FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Azarela”
  • Azarela

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Azarela
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Jerohama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Oziela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Imera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Binoy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Azarela”

AZARELA

(Azarèla) [Nanampy Andriamanitra].

1. Anisan’ireo lehilahy mahery niandany tamin’i Davida ka nankany aminy tany Ziklaga.​—1Ta 12:1, 6.

2. Lehiben’ny fizarana faha-11 tamin’ireo mpihira nisy fizarana 24 tao amin’ny tempoly, tamin’ny andron’i Davida. Nantsoina koa hoe Oziela i Azarela.​—1Ta 25:1, 4, 18.

3. Zanakalahin’i Jerohama ary andrianan’ny fokon’i Dana, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 27:22; 28:1.

4. Taranak’i Binoy. Nisy tamin’ny taranak’izy io, ary anisan’ireny i Azarela, nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany tamin’ireny vehivavy ireny, noho ny fampirisihan’i Ezra.​—Ezr 10:19, 38-41, 44.

5. Ray na razamben’ilay Amasay nonina tao Jerosalema tamin’ny andron’i Nehemia Governora. Anisan’ny fianakaviamben’i Imera mpisorona i Azarela.​—Ne 11:1, 13.

6. Mpitendry zavamaneno nandray anjara tamin’ilay filaharam-be notarihin’i Ezra teo ambonin’ny mandan’i Jerosalema, rehefa voaorina indray izy io ka notokanana. Mety ho izy ihany ilay Azarela No. 5.​—Ne 12:31, 36.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara