FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Solila”
  • Solila

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Solila
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Nisakafo tao Amin’ny Fariseo Iray
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Nisakafo tao an-tranon’ny Fariseo iray izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fiaraha-nisakafo tamin’ny Fariseo iray
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Rota, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Solila”

SOLILA

[Gr.: hedyôsmôn].

Ahitra mahery fofona. Ny hany iresahan’ny Baiboly azy io dia ilay momba ny mpanora-dalàna sy Fariseo izay sarotiny erỳ nanome ny ampahafolon’izy io, nefa tsy niraharaha an’izay mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna. (Mt 23:23; Lk 11:42) Misy solila isan-karazany any Palestina sy Syria, fa ny soliladia (Mentha longifolia) no tena betsaka. Toa tsy karazana solila iray fotsiny koa fa maromaro ilay hoe hedyôsmôn (gr.; a.b.t.: manitra).

Efajoro ny tahon’ny solila, ary misy raviny iray avy ny andaniny roa. Fotsy somary manga na mavokely ny voninkazony kely, izay manao faribolana maromaro manodidina ny tahony, na maniry manaraka ny tendrony lava. Misy menaka manitra ao amin’ny raviny sy tahony, ka efa ela ny solila no natao fanafody sy laron-tsakafo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara