“Izao no ataovinareo hatrany ho fahatsiarovana Ahy”
INDRAY mandeha isan-taona, amin’ny daty araka ny Baiboly, 14 Nisana, alin’ny Paska, dia mivory any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany ny vahoaka voafidin’i Jehovah, araka ny baikon’i Jesosy manao hoe: “Izao no ataovinareo [hatrany, MN] ho fahatsiarovana Ahy.” (Lioka 22:19; Eksodosy 12:2-6) Mety ny hahatsiarovana ny Sakafo harivan’ny Tompo amin’ny harivan’io tena Paska io, aorian’ny filentehan’ny masoandro, ao amin’ny fitambaran’olona misy anao.
Iza no asaina hanatrika izany? Ireo olom-bitsy, dia ny sisa voahosotry ny fanahin’i Jehovah, no azo antoka fa hanatrika izany, nefa koa izay rehetra anisan’ny “olona betsaka” mitomba isa hatrany manana fanantenana ny ho eto an-tany, dia asaina amim-pitiavana ho tonga, toy izany koa izay rehetra nahalala ny fandaharan’i Jehovah. (Apokalypsy 12:17; 7:4, 9) Moa ve izy io fotoana fanarahana fombafomba misy heviny miafina? Tsy voatery ho izany. Io fitsingerenam-potoana io kosa, ampiasana ny mofo sy divay ho marika fanoharana, dia mampahatsiahy ao an-tsaina sy ao am-pon’ny mpanatrika, izay nataon’i Jesosy Kristy ho azy ireny, 1900 taona lasa izay sy ny hevitr’izany rehetra izany ho azy ireny amin’izao andro izao sy amin’ny ho avy tsy hanam-pahataperana. — 1 Korintiana 11:23-26.
Ahoana no fomba famerana an’io daty tena lehibe io? Tamin’ny taonjato voalohany, Jesosy sy ireo kristiana voalohany dia nanaiky ny famerana ny daty 14 Nisana (izay nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro), araka ny nameran’ny fisoronana jiosy azy tao amin’ny tempoly tany Jerosalema. Tsara ny manamarika fa nankalaza ny sakafon’ny Paska tamin’ny 14 Nisana Jesosy, araka ny nosoratan’ny lalàn’i Mosesy. (Eksodosy 12:6-8; Levitikosy 23:5; Matio 26:18-20) Tsy ny 15 Nisana, araka ny ataon’ny ankamaroan’ny Jiosy amin’izao andro izao no nihinanany ny sakafon’ny Paska. Taorian’ny nandravana ny tempoly tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia ny kristiana ihany no tsy maintsy nametra ny datin’ny Paska, 14 Nisana.
Tamin’ny fotoana nanaovan’i Constantin, emperora romana ny fivavahana lazaina fa kristiana niala tamin’ny marina ho fivavaham-panjakana (325 amin’ny fanisan-taona iraisana), ny konsilin’i Nicée dia nandidy ny hankalazana foana ny Paska ny alahady manaraka avy hatrany ny fenomanana izay mitranga fotoana kelikely aorian’ny andro itovian’ny andro amin’ny alina amin’ny lohataona. Mandrakariva dia ny 21 martsa izany fotoana itovian’ny andro sy ny alina izany. Raha toa ny andro fahefatra ambin’ny folo manaraka ny tsinam-bolana izay heveriny ho andron’ny fenomanana ka mifanandrify amin’ny alahady, dia nahemotra ho ny alahady manaraka izany. Natao izany mba tsy hisian’ny fifaninanana tamin’ny Jiosy sy ny kristiana vitsy nantsoina hoe “Quartodecimans”, izay mbola nankalaza ihany ny 14 Nisana. Tamin’izany fomba izany ny fivavahana lazaina fa kristiana dia afaka nanana foana ny “Alakamisy masina” ny alakamisy, ho fahatsiarovana ny Sakafo hariva faran’i Jesosy ary ny “Zoma masina”, ny zoma foana, ho fahatsiarovana ny nahafatesany.
Fara fahelany tamin’ny 1880 ireo mpivavaka nanolo-tena ho an’i Jehovah dia namela ny fanaon’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ny fankalazana ny Sakafon’ny Tompo imbetsaka isan-taona, ka ny 14 Nisana, aorian’ny filentehan’ny masoandro ihany no notandremany. Hatramin’izay ka hatreo amin’ny 1919, ireo mpivavaka amin’i Jehovah vita fanoloran-tena dia nanaiky ny daty naorian’ny fanisanandro jiosy ho famerana ny 14 Nisana. Tsapany fa ny fanisanandro jiosy dia nanoratra hoe “Paska”, ny 15 Nisana, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Ireny kristiana voahosotra ireny anefa dia nampiasa ny fanisanandro jiosy tamin’ny fanekena ny famerana ny volana Nisana isaky ny taona.
Ny fanisanandro jiosy amin’ny andro ankehitriny dia nametra ny fanombohan’ny volana Nisana ho amin’ny tsinam-bolana. Amin’ny enina ora hariva anefa na aorian’izay no manjary hita maso any Jerosalema ny tara-bolafotsy voalohany amin’ny volan-tsinana. Isan-taona, vao haingankaingana, ny kolejy foiben’ny vavolombelon’i Jehovah dia nametra ny tsinam-bolana ankehitriny izay manjary hita maso any Jerosalema, ka izany no fomba namerana ny 1 Nisana tamin’ny andron’ny Baiboly. Noho izany antony izany, dia matetika no misy tsy fitoviana amin’ny datin’ny Fahatsiarovan’ny vavolombelon’i Jehovah sy ny 14 Nisana, araka ny fanisanandro jiosy amin’ny andro ankehitriny.a
Araka ny fomba fanisantsika amin’izao fotoana izao, ny datin’ny Fahatsiarovana dia eo amin’ny tsinam-bolana manakaiky indrindra aorian’ny fotoana itovian’ny andro sy ny alina (équinoxe) amin’ny lohataona. Ohatra, tamin’ny 1975, ny datin’ny Fahatsiarovana, araka ny anisana azy 14 andro avy eo amin’ny tsinam-bolana (manakaiky indrindra ny fotoana itovian’ny andro sy ny alina amin’ny lohataona) hita any Jerosalema dia ny fanisana ankehitriny, dia mifanandrify amin’Alakamisy 27 martsa 1975. Ny datin’ny Fahatsiarovana amin’ny taona 1976, araka ny ny Alarobia 14 Aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Mifanitsy amin’io daty io koa ny fenomanana. Araka izany, amin’ny ho avy, raha toa misy olon’i Jehovah iray tsy afaka mifandray amin’ny kolejy foibe, dia ho azony atao ny mametra ny datin’ny Fahatsiarovana araka ny fahamarinan’ny fanisanandro eo an-toerana izay mampiseho ny fenomanana voalohany aorian’ny fotoana itovian’ny andro sy ny alina amin’ny lohataona. Amin’izay ny hanaovana ny fankalazana dia aorian’ny filentehan’ny masoandro, rehefa midina ny volana fenomanana.b
Inona no hatao raha toa ka misy toe-javatra sarotra amin’ny alin’ny Sakafo harivan’ny Tompo? Inona no hatao raha misy tafiodrivotra mahery na fikorontanana lehibe hafa izay hahatonga tsy ho azo atao ny fahatongavana amin’ny ora tsy diso ao amin’ny kongregasiona eo an-toerana? Amin’ny toe-javatra toy izany, dia ho tsara ny hihaonan’ireo rahalahy ho antokon’olom-bitsy mpiray faritany na ho antokom-pianakaviana vitsivitsy raha ilaina izany. Amin’izany fomba izany no hivorian’izy ireo mba hahatsiaro ny hevitry marika amin’ny Fahatsiarovana, dia ny mofo tsy misy masirasira sy ny divay. Amin’izany fotoan-tsarotra izany, ny anankiray amin’ny rahalahy vita fanoloran-tena (na ny anabavy iray vita fanoloran-tena, raha tsy misy rahalahy tonga mihitsy eo) dia ho afaka hijery fohy ny fitantaran’ny Baiboly ao amin’ny Matio 26:17-30; Lioka 22:7-23, 28-30 sy I Korintiana 11:20-31. Raha toa ny kongregasiona iray ka voatery mivory ho antokon’olom-bitsy maromaro, dia ho azo alefa ho toy ny rapaoron’ny isan’ny mpanatrika tao amin’ny kongregasiona manontolo ny fitambaran’ny isan’ny tao amin’ny antokon’olom-bitsy rehetra.
Fa raha ny amin’ny marika, dia tsy isalasalana fa tokony hatao ny fiezahana rehetra mba hahitana fa norosoana ny mofo sy ny divay ireo anisan’ny sisa voahosotra, na dia marary any an-trano na any amin’ny hopitaly aza izy. Amin’ny tarehin-javatra manokana dia manokana ihany, tsy ahafahan’ny anankiray amin’ny sisa voahosotra mandray ny marika ny 14 Nisana, dia azony atao ny mankalaza ny Fahatsiarovana amin’ny andro faha-14 amin’ny volana manaraka araka ny volana (ny andron’ny fenomanana manaraka) araka ny fotopoto-pitsipika hita ao amin’ny Nomery 9:10, 11 sy II Tantara 30:1-3, 15 mikasika ny fankalazana ny Paska nahemotra. Amin’ny fampihemorana fankalazana toy izany, dia tokony hatao aoriana avy hatrany izany.
Inona no tokony hatao raha maherin’ny iray ny kongregasiona mampiasa Efitrano Fanjakana iray ihany? Ho tsara ny handaminana ny oran’ny fandaharana mba hampisehoana fiheverana amin’ny fanomezana fotoana ampy hialan’ny kongregasiona iray ao amin’ny efitrano ka hanombohan’ny kongregasiona manaraka ny fandaharany. Amin’ny fiheverana izany ao an-tsaina, dia nisy fanofana efitrano fanampiny indraindray ho fankalazana ny Fahatsiarovana. Amin’ny toe-javatra toy izany dia toroana hevitra ny kongregasiona maromaro mba hiara-manao fivoriana iray ihany. Azo alefa ny rapaoro mikambana, misy ny lisitr’ireo kongregasiona voafaoka ao anatin’izany.
Nanao ahoana ny filaharan’ny fisehoan-javatra tamin’ny andron’i Jesosy? Tamin’ny fankalazana voalohany ny Sakafo harivan’ny Tompo, dia tonga nanatrika teo ny tenan’i Matio. Asehony ny filaharan-java-niseho arahina amin’izao fotoana izao. Jesosy sy ireo mpianany roa ambin’ny folo dia nankalaza ny sakafon’ny Paska, tamin’ny fampiasana zanak’ondry natsatsika sy mofo tsy misy masirasira, ho fampahatsiarovana ny mpandray anjara izay nitranga rehefa nafahana avy tany Egypta ny Isiraelita tamin’ny 1513 talohan’ny fanisan-taona iraisana. Tsy nisy heviny hafahafa mihitsy ho an’ireny mpanatrika ireny raha ny amin’ny fampiasana ny zanak’ondry natsatsika sy ny mofo tsy misy masirasira. (Matio 26:17-19; Salamo 119:2, 14) Taorian’ny sakafon’ny Paska dia nanondro an’ilay hamadika azy Jesosy, tsy iza izany fa Jodasy izay nasaina nandeha tamin’izay (Matio 26:20-25; Jaona 13:29, 30) Izany dia namela an’i Jesosy sy ireo mpianatra nahatoky iraika ambin’ny folo izay niarahany nanorina ny sakafo hariva vaovao, nisy fizarana mofo tsy misy masirasira sy kapoaka nisy tena divay mena. Tamin’ny toe-javatra tsirairay avy, dia nanao vavaka fisaorana Jesosy, ho an’ny mofo aloha, avy eo dia ho an’ny divay. (I Korintiana 11:24, 25) Taorian’izany Jesosy dia nanao fanamarihana bebe kokoa sy vavaka, ary nofaranan’izy ireo tamin’ny fihirana fiderana izany, ary dia nandeha ho any an-tendrombohitra Oliva izy ireo. Izany àry no fomba fanao amin’ny ankapobeny arahina hatramin’izao androntsika izao. — Matio 26:26-30; Jaona 13:31-18:1.
Mampahatsiahy inona antsika ny mofo sy divay atao marika? Ny mofo tsy misy masirasira dia mampahatsiahy antsika ny tenan’i Jesosy ara-nofo, ny fomba ‘niaretany tamin’ny nofo’ (I Petera 4:1); ny fomba nanomezany ny tenany ara-nofo “ho fiainan’izao tontolo izao” (Jaona 6:51), ny hoe tamin’ny ahoana izy no “Zanak’ondry, Izay novonoina” (Apokalypsy 5:12) ary tamin’ny fomba ahoana no nanesorana ny faneken’ny Lalàna tamin’ny fanomboana azy teo amin’ny hazo fijaliana (Kolosiana 2:14). Ny divay mena natao marika dia mampahatsiahy antsika ny fomba nanompoan’i Jesosy tamin’ny naha-Mpanavotra, tamin’ny nanafahana antsika tamin’ny “ra soan’i” Jesosy (I Petera 1:19); raha tsy mandray anjara amin’ny marika ireo anisan’ny olona betsaka, dia mahatsiahy ny tombontsoa avy amin’ny nataon’i Jesosy sy ny fanekena vaovao misy soa be dia be ho azy ireo. (Apokalypsy 7:9, 10, 14) Tena nanao fandaharana tokoa Jehovah ho fanafahana antsika amin’ny alalan’ny hery fanoneran-keloky ny soron’i Kristy, tsy ho an’ireo voahosotra ihany, fa ho an’ireo izay handray ny fiainana mandrakizay eto an-tany koa. — Levitikosy 16:11; I Jaona 2:2.
Ahoana no fomba itarihana ny fivoriana? Amin’ny fahatsiarovana, ny rahalahy iray dia mitari-draharaha ary miarahaba fohy noho ny fahatongavana, dia manokatra ny fivoriana amin’ny fihirana sy ny vavaka. Izany dia arahin’ny lahatenin’ny Fahatsiarovana ataon’ny mpandaha-teny mahay iray (anankiray amin’ny voahosotra raha azo atao) nofidin’ireo mpanompo voatendry. Tsy ho tsara raha toa misy rahalahy maromaro manao ny lahateny amin’ny fifandimbiasana. Toroana hevitra mba ho ny mpandaha-teny ihany no hanao ny vavaka fohy roa mikasika ny marika (Matio 26:26, 27) Manaraka ny fandrosoana ny marika sy ny famoaboasana fanampiny ataon’ny mpandaha-teny, dia afaka manao teny famaranana ny mpiandraikitra nitarika ny fotoana, raha tsy hoe efa nanao ny fandaharana tamin’ny Fahatsiarovana angaha izy. Faranana amin’ny fihirana sy ny vavaka ny fivoriana.
Ireo anisan’ny sisa voahosotra ihany no mandray anjara amin’ny marika ampandalovina eo amin’ny mpanatrika. Aorian’ny vavaka fohy, dia ampandalovina aloha ny mofo. Manaraka izany, aorian’ny vavaka hafa iray, dia aroso ny divay. Tsy miaraka aroso akory ny mofo sy ny divay. Ireo izay “mendrika” ny handray anjara dia tokony haka amin’ireo marika roa ireo. — I Korintiana 11:27, 28.
Lazain’ny Baiboly fa namaky ny mofo Jesosy, mazava ho azy fa mba handrosoana izany ho an’ireo apostoly nandry ilika teo amin’ny andaniny roa amin’ny latabatra. (Matio 26:26) Tsy ilaina izany amin’ny toe-javatra hitantsika amin’izao andro izao, satria Jesosy tsy nanorina fombafomba hakana ohatra. Araka izany dia tsy misy heviny ara-panoharana akory amin’ny famakiana ny mofo tsy misy masirasira. Tadidio fa tsy nisy notapahina na dia iray aza tamin’ny taolan’i Jesosy tsy nanana ota teo amin’ny fahafatesany (Eksodosy 12:46; Salamo 34:20; Jaona 19:33, 36). Miankina amin’ny isan’ny mpandroso ny isan’ny kapoaka sy ny lovia. Azo atao ao anatin’ny lovia ampiasaina tsirairay avy ny sila-mofo ary azo atao ao anaty kapoaka ny divay, alohan’ny hanombohan’ny fivoriana.
Karaza-mofo sy divay toy inona no tokony hampiasaina? Koa satria Jesosy nandray mofo tsy misy masirasira izay fampiasa tamin’ny Paska, dia mampiasa mofo tsy misy masirasira isika amin’izao andro izao. Ny “matzos” jiosy sasany dia vita amin’ny lafarinina vary tritika (froment) sy rano fotsiny, ka amin’izany izy dia ampiasain’ny kristiana amin’ny Fahatsiarovana. Nefa isika tsy hampiasa “matzos” vita amin’ny fifangaroan-javatra toy ny sira, siramamy, “malt”, atody, tongolo, ets.
Ny vavolombelona sasany dia ho tia ny hanao mofo kely tsy misy masirasira amin’ny lafarinina (vary tritika, vary na voa hafa) sy rano. Toy izao no azo anaovana izany: Afangaro amin’ny lafarinina iray kaopy sy tapany ny rano iray kaopy, ka mahatonga koba lena. Eo amin’ny toerana fisaka norarahana lafarinina tsara, dia koseho ny koba ho toy ny mofy dipaina ny hateviny, na manify araka izay farany azo atao. Apetraho eo amin’ny lapoaly na lamba fahandroana izany, ka asio lavadavaka madinika betsaka ao amin’ny koba ary amboary ho mofo fisaka. Ataovy ao anaty lafaoro mafana mandra-pahatongany ho maina sy mikarepoka.
Ny divay atao ho amin’ny Fahatsiarovana dia tokony ho tena divay mena toy ny ampiasain’ny Jiosy amin’ny fankalazany ny Paska. Marihintsika fa ao amin’ny Matio 26:29 Jesosy dia manisy fitenenana ny amin’ny vokatry ny voaloboka izay, amin’io fotoana ao anatin’ny taona io, dia tsy mety afa-tsy ho divay mamorivory (fermenté). Divay mena tsy misy fangarony ihany no mety hampahatsiahy ny ran’i Jesosy. Ampy tsy nilaina hampian-javatra hafa ny ran’i Kristy, noho izany ny divay ampiasaina dia tokony ho tena divay mena tsy misy siramamy na natao mahery kokoa. Raha tsinjo fa ho sarotra ny fahazoana ireo marika, dia ho azo atao mialoha ny fiomanana mba hahazoana azy. Koa satria tsy masina aminy fotsiny izao akory ny marika, rehefa lasa ny fankalazana sy ny fivoriana, dia azo atao ny mihinana azy ao an-trano sy mihevitra azy ho zavatra tsotra izao, mba hampiasaina amin’ny fotoana hafa ho toy ny zavatra fahita andavanandro. — I Samoela 21:4.
Iza no tokony handray anjara amin’ny marika? Ireo anisan’ny ondry vitsy ihany no voaray ao anatin’ny fanekena vaovao ka noho izany dia mila ny mandray anjara amin’ny marika. (Lioka 12:32) Ireo apostoly nahatoky iraika ambin’ny folo tamin’ny naha-antokon’olona voahosotra, no fototr’ireo tokony ho voaray atỳ aoriana ao anatin’ny fanekena vaovao, tamin’ny andro Pentekosta taona 33. (Lioka 22:20). Koa satria ny “olona betsaka” tsy anisan’ny “olom-baovao” ao anatin’ny fanekena vaovao, izy ireo dia tsy mandray anjara amin’ny mofo sy ny divay amin’ny fitsingerenan’ny fotoana. — II Korintiana 5:17.
Ny tsirairay avy amin’ny voahosotra izay manatrika ny Fahatsiarovana dia mandini-tena mialoha mba hahitany raha mendrika ny handray anjara izy ka tena manana ny fanambaran’ny fanahy tokoa (Romana 8:16, 24; I Korintiana 11:27-29). Mety hisy olona efa nandray anjara teo aloha, manjary mahafantatra fa tsy ny an’ny zanaka voahosotra akory ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Tokony hitsahatra tsy handray anjara izy, nefa izany akory tsy ho filazana fa nivadika izy. Marina izany satria nihanazava ny fifandraisany manokana amin’i Jehovah, ka hita ho fanantenana ny ho eto an-tany izany.
Ny isaina ho mpandray anjara amin’ny marika dia ireo fantatra fa mpanompo mahatokin’Andriamanitra vita batisa. Tsy asaintsika hanatrika izany ireo olona voaroaka. Nefa raha tonga eo ny olona toy izany, dia tsy misy antony tokony hahasorisorena mihitsy raha miara-mipetraka amin’ny hafa izy ka mandray ny marika. Na ahoana na ahoana, ny toy izany dia tsy isaina ho mpandray anjara.
Mahafaly foana ny mahita mpanatrika vaovao be dia be amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Aorian’ny fandaharana, dia omena fahafahana hahita fiarahana mahafinaritra amin’ireo vaovao sy amintsika samy isika, isika. Tena mampandroso sy mampahery ho an’ny rehetra tokoa izany fiarahana mahafaly izany. Ny fandaharana amin’ny takariva, raha hita taratra hatraiza hatraiza, dia manome sakafo be dia be foana ho an’ny saina, amin’ny fankasitrahana an’i Jehovah, ka mahatsiaro izay rehetra nataony ho antsika, noho ny fitiavany, tamin’ny alalan’ilay Mpanavotra, dia Jesosy Kristy Tompontsika (Matio 20:28; I Petera 3:15). Rehefa tonga any an-tranony ny fianakaviana vavolombelon’i Jehovah iray dia afaka maka fotoana hifanakalozana hevitra ny amin’ny dikan’io fotoana io. Izany rehetra izany dia manampy amin’ny fisian’ny fifamatorana akaiky kokoa ao amin’ny fianakaviana ka mampitombo ny fahalalany ara-panahy.
Manao drafitra amim-pitandremana ireo loholona mba hanaovana fankalazana antonona ny Sakafo harivan’ny Tompo ho an’ny kongregasiona eo an-toerana. Amin’io alina io, any amin’ny faritra rehetra amin’ny gilaoby, ny fo sy ny sain’ny vahoaka voatokan’i Jehovah, dia ireo voahosotra sy ireo anisan’ny “olona betsaka” tafavory ao anatin’ny firaisan-tsaina, dia midera ilay Andriamanitsika Tompom-piandrianana, Jehovah. Isaoran’izy ireo koa Jesosy Kristy Mpanavotra antsika, izay naneho ny fitiavany antsika lehibe tamin’ny fanomezana ny ain’olombelona nananany, ho famonjena antsika. Isan-taona ny sisa voahosotra sy ny “olona betsaka” dia faly mahatsiaro azy ho mpandresy mesianika an’izao tontolo izao. — Jaona 16:33.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Noho izany antony izany ihany koa, ny jiosy amin’ny andro ankehitriny, arakaraka ny fotoana, dia mahita fa ilaina ny hanampiana ny volany faha-13 asisika, amin’ny fotoana hafa noho ny an’ny vavolombelon’i Jehovah. Amin’ny fotoana toy izany àry ny datin’ny Paska aminy dia lasa iray volana aorian’ny datin’ny Fahatsiarovan’ny vavolombelon’i Jehovah.
b Mifanitsy ho daty iray ihany ny Paska sy ny Fahatsiarovana mifototra aminy, amin’ny fitsingerenan’ny 19 taona. Mba hahitana fanazavana amin’ny antsipiriany, dia jereo ilay boky hoe Fanampiana mba hahaizana tsara kokoa ny Baiboly (anglisy), pejy faha-1677, eo ambanin’ny lohateny kely hoe “Ny fitsingerenam-potoana metonika”. Jereo koa ny pejy faha-1076-1078, mba hahitana filazana mikasika ny Sakafo harivan’ny Tompo.