Aiza moa no mety hahitana fahafahana?
ZAVATRA mandeha ho azy ny fanirian’ny olona fatratra ny fahafahana. Tian’izy ireo ny ho afaka hilaza ny zavatra inoany ka tsy hotapenam-bava na henjehina ary hanompo ny Andriamaniny araka ny fieritreretany. Irin’izy ireo ny hamelana azy hikatsaka ny fahasambarana, ka tafiditra amin’izany ny fahafahana hiasa mba hamelomana ny tenany. Nefa amin’izany koa, raha tsy mamela azy hanao izay tiany na hampiasa ny talentany ny asany, dia tsy sambatra izy ireo.
Vitsy ny olona mahita fahafahana toy izany amin’izao andro izao. Ny sasany kivy sy sosotra ka nanapa-kevitra ny hanao ny danin’ny kibony. Takin’izy ireny ny fahafahana feno, ny fahafahana hanao araka ny iriny. Tiany aza ny hanana fahafahana hanao zavatra manimba azy, toy ny fampiasana fanafody mahankona, na zavatra manimba ny hafa. Araka ny heviny, dia tokony hanana zo hanao izay rehetra tiany izy ireny, ka ny sasany aza maniry ny hanana fahafahana tsy hanao na inona na inona.
Nefa moa ve ny dikan’ny hoe mahazo fahafahana dia ny miala amin’ny toe-piainana misy fampahoriana ao amin’ny fandehan-javatra ankehitriny, ho amin’ny mifanohitra indrindra amin’izany? Tokony hiankina amin’ny fahafahan’ny hafa ara-dalàna ny halehiben’ny fahafahantsika. Raha nanao tamim-pahalalahana izay rehetra tiany hatao tokoa ny tsirairay avy noho ny fikendrena fotsiny ny hanome fahafaham-po ny faniriany amim-pitiavan-tena, dia tsy hisy olona hanana fahafahana mihitsy intsony. Tsy ho voaro ny fananantsika satria amin’izay ny tsirairay avy dia hanana fahafahana haka sy hanao izay tiany. Tsy ho azo atao tokoa ny hahazo hanina na ny fanampian’olona. Tsia, ilaina ny filaminana sasany, ka hanao ny anjarany araka ny mety ny tsirairay avy. Izay milaza filaminana anefa dia milaza lalàna. Mitondra fahasambarana ho an’ny rehetra ny lalàna sy ny fitsipika mety.
Aoka horaisintsika ho ohatra ireo lalàn’ny natiora. Tokony hihevitra izany isika eo amin’izay rehetra ataontsika ary faly isika noho ny fisian’izany. Raha tsy nisy ny lalàn’ny “pesanteur” (hery misintona ny tenan-javatra hanatona ny afovoan’ny tany), dia tsy ho afaka hijanona eo amin’ny vohon’ny tany ny olona. Tsy misy olona afaka mandika an’io lalàna io ka tsy hisetra loza.
Ireo lalàna ara-pitondrantena
Toy izany koa ny amin’ny lalàna ara-pitondrantena naorin’Andriamanitra. Tsy azo sakanana toy ny amin’ny lalàna araka ny fizika koa ny vokatry ny fandikana azy, na dia tsy miseho haingana toy izany aza. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny lehilahy iray hanitsakitsa-bady. Angamba mieritreritra izy fa ny fifandraisana any ivelan’ny fanambadiana toy izany dia mahaforona “fahafahana” ho azy eo amin’ny lafiny mikasika ny lahy sy ny vavy ary mahasoa azy izany. Mandika lalàna ara-pitondrantena iray anefa izy. Amin’ny fanaovana toy izany, dia manimba tena izy ary manimba ny zon’ny hafa (I Tesaloniana 4:3-6). Ambonin’izany, dia mety ho voan’ny aretin-dratsy maharikoriko izy. Na dia hihevitra ny vadiny ho “sarotsarotiny” toy inona aza izy, dia ho simba noho izany ny fifandraisan’izy ireo, ary angamba hifarana amin’ny fisaraham-panambadiana ny fanambadian’izy ireo. Raha manana zanaka io lehilahy io, dia hisy vokany eo amin’izy ireo izany amin’ny fiainany rehetra.
Ny sasany angamba hilaza hoe fiheverana efa lany andro izany. Mariho anefa izay azo novakina tao amin’ny gazety Time tamin’ny 25 novambra 1974, mikasika an’ireo izay mivady sady mifanaraka fa hanana fahafahana handry amin’izay tiany, ka mahatonga azy ho mpanitsakitsa-bady:
“Mpanolo-tsaina maro no mihevitra zava-manahirana lehibe mateti-piseho mikasika ny fahasarotam-piaro tsy nampoizina (‘zavatra izay hamaivanintsika rehetra ny halehibeny’ hoy ilay mpanoratra tantara foronina hoe Robert Westbrook, izay tapaka ny fanambadiany karazan’izany).
“(...) Ny fanaintainana ateraky ny fahalalana ny fisetrana filalaovam-pitia ataon’ny vady dia miteraka indray tetik’ady tranainy fanaon’ny kilasy antonontonony, dia: ny fihatsarambelatsihy izay manakambana ny tsy fivadihana ofisialy amin’ny fahafahana tsy ofisialy.”
Inona no holazaina ny amin’ireo manana izany karazam-piainana mikasika ny lahy sy ny vavy “malalaka” izany? Mandeha tsara ve ny zavatra rehetra amin’ny mpivady mitondra tena toy izany? Ny Reader’s Digest tamin’ny martsa 1975 dia naka teny tao amin’ilay boky hoe Divorcer en Amérique (anglisy) nosoratan’i Joseph Epstein, mpanoratra gazety sady mpanao lahateny, niresahan’io ny amin’ny “fandresena” azon’ny olo-malaza sasany tamin’ny fitambaran-dalàna henjana taloha momba ny fitondrantena mikasika ny lahy sy ny vavy. Izao no nolazain’i Epstein: “Tsy niafara tamin’ny fahafahana lehibe kokoa io fandresena io, fa tamin’ny filibana lehibe kokoa fotsiny, ka tsy zavatra mitovy velively akory izany.” Raha efa izany, mikasika ny fiheverana ho zava-dehibe ny fahaizana mikasika ny firaisana miafina, dia manampy teny toy izao ilay boky: “Amin’izany rehetra izany, ny fampanaranam-po ny filan’ny nofo dia tsy misy izay rehetra mety ho fampisehoam-pitiavana nefa tokony hiaraka ireo roa ireo. Tsy inona intsony izany fa fijangajangana ranofotsiny sy tsotra izao, ary angamba isika tonga andevon’ny tenantsika tsy mbola nisy toy izany.”
Amin’izany, amin’ny fandikana lalàna ara-pitondrantena iray, ny lehilahy iray (na ny vehivavy iray) dia mety hanimba ny fiainany. Tsy vitan’ny hoe mahatandindomin-doza ny fatoram-pianakaviana fotsiny izy; veriny koa ny fanajan’ny hafa. Mety hieritreritra ny olona toy izany fa nahita “fahafahana”. Na dia izany aza dia mety hamoy ny fanajan-tenany izy ka hahatisaro ho meloka noho ny fieritreretana ratsy ananany.
Ireo zon’Andriamanitra
Miharihary fa tokony hanaja ny zon’ny hafa isika, nefa alohan’ny zavatra rehetra dia tokony hanaja ny an’Andriamanitra isika. Iharan’ny fatiantoka ve izy raha misalovana amin’ny zony isika? Tsia, nefa ‘malahelo ny fony’ satria fantany fa ny fitondrantena toy izany dia mifanohitra amin’izay mahasoa antsika (Genesisy 6:6). Tsy afaka manome na mandray na inona na inona amin’Andriamanitra isika. Izao tokoa no lazain’ny Baiboly: “Iza no nanome Azy aloha hamaliana azy indray? (Romana 11:35). Mety hisalovana amin’ny zony anefa isika, ka izany dia hanimba antsika sy ny hafa koa.
Fa inona avy moa no zon’ny Mpamorona? Manana zo izy hitondra ny zavatra noforoniny, mba hahatonga izany hahatanteraka ny fikasana nanaovany azy. Amin’izao fotoana izao dia tsy tanteraka ny olona rehetra ary nivily niala tamin’ny lalana tokony harahiny. Tokony hotandremana mafimafy kokoa àry ny tenin’Andriamanitra mba hampifamatorana fifandraisana tsara aminy indray.
Andevon’ny ota sy ny fahafatesana
Hatramin’ny taonjato maro ny olona rehetra dia miresaka ny amin’ny hanafahan-tena. Nahoana? Satria tsy tena afaka izy ireo. Andevo daholo izy rehetra, angamba tsy andevon’olon-kafa, fa andevon’ny fahotana sy ny fahafatesana. Milaza izany fa mba hananana fahafahana marina tokoa, dia tokony hafahana amin’ny fahotana isika, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hafahana amin’ny aretina sy ny fahafatesana vokany (Romana 6:23). Fony izy teto an-tany, dia izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny Jiosy: “Izay rehetra manota dia andevon’ny ota.” Raha nanazava tamin’izy ireo ny fomba nety ho nahafaka azy tamin’io loza mahafaty io izy, dia izao no teny nanampiny: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. (...) Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo.” — Jaona 8:31-36.
Afaka manome fahafahana ve ny fitondram-panjakana iray tarihin’Andriamanitra?
Azon’ny olona atao ve ny miaina amin’ny fanarahana ireo lalàn’Andriamanitra ka mifaly amin’ny fahafahana feno? Aoka hojerentsika ny sasany amin’ny lalàn’Andriamanitra nanan-kery fony izy nampiasa fitondram-panjakana iray nisolo tena azy teto an-tany.
Fony Isiraely teo ambany fitondram-panjakan’Andriamanitra, ny olona tsirairay avy dia nanana ny tanin’ny tenany azo ho fananana nolovana. Azony natao tamin’izany ny namelona tamin’ny fomba nety ny tenany sy ny ankohonany. Ny isaky ny fahafito taona anefa dia taona sabata tsy tokony hamafazana na hijinjana amin’ny tany (Levitikosy 25:1-7). Tamin’izany ny mpianakavy dia nanam-potoana be dia be nolanina niaraka. Azon’izy ireny natao ny niresaka ny amin’ny lalàna sy ny nataon’Andriamanitra, ka izany dia hahatonga azy ireo ho afaka hahalala azy tsara kokoa. Raha nanana talenta sasany ny anankiray taminy, dia afaka namboly izany. Isiraelita marobe no tonga mpivarotra sy mpanao asan-tanana kinga. Tamin’izany dia azon’ny lehilahy sy vehivavy natao ny nandray anjara tamin’izay hahasambatra ny fitambaran’olona manontolo.
Isaky ny fahadimampolo taona dia “Jobily”, taom-pahafahana lehibe. Raha toa, noho ny fahavoazana ara-bola, ka ‘nivarotra’ ny taniny na sombiny tamin’izany ny Jiosy iray, dia naverina taminy izany tamin’ny “Jobily”. Nofoanana daholo ny trosa rehetra. Raha toa ny lehilahy iray na ny mpiakaviny ka nivaro-tena ho andevo mba handoavana trosa sasany, dia nanana fahafahana hiverina tany amin’ny taniny izy tamin’io taona io (ny hoe “andevo”, dia tsy tokony horaisina araka ny iheverana azy amin’ny ankapobeny amin’izao andro izao; teo ambany Lalàn’ny Isiraely, ny “andevo” hebreo iray raha ny marina dia noheverina ho mpikarama). Ahoana no nahafahan’ny firenena iray nanantena ny hanana fahafahana lehibe kokoa? — Levitikosy 25:8-22, 39, 40.
Izao: hisy fahafahana mbola lehibe kokoa ihany, ary izany dia amin’ny lafiny rehetra, homena tsy ho ela ny olombelona izay hiaina eo ambanin’ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra, avy any amin’ny lantira, izay hanapaka ny tany mandritra ny arivo taona. Jesosy Kristy, izay ho Mpanjaka amin’izany, dia ho solontenan’ny fahefam-piandrianan’Andriamanitra. Eo ambanin’io Fanjakana io ny olona dia hafahana tanteraka amin’ny fanandevozana lehibe indrindra, dia ny fanandevozana amin’ny ota sy ny fahafatesana vokatr’izany (I Korintiana 15:26; Apokalypsy 21:3, 4). Eo ambany fitarihan’i Kristy, ilay Mpanjaka sady Mpisoronabe, ny olona rehetra, anisan’izany ireo hatsangana amin’ny maty, dia hotarihina ho amin’ny fahatanterahan-tsaina sy tena feno. — Apokalypsy 20:11-13; Hebreo 11:39, 40.
Raha efa izany, rehefa ho tapitra ny arivo taona, dia hamerina indray ny olombelona tanteraka ho amin’ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy Kristy (I Korintiana 15:24). Izay rehetra hampiseho amin’izay ny fitiavany ny fiandrianan’Andriamanitra ka tsy hifidy ny lalan’ny tsy fiankinana amin’Andriamanitra mitarika ho amin’ny loza, dia hambara fa ‘zanak’Andriamanitra’, Raha nanisy fitenenana ny amin’izany fikasan’Andriamanitra izany i Paoly dia izao no nosoratany: “Izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalòvana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.” — Romana 8:21.
Zanak’Andriamanitra hoe! Eny, amin’izany ny lehilahy sy ny vehivavy dia ho zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra. Ho anisan’ny mpianakaviny izy ireo ary hadio, ho tanteraka sy masina. Miaraka amin’ny Ray tia toy izany, ho toy inona moa ny fahafahana ho azy ireo! Hanana fahasalamana tonga lafatra izy ireo ary hafahana amin’izay rehetra mety ho loza araka ny natiora mandringana (Isaia 25:6-8). Tsy hisy fitondram-panjakan’olombelona intsony, na mpitondra tsy refesi-mandidy, na lehibe (Lioka 22:25, 26). Tsy hihevitra intsony ny fanaovan-javatra maloto ho endriky ny “fahafahana” ny olombelona. Hanaiky ireo lalàna voatendry izy ireo mba handehanan’ny zavatra rehetra amin’ny filaminana, nefa tsy hilain’izy ireo intsony ny lalàna manameloka ny fahalotoam-pitondrantena, ny halatra, ny vonoana olona sy ny faharatsiam-panahy mianjady amin’ny olona amin’izao andro izao. Mikasika izany, dia izao no nosoratan’ny apostoly Paoly:
“Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna [ny an’i Mosesy], raha entin’ny olona araka izay antony, ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masina sy (...) ny mpamono olona, ny mpijangajanga, (...) ny mpandainga.” — I Timoty 1:8-10.
Fony teto an-tany Jesosy tamin’ny naha-olona tanteraka, dia tsy nanana fironana mihitsy ho amin’ireny fanao mampietry ireny izy. Zavatra voa-janahary tao aminy ny fitandremana ny Lalàna. Nasehony tamin’izany fa tsy zavatra ilaina na raikitra ao amin’ny olona akory ny fahotana. Izao tokoa no nohazavain’ny apostoly Paoly: “Tamin’Izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota [Tonga mba hanolotra fanati-panavotana Jesosy, hanafoanana ny fahotana], ka nanameloka ny ota tao amin’ny nofo.” — Romana 8:3.
[Loharanon-kevitra]
Tsy miseho ao amin’ilay lahatsoratra malagasy ny lohatenikely farany ao amin’ny lahatsoratra anglisy