FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Azaria”
  • Azaria

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Azaria
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahaseia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Amaria
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jerohama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Atalia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Azaria”

AZARIA

(Azarìa) [Nanampy i Jehovah].

1. Taranak’i Joda tamin’i Tamara, ary anisan’ny ankohonan’i Etana.​—1Ta 2:4, 6, 8.

2. Levita taranak’i Kehata. Zanakalahin’i Zefania i Azaria, ary razamben’i Samoela mpaminany.​—1Ta 6:33, 36.

3. Taranak’i Arona avy tamin’i Eleazara. Zanakalahin’i Ahimaza i Azaria.​—1Ta 6:9.

4. Anisan’ny tompon’andraiki-panjakana nampiasain’i Solomona. (1Mp 4:2) Voalaza hoe zanak’i Zadoka Mpisorona i Azaria, ary angamba rahalahiny i Ahimaza.​—1Ta 6:8.

5. Zanakalahin’i Natana. I Azaria no andriana notendren’i Solomona ho filohan’ireo lehibem-paritra 12, izay namatsy sakafo ny tao an-dapan’ny mpanjaka.​—1Mp 4:5, 7, 19.

6. Mpaminany zanak’i Odeda. I Azaria no nampirisika an’i Asa “hitady an’i Jehovah”, tamin’ny 963 T.K. Inona no vokany? Nesorin’i Asa Mpanjaka “ny zava-maharikoriko” nanerana an’ilay tany, ary nasainy nianiana sy nanao fifanekena ny vahoaka hoe “na iza na iza tsy mitady an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, dia hovonoina ho faty.”​—2Ta 15:1-15.

7, 8. Roa tamin’izy fito mirahalahy zanak’i Josafata, ka ny anaran’izy roa lahy no voatonona faharoa sy fahadimy. Nomen-drainy fanomezana be dia be sy tanàna voaro mafy izy rehetra. Novonoin’i Jorama lahimatoa anefa ireo rahalahiny rehetra ireo, rehefa lasa mpanjaka izy. (2Ta 21:1-4) Misy mihevitra hoe “nampiasaina indroa ilay anarana satria mpirahalahy samy hafa reny izy ireo, na satria maty mbola kely ny iray taminy. Toa sarotra inoana anefa izany.” (Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky 1, p. 325) Tsy dia fandre izany hoe mpirahalahy toa mitovy anarana izany. Tsy tena mitovy anefa ny fomba fanoratra sy fanonona an’ireo anarana ireo, amin’ny teny hebreo. Ny iray mantsy ʽAzaryah (Nanampy i Jah), fa ny iray ʽAzaryaho (Nanampy i Jehovah).

9. Zanakalahin’ny olona iray atao hoe Jeho, ary rain’i Heleza. Avy tamin’ny fokon’i Joda i Azaria, ary taranaka fahafito avy tamin’i Jara razambeny ejipsianina.​—1Ta 2:3, 34-39.

10. Mpanjakan’ny Joda, ary faralahin’i Jorama sy Atalia. Nantsoina koa hoe Joahaza sy Ahazia izy.​—2Mp 8:25-29; 2Ta 21:17; 22:1, 6; jereo AHAZIA No. 2.

11. Zanakalahin’i Jerohama. Anisan’ireo lehiben’ny zato nanongana an’i Atalia mpandrombaka fahefana, sy nanao an’i Joasy ho mpanjakan’ny Joda, tamin’ny 898 T.K.​—2Ta 23:1-15.

12. Zanakalahin’i Obeda. Anisan’ireo lehiben’ny zato nanao an’i Joasy ho mpanjaka, tamin’ny 898 T.K., ho solon’i Atalia mpandrombaka fahefana.​—2Ta 23:1-15.

13. Mpanjakan’ny Joda nandritra ny 52 taona (829-778 T.K.). Zanak’i Amazia sy Jekolia. (2Mp 14:21; 15:1, 2) Ozia no anarany ao amin’ny 2 Mpanjaka 15:13.​—Jereo OZIA No. 3.

14. Mpisoronabe zanak’i Johanana, ary taranak’i Arona. (1Ta 6:1-10) Mety ho io Azaria io no nandroaka an’i Ozia Mpanjaka hivoaka ny tempoly, tamin’izy sahisahy ratsy nanolotra emboka manitra tao. Tsy nety nivoaka anefa izy, ka nataon’i Jehovah lasa boka. (2Ta 26:16-21) Mbola i Azaria ihany (na olona mitovy anarana aminy) no mpisoronabe, 30 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Ozia, ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Hezekia (745 T.K.). Niaiky i Azaria tamin’izay fa notahin’i Jehovah i Hezekia noho ny namerenany ny fivavahana marina.​—2Ta 31:9, 10, 13.

15. Andriana teo amin’ny fokon’i Efraima, ary zanak’i Johanana. Rehefa resin’ny Israely ny Joda, teo antenatenan’ny taonjato fahavalo T.K., dia i Azaria sy ny andriana hafa teo amin’ny taranak’i Efraima no nanafaka an’ireo mponin’i Joda 200 000 nobaboin’ny Israely, ary avy eo nanome izay nilain’izy ireo.​—2Ta 28:5-15.

16. Taranak’i Levy avy tamin’i Kehata. Anisan’ny nanampy tamin’ny fanadiovana ny tempoly i Joela zanak’i Azaria, araka ny baikon’i Hezekia, tamin’ny 745 T.K.​—2Ta 29:1-12, 15.

17. Taranak’i Levy avy tamin’i Merary. Zanakalahin’i Jehalalila i Azaria. Anisan’ny nanadio ny tempoly izy, araka ny baikon’i Hezekia.​—2Ta 29:1-12, 15.

18. Zanakalahin’i Meraiota ary anisan’ny razamben’i Ezra.​—Ezr 7:3.

19. Zanakalahin’i Hilkia mpisoronabe tamin’ny andron’i Josia. Rain’i Seraia i Azaria, ary razamben’i Ezra mpanao dika soratra.​—2Mp 22:3, 4; 1Ta 6:13, 14; Ezr 7:1.

20. Zanakalahin’i Hosaia. (Je 43:2) Nantsoina koa hoe Jazania izy. (Je 40:8; 42:1; 2Mp 25:23) Anisan’ny lehiben’ny tafika nanohana an’i Gedalia i Azaria. (Je 40:7-10) Anisan’ireo nangataka tamin’i Jeremia izy mba hivavahan’i Jeremia ho azy ireo, ka hahalalany izay tokony hatao. (Je 42:1-3) Anisan’ireo “lehilahy be di-doha” nanohitra ny valin-tenin’i Jehovah nambaran’i Jeremia koa anefa izy.​—Je 43:1-3.

21. Iray tamin’ireo tanora hebreo nentina ho babo tany Babylona tamin’ny 617 T.K. Novana ny anarany ka lasa hoe Abednego, izay angamba midika hoe “Mpanompon’i Nebo [andriamanitra babylonianina].” (Da 1:3-7) Nanaraka fiofanana manokana nandritra ny telo taona i Azaria sy ireo namany (Daniela, Hanania, Misaela), tany Babylona. Taorian’izay, dia hita fa “avo folo heny ny fahaizan’izy ireo raha oharina amin’ny an’ny mpisorona rehetra mampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra amin’ny maty.” (Da 1:5, 14-20) Norahonana ho faty i Azaria, ary avy eo notendrena ho mpitantan-draharaha. (Da 2:13-18, 49) Ny fitsapana mafy indrindra nanjo azy anefa dia tamin’izy natsipy tao anaty lafaoro mahamay be, satria tsy nety nivadika tamin’i Jehovah sy tsy nivavaka tamin’ny sarivongana natsangan’i Nebokadnezara. (Da 3:12-30) Nanam-pinoana tokoa i Azaria, ary anisan’ireo olona nolazain’ny apostoly Paoly hoe “nahatohitra ny herin’ny afo” izy.​—He 11:34.

22. Anisan’ireo niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela tamin’ny 537 T.K., taorian’ny sesitany tany Babylona. (Ne 7:6, 7) Antsoina hoe Seraia izy ao amin’ny Ezra 2:2.

23. Anisan’ireo mpisorona nipetraka tany Jerosalema taorian’ny sesitany. (1Ta 9:11) Seraia no anarany ao amin’ny Nehemia 11:11, izay mifanitsy amin’ny 1 Tantara 9:11. Izy ihany angamba ilay No. 22.

24. Zanakalahin’i Mahaseia zanak’i Anania. Nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema teo akaikin’ny tranony i Azaria, tamin’ny 455 T.K., ary i Nehemia no niandraikitra izany asa izany.​—Ne 3:23, 24.

25. Anisan’ireo nasain’i Nehemia hiaraka tamin’i Ezra sy ny olon-kafa, ary nandray anjara tamin’ilay filaharam-be teo ambonin’ny mandan’i Jerosalema rehefa voaorina indray izy io ka notokanana. Mety ho izy ihany ilay No. 27.​—Ne 12:31-36.

26. Anisan’ireo Levita 13 nanampy an’i Ezra nanazava ny Lalàna novakina tamin’ny vahoaka.​—Ne 8:7, 8.

27. Mpisorona, na razamben’ny mpisorona, izay nanisy tombo-kase an’ilay “fianianana” natao tamin’ny andron’i Nehemia Governora.​—Ne 9:38; 10:1, 2, 8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara