FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/2 p. 23
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitaka amin’ny hetra
  • Fitomboan’ny fandavana ny fisian’Andriamanitra
  • Tsy fifanarahana eo amin’ny samy psykology
  • Tambin’ny “Fiaraha-monina Maoderina” ve ny Hetra?
    Mifohaza!—2003
  • “Raha Tokony Handoa Hetra Ianao, dia Mandoava Hetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Nahoana Ianao no Tokony Handoa Hetra?
    Mifohaza!—2003
  • Mpamory Hetra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/2 p. 23

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Fitaka amin’ny hetra

Ny fiadidiana ny hetra amerikana dia nampahafantatra fa raha nandoa tamim-pahamarinana ny hetrany tamin’ny vola raisiny daholo ny mpandoa hetra rehetra, dia ho naharay 87 200 tapitrisa dôlara amboniny izy tamin’ny hetran’ny taona nifarana tamin’ny 15 aprily 1982. Io vola io dia efa hila ho ampy hanafoanana ny tsy ampy misy mandrakariva amin’ny tetibola federaly, dia tsy ampy tafakatra eo amin’ny 100 000 tapitrisa dôlara dia avy amin’olona tena misy izay nanambara vola miditra latsaka na nampitombo ny fanesorana. Tombanana koa fa ny asa tsy ara-dalàna — fivarotan-tena, filokana sy varotra zavatra mahadomelina an-tsokosoko — dia nanaisotra tamin’ny fitondram-panjakana hatramin’ny 10 000 tapitrisa.

Ny amin’ny hoe itaran’ny fitaka amin’ny hetra toy izany ao amin’ny tany iray izay ny telo amin’ny mponina efatra dia milaza tena fa kristiana, dia famantarana fa ny ankamaroany (anisan’izany ny filoha ara-pivavahana be mpahalala maro) ‘dia manana endriky ny fitiavam-pivavahana, nefa mandà ny heriny’. (II Timoty 3:5, “MN”.) Ny Baiboly dia manipika fa ‘ilain’ny kristiana’ ny ‘mandoa amin’izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an’izay tokony handoavan-ketra’. Inona no antony? “Tsy noho ny fahatezerana ihany, fa noho ny fieritreretana koa.” (Romana 13:5, 7). Koa tsy tokony ho resin’ny fakam-panahy hamitaka ny kristiana marina fa mankato noho ny fieritreretana, ny baikon’i Jesosy manao hoe: “Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.” — Matio 22:21.

Fitomboan’ny fandavana ny fisian’Andriamanitra

Raha inoana ny voalazan’ny “encyclopédie” iray (world Christian Encyclopédia), navoaka vao haingana, dia niova tanteraka ny toeran’ireo firenena nanomboka tamin’ny fiandohan’ity taonjato ity. Ireo Fiangonana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana — katolika, protestanta sy ortodoksa — dia nilaza ho nahavory 34,4 isan-jato amin’ny mponina maneran-tany, ary ny mpandà ny fisian’Andriamanitra dia 0,2 isan-jato monja. Tamim-pijerena ny hihatsaran’ny zavatra, dia noferana ho zava-kendrena ny “fitoriana ny filazantsara maneran-tany ao anatin’izao taranaka izao”.

Aiza ho aiza izy izao, valopolo taona aty aoriana? Asehon’ilay boky voatonona eo ambony fa ny isan’ny mpikambana ao amin’ireo Fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nidina ho 32,8 isan-jato ary ny fandavana ny fisian’Andriamanitra dia nahazo 20,8 isan-jaton’ny mponina maneran-tany. Raha niankina tamin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny fitoriana ny filazantsara maneran-tany, dia tsy ho vita mihitsy.

Raha ny marina, izay mitranga dia fahatanterahan’ny faminaniana ny amin’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso hoe: “Rava! rava Babylona lehibe!” Ireo tena mpanompon’Andriamanitra dia tokony hihevitra ny teny manaraka an’io antsoantso io manao hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” (Apokalypsy na Fanambarana 14:8; 18:4). Amin’izao andro izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia manampy amin’ny toerana rehetra ny olona tso-po hivoaka avy ao “Babylona Lehibe” sy handositra ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Matio 24:14.

Tsy fifanarahana eo amin’ny samy psykology

Ny nomerao iray vao haingana amin’ny revio momba ny psykolojia (fandinihana momba ny toe-tsaina) (Psychology Today) dia nampiseho izay noheverin’ny iraika ambin’ny folo amin’ireo “manam-pahaizana manokana malaza amin’io lafiny io” ho “ny asa lehibe indrindra” tao anatin’izao dimy ambin’ny folo taona farany izao. Io lahatsoratra mampiseho fahaizana aoka izany io, misy valo ambin’ny folo pejy, dia nanosika ny New York Times hamoaka sasinteny izay namakiana toy izao ankoatra ny zavatra hafa:

“Tsy mifanaraka afa-tsy amin’ny zavatra kely ireo manam-pahaizana iraika ambin’ny folo lehibe indrindra. (...) Maromaro amin’ireo izay niara-niasa tamin’ilay lahatsoratra no manonona ny fikarohana nataon’ny tenany. Raha mieritreritra izy ireo fa mendrika izany ny fikarohana, dia tsy misy ilàna ny mody hiseho ho manetry tena. Tsy misy na dia iray monja aza anefa miresaka ny amin’ny asan’ny hafa, raha tsy hoe mba hanakianana azy angaha; mitory ho an’ny fiangonany ny tsirairay avy ka miteraka fisafotofotoana be izany.

“Ny fifanarahan’ireo psykology iraika ambin’ny folo saika tsy nisy mihitsy dia mampiharihary zava-manahirana lehibe eo amin’ny fifehezana azy ireo. (...) Azo atao ve ny mihevitra ny psykolojia ho toy ny siansa raha toa ireo manam-pahaizana lehibe indrindra aminy ka tsy afaka ny hifanaraka raha ny amin’ny fandrosoany vao haingana?”

Ho amin’izany karazana siansa sandoka mivadibadika sy mampiseho fieboeboana izany indrindra no nampitandreman’ny apostoly Paoly an’i Timoty toy izao: “Halaviro ny resaka tsinontsinona sy ratsy, ny fanoheran’ny siansa sandoka.” — I Timoty 6:20, Baibolin’i Jerosalema.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara