Aza manahy na inona na inona
FOTOANA feno ahiahy izao iainantsika izao. Mivembena mihitsy ny zanak’olombelona
ifandimbiasan’ny fahasahiranana samihafa ary misaritaka ao anaty fahoriana tsy misy farany.
Manenika ny tany manontolo izany adim-piainana izany ary tsy misy na iray aza, afa-miala amin’ny vokatra aterany. Any Azia, any Afrika, any Eoropa, any Amerika afovoany sy Amerika Atsimo ary any Etazonia koa, ny fifandrafesana noho ny fanavaham-bolo-koditra, ny fiovam-pitondrana eo amin’ny fanjakana, ny ady madinidinika sy ny fikomiana maro hafa dia haingam-piseho ka maharaiki-tahotra be ihany. Fahoriana sesilany toy ny mila hanampina ny fiainan’olombelona no ateraky ny mosary, ny areti-mifindra, ny horohorontany sy ny fampitahorana tsy misy fiovana ho sorona noho ny ady nokleera.
Mora azo an-tsaina ny tebitebin’ireo mametraka ny fanantenany sy ny fitokisany amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, satria tsapany fa ny fanafody rehetra navoakan’ireo filohan’izao tontolo izao, hitsaboana ireny areti-mikiky ireny, dia tsy nisy nahomby. Mifanaraka amin’ny toriteny nataon’i Jesosy fa olona maro, amin’ny toerana rehetra na aiza na aiza no mihareraka “noho ny fahatahorana sy ny fiandrasana izay zavatra ho tonga eto ambonin’ny tany onenana”. Tsy misy toerana ahitana zavatra mety haharitra sy fiadanan-tsaina, na sombiny kely aza. — Lioka 21:26, MN.
Kanefa, Jesosy dia namporisika ny kristiana tsy hitebiteby ka hanana ahiahy, rehefa manatrika ny tarehim-piainana manahirana noho ny faharatsiany, mitatra fatratra eo amin’izao tontolo izao. “Raha vao manomboka tonga izany zavatra izany, hoy izy, dia miandrandra hianareo ka asandrato ny loha fa manakaiky ny fanavotana anareo.’’ Ary ny apostoly Petera, iray tamin’ireo kristiana voalohany, dia nanambara hoe: “Ny zavatra atahorany, aza atahorana, ary aza mangorohoro hianareo. Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo.” — Lioka 21:28; I Petera 3:14, 15, MN.
Tsy mora anefa izany hijoro tsy hanan-tahotra na ahiahy izany rehefa ny mpitady na ny asa fivelomana no voatohintohina. Ilaina mihitsy ny mino fa misy Jehovah Andriamanitra ary mikarakara ny ho fahasambaran’izay manompo azy Izy. Ny fahatokiana an’Andriamanitra ihany sy ny heriny miaro sy manome hanina ho antsika isan’andro, no hany hanohana antsika ho tony sy hilamina eo afovoan’ny fitsapana sy ny zava-tsarotra maro.
Tsipihina manokana ny maha-zava-dehibe ny hanatonana an’Andriamanitra amin’ny vavaka, izany no fomba tokana handroaka ny tabataban-tsaina. Mariho ny teny nentin’ny apostoly Paoly, isintonana ny sain’ireo kristiana voalohany tany Filipy ny amin’izany. Hoy izy: “Aza manahy na inona na inona fa aoka ny vavaka sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana arahan’asa no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” — Filipiana 4:6, 7, MN.
Raha manatona an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny vavaka sy ny fianarana ny Teniny mantsy hianao, dia ho fantatrao mora foana ny mampitombo hatrany ny tarehin-javatra mampalahelo miseho eo amin’izao tontolo izao. Hazava aminao koa fa manatrika ny fotoana mahatanteraka ny faminanian’i Jesosy momba ny faran’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, izay miseho amin’ny tarehim-piainana voalaza terỳ aloha, hianao. Ho fantatrao fa tsy azon’ny olombelona lavina ny maha-antomotra ny Fanjakan’Andriamanitra ary ho azonao toky fa hamongotra ny fahotana sy ny faharatsiana hatramin’ny fakany eto amin’ny tanintsika Andriamanitra amin’ny fanelanelany ho avy izao, ka homeny alàlana hiaina ao anatin’ny fandaminana vaovao feno fiadanana sy fahasambarana ireo sakaizan’ny fahamarinana. — Matio 24:3-14, 32-34; II Timoty 3:1-5; Daniela 2:44; Fanambarana 21:3, 4, MN.
Afaka handroaka ny ahiahy rehetra mitambesatra aminao hianao raha manana izany fahalalana izany. Koa na miova aza ny fitondram-panjakana ka, atao hoe tsy mpino an’ Andriamanitra no handray ny fahefana, dia tsy hampihontsina anao izany na hampandositra anao hitady fialofana metimety kokoa any an-kafa. Ho fantatrao fa tsy misy na dia faritra iray aza eto an-tany, hanome anao ny fiadanana sy ny filaminan-tsaina, satria ny hotakotaka dia haingam-pitatra ka manenika vetivety ny tany manontolo. Izany no aoka hiankinanao amin’ny fanampian’Andriamanitra, ary hangatahanao tsy miato amim-bavaka, mba hanomezany anao ny fanahiny, ary handraisanao ny fitarihany. Koa mifanaraka amin’ny fampaherezana nomen’ny apostoly iray dia, “apetraho aminy ny fanahianao rehetra, fa Izy no miahy anao”. — I Petera 5:7, MN; Salamo 55:23.
Tsy ho resin-tahotra akory ka handositra, no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany fa nasainy nahintsana kosa ny vovoka tamin’ny tongony’ rehefa tsy mandray azy ny olona, ka handeha any amin’ny toeran-kafa izay mety ahitana olona liana handre ny hafatry ny Fanjakan’Andriamanitra. Toy izany koa, rehefa enjehina eo amin’ny tanàna iray izy ireny, dia tokony hanaraka ny hafatr’i Jesosy ka hifindra amin’ny tanàna hafa hitory ao. Izany no antony nandaozan’i Paoly mangingina an’i Damaskosy tamin’ny alina, satria notandindomin-doza ny ainy noho ny fitorian-teny nataony tao. Ary rehefa tsy afaka nanohy ny asany tao Ikonioma intsony Paoly sy Barnabasy, dia nandositra nifindra tany amin’ny tanàna hafa izy. — Asan’ny Apostoly 9:23-25; 13:49 ka hatramin’ny 14:6.
Kanefa, mazava amin’ireto tenin’i Jesosy manaraka ireto fa tsy tahotra ny famaliana akory no tiany hambara fa tokony hampiatoan’ny kristiana ny asam-pitoriany, fa hoy izy: “Aza matahotra azy hianareo (...). Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava, ary izay ren’ny sofinareo amin’ny bitsibitsika dia torio eo ambonin’ny tampon-trano. Ary aza matahotra izay mamono ny tena kanefa tsy afaka mamono ny fanahy; fa aleo manan-tahotra Izay mahay mandringana ny tena sy ny fanahy ao amin’ny Gehena (...). Koa aza matahotra.” — Matio 10:26-31, MN.
Ny kristiana matotra dia tsy mba handao ny fanompoany noho ny tahotra izay mety hahavono fotsiny ny tenany. Tsy ho sahirana amin’ny fikarohana fiadanana ho azy manokana izy na hanahy tafahoatra ny amin’ny ho hanina sy ny ho tafiana. Hamahana ara- panahy, sakafo hahatanjaka ireo olona marobe miandrandra an’Andriamanitra kosa no fanahiana lehibe indrindra, aminy. Miaiky marina izy fa tsy misy toerana hahitana filaminan-tsaina eto an-tany, na aiza na aiza amin’izao fotoana izao, fa ny “anaran’i Jehovah (ihany) no tilikambo mafy; mialoka aminy ny marina ka tsy hanana ahiahy”. — Ohabolana 18:10, AC; Matio 6:25-34; Salamo 37:25, 40; Isaia 41:10.
Koa miharihary amin’izany fa ny fomba tokana andresena ny ahiahim-piainana mangeja ny fon’ny zanak’olombelona, dia ny manorina sy mitahiry ny finoany an’Andriamanitra, hatanjaka tsy ho azo hozongozonina. Miankìna àry amin’i Jehovah. Manakekeza Azy amin’ny vavaka sy ny fanarahana ny didiny sy ny fitsipiny. Tohizo amin-kerim-po ny fanambarana ny Tenin’ny fahamarinan’Andriamanitra ka ilazao “izay reraka am-po hoe: mahereza, aza matahotra; indro, Andriamanitra ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra; eny, Izy tokoa no ho avy, ka hamonjy anareo.” — Isaia 35:4.