo tompony tamin-kalozana. Fa raha ny vehivavy kosa, dia fananan’ireo vadiny izy ireo, ary voafetra tokoa ny zony.

Amin’izao andro izao, dia misy kristiana sasany mbola mahita fahasahiranana amin’ny fifandraisany amin’i “Kaisara” na amin’ny mpampiasa azy ireo, na dia tsy hoe “andevon’io” araka ny tena izy aza izy ireo. Ankoatr’izany, dia vehivavy kristiana maro izay manambady tsy mpino no mifanehatra amin’ny zava-manahirana lehibe. Noho izany, ireo torohevitry ny apostoly Petera dia manana vidiny tsy hay tombanana ho antsika. Nefa inona moa izy ireo raha ny marina?

Raha fintinina, Petera dia manasa antsika hitadidy zavatra telo lehibe. Voalohany aloha dia mety raha maka fomba fihevitra tsara momba ny fanekena isika. Ny kristiana rehetra dia tsy maintsy manaiky ny fitondram-panjakana, ary ireo mpiasa dia manaiky ny lehibeny; ny vehivavy, etsy andanin’izany, dia hanaja ny vadiny ary hankato azy. Ambonin’izany, ny fihetsitsika dia tokony hanaporofo amin’ireo tsy mpino fa ny kristianisma no fomba fiaina tsara indrindra (I Petera 3:1; 4:15). Ary farany, tsy maintsy mitazona fieritreretana tsara eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra isika, amin’ny fisehoantsika hatrany ho vonona haneho amim-pahalemem-panahy ny anton’ny zavatra ataontsika. — I Petera 3:15, 16.

Izany ve no fanafodin’ny zava-manahirana rehetra antsika? Fantatr’i Petera tsara fa tsy izany no izy. Marina tokoa fa indraindray ny kristiana dia tsy afaka milefitra amin’ny zavatra sasany takin’izao tontolo izao. Raha izany no izy,dia tsy maintsy mijaly noho ny fahamarinana isika. Nefa nanambara i Petera hoe: “Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra.” — I Petera 2:19.

Ankoatr’izany, rehefa heverina amin’ny fomba fijery tsara izy ireny, ny fijaliana iaretana noho ny raharaha marina dia mitondra fifaliana. Ny tenan’i Petera mihitsy no nanao fanandraman-javatra tamin’izany. Taona maro talohan’izay dia nokapohina izy noho ny finoany. Nefa rehefa avy niaritra io fitondrana io izy, ny tenany sy ireo namany dia “faly, satria natao miendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany”. (Asan’ny apostoly 5:41.) Izany no antony nahafahany nanoratra tamin’ireo kristiana izay niaritra ny fanenjehana izao hoe: “Mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa.” — I Petera 4:12, 13.

Nanazava tamin’ireo rahalahiny Petera fa raha ny tena izy, Jehovah dia teo am-panofanana azy ireo. Nilaza tamin’izy ireo izy hoe: “Manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra”. Namporisika azy ireo koa hifankatia izy, ary nananatra ireo loholona mba hiandry ny kongregasiona noho ny antony tsara. Tsy ho ela, hoy ny nampanantenainy, “Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, (...) no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo”.— I Petera 5:1-3, 6, 10.

Moa ve tsy tena amin’ny ilàna azy ireo torohevitra ireo ankehitriny toy ny naha-toy izany azy tamin’ny taonjato voalohany. Tsy mihevitra ve ianao fa toy ny miteny mivantana aminao Petera? Azo alaina sary an-tsaina hoe hatraiza ny teniny no tsy maintsy nampahatanjaka ireo kristiana tamin’ny androny. Nefa ilay apostoly izay efa nihantitra dia tsy maintsy nanoratra tsy ela, taratasy faharoa mba hampitandremana ireo rahalahiny amin’ny loza lehibe mandrahona.

Fandrahonana lehibe

Ao amin’ny taratasiny faharoa Petera dia manazava fa mahatsiaro ny hila mafy hampitandrina ireo rahalahiny izy, indrindra fa satria tsy nisy fotoana ela hiainany intsony. Mitanisa ireo toetra tokony hambolen’ny kristiana izy mba hijanonana ho matanjaka ary manintona ny sain’ny mpamaky azy ho amin’ireo fitaomana izay avy ao anatin’ ny kongregasiona ihany, ka hikendry ny hampahaosa azy ireo. — II Petera 1:5-8, 14, 16.

Nilaza mazava tsara izao fampitandremana izao izy: “Hisy koa mpampianatra sandoka tahaka izany eo aminareo.” (II Petera 2:1, 2). Izy ireo dia handoka ny fitondrantena ratsy ary ho kinga amin’ny fampiasana “teny mamitaka”. Nefa hisy zavatra tena lehibe tsy ho fantatr’izy ireo: Izany dia ny hoe “fantatry ny Tompo [Jehovah, MN] izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana”. (II Petera 2:3, 9.) Hiroborobo mandritra ny fotoana kelikely angamba izy ireo, efa tsy nisy nisalasalana ny hanjo azy amin’ny farany.

Ny hafa dia hamazivazy amin’ny filazana hoe: “Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra.” Aleon’izy ireo koa hanadino fa Jehovah dia tsy mijery ny fotoana mitovy amin’ny antsika ary manana faharetana izy. Nefa toy ny nahatongavan’ny farany tokoa tamin’ny andron’i Noa, toy izany koa ny fandravana dia handrodana marina tokoa ity fandehan-javatra ankehitriny ity. — II Petera 3:4-10.

Ary farany, na dia tamin’ny andron’i Petera aza dia nisy mpikambana sasany, tao amin’ny kongregasiona ‘nanolana ny hevitry ny Soratra Masina’. Nefa izany dia tsy hitondra azy ireo afa-tsy ho amin’ny fandringanana. — II Petera 3:16.

Nanoloana ireo fandrahonana ireo, Petera dia niahy ny amin’ny hampifoha eo amin’ny rahalahiny ny ‘saina madio amin’ny fampahatsiarovana’. (II Petera 3:1.) Izy ireo tokoa dia tokony hitazona hatrany ao an-tsaina ireo porofo ara-tantara mampiseho fa Jehovah dia afaka mandevona ireo ratsy fanahy ary mamonjy ny marina. Tsy tokony hanadino na oviana na oviana “ny hihavian’ny andron’Andriamanitra [Jehovah, MN]” izy ireo. (II Petera 3:12.) Tena marina tokoa io andro io. Tamy izy io ary tokony hihevitra izany ny kristiana ao amin’ireo fikasany sy raharahany rehetra. — II Petera 1:19-21.

Ny fahantomoran’io andro io dia mahatonga ity fananaran’i Petera manaraka ity mbola handodona kokoa ankehitriny: “Mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana.” (II Petera 3:14). Eny, ireo teny ireo dia mihatra amintsika. Miteny amin’izay rehetra nametraka ny fanantenany amin’ny ‘lanitra vaovao sy tany vaovao’ nampanantenain’i Jehovah izy. Izany no antony, aty ambadik’ireo taonjato, mbola ahatsapantsika ny herin’ny fahefany amin’ny maha-apostoly manaitaitra ao amin’ny fananarany farany hoe: “Tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy hianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo; fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy.” — II Petera 3:13, 17, 18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara