FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/6 p. 10
  • Teraka tamin’ny faha-25 Desambra ve Jesosy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Teraka tamin’ny faha-25 Desambra ve Jesosy?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Mitovitovy Aminy
  • Natao ho An’​ny Kristianina ve ny Krismasy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Ny Noely — fety iray mampidi-doza ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ireo andro fety ankalazain’ny olona
    Ny Sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Tokony hankalaza ny Noely ve ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/6 p. 10

Teraka tamin’ny faha-25 Desambra ve Jesosy?

METY ho ny ankamaroan’ny olona no mino izany. Inona no asehon’ny fanaporofoana? Nahoana raha mandinika ny foto-kevitra hoe “Krisimasy” ao amin’ny “Encyclopédie” iray? Izany dia hampiseho tokoa ny niandohan’ny krisimasy, sy ny fomba nifidianana ny datin’ny faha-25 Desambra ho toy ny andro nahaterahan’i Jesosy. Isan-taona dia zavatra vita an-tsoratra maro be no mampiseho io filazana io. Ireto teny manaraka ireto dia avy tamin’ny gazety nivoaka vao tamin’ny volana Desambra lasa teo.

Frontier, atontan’ny “Frontier Airlines”, dia nahamarika fa “tamin’ireo kristiana voalohany, ny fankalazana ny andro nahaterahana dia fombafomban’ny mpanompo sampy. Tsy azony noeritreretina ny nankalaza ny andro nahaterahan’ny tenany, ka mainka fa ny an’i Kristy. Fanamavoana ny zavatra masina mihitsy aza na dia ny fiheverana fotsiny fa nanana fitsingerenan’ny andro nahaterahana ny Persona araka an’Andriamanitra iray.

“Tao anatin’ireo telonjato taona nanaraka dia nanomboka niova io fihetsika io, ary tamin’ny 354 amin’ny fanisan-taona iraisana, ny mpikambana iray tamin’ny klerjy tany Roma dia nanambara fa ny faha-25 Desambra no ho fitsingerenan’ny nahaterahan’i Kristy”.

These Times, atontan’ny Advantista, dia nanipika izao: “Nandritra ny fotoana talohan’ny nahatongavan’ny kristianisma, ny faha-25 Desambra dia fotoana firavoravoan’ny mpanompo sampy (...) Ny Emperora Aurelien (270-275 amin’ny fanisan-taona iraisana) dia nanararaotra haingana an’io fanompoan’ny mpanompo sampy ny masoandro io, ary tamin’ny taona 274 amin’ny fanisan-taona iraisana izy, dia nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny faha-25 Desambra ho ny andro nahaterahan’ny Masoandro. Tsy mety Resy (...) Tamin’ny 354 amin’ny fanisan-taona iraisana, roa taona taorian’ny nifaranan’ny fanjakan’i Masindahy Jilius, ilay mpikambana tao amin’ny klerjin’i Roma vaovao, Libérius, dia nandidy ny vahoakany rehetra mba hankalaza ny faha-25 Desambra ho ny andro marina nahaterahan’i Kristy”.

Eny, ny faha-25 Desambra dia noraisina avy amin’ny fankalazan’ny mpanompo sampy ho tonga andro nahaterahan’i Jesosy, toy ny anazavan’ny U.S. Catholic azy: “Ny fankalazana tian’ny Romana indrindra dia ny “Satiorinaly” izay nanomboka ny faha-17 Desambra ary nifarana tamin’ny ‘andro nahaterahan’ny masoandro tsy mety resy’ (“Natalis solis invicti”) tamin’ny faha-25 Desambra. Tao anatin’ireo dimy amby roapolo taona faharoan’ny taonjato fahefatra, ireo manam-pahaizana ambony tao amin’ny fiangonan’i Roma dia nanapa-kevitra fa ny faha-25 Desambra dia hatao ny andro tena tsara indrindra mba hankalazana ny fitsingerenan’ny nahaterahan’ny “masoandron’ny fahamarinana”. Teraka ny krisimasy”. Manohy toy izao ilay lahatsoratra: “Tsy azo atao mihitsy ny mampisaraka ny krisimasy amin’ny fiandohany tany amin’ny mpanompo sampy.”

Rehefa nianatra ireo zavatra marina mikasika ny krisimasy ireo ny olona sasany, ahoana no fihetsiny? Ny The World Booky Encyclopedia dia manamarika toy izao eo ambanin’ny hoe “krisimasy”: “Nandritra ireo taona 1600, noho ireo fihetseham-po ireo, dia nesorina ho toy ny tsy nisy ny krisimasy tany Angletera sy tany amin’ny zanatany Anglisy sasany tany Amerika.”

Tsy tokony hahagaga àry raha tsy mankalaza ny krisimasy ireo kristiana mahafanta-javatra amin’izao andro izao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara