Ireo mahazo manantena hitsangana amin’ny maty
“Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny, ary ny fahafatesana sy ny Hadesy namoaka ny maty tao aminy (...). Ary ny fahafatesana sy ny Hadesy dia natsipy tany amin’ny farihy afo. Fahafatesana faharoa no hevitry ny hoe farihy afo.’’ —Fanambarana 20:13, 14, MN.
1, 2. a) Hery inona no ananan’ilay fahavaloben’ny olombelona, ary iza moa io fahavalo io? b) Iza no handevona azy ary noho ny fandaharana inona avy?
MANANA hery hamelezana amin’ny fahafatesana ilay fahavaloben’ny olombelona. Ho levonina anefa izy rehefa afaka kelikely. Izany no anankiray amin’ny fahasoavana mahagaga azo avy amin’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy, izay niseho, efa sivin-jato sy arivo taona izao. Jesosy dia Zanak’Andriamanitra, be voninahitra tany an-danitra, talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany, fa nanetry tena teo ambany tana-maherin’ny Rainy izy. Foiny nendahana ny voninahitra notafiany tany an-danitra; ary noho ny herin’Andriamanitra, dia teraka ho zazalahy izy, dia olombelona nofo sy ra, amin’ny maha-taranaky ny patriarka Abrahama azy, avy amin’i Davida mpanjakan’i Jerosalema. Tonga toy ny iray tamin’ireo zanak’i Abrahama i Jesosy satria, ilay virijiny jiosy atao hoe Maria niteraka azy, dia taranak’i Davida. Maty tamin’ny andron’ny Paska tamin’ny taona faha-33 amin’izao fanisan-taona arahintsika izao izy. Namono indrindra ny zanak’ondrin’ny Paska ry zareo Jiosy, tamin’io andro io, ary toy ny zanak’ondry no naneken’i Jesosy hanolotra ny tenany ho vonoin’ireo mpanompon’ny Devoly teto an-tany, dia “ilay manana ny fomba hamelezana amin’ny fahafatesana’’. Izao no teny vakintsika, mikasika ny fanafahana azo tamin’ny fahafatesan’i Jesosy:
2 “Koa satria manana anjara amin’ny nofo aman-dra ny ‘zazakely’, dia mba nandray anjara tamin’ireo zavatra ireo koa izy, mba hahazoany mandevona amin’ny fahafatesany, an’ilay manana ny fomba hamelezana amin’ny fahafatesana, izany hoe ny devoly; ary mba hanafahany izay rehetra voagejan’ny fanandevozana, nandritra ny fiainany rehetra noho ny tahotra ny fahafatesana. Fa hita marina fa tsy ny anjely no vonjeny fa ny taranak’i Abrahama no vonjeny.” — Hebreo 2:14-16, MN.
3. Nidina taiza i Jesosy Kristy mba hahatanteraka ny sorona, ary ahoana kosa no fomba nahatanteraka ny ny Salamo 16:10 teo aminy?
3 Mba ho azo atao sorona mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, dia nidina tany amin’ny Sheola na ny Hadesy na ny fasana iraisan’ny maty rehetra mivalampatra ao amin’ny vovoky ny tany, Jesosy. Kanefa Andriamanitra Tsitoha tsy namela ny Sheola hihazona mandrakizay, ilay Zanany nahatoky azy. Tsy navelany ho simban’ny fahalovana tao anatin’ny fasam-pahatsiarovana ny nofony. Nanangana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty Andriamanitra, tamin’ny andro fahatelo ka nanatanteraka indrindra ny Salamo faha-16, andininy faha-10 noforonin’i Davida mpanjaka. Noraisin’i Paoly apostoly kristiana, io andalan-teny io ka izao no nambarany: “Fa hoy Izy eo amin’ny Salamo hafa koa: ‘Tsy hamela ny iray marinao hahita fahalovana Hianao’. Fa, Davida rehefa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra hanompo ny olona niara-belona taminy, dia nandry tao amin’ny fahafatesana ka nangonina ho any amin’ny razany izy ary tratry ny fahalovana. Fa izay natsangan’Andriamanitra kosa no tsy mba tratry ny fahalovana.” — Asan’ny Apostoly 13:35-37, MN.
4. Nahoana no hahay handevona ny Devoly, ilay manana ny hery amelezana amin’ny fahafatesana, Jesosy Kristy ary inona no hataony amin’izany ?
4 Natsangan’Andriamanitra Tsitoha avy ao amin’ny Sheola ho olona ara-panahy sady tsy mety maty intsony, Jesosy Kristy. Koa mahery lavitra noho Satana, Devoly, “manana ny fomba hamelezana amin’ny fahafatesana” izy amin’ny sisa manaraka rehetra. Kristy natsangana tamin’ny maty no handevona io mpamono olona io, ny Devoly izany, amin’ny ora voatendrin’Andriamanitra. Ho fatorany izy sy ireo demonia anjeliny, ary ho gadrany ao amin’ny lavaka tsy hita noanoa tsy ho afa-manelingelina ny fanjakan’i Jesosy Kristy mpanjaka voahosotr’Andriamanitra izy ireny, mandritra ny arivo taona.
5. a) Rahoviana no hanaovany an’izany ary iza no handositra b) Fahitana toy inona, ny amin’ny Andro Fitsarana no ho tanteraka amin’izay
5 Manaraka indrindra aorian’ny adin’i Haramagedona izany, rehefa ho resin’i Jesosy Kristy ilay mpiady avy an-danitra sy ny anjeliny, ny fandaminan’i Satana teto an-tany ivondronan’ireo mpitarika marobe ara-politika (Fanambarana 19:11 ka hatramin’ny 20:3, MN). Izany no fomba tsy maintsy hahavoatery ny lanitra sy ny tany ara-panoharana handositra teo anoloan’ny seza fiandrianana fotsy lehiben’ny fitsaran’Andriamanitra. Dia hamela ny toerany ho dimbiasan’ny “lanitra vaovao sy ny tany vaovao” izy ireo. (Fanambarana 20:11; 21:1, MN). Amin’izay no ho tanteraka ity fahitan’ny apostoly Jaona ity: “Ary nahita ny maty, aho, na ny lehibe na ny kely, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana; ary novelarina ny horonam-boky. Nefa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana. Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra tao anatin’ny horonam-boky, araka ny asany. Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny, ary ny fahafatesana sy ny Hadesy namoaka ny maty tao aminy, dia samy notsaraina araka ny asany izy.” — Fanambarana 20:12, 13, MN.
6. Nahoana no tsy mba tazana tamin’io fahitana io ny 114 000?
6 Araka ny Fanambarana 20:13 izany, “ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny, ary ny fahafatesana sy ny Hadesy namoaka ny maty tao aminy”. Tsy ireo mpianatr’i Jesosy Kristy 144 000 akory no voafaoka amin’ity fitsanganana ity, dia ireo nanara-dia azy ka antsoina ao amin’ny Hebreo 2:16 ho ny “taranak’i Abrahama” izay ahazoan’ny firenen’ny tany rehetra fitahiana mandrakizay. (Fanambarana 7:3-8; 14:1, 3, MN; Genesisy 12:3; 22:18, Jé). Navoakan’ny Hadesy na Sheola i Jesosy Kristy izay maty efa taon-jato sivy ambin’ny folo izao. Koa amin’ny maharahalahiny ara-panahy ireo mpianany 144 000 mahatoky, dia hovàna ho tahaka azy, ireo amin’ny fandraisany anjara amin’izay antsoin’ny Baiboly hoe: “ny fitsanganana voalohany”.
7, 8 a) Oviana no nanomboka ny fitsanganan’ireo 144 000? b) Ahoana no teny amelabelarana ny fitsanganany, ao amin’ny Fanambarana 20:4-6?
7 Raha zohìna ny fanoroana sasatsasany omena ao amin’ny Baiboly, dia nanomboka teo amin’ny taona 1918 ny azy ny fitsanganany, izany hoe: telo taona sy tapany taorian’ny nanandratana an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka any an-danitra izay notafiana hery arak’izany, hanombohany hanjaka teo afovoan’ny fahavalony, toy ny satro-piandrianana nasatroka ny lohany. (Salamo 110:1, 2; Hebreo 10:12, 13; Fanambarana 14:13, MN). Hany ka, alohan’ny ilazan’ny Apokalypsy toko faharoa-polo fa ny ranomasina, ny fahafatesana sy ny Hadesy dia mamoaka ny maty ao aminy avy, dia mamelabelatra ny amin’ny fitsanganan’ireo 144 000 mpianatr’i Jesosy Kristy ara-panahy izy. Izao no vakintsika ao:
8 “Ary nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny ary nomena fahefana hitsara izy. Eny, hitako koa ireo izay notapahin-doha tamin’ny famaky noho ny fanambarana an’i Jesosy sy ny tenin’Andriamanitra sy izay rehetra tsy niankohoka teo anoloan’ny bibi-dia na teo anoloan’ny sariny ary tsy nandray ny marika teo amin’ny handrina na teo amin’ny tanana. Ary velona indray izy ka niara-nanjaka tamin’i Kristy nandritra ny arivo taona. (Fa ny maty hafa dia tsy mbola velona, mandra-pahatapitry ny arivo taona). Izany no fitsanganana voalohany. Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany; tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa [oharina amin’ny farihy mirehitra afo] fahefana izy ireo fa, ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.” — Fanambarana 20:4-6, 14; 21:8, MN.
“NY FITSANGANANA VOALOHANY”
9. a) Tokony ho raisina amin’izany va, fa tsy midina any amin’ny Hadesy na Sheola ireo 114 000 mpiray lova amin’i Kristy? b) Araka ny nambaran’i Jesosy tamin’i Petera (Matio 16:18) inona no tsy afaka handresy ireo 114 000 ireo?
9 Raha amafisinay fa, ny andalan-teny ao amin’ny Fanambarana 20:13, dia tsy miteny ny 144 000 mpiray lova amin’i Jesosy Kristy, dia tsy te-hilaza akory izahay fa ireo 144 000 ireo amin’ny fahafatesany dia tsy midina any amin’ny Hadesy na ny Sheola na ny onjan-drano, raha maty tany an-dranomasina izy ka tsy hita halevina ao anaty tany ny tenany. Tsy maintsy tokony hatsangana avy ao amin’ny Hadesy na ny ranomasina izy ireny, mba hananany anjara amin’ny “fitsanganana volohany”. Nahariharin’i Jesosy mazava izany raha nanambara tamin’ny apostoliny roa ambin’ny folo, ny amin’ny Fiangonany na ny fikambanany izay naoriny teo ambonin’ny tenany ihany izy, dia vato lehibe fehizoro: “Eo ambonin’ity vatolampy [petra] ity no haoriko ny fiangonako, ary ny varavaran’ny Hadesy tsy haharesy azy.” (Matio 16:18, MN). Ary taorian’ny fitsanganany tamin’ny maty no nanambaran’i Jesosy tamin’ny apostoly Jaona, tamin’ny fahitana nomeny azy hoe: “Izaho no ny Voalohany sy ny Farany, dia ilay velona; efa maty aho nefa indro velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Hadesy.” “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana: Izay maharesy dia tsy hosimban’ny fahafatesana faharoa”, fa hatsangana amin’ny maty, raha lazaina amin’ny teny hafa. — Fanambarana 1:17, 18; 2:11, MN.
10. a) Ahoana no fomba nanapahan’i Jesosy Kristy ny herin’ny fahafatesana sy ny Hadesy, raha ny mikasika ny mpiara-mandova 144 000 aminy no dinihina? b) Fa raha ny amin’ny fitsarana kosa, inona no voalaza ao amin’ny Fanambarana 20:4 ny amin’ireo 144 000?
10 Kristy efa natsangana tamin’ny maty no handevona ny Devoly “izay manana ny fomba hamelezana amin’ny fahafatesana”. Koa satria manana ny fanalahidin’ny ahafatesana sy ny Hadesy Jesosy, dia tsy hamela azy handresy ny fiangonan’ireo rahalahiny 144 000 ara-panahy izy. Taorian’ny fanandratana azy teo amin’ny seza fiandrianana tamin’ny taona 1914 amin’ny maha-Mpanjaka azy, no nandrodanany ny herin’ny fahafatesana sy ny Hadesy, ka namahany ireo mpikambana amin’ny fiangonany izay efa maty, mba handraisany anjara amin’ny “fitsanganana voalohany”. Noho io fitsanganana ara-panahy tsy hita maso io, no ahafahan’ny 144 000 manjohy azy any an-danitra amin’ny maha-mpiara mandova azy aminy, mba hanjaka sy hanao ny asan’ny mpitsara sy ny mpisorona mandritra ny arivo taona ifatoran’i Satana, Devoly ao anaty lavaka tsy hita noanoa. Tsy mitsangana eo anoloan’ny “seza fiandrianana lehibe sady fotsy” mba ho tsaraina, no ampisehoan’ny Baiboly azy. Mifanohitra amin’izany fa araka ny Fanambarana 20:4 (MN), dia mipetraka eo ambony seza fiandrianana izy ireo ary “nomena fahafena hitsara’’. Koa ny fahafatesany tao amin’ny Hadesy akory tsy tonga fahafatesana, tsy misy fiafarany, na fahafatesana mandrakizay, dia ny fahafatesana tondroina amin’ny teny hoe: “fahafatesana faha-roa”.
11, 12. Araka ny Jaona 6:39-54, inona no antoka nomen’i Jesosy ireo mpianany fa tsy handresy azy mandrakizay akory ny fahafatesana sy ny Hadesy?
11 Nanome toky, ny mpianany nahatoky azy Jesosy Kristy ho azony antoka tsara fa tsy haharesy azy mandrakizay akory ny fahafatesana sy ny Hadesy. Amin’ny maha-fiasana azy entin’Andriamanitra hanangana ny maty, dia nampanantena azy ireny izy fa raha mahatoky hatramin’ny fahafatesana izy, dia tsy hahazona azy mandrakizay akory izany. Hoy ny fanambarany:
12 “Ary izao no sitrapon’Izay naniraka ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mijery ny Zanaka ka mampiasa ny finoany azy, fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” “Tsy misy olona mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy izy, ary izaho hanangana azy amin’ny andro farany (...) Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany hianareo [amin’ny alalan’ny finoana], dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” — Jaona 6:39, 40, 44, 53, 54, MN.
13. Inona no hery nasehon’i Jesosy, tamin’izay niseho tamin’i lazarosy sakaizany ary ahoana no fomba nampiasainy?
13 Efa nasehon’i Jesosy Kristy antsika ny hery izay efa ho noraisiny amin’ny fananganana ny maty, na dia tamin’ny fandalovany teto an-tany aza. Ohatra amin’izany, ny namerenany an’i Lazarosy sakaiza tiany ho amin’ny fiainana, raha tao anatin’ny Sheola izy (Lazarosy) nandritra ny hefarana. Taloha kelin’ny nanaovany an’io fahagagana io, dia nambaran’i Jesosy tamin’i Marta anabavin’i Lazarosy hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay mampiasa ny finoany ahy, na dia maty aza, dia hiverina amin’ny fiainana; ary izay velona ka mampiasa ny finoany ahy, dia tsy ho faty mandrakizay.” Ary nasain’i Jesosy nesorina ny vato teo am-baravaran’ny fasam-pahatsiarovana, ary naverina ho amin’ny fiainana avy ao amin’ny fahafatesana i Lazarosy ka nantsoiny hivoaka avy ao am-pasana. Noho izany fahagagana izany no nahitan’i Marta an’i Lazarosy anadahiny, mialohan’ny fotoana voatondro, satria hoy izy mantsy tamin’i Jesosy: “Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.” — Jaona 11:24-44, MN.
14. Inona no mbola nihatra tamin’i Lazarosy tatỳ aoriana, nefa inona no azontsika antenaina ny aminy?
14 Marina fa maty fanindroany indray i Lazarosy, saingy tsy isalasalana ny nahampianatr’i Jesosy Kristy nahatoky azy. Koa niverina tany amin’ny Sheola na ny Hadesy indray izy aloha. Nefa kosa amin’ny maha-isan’ny fiangonana mahatoky kristiana azy, dia tsy ho azon’ny Hadesy resena izy; sady efa tsy naharesy azy rahateo izany tamin’ny andro namangian’i Jesosy an’i Betania hampiarina azy avy ao amin’ny torimasin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, teo amin’ny andro fahaefatra. Kanefa tsy ho faty intsony mandrakizay i Lazarosy amin’izao rehefa natsangan’i Jesosy Kristy Mpanjaka avy ao amin’ny Hadesy miaraka amin’ireo mpikambana sasany amin’ny fiangonana na ny fikambanana kristiana, izy. — Jaona 11:26.
15. Inona no asehon’ny teny hoe: “fitsanganana voalohany” ary ahoana no manamafy kokoa izany hevitra izany ny I Korintiana 15:20-23?
15 Ny teny hoe: “fitsanganana voalohany” ampiasaina ao amin’ny Fanambarana 20:5, 6 dia mampiseho fa misy fandaharana arahina ao amin’ny fitsanganan’ny maty jerena amin’ny ankapobeny. Mazava kokoa izany hevitra izany ao amin’ny I Korintiana 15:20-23 (MN) izay miteny ny fitsanganan’ireo mpianatra 144 000 hahazo ny fitsanganana ara-panahy be voninahitra, ho any an-danitra. Izao no vakin’io andalan-teny io: “Ankehitriny dia efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy, santatr’izay efa nodi-mandry tao amin’ny fahafatesana. Ary satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty. Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy mandritra ny fisehoany.”
16. Ahoana no ampisehoan’ny toko faharoa-polo ao amin’ny Fanambarana fa misy filaharana tsy maintsy hajaina amin’ny fitsanganan’ny maty?
16 Ny toko faharoa-polo ao amin’ny Fanambarana koa dia mampiseho fa misy filaharana tsy maintsy hajaina eo amin’ny fitsanganana, satria voasany mialoha ny amin’ny 144 000 mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy izay hiverina ao amin’ny fiainana amin’ny maha-mpiombina sambatra azy amin’ilay fitsanganana voalohany; vao milazalaza ireo maty marobe hafa izy, izay nivoaka tao amin’ny ranomasina sy ny Hadesy toy ny gadra, mba hahazo miaina mandrakizay eto ambonin’ny tany kosa.
“NY FITSANGANANA TSARA LAVITRA”
17. Iza moa ireo lazaina amin’ny teny hoe: hahazo “fitsanganana tsara lavitra” ao amin’ny Hebreo 11:15?
17 Ho azontsika vakina izao fanambarana mety ahitan-tsoa izao, momba ireo olona velona talohan’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesosy Kristy, ao amin’ny Hebreo 11:35 (MN), manao hoe: “Ny vehivavy nandray ny havany efa maty fa natsangana ho velona indray; ary olona marobe hafa no nampijaliana ho faty satria tsy nanaiky avotra na inona na inona ho fanafahana azy, mba hahazoany ny fitsanganana tsara lavitra.”
18. Zava-dehibe inona avy no voatantara ao amin’ny Hebreo toko faharaika ambin’ny folo ary ahoana no ampisehoan’io toko io fa azon’ireny olon’ny fahagola ireny antoka ny hitsanganany amin’ny maty?
18 Andininy anankiray amin’ilay toko mitanisa ireo zava-dehibe nanaovan’ireo “vavolombelona marobe toy ny rahona”, nanomboka teo amin’i Abela, ilay vavolombelona nahatoky voalohan’i Jehovah, zandrin’i Kaina, zanak’i Adama sy Eva, no ho mankeo amin’i Jaona Mpanao-batisa, ny ainy tsy ho zavatra io. (Hebreo 11:4 ka hatramin’ny 12:1). Azon’ireny lehilahy sy vehivavy tamin’ny fotoana taloha ireny, antoka tsara tokoa fa hatsangana amin’ny maty izy, satria ilay kristiana nanoratra ny taratasy ho an’ny Hebreo dia nanambara miharihary ny finoan’izy ireny fa “mahay na dia manangana ny maty aza Andriamanitra”. Ary izao no nolazainy tamin’ireo mpamaky kristiana nanoratany, eo amin’ny faran’ny toko faharaika ambin’ny folo: “Kanefa ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo fanambarana tsara noho ny finoany aza, dia tsy mba nahita ny fahatanterahan’ny teny fikasana, satria Andriamanitra efa nanomana izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hovàna ho tanteraka mialoha antsika ireo.” — Hebreo 11:19, 35, 39, 40, MN.
19. Amin’ny ahoana no tsy mahatanteraka ny fitsanganany “mialoha antsika’’ (dia ny 144 000 izany)?
19 “Hovàna ho tanteraka” avokoa tahaka azy amin’ny fitsanganana amin’ny maty ireo mpianatr’i Jesosy Kristy 144 000 nahatoky azy ireo. Koa mbola miandry ny hahatonga azy ireny ho tanteraka any an-danitra ny fitsanganan’ireo “vavolombelona marobe toy ny rahona” velona talohan’i Jesosy Kristy, ivelan’ireo kristiana ireo. Ny antony, dia noho ireo mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy 144 000 nahatoky ireo manana anjara amin’ny “fitsanganana voalohany”, voalohany amin’ny fotoana, voalohany amin’ny fahamendrehany ary voalohany amin’ny halehibeny izany.
20. Ho “tsara lavitra’’ noho ny an’ireo 144 000 ve ny fitsanganany raha ampitahaina? Ahoana no “mahafitsanganana tsara lavitra’’ io fitsanganana io?
20 Koa hita arak’izany fa izay atao hoe: “fitsanganana tsara lavitra” andraisan’ireo “vavolombelona marobe toy ny rahona” tany aloha anjara, dia tsy hihoatra ny fitsanganan’ireo 144 000 mpandova ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Ho tsara kokoa noho ny fitsanganan’ireo olona sasany natsangan’i Elia sy Elisa mpaminany tamin’ny maty kosa anefa izany. Ho tsara lavitra noho ny fitsanganan’ireo naverin’i Jesosy Kristy sy ny apostolinya ho amin’ny fiainana koa aza. Amin’ny hoe ahoana ary no “mahatsara lavitra” azy? Satria ireo efa natsangan’ireny mpanompon’Andriamanitra ireny dia mbola maty tao amin’ny nofo fanindroany indray, ka nidina any amin’ny Hadesy na ny Sheola. Inona no antony? Satria ny Fanjakan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany mbola tsy nanomboka ny fanapahany ary aty amin’ny taona 1914 amin’ny fanisan-taona arahintsika ankehitriny vao tokony hifarana ny “fotoanan’ny Jentilisa”. Eo ambanin’ny fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra voaorina ankehitriny, vao ho tanteraka ny fitsanganana tsara lavitra nandrandrain’ireo “vavolombelona marobe toy ny rahona” fahizany ireo. Tsy mila ny ho faty intsony amin’izay ireo vavolombelona taloha ireo, rehefa mampiasa ireo “fanalahidin’ny fahafatesana sy ny Hadesy” Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka any an-danitra. Ahoana no ahasahiantsika manamafy ny filazantsika toy izany?
21. Nahoana no tsy voatery ho faty fanindroany indray ireny vavolombelona fahiny ireny, aorian’ny fitsanganany?
21 Raha voatahiry ao anatin’ny “horonam-bokin’ny fiainana” ny anarany, noho ny finoany sy ny fanoavany tsy niova fenitra, dia hiova miandalandalana ho amin’ny fahatanterahan’ny toe-batana maha-olombelona izy. Hahazo ny fiainana mandrakizay ho valisoany izy amin’ny farany, amin’ny maha-olona tsy manan-tsiny na kilema azy hiaina ao amin’ny tany niova ho paradisa. Tsy mba hatsipy “any anaty farihy mirehitra afo” izany hoe “ny fahafatesana faharoa” izy ireny. Koa satria ny finoana rahateo no hahamendrika ireny olona ireny handray anjara amin’ny fitsanganana amin’ny maty, dia tokony tsy ho sarotra loatra aminy akory ny handroso eo amin’ny fahatanterahana maha-olombelona.
22. Inona no fampanantenana nomena an’i Daniela ao amin’ny Daniela 12:13 ary rahoviana no ho tanteraka aminy izany?
22 Andeha ho raisintsika izay niseho tamin’ny mpaminany Daniela. “Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy mpanjakan’i Persia”, dia nampahafantatra faminaniana mahagaga anankiray an’i Daniela ny anjelin’Andriamanitra iray, ny amin’ny “fotoanan’ny farany”. Ary izao no nambaran’ilay anjely tamin’i Daniela rehefa namarana ny faminaniany izy: “Fa mandehana hianao mandra-pihavin’ny farany; fa hitsahatra hianao ka hitsangana ho ao amin’ny anjaranao amin’ny andro farany.” (Daniela 10:1 ka hatramin’ny 12:13, Dhormeb) Tsy isalasalana fa Daniela dia an’isan’ireo voatonona ao amin’ny Hebreo 11:33 (MN) ho “nanakatona ny vavan’ny liona”. “Hitsangana” ho ao amin’ny anjarany izy amin’ny hananganana azy eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Ezekiela 14:14, 20; 28:3; Matio 24:15.c
23. a) Nidina aiza moa Abela rehefa novonoin’ny rahalahiny? b) Inona no anjaran’ireo maty, nefa levona ny fasam-pahatsiarovana nitahiry azy, na taloha na taorian’ny safo-drano?
23 Rehefa novonoin’i Kaina rahalahiny, i Abela ilay lohalaharana amin’ireo “vavolombelona marobe toy ny rahona”, tamin’ny fotoana tany aloha ela, ka nalevina tao ambanin’ny tany dia nidina tao amin’ny Sheola izy. Tsy milaza ny Baiboly raha nalevina tao anaty fasam-pahatsiarovana iray Abela, na tsia (Matio 23:35; Lioka 11:51; Hebreo 12:24; Genesisy 4:8-11). Tokony ho nisy fasana nohadiana tsy tambo isaina, nametrahana ny fahatsiarovana ireo maty nalevina tao, hatramin’i Abela no ho mankeo amin’ilay safo-drano nanenika ny tany manontolo tamin’ny andron’i Noa, kanefa ny marobe tamin’ireny, dia tsy maintsy efa simba nopaohin’io loza niseho io. Nefa kosa, Jehovah ilay Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra dia hahatsiaro ireo rehetra efa nidina ao amin’ny Sheola na ny Hadesy talohan’ny safo-drano, “ny marina [toa an-dry Abela sy Enoka] sy ny tsy marina”. Ho didian’i Jehovah hamoaka ny maty rehetra ao aminy ny Hadesy na Sheola rehefa mby amin’ny Fanjakany tarihin’i Jesosy Kristy. Izany koa no niseho ny amin’ireo fasam-pahatsiarovana rehetra nametrahana ny maty, ary levona hatramin’ny safo-drano tamin’ny taona 2370 talohan’i Jesosy Kristy.
GEHENA, “NY LOHASAHAN’I HINOMA”
24, 25. a) Nidina aiza ny olona sasantsasany tamin’ny fahafatesany? Ary ahoana no nolazain’i Jesosy ny aminy? b) Ahoana no amantarana ireny olona ireny ao amin’ny Matio toko faha-23:13-33?
24 Raha niteny ny amin’ny “ran’ny marina nalatsaka tambonin’ny tany, hatramin’ny ran’i Abela marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia”, Jesosy tamin’ny taona faha-33 amin’izao fanisantsika taona ankehitriny izao, dia ireo olona velona tamin’ny androny no tiany ho nolazaina, ireo izay hidina any amin’ny Gehena, toeran-kafa iray fa tsy ny Hadesy na Sheola. Izany indrindra no nilazany ny aminy, hoe: “Lozanareo”. Iza ary izany olona izany? Ny toko fahatelo amby roa-polo amin’ny bokin’i Matio no manondro marina ny olona tian’i Jesosy notenenina. Izao no nambarany:
25 “Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra; nefa ny tenanareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra. Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina hianareo mba hahazoanareo na dia olona iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa voaovanareo izy, dia ataonareo zanaky ny Gehena indroa mihoatra noho hianareo aza. (...) Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo mpihatsaravelatsihy! fa manorina ny fasan’ny mpaminany hianareo sady mampihaingo ny fasam-pahatsiarovan’ireo olona marina, ka hoy hianareo: Raha niara-belona tamin’ny razanay izahay dia tsy mba nikambana taminy handatsa-dra ny mpaminany. Ka dia miampanga tena hianareo fa zanak’izay namono ny mpaminany. (...) Ry bibilava, taranaky ny menarana, ahoana no ahafahanareo mandositra ny fitsarana ho an’ny amin’ny Gehena?” — Matio 23:13-15, 29-33, MN.
26. Nahoana no iharan’ny fitsarana ho any amin’ny Gehena ireny olona ireny? Ary inona no teny nanampian’i Jesosy ny amin’izany?
26 Hita amin’izany fa ireo Jiosy tsy nety nibebaka, dia ny mpanora-dalana sy Fariseo ary ireo proselyta mpiandany aminy, no iharan’ny fanameloha, fa nandà hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. Izany antony izany no nanampian’i Jesosy na amin’ny fitsarana ho any amin’ny Gehena. Tsy mba naneho fanenenana kely akory izy izao fitenenana izao, ny momba azy: “Ary noho izany antony izany, indro, izaho maniraka ho aty aminareo, mpaminany sy olon-kendry ary mpampianatra ho an’ny vahoaka, koa ny sasany ho vonoinareo sy hohomboanareo amin’ny hazo, ary ny sasany ho kapohinareo ao amin’ny synagoga-nareo sy henjehinareo mitety vohitra, mba hanody anareo ny ra marina rehetra nalatsaka tambonin’ny tany, hatramin’ny ran’i Abela olo-marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny tempoly sy ny alitara. Lazaiko aminareo marina tokoa: Ho tonga amin’ity taranaka ity izany zavatra rehetra izany.” — Matio 23:34-36, MN.
27. Ahoana no ampisehoan’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa nisy sasantsasany afa-nitsoaka ny fitsarana ho any amin’ny Gehena?
27 Fa nisy kosa Fariseo sasantsasany nibebaka ary nitsahatra nanidy ny Fanjakan’ny lanitra: iray tamin’ireny i Saoly avy any Tarsosy izay tonga ny apostoly kristiana fantatra anarana hoe: Paoly (Asan’ny Apostoly 7:58; 8:1-3; 9:1-30; 22:1-5; 23:6; Filipiana 3:4-6). Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly (2:10; 8:27-39) dia miteny ny amin’ny proselyta voafora sasantsasany, ary azo vakina ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:7 (MN) izao manaraka izao: “Ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; ary marobe kosa ny mpisorona no nankatò ny finoana.” Nitsahatra tamin’ny naha-mpivavaka mpihatsaravelatsihy azy, ireny ka niova ho mahatoky tamin’ny finoana tena kristiana. Koa afa-nitsoaka ny fitsarana ho amin’ny Gehena nanamelohana azy teo aloha izy. Ary afaka nampiseho izy fa tsy “bibilava, taranaky ny menarana”, zanaky ny Devoly “ilay menarana tany am-boalohany, izay tsy iza fa ny Devoly sy Satana”. — Jaona 8:44; Fanambarana 20:2, MN.
28. Inona no fiandohan’ny teny hoe Gehena ary inona no heviny tamin’ny voalohany?
28 Koa inona marina moa ity toerana antsoina hoe Gehena ity, ary inona no asehony an’ohatra? Ny teny hoe “Gehena” dia dikan-tsoratra anankiray namoahana ny teny hebreo hoe Gê Hinnôm, ka “lohasahan’i Hinoma” no tena heviny. Ny tapa-teny voalohany “Gé” dia nenti-nandika ny teny hebreo hoe Gay (ניא), na lohasaha, ary ny faharoa hoe “henne” dia ny dikan’ny teny hoe Hinnom, anaran-dehilahy anankiray velona tamin’ny andron’i Josoa mpitsara.
29. Inona moa izany Gehena, tany am-piandohana, ary araka ny Josoa 15:8 sy 18:16, nifangaro tamin’ny sisin-tanin’iza izy?
29 Ao amin’ny Josoa 15:18 (Sy) no ilazan’ny Baiboly voalohany indrindra io lohasahan’i Hinoma io ho isan’ny faritra mampisaraka ny faritanin’ny fokon’i Joda sy Benjamina, izay mandalo eo akaikin’i Jerosalema: “Ny sisintanin’i Joda dia niakatra teo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, hatreo amin’ny kisolasola eo anilany atsimon’ny Jebosita, dia Jerosalema izany. Dia niakatra hatramin’ny tampon’ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan’i Hinoma [hebreo Gê Hinnôm, lat. Geennom], eo andrefany izany, ary amin’ny faran’ny lohasahan’ny Refaita ao avaratra.” “Hadin-driakan’i Onom” no teny nampiasain’ny fandikana ny Baiboly tamin’ny fiteny grika atao hoe Septante. Mbola voalaza koa ny lohasahan’i Hinoma raha miteny ny sisin’ny zara-tanin’ny fokon’i Benjamina ao amin’ny Josoa 18:16.
30. Inona no faharatsiana maharikoriko nataon’ny Isiraelita tao amin’io lohasaha io, ary inona no fomba nampiasain’i Josia hamaranany izany fanao izany?
30 Nampiasain’ireo Jiosy mpivadika tamin’ny zavatra tsy mendrika sy naharikoriko ary io lohasahan’i Hinoma izay ao andrefana sy atsimo-andrefan’ny tananan’i Jerosalema fahizay io. Izao no voasoratra ny amin’i Ahaza, mpanjakan’i Jerosalema ao amin’ny II Tantara 28:3: “Ary nandoro dintin-kazo manitra tao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma koa izy [LXX: Gai-benenom] ary ny zanany dia nodorany tamin’ny afo.” (Jereo koa ny II Tantara 33:6; Jeremia 7:31,32; 32:35). Fa Josia ilay mpanjaka nahatoky kosa dia nanapa-kevitra hanota fady ny lohasahan’i Hinoma ho fanalam-baraka azy, satria nanaovana fanompoan-tsampy tamin’i Bala tao sady namonoana ain’olombelona maro ho fanatitra tamin’io andriamani-tsandoka io. Izao no voalaza ny amin’i Josia ao amin’ny II Mpanjaka 23:10 (Sy): “Ary nolotoiny koa Tofeta izay eo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, mba tsy hisy hampandeha ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy hamaky ny afo ho an’i Moloka [andriamani-tsi-izy iray io]d intsony amin’ny sisa.” Ouadi er-Rabâbi no anaran’io lohasaha io ankehitriny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ao amin’ny I Mpanjaka 17:17-24; II Mpanjaka 4:17-37; 13:20, 21; Matio 10:8; 9:18-26; Lioka 7:11-15; Jaona 11:38-44; Asan’ny Apostoly 9:36-41; 20:7-12.
b Nampiharina tamin’ireo kristiana izay azo lazaina ho maty ara-panahy, ary nifoha tamin’ny torimasony, hatreo amin’ny taona 1918. Io Daniela toko faha-12, andininy faha-2 io, ary nivoaka avy tao amin’ny fahafatesana ara-pivavahana. — Jereo koa Fanambarana 11:7-13.
c “Anastesei” no nadika tamin’ny matoan-teny hoe: “hitsangana” ao amin’ny Daniela 12:13 araka ny fandikana ny Baiboly tamin’ny teny Hebreo, ho teny grika atao hoe “Septante”. Izany no nihavian’ny hoe: “anastasis” (fitsanganana amin’ny maty) hita ao amin’ny Soratra grika kristiana.
d Jereo koa Nehemia 11:30 sy Jeremia 19:2, 6. In-telo ambin’ny folo miverina ny hoe: lohasahan’i Hinoma ao amin’ny Soratra Masina vita amin’ny fiteny hebreo.