FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w82 1/4 p. 18-24
  • Ny fiheverana tsara mikasika ny fandroahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fiheverana tsara mikasika ny fandroahana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1982
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY FOMBA FITONDRA AN’IREO IZAY NOROAHINA
  • IREO IZAY MIALA AN-TSITRAPO
  • AOKA ISIKA HIARA-MIASA AMIN’NY KONGREGASIONA
  • AZO ATAO VE NY MITENY AMIN’IZAY VOAROAKA NA NANALA TENA?
  • AOKA ISIKA TSY HIOMBONA AMIN’NY RATSY ATAO
  • Rehefa Voaroaka ny Havana Iray
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1982
  • Asehoy fa Tsy Mivadika Ianao Rehefa Misy Havana Voaroaka
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Ny fifehezana izay mitondra vokatra hiadanana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1982
w82 1/4 p. 18-24

Ny fiheverana tsara mikasika ny fandroahana

“Jehovah ô, (...) iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy.” — Sal. 15:1, 2.

1, 2. Nahoana isika no milaza fa antenain’Andriamanitra ny hiarovan’ireo mpivavaka aminy ny fotopoto-pitsipiny?

MARINA sy masina Jehovah. Na dia mamindra fo sy mahatakatra ny fihevitry ny olona tsy tanteraka aza izy, dia antenainy ny hanomezan’ireo izay mivavaka aminy, taratry ny fahamasinany, amin’ny fiezahana hiaro ny fotopoto-pitsipiny ara-drariny. — Sal. 103:8-14; Nom. 15:40.

2 Ny Isiraelita izay ninia nandika ny didin’Andriamanitra, toy ny mikasika ny fivadiham-pinoana, ny fanitsakitsaham-bady na ny famonoana olona, dia tokony hesorina, hovonoina (Nom. 15:30,  31; 35:31; Deot. 13:1-5; Lev. 20:10). Izany tsy fileferana teo amin’ny fiarovana an’ireo fotopoto-pitsipika marina sy mety avy amin’Andriamanitra izany dia natao hahasoa ny Isiraelita rehetra tamin’ny fiarovana ny fahadiovan’ny kongregasiona. Nataony koa izay hisakanana ny fanandramana rehetra hampiely ny faharatsiana teo anivon’ny vahoaka nitondra ny anaran’Andriamanitra.

3. Nanao ahoana ny toeran’ny Jiosy iray voaroaka tsy ho ao amin’ny synagoga?

3 Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, ireo Jiosy teo ambany fahefana romana dia tsy nanana fahefana hampihatra fanamelohana ho faty (Jaona 18:28-31). Na dia izany aza, ny Jiosy iray meloka ho nandika ny Lalàna dia nety ho voaroaka tsy ho ao amin’ny synagoga. Ho vokatr’io sazy mafy io, ireo Jiosy hafa dia nanalavitra an’ilay olona voaroaka. Lazaina aza fa ny fifanekena ara-barotra dia voafetra ho amin’ny fivarotana taminy ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainanaa. — Jaona 9:22; 12:42; 16:2.

4, 5. Ahoana no tokony hataon’ny kongregasiona kristiana amin’ny mpanota tsy mibebaka?

4 Rehefa teraka ny kongregasiona kristiana, dia nisolo toerana ny firenena jiosy izy raha ny amin’ny fitondrana ny anaran’Andriamanitra (Matio 21:43; Asa. 15:14). Afaka nanantena ara-drariny ny hanohanan’ny kristiana ny fahamarinany àry Jehovah. Izao no nosoratan’ny apostoly Petera: “Fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho.’” (I Pet. 1:14-16). Tia ny olony Jehovah ary maniry ny hiaro ny fahadiovan’ny kongregasiona kristiana. Koa nomeny ny fitsipika lehibe tamin’ny fandaharana nokendrena hanilihana na handroahana ny olona rehetra izay mikiry mitondra tena amin’ny fomba manala baraka an’Andriamanitra sy mahatandindomin-doza ny kongregasiona.

5 Nanome izao torohevitra manaraka izao ny apostoly Paoly: “Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.” (Tit. 3:10, 11). Eny, ireo izay loholona eo amin’ny lafiny ara-panahy, sahala amin’i Titosy, dia manandrana manampy an’ilay diso amim-pitiavana aloha. Raha tsy manararaotra izany fanampiana izany ilay meloka ka manohy ‘manota’, dia manana fahefana izy ireo hiantso komitin-doholona mba “hitsara an’ireo anisan’ny fikambanana”. (I Kor. 5:12, Testamenta vaovao amin’ny teny frantsay mahazatra.) Ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fahadiovan’ny vahoakany àry dia mitaky ny handavan’ireo anisan’ny “fikambanana” na ny kongregasiona an’ilay meloka.

6. Nahoana moa no marina sy mety ny handroahana ireo mpanota tsy mibebaka?

6 Nisy mpanota toy izany tamin’ny taonjato voalohany. Hymeneo sy Aleksandro dia anisan’izany. Ireo dia olona “vaky sambo (...) ny amin’ny finoana”. Izao no nosoratan’i Paoly: “Natolotro ho an’i Satana mba hofaizina tsy hiteny ratsy” ireo. (I Tim. 1:19, 20). Ny fandroahana an’ireo lehilahy roa ireo dia sazy na famaizana mafy, fanasaziana nety hampianatra azy ireo mba tsy hiteny ratsy an’ilay Andriamanitra velona sady masina (jereo Lioka 23:16, izay ahitana ny teny grika adika matetika amin’ny hoe “mifehy”). Nety ny nanolorana an’ireny mpiteny ratsy ireny ho eo ambany fahefan’i Satana, izany hoe ariana any amin’ny fahamaizinan’izao tontolo izao eo ambany fitarihany. — II Kor. 4:4; Efes. 4:17-19; I Jaona 5:19; jereo koa Asa. 26:18.

NY FOMBA FITONDRA AN’IREO IZAY NOROAHINA

7, 8. Noho ny inona moa no mahatonga ho azo atao ny famerana ny fitondrantena tokony harahina eo anoloan’ny voaroaka iray?

7 Mety ho tonga ao an-tsaina ny fanontaniana sasany mikasika ny fomba fitondrana mpikambana taloha iray tao amin’ny kongregasiona izay voaroaka. Soa ihany fa nomen’Andriamanitra antsika ao amin’ny Teniny ny valiny sy toromarika izay azontsika antoka fa tanteraka sy ara-drariny. — Jer. 17:10; Deot. 32:4.

8 Ny lehilahy iray tao amin’ny kongregasiona tany Korinto dia nanaram-po tamin’ny fanao maloto nikasika ny lahy sy ny vavy ary tsy naneho fibebahana mihitsy. Paoly dia nampitaha an’io lehilahy io tamin’ny masirasira kely izay nety hampamorivory sy hanimba ny vongana rehetra, koa nandidy izy ny ‘hanesorana azy tsy ho ao amin’ny kongregasiona’. (I Kor. 5:1, 2, 6.) Moa ve rehefa voaroaka izy dia tokony hoentina tahaka ny olon-kafa rehetra eo amin’izao tontolo izao mety ho hitan’ny kristiana eo amin’ny fiainana andavanandro? Aoka hanontaniantsika ny apostoly Paoly.

9. Inona no torohevitra nomen’i Paoly mikasika ny tsy marina amin’ny ankapobeny?

9 “Nanoratra taminareo teo amin’ny epistily aho mba tsy hiharoharoanareo amin’izay mpijangajanga; nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao hianareo.” (I Kor. 5:9, 10). Tamin’ireo teny ireo, dia niaiky araka ny tena izy i Paoly fa ny ankamaroan’ny olona miaraka amintsika eo amin’ny fiainana isan’andro dia tsy mbola nahita na nanaraka ny lalan’Andriamanitra mihitsy. Angamba izy ireny mpijangajanga, mpanao an-keriny na mpanompo sampy, ka noho izany dia olona tsy hofidin’ny kristiana iray hifaneraserana akaiky sy tsy tapaka. Na dia izany aza, dia velona eto an-tany isika, eo amin’ny olombelona, ka mety ho voatery hiharoharo amin’ny olona toy ireny isika ka hiresaka aminy ao anatin’ny faritry ny asa, any an-tsekoly na ao amin’ny faritanintsika.

10, 11. Nahoana moa ny kristiana no tokony hanao zavatra hafa noho izany amin’ny mpanota noroahina?

10 Ao amin’ny andininy manaraka i Paoly dia manavaka izany toe-javatra izany amin’ny tokony hatao amin’izay efa “rahalahy” taloha, nefa noroahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona satria nanota. Izao no vakintsika: “Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo [tsy hifaneraseranareo intsony, MN] aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany hianareo.” — I Kor. 5:11.

11 Izay voaroaka dia tsy hoe olon’izao tontolo izao fotsiny izay tsy mbola nahafantatra an’Andriamanitra mihitsy na nanaraka ny fomba fiaina natoron’Andriamanitra. Izany dia olona nahalala ny atao hoe lalan’ny fahamarinana sy ny rariny, nefa niala tamin’izany lalana izany ary nanaraka tsy nisy fibebahana ny lalan’ny fahotana hatreo amin’ny tsy maintsy nandroahana azy. Hafa àry no tokony ho fomba fitondra azyb. Nohazavain’i Petera ny hoe tamin’ny ahoana ireo kristiana taloha no niavaka tamin’ny “sarambabembahoaka”. Izao no nosoratany: “Fa raha misy efa afaka amin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. (...) Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe: ‘Ny amboa miverina indray amin’ny loany’, ary: Ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray. — II Pet. 2:20-22; I Kor. 6:11.

12. a) Nahoana no mety ny hampiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny teny hoe “fandroahana”? b) Inona no ampahafantarin’ny Tantara antsika mikasika ny fomba nitondrana an’ireo mpanota tamin’ny andron’ny kristianisma voalohandohany?

12 Eny, ny Baiboly dia mandidy ny kristiana mba tsy hifanerasera amin’izay rehetra voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona. Mampiasa ny teny mety hoe “fandroahana” ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanondroana izany fandroahana izany sy ny fandavana izay rehetra mety ho fifampikasohana amin’ilay meloka tsy nibebaka. Izany fandavana tsy hanana fifandraisana ara-panahy na misy fisakaizana amin’ny olona voaroaka izany dia manome taratry ny tsy fivadihan’izy ireo amin’ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra sy ny fankatoavan’izy ireo ny baiko omeny ao amin’ny I Korintiana 5:11, 13. Izany fihetsika izany dia mifanaraka amin’ny torohevitr’i Jesosy ilazana fa ny olona toy izany dia tokony hoheverina toy ny fiheveran’ny Jiosy tamin’ny androny ny “jentilisa” iray. Taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly, ireo izay nilaza ho nanaraka ny kristianisma dia toa mbola nitandrina nandritra ny fotoana kelikely ny fomba fanao araka ny Baibolyc. Firy anefa amin’izao andro izao ny Fiangonana mbola manaraka an’ireo toromarika mazava nomen’Andriamanitra amin’io lafiny io?

IREO IZAY MIALA AN-TSITRAPO

13. Inona no tokony hatao raha manjary osa na tsy miasa intsony ny kristiana iray?

13 Mety hihaosa ara-panahy ny kristiana iray noho izy tsy mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra, noho ny zava-manahirana manokana na ny fanenjehana (I Kor. 11:30; Rom. 14:1). Amin’izany izy dia mety hitsahatra tsy hanatrika an’ireo fivoriana kristiana. Inona no mety raha hatao? Tadidio fa nandao an’i Jesosy ireo apostoly tamin’ny alina nisamborana azy. Nananatra an’i Petera tamin’izao teny izao anefa Kristy: “Ary rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao [izay nandao an’i Jesosy koa].” (Lioka 22:32). Noho ny fitiavana, ireo loholona sy ny kristiana hafa koa dia hitsidika an’izay nanjary osa sy tsy miasa, ka hanampy azy ireny (I Tes. 5:14; Rom. 15:1; Heb. 12:12, 13). Tsy toy izany anefa no mitranga rehefa milaza tsy ho anisan’ny kongregasiona kristiana ny olona iray ka manala tena.

14. Ahoana no ampisehoan’ny olona iray fa miala an-tsitrapo izy?

14 Izay efa kristiana marina taloha dia mety hiala amin’ny lalan’ny fahamarinana ka hilaza fa tsy mihevi-tena intsony ho toy ny Vavolombelon’i Jehovah izy na tsy maniry ny hahafantarana azy ho toy izany intsony. Rehefa mitranga izany toe-javatra tsy fahita firy izany, ilay olona tsy tia ny ho kristiana intsony dia miala an-tsitrapo amin’ny kongregasiona. Izao no nosoratan’ny apostoly Jaona: “Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany.” — I Jaona 2:19.

15, 16. a) Amin’ny fomba hafa inona koa moa no azo ampisehoana fa miala ny tena? b) Ahoana no tokony hiheveran’ny kristiana sy hitondrany an’ireo izay niala?

15 Mety hiala amin’ny toerany ao anatin’ny kongregasiona koa ny kristiana iray amin’ny ataony, toy ny rehefa manaiky ho anisan’ny fandaminana iray izay manatratra zava-kendrena mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Baiboly ka noho izany dia iharan’ny fanamelohan’i Jehovah Andriamanitra (jereo Apokalypsy 19:17-21; Isaia 2:4). Raha toa àry ny olona iray kristiana teo aloha ka mifidy ny hiaraka amin’ny olona tsy ankasitrahan’Andriamanitra, dia ho tsara ny hahafantaran’ny kongregasiona amin’ny fomba ofisialy, amin’ny alalan’ny filazana fohy, fa ilay olona resahina dia niala ka tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony.

16 Ireo izay tsy “namantsika” intsony amin’ny finiavana mandà ny finoana sy ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia rariny raha heverina sy entina toy ny atao amin’ny olona voaroaka satria nanota.

AOKA ISIKA HIARA-MIASA AMIN’NY KONGREGASIONA

17, 18. Milaza inona moa ny fiaraha-miasa amin’ny kongregasiona amin’ny mikasika ny fandroahana?

17 Raha manana fifandraisana ara-panahy amin’ireo rahalahy na amin’ny olona tsara fikasa ny kristiana rehefa mianatra ny Baiboly na mifanakalo hevitra ny amin’izany izy ireo, dia tsy ho tiany ny hitana fifandraisana toy izany amin’ny mpanota voaroaka (na amin’izay nanda ny finoana sy ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fanalana tena). ‘Nolavina’ ilay voaroaka, ‘nanamelo-tena’ tamin’ny fahazarany nanota, ary ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona dia manaiky ny fitsaran’Andriamanitra sy manohana izany. Mahafaoka zavatra mihoatra noho ny fahatapahan’ny fifandraisana ara-panahy fotsiny anefa ny fandroahana. — Tit. 3:10, 11.

18 Nanoratra i Paoly mba ‘tsy hiharoharoana aminy [amin’ilay nanota] ka tsy hiaraha-mihinana amin’ny olona toy izany akory”. (I Kor. 5:11.) Ny fisakafoana dia fotoana fialam-boly sy fihavanana. Noho izany, dia raran’ny Baiboly koa izay rehetra mety ho fifandraisana amim-pisakaizana amin’ny olona voaroaka, toy ny rehefa miara-misakafo eny am-pitsangantsanganana, amin’ny takariva fialam-boly, amin’ny fanaovana lalao baolina, amin’ny fitsangantsanganana eny amoron-dranomasina, amin’ny fijerena fampisehoana na amin’ny fisakafoanad. (Ireo zava-manahirana manokana mipetraka rehefa voaroaka ny anankiray amin’ny mpianakavy dia fakafakaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.)

19. Nahoana moa no toa sarotra indraindray ny manohana fandroahana? Nahoana anefa no zava-dehibe ny hanaovantsika izany?

19 Indraindray ny kristiana iray dia mahatsiaro fanerena maro mihatra aminy mba handikany ny torohevitry ny Baiboly. Izany fanerena izany dia mety ho avy amin’ny fihetseham-pon’ny tenany ihany na avy amin’ny olon-kafa. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny rahalahy iray taomina mba hitondra raharaha amin’ny fombafombam-pampakaram-badin’ny olon-droa voaroaka. Moa ve izany ho mariky ny hatsaram-po fotsiny? Mety hisy hieritreritra izany. Fa nahoana no mitaky fanampian’ny rahalahy iray fa tsy ny ben’ny tanàna na ny lehiben’ny mpanao sora-piankohonana? Moa ve tsy noho ny maha-mpanompon’Andriamanitra azy sy ny fahaizany manoro hevitra an’ireo mpivady vao mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra? Ny fetezana ho voatariky ny fitaomana toy izany dia ho nitarika azy hihavana amin’ireo mpivady izay samy voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona noho ny fitondrantena ratsiny. — I Kor. 5:13.

20. Ahoana no hataontsika raha miara-miasa amin’ilay olona voaroaka isika?

20 Misy zava-manahirana hafa koa mety hitranga mikasika ny asa na ny raharaham-barotra. Inona no tokony hatao raha ampiasain’olona vao voaroaka ianao na mampiasa olona toy izany ny tenanao? Raha toa ianao ka voatery, noho ny fanekena na noho ny vola, hanohy vetivety ny fifandraisanao noho ny raharaha ifanaovana aminy, dia azo antoka fa hanova ny fihetsikao eo anoloany ianao. Hilaina angamba ny hiaraha-midinika momba ny raharaha na ny fifampikasohana eo amin’ny raharaha, nefa ho anisan’ny zavatra lasa ny resaka ara-panahy sy ny fifandraisam-pisakaizana. Amin’izany ianao dia ho afaka hampiseho ny fankatoavanao an’Andriamanitra sy hiaro tena. Ambonin’izany dia mety hahatonga an’ilay diso hahafantatra koa izany fa misy voka-dratsiny lehibe tokoa ny fahotany. — II Kor. 6:14, 17.

AZO ATAO VE NY MITENY AMIN’IZAY VOAROAKA NA NANALA TENA?

21, 22. Inona no lazain’ny Soratra Masina raha ny amin’ny hahafantarana hoe moa ve afaka miteny amin’ny voaroaka iray isika?

21 Moa ve ny fanohanana ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fandroahana milaza fa ny kristiana iray dia tsy tokony hiteny mihitsy amin’ny voaroaka na hiarahaba azy akory aza? Nisy nanontany tena toy izany noho ny fiheverana ny torohevitr’i Jesosy mba ho tia ny fahavalontsika ary mba tsy hoe tsy ‘hiarahaba afa-tsy ny rahalahintsika’. — Matio 5:43-47.

22 Noho ny fahendreny lehibe, dia tsy nanandrana nijery mialoha ny tarehin-javatra mety hitranga rehetra Andriamanitra. Ilaintsika àry ny hahazo ny hevitr’izay nolazain’i Jehovah mikasika ny fomba fitondra an’ireo voaroaka, mba hahafahana rehefa avy eo manohana ny fiheverany. Izao no hazavain’Andriamanitra amintsika araka ny nosoratan’ny apostoly Jaona:

“Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra. (...) Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ny ratsy ataony.” — II Jaona 9-11.

23, 24. Nahoana no fahendrena ny hanalavirana ny firesahana amin’ny voaroaka iray?

23 Ilay apostoly izay nanome an’io fampitandremana feno fahendrena io dia akaiky an’i Jesosy ary nahafantatra tsara izay nolazainy nikasika ny fiarahabana. Fantany koa fa ny fiarahabana fanao tamin’izany fotoana izany dia hoe “Fiadanana”. Tsy sahala amin’ny “fahavalo” manokana na ny olona ambony toerana iray miady amin’ny kristiana, ny olona voaroaka na nanala tena ka manandrana mampiely na manamarina ny heviny niala tamin’ny marina, na izay maharitra koa amin’ny fitondrantenany maloto, dia tsy ny karazan’olona tokony hirariana hahita “fiadanana”. (I Tim. 2:1, 2.) Fantatsika rehetra araka ny efa nitranga tamintsika fa ny fanaovana “manao ahoana” fotsiny dia mety ho dingana voalohany ho amin’ny resaka ary angamba ho amin’ny fisakaizana. Tiantsika ve ny hanao izany dingana voalohany izany amin’ny olona voaroaka iray?

24 ‘Nefa raha toa mibebaka izany olona izany ka mila fampaherezana?’, hoy angamba ny fanontaniana mipetraka. Misy fandaharana nomanina ho amin’izany karazan-toe-javatra izany. Ireo mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona dia mpiandry ara-panahy sy mpiaro ny andian’ondry (Heb. 13:17; I Pet. 5:2). Raha toa ny olona voaroaka iray na nanala tena ka mitady ny hahita indray ny fankasitrahan’Andriamanitra na manaporofo fa maniry izany izy, dia ho afaka hiresaka aminy ireo loholona. Hohazavain’izy ireo aminy amim-pahalemem-panahy izay tokony hataony ka hanome torohevitra mety azy izy ireo. Izy ireo no afaka miresaka amin’ilay nanota avy amin’ny zava-nitranga mikasika ny fahotany sy ny fihetsiny tamin’ny lasa; tsy mahalala izany ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona. Noho izany, raha mihevitra ny olona iray fa ‘mibebaka’ ny olona voaroaka na niala an-tsitrapo iray, moa ve izy tsy mety hifototra amin’ny hevitry ny tenany fa tsy amin’ny fanazavana azo antoka? Raha mino mafy ireo mpiandraikitra fa nibebaka izany olona izany ka mamoa ny voan’ny fibebahanae, dia horaisin’izy ireo indray ao anatin’ny kongregasiona izy. Amin’izay ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona dia ho afaka handray azy amin-kafanam-po ao amin’ireo fivoriana, haneho famindrampo, hampahery azy sy hanamafy ny fitiavany azy, araka ny nananaran’i Paoly ny Korintiana hanao izany tamin’ilay lehilahy naverina indray tao amin’ny kongregasiona tany Korinto. — II Kor. 2:5-8.

AOKA ISIKA TSY HIOMBONA AMIN’NY RATSY ATAO

25, 26. Ahoana no teny ampitandreman’Andriamanitra antsika amin’ny loza vokatry ny fiarahana amin’ny voaroaka iray?

25 Ny kristiana mahatoky rehetra dia tokony hihevitra ho zava-dehibe izao fahamarinana izao izay nosoratan’ny apostoly Jaona ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Izay miarahaba azy [ny mpanota voaroaka izay mampiely fampianaran-diso na mitana fitondrantena ratsy] dia miombona amin’ny ratsy ataony.” — II Jaona 11.

26 Mpivaofy teny maro ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no manohitra ny II Jaona 11. Lazain’izy ireny fa ‘tsy kristiana loatra sy mifanohitra amin’ny toe-tsain’ny Tompontsika’ io torohevitra io na mamporisika tsy fileferana. Izany hevitra izany anefa dia avy amin’ny fandaminana ara-pivavahana tsy mampihatra ny didin’Andriamanitra manao hoe: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy”, izay mahalana vao mba mandroaka ny mpanota fanta-bahoaka na tsy manao izany mihitsy aza (I Kor. 5:13). Ny “fileferany” dia mifanohitra amin’ny Soratra Masina sy ny kristianisma. — Matio 7:21-23; 25:24-30; Jaona 8:44.

27. Ahoana no mety ‘hiombonana’ amin’ny voaroaka iray? Inona no ho vokany?

27 Tsy fanaovan-javatra ratsy akory ny tsy fivadihana hatrany amin’ilay Andriamanitra marin’ny Baiboly. Lazain’Andriamanitra amintsika fa tsy raisiny ‘ao an-tendrombohiny masina’ afa-tsy ireo izay mandeha tsy misy tsiny, mampihatra ny rariny sy milaza ny marina (Sal. 15:1-5). Noho izany, raha toa ny kristiana iray ka niaraka tamin’ny mpanota iray nolavin’Andriamanitra sy voaroaka na nanala tena, izany dia ho toy ny milaza hoe: “Izaho koa tsy maniry ho ao an-tendrombohitra masin’Andriamanitra.” Raha toa ireo loholona ka mahita kristiana iray miditra amin’izany lalana izany amin’ny fiarahana tsy tapaka amin’ny voaroaka iray, dia hanandrana hanampy azy, amim-pitiavana sy faharetana izy ireo, mba hahita indray ny fiheveran’Andriamanitra (Matio 18:18; Gal. 6:1). Hanoro hevitra azy izy ireo ary, raha ilaina izany, ‘hiteny mafy’ azy. Tian’izy ireo ny hanampy azy hijanona ‘ao an-tendrombohitra masin’Andriamanitra’. Raha tsy mitsahatra mifanerasera amin’ilay olona voaroaka anefa ilay kristiana, dia “miombona [manohana na mandray anjara] amin’ny ratsy ataony” ka tokony hesorina na horoahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona. — Tit. 1:13; Joda 22, 23; jereo koa Nomery 16:26.

TADIDINAO VE IRETO HEVITRA VITSIVITSY IRETO?

Ahoana no nitondran’ny Jiosy an’ireo izay voaroaka tsy ho ao amin’ny synagoga?

Inona no tsy fitoviana nolazain’i Paoly fa misy eo amin’ny

1) olona ratsy fitondrantena eo amin’izao tontolo izao

2) olona ratsy fitondrantena voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona?

Ahoana no tokony hiheveran’ny kristiana ny olona iray niala an-tsitrapo tsy ho ao amin’ny kongregasiona?

Ny fandroahana dia mitarika fahatapahan’izao karazam-pifandraisana rehetra izao. Inona izany?

Nahoana ny kristiana no tsy miarahaba olona voaroaka na miresaka aminy?

Mikasika ny fandroahana, inona no tokony hataontsika mba hijanonana ‘ao an-tendrombohitra masin’Andriamanitra?’

[Fanamarihana ambany pejy]

a “Toy ny maty àry izy. Tsy nanana zo hiara-mianatra tamin’ny hafa izy, tsy misy olona tokony hanana fifandraisana aminy na hanoro lalana azy akory aza. Afaka nividy izay nilainy mba hahavelona izy, nefa norarana ny fiaraha-nihinana na nisotro taminy.” — The Life and Times of Jesus the Messiah, nosoratan’i Alfred Edersheim, boky II, p. 184.

b Mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly, Adam Clarke dia nanipika ny tsy fitoviana misy, tamin’ny filazana hoe: “Aza miombona mihitsy amin’ny [mpanota voaroaka iray] amin’izay masina na sivily. Azonao atao ny miara-manao raharaha tsy ara-pivavahana amin’olona tsy mahalala an’Andriamanitra ary tsy milaza tena ho manaraka ny kristianisma, na manao ahoana na manao ahoana toe-pitondrantenany; nefa lasa lavitra loatra sahady izany raha amin’ny olona milaza tena ho kristiana ka mitondra tena amin’ny fomba mahatafintohina. Omeo azy izany porofo fanampiny izany fa mankahala izay rehetra mety ho fahotana ianao.”

c Nanoratra toy izao i Joseph Bingham, manam-pahaizana manokana amin’ny tantaran’ny fiangonana: “Ny famaizan’ny Fiangonana dia tamin’ny fahefany hanaisotra tamin’ny olona ny soa sy ny tombontsoa avy amin’ny batisa, tamin’ny fandroahana azy ireo tsy ho amin’ny fikambanana na ny fiombonan’ny Fiangonana (...). Nohalavirin’ny olona rehetra ny firesahana tamin’izy ireny, voalohany indrindra dia mba tena hanatanterahana tokoa ireo fandaharana nataon’ny Fiangonana hamaizana azy, faharoa dia mba hampahamenatra azy sy mba hiarovan-tena amin’ny famindrana koa.” “Tsy misy mihitsy olona tokony handray ao an-tranony olona naongana, na hiara-mihinana aminy; tsy tokony hiresaka amim-pisakaizana amin’izy ireny izy ireo raha mbola velona koa na hikarakara ny fandevenana azy rehefa maty izy (...). Ireo toromarika ireo dia nalaina avy amin’ny fitsipika apostolika niaro ny kristiana mba tsy hamporisika na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ny mpanota fanta-bahoaka.” — The Antiquities of the Christian Church, pp. 880, 891.

d Tao amin’ny nomeraon’ny gazetintsika tamin’ny 15 martsa 1982, dia noresahintsika ny amin’ny II Tesaloniana 3:14, 15, ilazan’ny Baiboly mba ‘hanamarihana’ ny kristiana izay mikiry amin’ny fitondrantena tsy voafehy. Mbola “rahalahy” ihany izy ary tokony homena fampitandremana amin’ny maha-izany azy, nefa tokony “hitsahatra tsy hifanerasera” aminy ny kristiana hafa. Raha tokony hanalavitra ny fifaneraserana amim-pisakaizana amin’ny olona toy izany izy ireny, dia vao mainka tokony ho hentitra kokoa ny fisarahana amin’ny mpanota noroahina na nanala tena.

e Mikasika ny fibebahana, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 martsa 1982.

[Sary, pejy 20]

“Aza miara-mihinana akory” amin’ny olona voaroaka

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara