FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yp toko 28 p. 219-224
  • Ahoana no Ahafahako Manadino ny Olona Iray Naha-matimatim-pitia Ahy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ahafahako Manadino ny Olona Iray Naha-matimatim-pitia Ahy?
  • Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny atao hoe matimatim-pitia
  • Rehefa matimatim-pitia — Ny antony mety hahitana fahavoazana avy aminy
  • Fiatrehana ny zava-misy
  • Famakafakana ireo fihetseham-ponao
  • Fanalana azy tsy ho ao an-tsainao
  • Ahoana no Ahafantarako Raha Tena Fitiavana Izao?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Ahoana Raha Raiki-pitia Amin’ny Tsy Mpino Iray Aho?
    Mifohaza!—1994
  • Ahoana Raha Tsy Miraika Amiko Izy?
    Mifohaza!—1998
  • Ahoana Raha Mandà Izy?
    Mifohaza!—2005
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
yp toko 28 p. 219-224

Toko Faha-28

Ahoana no Ahafahako Manadino ny Olona Iray Naha-matimatim-pitia Ahy?

“HO AN’NY ankamaroan’ny zatovo”, hoy ny nosoratan’ny gazetiboky iray ho an’ny tanora, “dia mitranga matetika toy ny sery ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia.” Saika ny tanora rehetra no voan’izy io, ary saika izy rehetra no tafita hatramin’ny maha-olon-dehibe azy tsy misy fandratrana ny hambom-pony na ny fahaizany mandray vazivazy. Rehefa tratran’ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia amin’olona iray anefa ianao, dia tsy mahita antony firy tokony hihomehezana. “Kivy aho”, hoy ny tsaroan’ny tanora iray, “satria tsy afaka nanao na inona na inona momba ilay izy. Fantatro fa antitra loatra ho ahy izy, kanefa tiako. Tena voaolana tanteraka ny fomba fahitako ilay raharaha rehetra.”

Ny atao hoe matimatim-pitia

Tsy fahotana akory ny fahatsapana fihetseham-po mafy amin’ny olona iray — raha toa ka tsy maloto na tsy mety ilay izy (toy ny rehefa manambady ilay olona). (Ohabolana 5:15-18). Rehefa tanora anefa ianao, matetika dia manapaka ny amin’izay eritreretinao sy ataonao ireo “filan’ny tanora fanahy”. (2 Timoty 2:22). Na dia izany aza, eo am-pianarany hifehy ireo faniriana vaovao sy mahery entin’ny fahamaotiana, dia mety ho feno fihetseham-po ara-pitiavana mikorontana aoka izany ny tanora iray — ary tsy manana na iza na iza anobatobana izany.

Fanampin’izany, “ny ankizivavy dia manjary tony sy tsy saikatsaikatra eo anivon’olon-kafa, aloha kokoa noho ny ankizilahy”. Ho vokatr’izany, dia “hitan’izy ireo ho tsy matotra sy tsy manaitra ireo ankizilahy iray kilasy aminy, raha oharina amin’ireo mpampianatra” na amin’ireo lehilahy be taona kokoa sy tsy mety ho azony. (Gazetiboky Seventeen). Mety hihevitra àry ny ankizivavy iray fa ny mpampianatra tiany indrindra iray, na ny mpihira iray, na ny olom-pantatra be taona kokoa iray, no ilay lehilahy “filamatra”. Ny ankizilahy koa matetika dia manjary matimaty amin’olona amin’ny fomba mitovy amin’izany. Ny fitiavana tsapa amin’olona tsy ho azo takarina toy izany anefa dia mazava ho azy fa mifototra kokoa amin’ny nofinofy fa tsy amin’ny tena izy.

Rehefa matimatim-pitia — Ny antony mety hahitana fahavoazana avy aminy

Na dia mahagaga aza fa vetivety foana ny faharetan’ny ankamaroan’ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia, dia mbola afaka ny hitondra fahavoazana be dia be ho an’ny tanora iray ihany izany. Voalohany aloha, ny maro amin’ireo olona tian’ny zatovo dia tsy mendri-kaja tsotra izao. Nilaza toy izao ny olon-kendry iray: “Asandratra ho ambony indrindra ny adala”. (Mpitoriteny 10:6). Ny mpihira iray àry dia tiavina toy ny sampy satria malefa-peo na manana endriny ivelany manaitra. Mendri-piderana ve anefa ny fari-pitondran-tenany? Moa ve izy Kristiana vita fanoloran-tena “ao amin’ny Tompo”? — 1 Korintiana 7:39.

Mampitandrina toy izao koa ny Baiboly: “Fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao”. (Jakoba 4:4). Tsy hahatandindomin-doza ny fisakaizanao amin’Andriamanitra ve ianao raha miraiki-po amin’ny olona iray manana fitondran-tena izay melohiny? Ankoatra izany, ny Baiboly dia mandidy hoe: “Arovy ny tenanareo amin’ny sampy”. (1 Jaona 5:21). Ahoana no hiantsoanao ny fandravahan’ny tanora iray ny rindrin’ny efitranony manontolo amin’ny sarin’ny mpihira malaza iray? Tsy hety tsara amin’izany ve ny teny hoe “fanompoan-tsampy”? Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’Andriamanitra hankasitraka izany?

Ny tanora sasany aza mamela ireo nofinofiny hanafoana ny fisainany. Hoy ny zatovavy iray: “Isaky ny manontany azy ny amin’izay tsapany aho, dia tsy manaiky foana izy hoe manana fihetseham-po amiko. Kanefa fantatro amin’ny fomba fijeriny sy ny fihetsiny fa tsy marina izany.” Niezaka ny haneho hatsaram-panahy io zatovolahy resahina io rehefa nilaza taminy ny tsy fananany fiheverana manokana azy, kanefa tsy nety nanaiky izany tsotra izao ilay ankizivavy.

Manoratra toy izao momba ny tenany izay matimaty amin’ny mpihira tiam-bahoaka iray ny ankizivavy hafa iray: ‘Tiako hiaraka amiko izy, ary nivavaka aho mba hahatanterahan’izany! Nanjary natory niaraka tamin’ny kapilany aho, satria izany no fomba azoko anatonana azy akaiky indrindra. Tonga hatramin’ny fahatsapana aho izao fa, raha tsy afaka mahazo azy, dia hamono tena.’ Moa ve ny fahamaimaizana tsy amim-pisainana toy izany afaka ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra, izay mandidy antsika mba hanompo azy amin’ny “saina mahay mitsara zavatra”? — Romana 12:3, NW.

Hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 13:12: “Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary [ny fo, NW ]”. Ny fambolena fanantenana hanana fifaneraserana tsy azo tanterahina àry dia tsy mahasoa, satria ny fitia tsy mifamaly dia lazain’ny dokotera ho antony mahatonga “fahaketrahana, tebiteby, fahoriana ankapobeny (...) tsy fahitan-tory na tsy faharisihana, fanaintainana ao an-tratra na tsy fahafaha-miaina”. (Ampitahao amin’ny 2 Samoela 13:1, 2, NW.) Mitsotra toy izao ny ankizivavy matimatim-pitia iray: “Tsy mahavita misakafo aho. (...) Tsy mahavita mianatra intsony aho. (...) Manonofy momba azy mandritra ny andro (...) aho. (...) Tena mijaly mihitsy aho.”

Eritrereto ny fisafotofotoana lehibe aterakao rehefa mamela ny nofinofy iray hanapaka ny fiainanao ianao. Manamarika ny Dr. Lawrence Bauman fa ny iray amin’ireo famantarana voalohany ny amin’ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia tsy voafehy dia ny “fihenan’ny ezaka atao any am-pianarana”. Ny fitokantokanana tsy hiaraka amin’ireo namana sy ny fianakaviana dia vokatra fahita hafa iray koa. Eo koa ny fahatsiarovana fahafaham-baraka. “Mahasaikatra ahy ny miaiky izao manaraka izao”, hoy ilay mpanoratra atao hoe Gil Schwartz, “nefa tena nanondrana mihitsy aho fony matimatim-pitia tamin’i Judy.” Ela aorian’ny nahalasanan’ilay fahatsiarovana ho matimatim-pitia, dia mbola mety ho eo foana ireo fahatsiarovana momba ny nanarahanao olona iray, ny nanaovanao tabataba be ampahibemaso, eny, tamin’ny ankapobeny, dia ny nisehoanao ho adaladala.

Fiatrehana ny zava-misy

Tsy nanam-panantenana i Solomona Mpanjaka, ny iray tamin’ireo olona hendry indrindra teto an-tany, fony izy raiki-pitia tamin’ny ankizivavy iray izay tsy namaly ny fihetseham-pony taminy. Nanaovany ny sasany tamin’ireo tononkalo kanto indrindra nosoratana teto an-tany izy io, tamin’ny filazana fa “tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro” izy — kanefa dia tsy nampihontsina azy io velively i Solomona! — Tonon-kiran’i Solomona 6:10.

Na dia izany aza, tamin’ny farany dia najanon’i Solomona ny fanandramany hahazo azy. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao koa mifehy ny fihetseham-ponao? “Izay matoky ny fony dia adala”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 28:26). Marina indrindra izany rehefa voaray ao anatin’ny nofinofim-pitiavana ianao. Kanefa, “izay mandeha amin’ny fahendrena no ho afa-miala”. Izany dia midika hoe fijerena zavatra araka ny maha-izy azy.

“Ahoana no anavahanao ny fanantenana ara-dalàna amin’ny fanantenana tsy marim-pototra?”, hoy ny Dr. Howard Halpern. “Amin’ny fijerena ireo zava-misy amim-pitandremana sy araka ny marina.” Diniho hoe: Manao ahoana ny haben’ny fahafahanao hanana tantaram-pitiavana miaraka amin’io olona io? Raha olo-malaza ilay izy, ny azo ampoizina indrindra dia hoe tsy hifanena aminy na oviana na oviana akory ianao! Tsy azo ampoizina hitranga ihany koa izany rehefa olona be taona kokoa, toy ny mpampianatra iray, ilay olona.

Fanampin’izany, moa ve ilay olona tianao efa nampiseho fiheverana manokana anao hatramin’izao? Raha tsy izany no izy, moa ve misy antony marina hinoana fa hiova izany amin’ny hoavy? Sa ianao fotsiny no mahita fanehoam-pitiavana amin’ireo teny sy fihetsika ataony amim-pahatsorana? Marihina kely eto fa any amin’ny ankamaroan’ny tany, dia zavatra mahazatra ny hanombohan’ny lehilahy ny fitadiavana hiaraka amin’ny vehivavy iray. Ny ankizivavy iray àry dia mety hanala baraka tena amin’ny fanarahana tsy amin-kenatra olona iray izay tsy manam-piheverana azy tsotra izao.

Ankoatra izany, inona no hataonao raha tena mamaly ny fitiavanao tokoa ilay olona? Vonona ho amin’ny andraikitra ao anatin’ny fanambadiana ve ianao? Raha tsy izany no izy, dia “esory ao am-ponao ny alahelo” amin’ny tsy fanekena hifantoka amin’ny nofinofy. “Ao ny andro itiavana”, ary izany dia mety ho taona maro any aoriana rehefa lehibe kokoa ianao. — Mpitoriteny 3:8; 11:10.

Famakafakana ireo fihetseham-ponao

Manamarika toy izao ny Dr. Charles Zastrow: “Manjary matimatim-pitia ny olona iray rehefa mihevitra ilay olona maha-matimaty azy ho ‘olon-tiana tonga lafatra’; izany hoe rehefa manatsoaka hevitra fa manana ireo toetra rehetra iriny ho hita ao amin’ilay tiany ho vadiny ilay olona.” Tsy misy anefa izany hoe “olon-tiana tonga lafatra” izany. “Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”, hoy ny Baiboly. — Romana 3:23.

Manontania tena toy izao àry: Fantatro tsara ve io olona niraiketan’ny foko io? Moa ve aho raiki-pitia amin’ny sary iray ato an-tsaiko? Moa ve aho manampi-maso amin’ireo kileman-toetran’io olona io? Ny fijerena amin’ny fomba tsy miangatra io olona nofinofisinao io angamba dia mety ho ampy mba hampiverenana anao amin’ny tena zava-misy! Manampy koa ny famakafakanao ilay karazam-pitiavana tsapanao amin’io olona io. Hoy ilay mpanoratra atao hoe Kathy McCoy: “Ny fitiavana tsy matotra dia mety hipoitra sy hanjavona vetivety eo (...) Mifantoka aminao ihany izy io, ary raiki-pitia amin’ilay hevitra hoe raiki-pitia fotsiny ianao (...) Ny fitiavana tsy matotra dia mamikitra mafy, tsy maniry hizara ary saro-piaro. (...) Ny fitiavana tsy matotra dia mitaky fahatanterahana.” — Ampifanohero amin’ny 1 Korintiana 13:4, 5.

Fanalana azy tsy ho ao an-tsainao

Ekena aloha fa tsy hamafa tanteraka ny fihetseham-ponao izay fanjohian-kevitra rehetra mety hatao aminao. Kanefa afaka ny tsy hampitombo ilay zava-manahirana ianao. Ny famakiana tantaram-pitiavana feno fahamaimaizana, ny fijerena tantaram-pitiavana amin’ny televiziona, na ny fihainoana fotsiny karazana mozika sasany dia afaka mampitombo ny fahatsiarovanao tena ho manirery. Aza manaiky hifantoka amin’izany àry. “Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo”. — Ohabolana 26:20.

Ny fitiavana feno nofinofy dia tsy mahasolo ireo olona izay tena tia anao tokoa ary miahy ny aminao. Aza “mitokana”. (Ohabolana 18:1). Azo inoana fa ho hitanao fa afaka manampy anao tokoa ny ray aman-dreninao. Na dia nanandrana toy inona ny hanafina ny fihetseham-ponao aza ianao, dia azo inoana fa efa hitany fa misy zavatra mikiky anao tsikelikely ao. Nahoana raha manatona azy ireo sy manolotra ny fonao azy ireo? (Ampitahao amin’ny Ohabolana 23:26.) Mety hanongilan-tsofina tsara koa ny Kristiana matotra iray.

“Manaova zavatra foana”, hoy ny nampirisihan’ilay mpanoratra ho an’ny zatovo atao hoe Esther Davidowitz. Mitadiava hanao zavatra ankafizinao manokana, manaova fampiasan-tena, mianara teny vahiny, manomboha fikarohana ara-baiboly iray. Ny fitoerana ho revo amin’ny fanaovan-javatra mahasoa dia tena afaka manalefaka ireo vokatry ny fialana amin’ny fihetseham-ponao.

Tsy mora ny manadino olona iray naha-matimatim-pitia anao. Kanefa, arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia hisinda ilay fanaintainana. Hianatra zavatra betsaka momba ny tenanao sy ny fihetseham-ponao ianao, ary ho tsara ofana kokoa mba hiatrika ny tena fitiavana raha tonga izany amin’ny hoavy! Ahoana anefa no ahafahanao mahafantatra ny ‘tena fitiavana’?

Fanontaniana Hiaraha-midinika

◻ Nahoana no fahita eo amin’ny tanora ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia?

◻ Iza matetika no iantefan’ny nofinofim-pitiavan’ireo tanora, ary nahoana?

◻ Nahoana no mety hahitana fahavoazana ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia?

◻ Zavatra sasany inona avy no azon’ny tanora iray atao mba hanadinoana ny olona iray naha-matimatim-pitia azy?

◻ Inona no azon’ny tanora iray atao mba tsy hitomboan’ny nofinofim-pitiavana iray?

[Teny notsongaina, pejy 223]

‘Tsy mahavita matory aho. Tsy mahavita mianatra intsony aho. Manonofy momba azy mandritra ny andro aho. Tena mijaly mihitsy aho’

[Sary, pejy 220]

Mitranga matetika aoka izany ny fahatsiarovana ho matimatim-pitia amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena, izay be taona kokoa sady tsy mety ho azo

[Sary, pejy 221]

Ny fijerena araka ny tena izy sy amin’ny fomba tsy miangatra ilay olona dia mety hanasitrana anao amin’ireo eritreri-pitiavanao

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara