FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/2 p. 24-26
  • Ny fitoriana ilay Fanjakana any Panama

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fitoriana ilay Fanjakana any Panama
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Cayo Paloma sy Tobobe
  • Chiriqui
  • Eny an-dranomasina
  • Camaron
  • Tolé
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/2 p. 24-26

Ny fitoriana ilay Fanjakana any Panama

FAHASAHIRANANA inona avy no hekenao hiaretana mba hanompoana an’Andriamanitra? Handeha any anaty kirihitrala ve ianao? Hisetra fihaonana amin’ny bibidia ve ianao? Hisetra ny ranomasina ve ianao?

Mitsidika an’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny anankiray amin’ireo fizaran-tany maro eto Panama izahay mivady. Tianareo ve ny hiaraka aminay? Amin’izany dia ho tsapan’ny tenanareo izay ataon’ireo kristiana any Amerika afovoany mba hanompoana an’i Jehovah Andriamaniny.

Cayo Paloma sy Tobobe

Ireo kongregasiona voalohany tsidihintsika dia manaraka ny ranomasin’i Antilles, any amin’ny provans’i Bocas del Toro. Any no monina ny Indiana Guayami, olona botrefina, matroka volon-koditra sy mainty ary henjam-bolo. Any Cayo Paloma sy ao amin’ny kongregasion’i Tobobe eo akaiky, mandrakariva ny fitoriana ilay Fanjakana dia atao amin’ny fitenim-paritany guayami ary mahalana kokoa amin’ny teny espaniola na amin’ny teny anglisy. Miteny amin’ireo fiteny telo ny anankiray amin’ireo rahalahintsika guaymi, Ignacio. Telo ny zanak’izy sy Virgila vadiny, ka izany dia tsy mahasakana azy ireo tsy ho mpitory maharitra manokana sy hitory ny vaovao tsara manontolo andro.

Ao amin’io faritra io, mba hitoriana amin’ny mponina, dia ilaina ny hanarahana tora-pasika kanto na hananihana hatsambato sy havoana. Any amin’ny toeran-kafa, dia ilaina indraindray ny handehanana, sahala amin’i Ignacio, amin’ny cayuco (lakana) mandeha amin’ny maotera. Koa satria ny fanao eo an-toerana mitaky ny handehanana an-tongotra, dia matetika izahay mivady no hany mikiraro. Na dia izany aza, dia takatray vetivety fa tena azo atao tokoa ny mandeha an-tongotra rehefa manaraka ny tora-pasika.

Rehefa tonga eo amin’ny trano voalohany isika dia tsy mahita varavarambe hodondonina. Eto, dia lalana fotsiny no idirana ao amin’ireo trano; ny sasany dia manana tapa-drindrina, ny hafa tsy manan-drindrina mihitsy. Izany dia karazam-panorenana mifanaraka tsara amin’ny toetra’andro tropikaly. Ireo trano, miorina eo amin’ny tongony dia vita amin’ny volontsangana sy mitafo bozaka. Ny vakin-kitay nolavadavahana iray no atao tohatra. Mandrakariva ireo mpitsidika dia miditra mivantana ao an-trano ary maka fotoana ipetrahana eo amin’ny tany na eo ambony dabilio aza alohan’ny hiarahabana ny ao an-trano. Mihaino amim-pahalalam-pomba ny fanambarana ireo amin’izay. Koa satria isika eto amin’ny fitambaran’olona mpamboly, ireo izay tsy manam-bola dia manakalo kely amin’ny vokany amin’ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly.

Any Cayo Paloma, dia misy mpivady hafa koa mpitory maharitra: Natanael sy Oliva. Mandeha tsy tapaka izy mankany amin’ny faritaniny any Buena Vista, vohitra kely eo amoron’ny farihin’i Chiriqui amoron-dranomasina. Nanapa-kevitra ny hiaraka tamin’izy ireny teo amin’ny asa fitoriany izahay mivady. Tena zava-tsarotra tsy maintsy nosetraina izany. Mba hamakivakiana ny tany saiky nosy, dia tsy maintsy mandeha mandritra ny ora telo eo ho eo izahay mamakivaky kirihitrala maizina sy matevina anakoakoan’ny feom-borona tropikaly. Nanao baoty izahay noho ny fotaka sy ny bibilava, ary, ho fitandremana, dia nitondra fitaovana maranitra izahay. Indraindray, dia nanafika anay ny takola-panenitra lehibe na ny bibikely hafa. Mita rano maro izahay amin’ny “tetezana” izay tsy inona fa vantan-kazo nokapaina. Natanael sy Oliva dia mitondra ny entany amin’ny chacara, kitapo volonondry vaventy fahana aoka izany vita an-tanana. Ataon’i Natanael samboady no fitondra azy, fa aleon’i Oliva kosa mampandalo ny kofehy hoditra eo amin’ny handriny ka mitondra kitapo ao an-damosina.

Rehefa nandeha ela izahay dia tonga teo amoron’ny renirano maitso iray azo lazaina hoe tsy mihetsika ny ranony. Miakatra ho ao anaty cayuco isika ary midina mandritra ny antsasa-kadiny amin’io renirano marivo io izay mikoriana eny anelanelan’ny hazo lehibe rakotry ny volonkazo. Mihamivelatra tsikelikely ilay renirano ary tonga eo an-dranomasina izahay. Any Buena Vista i Natanael dia manana trano faharoa miorina eo amin’ny havoana iray eo akaikin’ny moron-drano. Ampiasaina ho Efitrano Fanjakana io trano io ary olona dimampolo ka hatramin’ny dimy amby dimampolo taona no mivory tsy tapaka ao. Na dia ao amin’io toerana mitokana io aza, ireo rahalahintsika kristiana izay mandray anjara amin’ny fandaharana dia manao akanjo ambony sy ambany sy karavaty. Ny tapany amin’ireo fivoriana dia atao amin’ny teny espaniola ary ny tapany amin’ny teny guaymi.

Chiriqui

Mba hankanesana any Buena Vista any amin’ny provans’i Chiriqui, dia tsy maintsy mandeha ora dimy amin’ny cayuco ao amin’ny rano feno antsatsa. Rehefa avy eo dia tsy maintsy mandeha ora roa amin’ny kalesin-dalamby, avy eo dia antsasa-kadiny amin’ny fiara-manidina kely izay hampianika anay ny tendrombohitra mitomandavana ka hitarika anay eo amin’ny fidinana amin’ilay tany manamorona an’i Pasifika.

Eny an-tampon-tendrombohitra, ao anatin’ny vozon-tany mangatsiatsiaka, no ahatazanana ny tanàna marevak’i Boquete. Misy kongregasiona kely ao ary anisany ny anabavy iray izay ohatra mahafinaritra ho antsika raha ny amin’ny fiaretana. Na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza ny vadiny, dia manatrika tsy tapaka an’ireo fivoriana ny alahady izy. Mandrakariva izy dia mitondra miaraka aminy an’ireo zanany dimy na ny maromaro aminy fara faharatsiny. Monina avo dia avo any an-tendrombohitra izy ary, mba hahatongavana ao amin’ny fivoriana, dia tsy maintsy mandeha, tsy minitra vitsivitsy na antsasa-kadiny akory aza, fa efa ho adiny telo. Eo am-piverenana, dia miakatra foana ny lalana. Ny hariva, rehefa mody any an-tranony miaraka amin’ireo zanany izy, rehefa avy nananika ny tendrombohitra feno bibilava sy misy “pumas” (karazam-biby) vitsivitsy, dia efa latsaka ny alina. Ataon’io anabavy io tsy tapaka sy amim-pifaliana anefa izany mba handraisana soa ara-panahy avy amin’ireo fivoriana. — Hebreo 10:24, 25.

Ao amin’ny tapany hafa iray amin’ny provans’i Chiriqui atao hoe Bijagual, dia mitaingin-tsoavaly indraindray ireo rahalahy. Raha mandeha an-tongotra izy ireo, amin’ny fotoan’ny ranonorana, dia tsy maintsy mitsabatsaba ao anaty fotaka sy mandingana ranom-potaka; amin’ny fizaran-taona maina, ny diany dia manainga rahom-bovoka madinika dia madinika. Na dia ao aza izany, dia mitondra soa lehibe ny asa fanaovana fanambarana.

