Toko Faha-29
Vonona ho Amin’ny Fiarahana Amin’ankizilahy na Ankizivavy Iray Tsy Tahaka Ahy ve Aho?
ANY amin’ny tany maro dia heverina ho toy ny fialam-boly fanehoam-pitiavana mahafinaritra, ny fiarahana amin’ankizilahy na ankizivavy iray tsy tahaka ny tena, na ny hoe ‘mampiaraka’. Manana endriny maro àry izy io. Ho an’ny sasany, ny hoe ‘mampiaraka’ dia raharaha voarafitra sy voalamina tsara — fanolorana voninkazo, fiaraha-misakafo mahafinaritra, fifanorohana ho fanaovam-beloma, izany rehetra izany dia anisan’ilay fandaharam-potoana avokoa. Ho an’ny hafa kosa, ny hoe ‘mampiaraka’ dia tsy inona fa fandaniana fotoana miaraka amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka azy ka tiany. Misy aza lehilahy iray sy vehivavy iray hita miaraka tsy tapaka kanefa mihambo ho ‘mpinamana fotsiny’. Na antsoinao hoe ‘mampiaraka’ ilay izy, na fiarahana, na fandaniana fotoana miaraka, mazàna dia zavatra iray mitovy ihany no tiana holazaina: ankizilahy iray sy ankizivavy iray mandany fotoana be dia be iarahana, ka tsy misy fanaraha-maso matetika.
Tsy fanao nahazatra tamin’ny andron’ny Baiboly ny hoe ‘mampiaraka’. Na dia izany aza, rehefa atao amin’ny fomba mampiseho fahaiza-misaina sy fitandremana ary fahamendrehana ny hoe ‘mampiaraka’ dia fomba ara-dalàna hifankahalalan’ny olona roa. Ary, eny tokoa, afaka ny hahafinaritra. Midika ve anefa izany fa tokony ‘hampiaraka’ ianao?
Ny fanerena ‘hampiaraka’
Mety hahatsapa fanerena ‘hampiaraka’ ianao. Azo inoana fa ‘mampiaraka’ ny ankamaroan’ireo mitovy taona aminao, ary ara-dalàna tsotra izao ny hanirianao tsy hiseho ho hafahafa na hiavaka aminy. Mety ho avy amin’ny namana sy havana tsara fikasa koa ny fanerena ‘hampiaraka’. Rehefa nisy nangataka an’i Mary Ann, 15 taona, hiara-mivoaka taminy, dia nanoro hevitra azy toy izao ny nenitoany: “Na maniry hanambady iny ankizilahy iny ianao na tsia, dia tsy misy idiran’ny fiarahanao aminy izany. Ny ‘mampiaraka’ dia anisan’ny fitomboanao ara-dalàna amin’ny maha-olona anao fotsiny. (...) Rehefa dinihina tokoa, raha lavinao daholo ireo ankizilahy manasa anao, dia tsy ho tian’ny olona ianao ary tsy hisy hanasa anao hiaraka aminy intsony.” Mahatsiaro toy izao i Mary Ann: “Tena tafalentika lalina tao anatiko ny tenin’i Nenitoa. Dia hanary ny fahafahana tsara azoko hararaotina tokoa ve aho? Nanana ny fiarany manokana ilay tovolahy, nanam-bola be; ary fantatro fa hahafinaritra be ny fotoana hiarahako aminy. Tokony hiaraka aminy va re aho sa tsy tokony e?”
Ho an’ny tanora sasany, ny fanerena dia avy amin’ny fanirian’ny tenany manokana hahatsapa hafanan’ny fitiavana sy firaiketam-po. “Nila ny hahatsiaro ho tiana sy ankasitrahana aho”, hoy ny ankizivavy iray 18 taona antsoina hoe Ann. “Koa satria tsy nanana fifandraisana akaiky tamin’ny ray aman-dreniko aho, dia nitodika tany amin’ilay ankizilahy namako mba hahitana fifandraisana akaiky ary hananana olona azoko amborahana ny fihetseham-poko ka tena mahatakatra ny fihevitro marina.”
Na dia izany aza, ny zatovo iray dia tsy tokony hanomboka ‘hampiaraka’ satria fotsiny hoe mahatsapa fanerena hanao izany izy! Voalohany aloha, dia raharaha lehibe ny ‘mampiaraka’ — tapany iray amin’ny fifidianana vady. Vady hoe? Ekena aloha fa mety tsy ho ao an-tsain’ny ankamaroan’ny tanora ‘mampiaraka’ izany. Kanefa, raha ny tena izy tokoa, inona no fanamarinana ho azon’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray miaraka foana homena ho amin’izany, afa-tsy ny famotopotorana ny fahafahana hivady? Amin’ny farany, ny hoe ‘mampiaraka’ noho ny antony hafa dia azo inoana fa hiafara amin’ny zavatra hafa rehetra fa tsy amin’ny “zavatra mahafinaritra”. Fa nahoana?
Ny lafy ratsin’ny hoe ‘mampiaraka’
Voalohany aloha, ny tanora dia ao amin’ilay fe-potoana eo amin’ny fiainana izay maha-mora voa azy ka antsoin’ny Baiboly hoe “fivelaran’ny fahatanorana”. (1 Korintiana 7:36, NW ). Mandritra io fotoana io, dia mety hahatsapa fihetsehan’ny faniriana momba ny lahy sy ny vavy mahery ianao. Tsy misy maha-ratsy izany, satria anisan’ny fitomboanao izany.
Eo anefa no iorenan’ny zava-manahirana lehibe iray eo amin’ny zatovo ‘mampiaraka’: Vao manomboka mianatra mifehy ireny fihetseham-po eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ireny ny zatovo. Marina aloha fa mety ho fantatrao tsara ireo lalàn’Andriamanitra momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy ary mety haniry amim-pahatsorana ny hitoetra ho madio ianao. (Jereo ny Toko faha-23.) Na dia izany aza, dia manomboka miasa eto ny zava-misy biolojika iray eo amin’ny fiainana: Arakaraka ny hiarahanao amin’ny olona iray tsy lahy na vavy tahaka anao, no vao mainka mety hitomboan’ny faniriana momba ny lahy sy ny vavy — na tianao izany na tsy tianao. (Jereo ny pejy faha-232-233.) Izany no fomba nanaovana antsika rehetra! Mandra-paha-lehibe kokoa anao sy mandra-pahainao mifehy ireo fihetseham-ponao, dia mety ho raharaha lehibe loatra ho anao tsotra izao ny hoe ‘mampiaraka’. Mampalahelo fa voa ny tanora maro vao mahafantatra izany.
“Rehefa nanomboka nampiaraka izahay, (...) dia tsy nifampitantana na nifanoroka akory. Naniry ny hankafy ny fahafinaretana niaraka taminy sy hiresaka fotsiny aho”, hoy ny zatovolahy iray. “Kanefa, olona mora maneho fitiavana izy ary nipetraka nifanakaiky kely tamiko foana. Tatỳ aoriana dia tena nifampitantana sy nifanoroka izahay. Izany dia niteraka faniriana momba ny lahy sy ny vavy nahery kokoa ihany tao amiko. Nisy fiantraikany aoka izany teo amin’ny fisainako izany, hany ka naniry ny hiaraka taminy aho, tsy hiresaka fotsiny, fa hamihina azy sy hanafosafo azy ary hanoroka azy. Tsy afa-po mihitsy aho! Tena lasa adalan’ny fahamaimaizana ara-bakiteny aho. Indraindray aho dia nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny firy sy menatra.”
Tsy mahagaga loatra àry raha miafara amin’ny fanaovana firaisana izay andrarana, ny fiarahan’ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray. Ny fanadihadiana iray natao tamina zatovo an-jatony maromaro dia nahitana fa ny 87 isan-jaton’ireo ankizivavy sy ny 95 isan-jaton’ireo ankizilahy no nahatsapa fa “zava-dehibe ihany na tena zava-dehibe” teo amin’ny fiarahan’izy ireo ny maha-lahy sy ny maha-vavy. Ny 65 isan-jaton’ireo ankizivavy sy ny 43 isan-jaton’ireo ankizilahy anefa no niaiky fa nisy fotoana nisian’ny fifampikasohana teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy fony izy ireo ‘nampiaraka’, na dia tsy naniry izany aza izy ireo!
Mahatsiaro toy izao i Loretta, 20 taona: “Arakaraka ny niarahanay no nahalasa lavitra kokoa ihany anay. Tsy ela dia nihalefy ny tsiron’ny fifanorohana ary dia nanomboka nifampikasika ireo faritra miafina kokoa amin’ny vatana izahay. Nanjary hendratrendra-dava aho satria nahatsiaro tena ho maloto aoka izany. Ilay ankizilahy niarahako koa avy eo dia nanantena ahy ‘handeha hatramin’ny farany’ (...) Nisafotofoto sy very hevitra aho. Kanefa ny hany tao an-tsaiko dia hoe: ‘Tsy maniry hamoy azy aho.’ Tena nijaly mihitsy aho!”
Marina aloha fa tsy ny lehilahy sy ny vehivavy miaraka rehetra no miafara amin’ny fanaovana firaisana; ny sasany dia manajanona ny fifanehoany fitiavana alohan’izany avy hatrany. Inona anefa no vokatra azo rehefa taitaitra mafy ara-pihetseham-po ny tena kanefa tsy afaka maneho izany fientanam-po izany amin’ny fomba mihaja? Azo antoka fa fahatsapana tsy fahafaham-po. Ary tsy voafetra ho amin’ny fihetseham-po momba ny lahy sy ny vavy ihany izany fahatsapana tsy fahafaham-po izany.
Fihetseham-po voatorotoro
Diniho ny toe-draharaha nahasanganehana hitan’ny zatovolahy iray: ‘Tia be an’i Kathy aho tamin’ny voalohany. Miaiky aho aloha fa nampanaiky azy hanao zavatra sasany tsy noheveriny fa nety. Izao aho dia mahatsiaro tena ho maloto satria very ny fahalianako aminy. Ahoana no ahafahako manadaboka an’i Kathy kanefa tsy handratra ny fihetseham-pony?’ Tarehin-javatra mahasahiran-kevitra re izany! Ary inona no ho tsapanao raha eo amin’ny toeran’i Kathy ianao?
Fahavoazana fahita matetika eo amin’ny zatovo ny hoe voan’ny ratram-po. Marina aloha fa mety hahafinaritra ny maso ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray mifampitantana. Kanefa manao ahoana ny haben’ny fahafahana hahita ireo olona ireo mbola hiaraka ihany rehefa afaka herintaona, ary tsy lazaina akory ny hoe hivady? Kely dia kely. Ny tantaram-pitiavana eo amin’ny zatovo àry dia fifandraisana saika mandrakariva no voatery hifarana, mahalana raha miafara amin’ny fanambadiana, ary matetika no miafara amin’ny ratram-po.
Rehefa dinihina tokoa, mandritra ireo taona maha-zatovo anao, dia mbola eo am-piovaovana ny maha-ianao anao. Eo am-pamantarana ny tenanao ianao, izay tena maha-ianao anao, izay tianao hanaovana ny fiainanao. Ny olona iray mety hahaliana anao anio dia mety hanorisory anao tokoa rahampitso. Kanefa rehefa navela niroborobo ny fihetseham-po amam-pitiavana, dia tsy maintsy hisy iray ho tafintohina. Tsy mahagaga raha nisy fandinihana sy fikarohana maromaro nampifamatotra “ny ady tamin’ilay ankizivavy namany” na ny “fahadisoam-panantenana teo amin’ny fitiavana” ho anisan’ireo tarehin-javatra tompon’andraikitra amin’ny famonoan-tena maro eo amin’ny zatovo.
Vonona ve aho?
Hoy Andriamanitra amin’ny tanora: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao”. Mirona ‘handeha any amin’izay sitraky ny fony’ tokoa ny tanora. Kanefa matetika tokoa izany ‘sitraky ny fony’ izany, izay toa mahafinaritra erỳ, no miafara amin’ny alahelo sy ny loza. Mampirisika toy izao àry ny Baiboly eo amin’ny andininy manaraka: “Esory ao am-ponao ny alahelo, ary [sakano ny loza tsy hahavoa, NW ] ny nofonao; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.” (Mpitoriteny 11:9, 10). Ny hoe “alahelo” dia manondro ny fijalian-tsaina mafy na ny fahoriana lehibe tsapa. Ny hoe “loza” dia ny fahavoazana mihatra amin’ny tena manokana. Samy mety hahatonga ny fiainana hampijaly izy roa ireo.
Midika àry ve izany fa ny hoe ‘mampiaraka’ mihitsy no loharanon’alahelo sy loza? Tsy voatery ho izany. Mety ho izany anefa izy io raha atao noho ny antony ratsy (‘satria zavatra mahafinaritra’), na alohan’ny haha-vonona anao ho amin’izany! Noho izany, ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy anao mba hamakafakanao ny toerana misy anao manokana.
Hanampy ho amin’ny fitomboako eo amin’ny ara-pihetseham-po ve ny ‘mampiaraka’, sa hanakantsakana izany kosa? Afaka ny hametra anao ho amin’ny fifandraisan’ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray ihany ny hoe ‘mampiaraka’. Tsy hitondra soa ho anao àry ve ny hihamalalaka eo amin’ny fifaneraseranao amin’ny hafa koa? (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 6:12, 13.) Hoy ny zatovovavy iray antsoina hoe Susan: “Nianatra ny hamboly fifandraisana akaiky tamin’ny vehivavy kristiana be taona kokoa ao amin’ny kongregasiona aho. Nila namana izy ireo, ary izaho kosa nila ny fitaomany mampiorina. Nataoko ho fanao àry ny nandalo kely tany aminy mba hisotro kafe. Niresaka sy nihomehy izahay. Tena namboly fisakaizana marina sy maharitra tamin’izy ireny aho.”
Amin’ny fanananao karaza-namana maro — antitra sy tanora, mpitovo sy manambady, lahy sy vavy — dia mianatra ny ho tony eo anivon’ny olon-kafa ianao, anisan’izany ireo tsy lahy na tsy vavy tahaka anao, ka tsy hahitanao fanerena be toy ny rehefa ‘mampiaraka’. Fanampin’izany, amin’ny fifaneraseranao amin’ireo olona manambady, dia mahazo fomba fijery araka ny tena izy kokoa momba ny fanambadiana ianao. Any aoriana ianao dia ho voaomana tsara kokoa ho amin’ny fifidianana vady tsara sy ho amin’ny fanatontosana ny anjara asanao ao amin’ny fanambadiana. (Ohabolana 31:10). Manatsoaka hevitra toy izao àry ny tanora iray antsoina hoe Gail: “Tsy vonona ny hanambady sy hanorina tokantrano aho. Mbola eo am-pamantarana ny tenako aho, sady mbola manana zava-kendrena ara-panahy maro hotratrarina. Koa tsy dia tena mila ny hifikitra loatra na amin’iza na amin’iza tsy vavy tahaka ahy aho.”
Maniry handratra ny fihetseham-pon’ny hafa ve aho? Afaka ny ho voaratra mafy ny fihetseham-ponao sy ny an’ilay iray raha avela hiforona ny fifamatoram-pitiavana kanefa tsy misy fahatsinjovana ny hivady. Raha ny tena izy, araka ny rariny ve ny hanehoana fitiavana amin’ny olona iray mba hahazoana fanandraman-javatra momba ireo tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena fotsiny? — Jereo Matio 7:12.
Inona no lazain’ny ray aman-dreniko? Matetika ireo ray aman-dreny dia mahita ireo loza tsy hitanao. Rehefa dinihina tokoa, efa mba tanora koa izy ireo taloha. Fantany fa tena misy zava-manahirana marina afaka mitombo rehefa manomboka mandany fotoana iarahana foana ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray! Koa raha tsy manaiky anao ‘hampiaraka’ àry ny ray aman-dreninao, dia aza mikomy. (Efesiana 6:1-3). Azo inoana fa mihevitra fotsiny izy fa tokony hiandry mandra-pahalehibe kokoa ianao vao hanao izany.
Ho afaka hanaraka ny fari-pitsipi-pitondran-tenan’ny Baiboly ve aho? Rehefa “nihoatra ny fivelaran’ny fahatanorana” ny tena, dia hahay kokoa hifehy ireo fahataitairana momba ny lahy sy ny vavy — ary na dia amin’izay aza, dia tsy mora akory izany. Tena vonona marina ve ianao amin’izao fotoana eo amin’ny fiainanao izao ny hizaka fifandraisana akaiky iray amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy tahaka anao ka hihazona izany ho madio?
Mahaliana fa tanora maro no manontany tena toy izany ary tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra mitovy amin’ny an’i Mary Ann (voatonona eo aloha) koa. Hoy izy: “Tapa-kevitra aho fa tsy hamela ny tenako ho voataonan’ny fihetsiky ny hafa raha ny amin’ny hoe ‘mampiaraka’. Tsy ‘hampiaraka’ aho raha tsy efa ampy taona ho amin’izany ka vonona ny hanambady ary mahita olona iray manana ireo toetra tsara tadiaviko ho hita ao amin’ilay ho vadiko.”
Nampipoitra ilay fanontaniana lehibe tsy maintsy ataonao amin’ny tenanao alohan’ny hiarahanao amin’ankizilahy na ankizivavy iray tsy tahaka anao àry i Mary Ann tamin’izany.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Midika ho inona aminao ny teny hoe “mampiaraka”?
◻ Nahoana ny tanora sasany no mahatsapa fanerena ‘hampiaraka’?
◻ Nahoana no tsy fahendrena ho an’ny olona iray ao anatin’ny “fivelaran’ny fahatanorana” ny ‘mampiaraka’?
◻ Ahoana no ahafahan’ny tanora iray ‘manakana ny loza tsy hahavoa azy’ raha ny amin’ny hoe ‘mampiaraka’?
◻ Inona no zava-manahirana sasany izay afaka mitombo rehefa ‘mpinamana fotsiny’ ny ankizilahy iray sy ny ankizivavy iray?
◻ Ahoana no ahafahanao mahafantatra raha vonona ny ‘hampiaraka’ ianao?
[Teny notsongaina, pejy 231]
“Tsy ela dia nihalefy ny tsiron’ny fifanorohana ary dia nanomboka nifampikasika ireo faritra miafina kokoa amin’ny vatana izahay. Nanjary hendratrendra-dava aho satria nahatsiaro tena ho maloto aoka izany. Ilay ankizilahy niarahako koa avy eo dia nanantena ahy ‘handeha hatramin’ ny farany’ ”
[Teny notsongaina, pejy 234]
‘Ahoana no ahafahako manadaboka an’i Kathy kanefa tsy handratra ny fihetseham-pony?’
[Efajoro/Sary, pejy 232, 233]
Afaka ny ho ‘Mpinamana Fotsiny’ ve ny Ankizilahy Iray sy ny Ankizivavy Iray?
Ny antsoina hoe fifandraisana platonique (fifandraisana misy firaiketam-po eo amin’ny lehilahy sy vehivavy ka tsy idiran’ny lafin-javatra momba ny lahy sy ny vavy) dia fahita aoka izany eo amin’ny tanora. Manambara toy izao i Gregory, 17 taona: “Mora kokoa amiko ny miresaka amin’ny ankizivavy satria amin’ny ankapobeny dia mangoraka kokoa sy manana fihetseham-po kokoa izy ireo.” Ny tanora hafa dia milaza fa ny fisakaizana toy izany dia manampy azy ireo hamboly toetra mirindra kokoa.
Mampirisika ny lehilahy tanora mba hitondra ny vehivavy “tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra”, ny Baiboly. (1 Timoty 5:2). Rehefa arahina io fotopoto-pitsipika io, dia tena azo atao tokoa ny hanana fisakaizana madio sy mahasoa amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena. Ny apostoly Paoly, ohatra, dia lehilahy mpitovo izay nanana namana vehivavy kristiana maro. (Jereo Romana 16:1, 3, 6, 12.) Nanoratra ny amin’ireo “roa vavy (...) niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny filazantsara”, izy. (Filipiana 4:3). Nanana fifaneraserana voalanjalanja sy nadio tamim-behivavy koa i Jesosy Kristy. Imbetsaka izy no nankafy ny fampiantranoam-bahiny sy ny resaka nataon’i Marta sy i Maria taminy. — Lioka 10:38, 39; Jaona 11:5.
Na dia izany aza, ny fisakaizana platonique iray matetika dia tsy inona fa tantaram-pitiavana miafina kely fotsiny, na fomba iray hisarihana ny sain’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena ka tsy anaovana fanekena. Ary satria afaka miova mora foana ny fihetseham-po, dia ilaina ny fitandremana. Nampitandrina toy izao ny Dr. Marion Hilliard: “Ny fisakaizana tsotra iray mandeha folo kilaometatra isan’ora dia afaka ny hiova tampoka ho fahamaimaizana jamba miriotra zato kilaometatra isan’ora.”
Nanjary nahafantatra izany i Mike, 16 taona, rehefa “ninamana” tamin’ny ankizivavy iray 14 taona. Hoy izy: “Vetivety dia hitako [fa] tsy afaka ny hijanona ho mpinamana fotsiny ny olon-droa izay miaraka irery tsy tapaka. Tsy nitsahatra nihanitombo ny fifandraisanay. Tsy ela dia nahatsapa fihetseham-po manokana nifamaly izahay, ary mbola toy izany ihany ankehitriny.” Koa satria samy mbola tsy ampy taona mba hanambady na ny andaniny na ny ankilany, dia loharanon-tsy fahafaham-po ny fihetseham-po toy izany.
Ny fifaneraserana akaiky be loatra dia afaka ny hisy vokany mbola mampalahelo kokoa noho izany aza. Niezaka ny hampionona ny namany vavy iray ny ankizilahy iray rehefa tonga namboraka taminy ny sasany tamin’ireo zava-nanahirana azy, io. Tsy ela dia nifanafosafo sy nifanoroka izy ireo. Ny vokany? Feon’ny fieritreretana voaloto sy fahatsiarovan-tena ho saikatra teo amin’izy ireo. Ny hafa kosa nanjary nanao firaisan’ny lahy sy ny vavy. Hoy ny nahariharin’ny fanadihadiana iray nataon’ny Psychology Today: “Saika ny antsasak’ireo nadinadinina (49 isan-jato) no nahita ny fisakaizany niova ho fifandraisana teo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy.” Raha ny marina, “kely sisa dia ny ampahatelon’izy ireo (31 isan-jato) no nilaza fa nanao firaisana tamin’ny namana iray tamin’ny volana lasa.”
‘Kanefa tsy mahatsiaro ho voasinton’ilay namako aho ary tsy hanan-tantaram-pitiavana aminy mihitsy.’ Angamba. Kanefa ahoana no mety ho fihetseham-po tsapanao amin’ny hoavy? Ankoatra izany, “izay matoky ny fony dia adala”. (Ohabolana 28:26). Afaka ny hamitaka sy hanambaka ny fontsika ary hanajamba antsika amin’ireo antony marina manosika antsika. Ary moa ve ianao tena mahafantatra marina ny fihetseham-pon’ilay namanao aminao?
Ao amin’ny bokiny hoe The Friendship Factor, dia manoro hevitra toy izao i Alan Loy McGinnis: “Aza matoky ny tenanao loatra.” Manehoa fitandremana, angamba amin’ny famerana ny fifaneraseranareo ho amin’ny fiarahana amin’ny antokon’olona voara-maso tsara. Halaviro ireo fanehoam-pitiavana tsy mety na ny fiarahana irery amin’ny toe-javatra mety hitarika ho amin’izany. Rehefa manan-java-manahirana ianao, dia aborahy amin’ny ray aman-dreninao na ny olona be taona kokoa ny zava-manahirana anao, fa tsy amin’ny tanora iray tsy lahy na tsy vavy tahaka anao.
Ary ahoana raha mitombo ihany ny fihetseham-po amam-pitiavana tsy mifamaly, na dia eo aza ireo fitandremana rehetra ataonao? ‘Milazà ny marina’, ary ampahafantaro amin’ilay iray hafa ny toerana tananao. (Efesiana 4:25). Raha tsy mandamina ilay raharaha izany, ny mety ho tsara indrindra dia ny tsy mifanerasera loatra. “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery”. (Ohabolana 22:3). Na milaza izany toy izao ny boky The Friendship Factor: “Mitsoaha mihitsy raha ilaina izany. Indraindray, na miezaka mafy toy inona aza isika, ny fisakaizana amin’ny olona iray tsy lahy na tsy vavy tahaka antsika dia manjary tsy voafehy ary fantatsika tsara izay alehany.” Amin’izay, dia tonga ny fotoana “hialana”.
[Sary, pejy 227]
Matetika ny tanora dia mahatsapa fanerena mba ‘hampiaraka’
[Sary, pejy 228]
Rehefa ‘mampiaraka’ ny tanora, matetika dia tonga ao anatin’ny fanerena hifaneho fitiavana nefa tsy niriny akory izany
[Sary, pejy 229]
Azo atao ny mankafy ny fiarahana amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tena amin’ny toe-javatra tsy misy ny fanerena ‘hampiaraka’
[Sary, pejy 230]
Ireo fifandraisana antsoina hoe platoniques dia miafara amin’ny ratram-po matetika