Noho isika ao amin’ny faritra iray ambolena paraky, dia be dia be amin’ireo izay nahafantatra an’ireo fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no namela ny fambolena paraky, na dia izany aza no hany antom-pivelomany (II Korintiana 7:1). Izany no nataon’i Baltazar. Rehefa avy nisalasala ela izy, dia nitsahatra tsy namboly paraky, nanoratra ny fanambadiany ho ara-dalàna ary niara-natao batisa tamin’ny vadiny. Rehefa nijinja voalohany zavatra hafa a tsy paraky izy, dia nilaza fa mbola tsaratsara kokoa noho ny teo aloha ny toerany ara-bola.

Eny an-dranomasina

Tianay mivady ny hampifankahalala anareo amin’i Luis, Gumercinda sy ireo zanany telo izay anisan’ny kongregasiona iray any amin’ny moron-tsiraka pasifika. Tamin’ny janoary 1974, Antonino, mpitory maharitra manokana iray, dia nangataka tamin’ny rain’i Luis mba hampanofa taminy ny tranon’ny zanany, tany Horconcitos. Koa satria i Luis nonina tao amin’ny toeram-piompiana kely iray tao amin’ny nosy, dia tsy niverina tao an-tanàna izy raha tsy rehefa afaka efatra na dimy volana taty aoriana. Nitory taminy tamin’izay i Antonino. Rehefa niverina tany amin’ny nosy i Luis, dia nanomboka namaky ireo zavatra voasoratra momba ny Baiboly nentiny niaraka taminy ka niresaka tamin’ny hafa izay nianarany. Tamin’ny farany, izy sy Gumercinda dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly ary isaky ny niverina tao an-tanàna izy ireo dia nametraka ny fanontaniany rehetra tamin’i Antonino. Na dia tojo fanoherana maro aza izy ireo ka nihomehezan’ny fianakaviany sy ny namany, dia naneho faniriana ny hatao batisa i Luis sy Gumercinda.

Nisy fanapahan-kevitra fa hatao batisa izy ireo tamin’ny febroary 1975, tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray. Rehefa tonga ny andron’ny fivoriambe, dia niakatra tao amin’ny sambokely ny fianakaviana manontolo ary nandao ny nosy. Ny alakamisy tamin’ny roa ora maraina izany. Tamin’ny volana febroary anefa, dia nisamboaravoara aoka izany ny ranomasina. Voatery niverina ary i Luis sy ny fianakaviany ka niandry. Tamin’ny iraika ambin’ny folo ora, noho ny rivotra nitsahatra sy ny ranomasina nitony, dia niainga indray izy ireo. Tamin’ny roa ora tolakandro, raha mbola tokony ho teo afovoan’ny helodrano izy ireo, dia namely indray ny tafiodrivotra ary nihilangilana aoka izany ny sambo, hany ka nibosesika tao any onja. Koa satria mbola lavitra ny moron-tsiraka, dia niverina izy ireo mandra-pahitan’ilay sambo fialofana tao ambadiky ny vatolampy goavana. Rehefa nitony kely ny rivotra, tany amin’ny iraika ambin’ny folo ora alina, dia niainga indray izy ireo ary tonga tany Horconcitos ny zoma tamin’ny dimy ora maraina. Na dia vizana sy main’ny hainandro aza izy ireo dia naka aotobisy haingana mba hahatongavana ao amin’ny fivoriambe ny ampitso. Ny alahady, dia faly izy ireo afaka niseho mba hatao batisa.

Nitahy ny fiezahana toy izany ve Jehovah? Tsy azo lavina fa izany; ohatra, Luis izao dia mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasiona ary afaka nanampy ny anankiray tamin’ireo rahalahiny mba hanolo-tena ho an’Andriamanitra sy hatao batisa koa izy.

Camaron

Any Camaron, any amin’ny provans’i Chiriqui, dia misy kongregasiona iray izay saika Indiana Guayami daholo no mahaforona azy. Mba hankanesana any amin’izy ireny, dia manandrana mandeha amin’ny fiarakodia lavitra araka izay farany azo atao izahay, izany hoe mbola mandeha antsasa-kadiny ihany izahay rehefa avy niala tamin’ny arabe falehan’ny fiarakodia. Rehefa midina amin’ny fiarakodia izahay, dia mahatazana an’ireo rahalahy tonga mba hitsena any amin’ny soavaly. Rehefa avy namakivaky renirano iray izahay, dia mianika ny tendrombohitra izao ary, rehefa afaka adiny roa eo ho eo, dia tonga ao amin’ny tokantrano kristiana iray izay manolotra trano kely iray hivahinianay. Rehefa avy nihinana sakafo sy nandro tao amin’ny renirano izahay dia mandeha matory mba havitrika ny ampitso maraina ho amin’ny fotoam-bita. Avy eo amin’ny fonenanay, dia mila ny miakatra eo amin’ny adiny iray sy fahefany mba hahatongavana ao amin’ny Efitrano Fanjakana any Camaron. Tsy maintsy mandeha lavitra koa ny rahalahy hafa. Voamarika avy hatrany fa ny Efitrano Fanjakana mitafo bozaka dia tsy misy rindrina. Misy zavatra mampiavaka azy kosa anefa: ny andinin-tenin’ny Baiboly ho an’ny taona sy fandefasana disika mandeha amin’ny “batterie” izay ampiasaina andefasana an’ireo hiran’ilay Fanjakana.

Aorian’ny fotoam-bita, dia mankany amin’ny faritany akaiky indrindra izahay; dimby amby roapolo minitra monja no andehanana mankeo. Tsy maharitra ela anefa ny fanaovana fanambarana ao amin’ireo trano vitsivitsy ao. Aiza ny faritany manaraka? Mbola eo amin’ny ora iray avy eo.

Tolé

Hitanao ve indraindray fa sarotra ny fitoriana ao amin’ny faritaninao? Raha izany no izy, dia manasa anao izahay mivady hiaraka aminay any Tolé. Rehefa tonga ao amin’ny faritra be lohasaha iray isika, dia miala amin’ny lalam-piarakodia panamerikana ary tsy ela dia miditra ao amin’ny tanànan’i Tolé. Manamorona ny arabe lehibe indrindra ny Efitrano Fanjakana. Matetika eto ireo relijiozy katolika no mandalo ao aorian’ny Vavolombelona mba haka ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly navelan’izy ireo ho an’ny mponina. Izany anefa tsy nahasakana olona tso-po maromaro tsy hanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Jereo ange, ho tianay ny hampifankahalala aminao Vavolombelona efa be taona iray. Nanintona azy ny fahamarinana, taona maromaro lasa izay, rehefa tsy nety nivarotra paraky taminy ny mpivarotra iray izay Vavolombelona. Tamin’ny voalohany, noho izy nankamamy an’ireo fivoriana kristiana, dia nitaingin-tsoavaly nandritra ny adiny enina izy mba hanatrehana izany, ary sahala amin’izany koa rehefa miverina. Indray andro anefa dia nanapa-kevitra izy fa ho tsaratsara kokoa ny honenana akaikin’ny Efitrano Fanjakana kokoa. Ora efa sisa izao no ataony. Aoka hanampintsika fa isaky ny mandeha izy dia tsy maintsy mita renirano intelo mitaingin-tsoavaly. Ataony tsy tapaka ve izany? Eny, ary hatramin’ny folo taona mahery!

Faly izahay mivady nanao izay hahazoanareo an-tsaina ny amin’ny tokony hatao, any amin’ny faritra sasany any Panama, mba hitsidihana an’ireo kongregasiona sy hitoriana ny vaovao tsara. — Avy amin’ny anankiray amin’ny mpamaky.

[Sarintany, pejy 25]

(For fully formatted text, see publication)

Panama

Cayo Paloma

Buena Vista

Tobobe

Lagune de Chiriqui

Bocas del Toro

Boquete

Bijagual

Chiriqui

Horconcitos

Camarón

Tolé

Boca Brava

Oseana Pasifika

Ranomasin’i Antilles

[Sary, pejy 24]

Eo am-pandehanana ho any amin’ny faritany itorianay

[Sary, pejy 26]

Ny Efitrano Fanjakana any Camaron

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara