FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/5 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mahasitrana Haingana ny Sery ve ny Pilina Tsentsefina Misy Metaly Fanitso?
  • Fanafarana Mompera
  • Vetivety dia Manjary Miankin-doha Amin’ny Sigara
  • “Ny Herin’ny Fitambezoana”
  • Miaiky ny Fiangonana fa Nampanao Asa An-terivozona
  • Olon-dehibe Mihinana Sakafon-jazakely
  • Andiany Samy Hafa ao Amin’ny Tempoly Iray
  • Pilina Mahita
  • Mety Hankarary Anao ny Sakafom-biby Maina
  • Fitomboan’ny Fahaketrahana any Am-piasana
  • Tototry ny Adin-tsaina!
    Mifohaza!—2005
  • Topy Maso Eran-tany
    Mifohaza!—2002
Mifohaza!—2001
g01 8/5 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Mahasitrana Haingana ny Sery ve ny Pilina Tsentsefina Misy Metaly Fanitso?

Nisy mpikaroka niady hevitra nandritra ny taona maro ny amin’ny hoe mahafaka ny sery ve ny fanitso, sa tsia. Hitan’ny fandinihana iray vao haingana fa “ny fitsentsefana pilina [misy fanitso] isaky ny ora vitsy raha vao voan’ny sery dia mampihena efa ho antsasany ny fetr’andro aharetan’ny sery”, hoy ny tatitra nataon’ny Vaovao Siantifika (anglisy). Ankoatra izany, dia nisy mpandray anjara tamin’ilay fandinihana nitsentsitra pilina misy fanitso isaky ny adiny roa ka hatramin’ny adiny telo nandritra ny efatra na dimy andro “nanao tatitra fa nihena be ny kohaka sy ny lelony” raha nampitahaina tamin’ireo nihinam-panafody fampandriana saina fotsiny. Niteraka vokany hafa, toy ny fitohanam-pivalanana sy ny fahamainan’ny vava, anefa ny pilina fanitso, teo amin’ny olona sasany, hoy ilay gazetiboky.

Fanafarana Mompera

Nanahy momba ny tsy fahampian’ny mompera tany amin’ny tany mandroso ny Eglizy Katolika ka nanomboka nanafatra mompera mba hamenoana ny banga, hoy ny tatitra nataon’ilay gazetiboky italianina hoe L’Espresso. “Mihatsy mamokatra ny seminera any Italia sy Eoropa ary Amerika Avaratra, hany ka tsy afa-manolo ireo momperany intsony ny diosezy”, hoy ilay gazetiboky. Koa nisy mompera àry nohafarana avy tany Brezila sy Inde ary Philippines mba hamenoana izay paroasy tsy nisy mompera. “Vao fanombohana fotsiny ilay izy”, hoy ny tatitra nataon’ny L’Espresso, “kanefa efa manova ny endriky ny eglizy. ... Any Italia, dia efa misy 1 131 sahady ny mompera avy any ivelan’ny Firaisambe Eoropeanina hita eo amin’ny taratasy fandoavan-karaman’ny Konferansin’ny Eveka, izany hoe 3 isan-jaton’izy rehetra.” Koa nanjary ‘faritanin’ny misionera’ àry i Italia, hoy ny fanamarihan’ilay gazetiboky.

Vetivety dia Manjary Miankin-doha Amin’ny Sigara

Misy mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Massachusetts nanamafy ny fahamarinan’ny hoe “ao anatin’ny andro vitsivitsy monja nifohany sigara voalohany” dia efa ahitana porofon’ny fiankinan-doha amin’izy io sahady ny sasany, hoy ny tatitra nataon’ny Associated Press. Nanara-maso nandritra ny herintaona ny fahazarana mifoka nananan’ny tanora 681, teo anelanelan’ny 12 sy 13 taona, ireo mpanao ilay fandinihana, ary nandrakitra an-tsoratra ny famantarana ny fiankinan-doha. “Efa fantapantatray ihany hoe olona maro no vetivety kely dia manjary miankin-doha amin’ny sigara”, hoy ny Pr. Richard Hurt, “fa ity no tena porofo mivaingana voalohany anananay fa izany tokoa no izy.” Hoy ny Pr. Joseph DiFranza, lehiben’ilay ekipa mpanao fikarohana: “Ny tena zava-dehibe tian’io fandinihana io hambara dia ny hoe tsy maintsy mampitandrina ny ankizy isika fa tsy azo atao tsotra izao ny mifoka sigara tsindraindray na manandranandrana mifoka mandritra ny herinandro vitsivitsy ary avy eo hiala.”

“Ny Herin’ny Fitambezoana”

Faritra fivarotana maro any Grande-Bretagne no “manjary tomefy tanora mpandanilany vola sy tena maharaka ary liana amin-damaody”, hoy ny tatitra nataon’ny The Times any Londres. “Folo ka hatramin’ny telo ambin’ny folo taona izy ireo. Efa lehibe afaka manapa-kevitra samirery ny amin’izay hovidiny izy, nefa koa mbola kely ka afaka mampiasa ny ‘herin’ny fitambezoana’ mba handoavan’ny ray aman-dreniny izay zavatra lafo vidy tiany”, hoy ny nanampin’ilay gazety. Manamarika toy izao i Piers Berezai ao amin’ny Datamonitor, kompania iray mpikaroka lalam-barotra: “Noho ny fitomboan’ny fisaraham-panambadiana sy ny vehivavy miasa, dia mahatsiaro tena ho diso ireo ray aman-dreny, satria tsy manam-potoana iarahana amin-janany, ka mihabetsaka ny mifidy ny hanome azy vola ho solon’izany. Takatry ny ankizy fa fomba iray tena mandaitra mba hahazoana izay iriny ny fitambezoana. Mirona kokoa hilefitra ny ray aman-dreny izay tsindraindray vao mba mahita an-janany, ary azo inoana kokoa fa hampihanta azy.”

Miaiky ny Fiangonana fa Nampanao Asa An-terivozona

Tsy ela izay, dia ankona ny vahoaka alemà nahafantatra fa nampanao asa an-terivozona, ny Eglizy Katolika sy ny Fiangonana Ara-pilazantsara nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Araka ny mpitondra tenin’ny Konferansin’ny Eveka Katolika Alemà, dia “nisy mpiasa an-terivozona tany amin’ireo tany niadidian’ny eglizy: tany amin’ny tanimbolin’ny monasitera, ary koa tany amin’ny tanimboaloboka sy hopitaly”, hoy ny tatitra nataon’ny Frankfurter Allgemeine Zeitung. “Nampiasa olona an-terivozona nandritra ny Ady Lehibe Faharoa manontolo” ireo fikambanana ara-tsosialy lehibe indrindran’ny Fiangonana Ara-pilazantsara any Eoropa, hoy ny Süddeutsche Zeitung. Samy nampanantena vola alemà an-tapitrisany maromaro na ny Eglizy Katolika na ny Fiangonana Ara-pilazantsara mba ho onitra ho an’ny mpanao asa an-terivozona sisa velona, izay sivily avy tany amin’ireo tanin’i Eoropa Atsinanana ny ankamaroany.

Olon-dehibe Mihinana Sakafon-jazakely

Mihabetsaka ny sakafon-jazakely manjary hanin’ny olon-dehibe, hoy ny tatitra nataon’ilay masoivohom-baovaon’i Alemaina dpa-Basisdienst. Folo isan-jaton’ny sakafon-jazakely vokarin’ny orinasa alemà lehibe iray no amidy amin’ny tokantrano tsy misy zaza. Olona avy amin’ny sokajin-taona rehetra sy avy amin’ny fari-piainana rehetra no tia koba amin-dronono sy voankazo nandrahoina natao ho an-jazakely. Koa satria mety tsy hisy afa-tsy kaloria 100 monja ny sakafon-jaza natao indray mihinana, dia olon-dehibe maro tsy te hitombo lanja no mifidy sakafon-jazakely ho odiambavafo. Mba hanomezana fahafaham-po izany fironana izany, dia misy orinasa mampirisika ny hihinanan’ny “ankizy sy ny lehibe” ny zavatra vokariny sy manolotra fomba fahandro sakafo izay mitaky ny hampiasana izany zavatra vokariny izany. Tsy faly noho izany ataon’ny olon-dehibe izany anefa ny Fikambanana Alemà Momba ny Sakafo Mahavelona. Araka ilay mpitondra teniny atao hoe Anette Braun, dia tsy mila sakafo nomanina manokana toy izany ny olon-dehibe, raha tsy hoe marary angaha. Tokony hitsako ny sakafony izy ireo. “Izany ange no ilana ny nify e!”, hoy i Braun.

Andiany Samy Hafa ao Amin’ny Tempoly Iray

Tsy mpivavaka ihany no voasinton’ny tempoly bodista tranainy iray any Japon. Hatramin’ny nanavaozana ilay tempoly tamin’ny 1955, dia nisy vorona pika nanao andiany niangona tao. “Maro aoka izany [ireo lavaka kely nataon’izy ireo tamin’ilay tempoly], hany ka mihevitra ny mpizaha tany sasany fa anisan’ny drafitr’ilay tempoly izy ireny, mba hidiran’ny hazavana ao anatiny”, hoy ny Vaovao Takariva Asahi (anglisy). Mitaraina ny lehiben’ny pretra fa tsy nahomby hatramin’izao ny ezaka rehetra natao mba handroahana ireo vorona ireo hiala tao amin’ilay tempoly. Nekena tamin’ny fomba ofisialy fa harem-pirenena ny efitra lehibe indrindran’ny Tempoly Daizenji any amin’ny Fileovan’i Yamanashi, naorina tamin’ny 1286.

Pilina Mahita

Ny kompania israelianina iray dia nanamboatra pilina miasa toy ny milina bitika maka sary rehefa avy natelina, mba handinihana ny aretin’ny tsinaikely, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety meksikanina hoe Excelsior. Mandefa famantarana ho an’ny fehikibo manokana iray entin’ilay marary eo am-balahany ilay milina bitika maka sary. Alefa amin’ny ordinatera avy eo ireo sary izay dinihin’ny manam-pahaizana manokana. Mivoaka amin’ny fivalanana ilay milina kely maka sary. Araka ny Dr. Blair Lewis, ny tombony iray amin’io fomba fizahana io dia noho izy tsy maharary. Hoy ny profesora Paul Swain, anisan’ny namorona io pilina io: “Ho azo atao ny mahazo sarin’ny tapany ambany amin’ny tsinaikely nefa tsy voatery hotoranina ilay marary. Ho azo atao izany na dia mandehandeha aza izy.” Neken’ny Fitantanan-draharaha Amerikanina Momba ny Sakafo sy ny Fanafody ny hanandramana ilay pilina amin’ny marary 20, any New York sy Londres.

Mety Hankarary Anao ny Sakafom-biby Maina

“Misy bakteria Salmonelle izay nankarary olona ny sakafom-biby vita tamin’ny taovan-kisoa sy omby maina, toy ny sofiny, ny kitrony, ny havokavony ary ny taolany”, hoy ny tatitra nataon’ny FDA Mpanjifa (anglisy). Araka ny tompon’andraikitra ambony kanadianina ao amin’ny Fahasalamana, dia Kanadianina maherin’ny 35, tao anatin’ny herintaona, no notsaboina noho ny aretina azo tamin’ny salmonelle rehefa avy nampiasa sofin-kisoa maina. I Gloria Dunnavan, talen’ny Sampana Mpanara-maso Miasa ho An’ny Foiben’ny Fitantanan-draharaha Momba ny Sakafo sy ny Fanafody, foibe misahana ny fitsaboana biby, dia manoro hevitra ny hikarakaran’ny mpanjifa ny taovam-biby maina toy ny fikarakarany hena manta. “Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe sasao amin’ny rano mafana sy ny savony ny tananao rehefa avy nandray [sakafom-biby], aza apetraka eo ambonin’ny toerana fametrahana sakafo (toy ny latabatra ao an-dakozia) ny sakafom-biby, ary aza avela hataon’ny ankizy am-bava ny tanany aorian’ny nandraisany [azy ireny]”, hoy ilay gazetiboky.

Fitomboan’ny Fahaketrahana any Am-piasana

“Mpiasa 1 ao anatin’ny 10 maneran-tany no azon’ny fihenjanana sy ny fanahiana ary ny fahaketrahana amin’ny asa”, hoy ny tatitra nataon’ny International Herald Tribune, gazety mpiseho isan’andro any Paris. Hitan’ny fandinihana iray nataon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa, ao amin’ny ONU, fa 78 tapitrisa tapitrisa FMG mahery eo ho eo isan-taona no lanin’i Eoropa sy i Etazonia noho ny fihenjanana ateraky ny asa. Voalaza fa ny fiovana be teo amin’ny teknolojia izay niteraka fihenjanana fanampiny teo amin’ny mpiasa, no anisan’ny nahatonga ny fitomboan’ny fahaketrahana mifandray amin’ny asa. Manao tatitra ny Tribune fa ‘andro fiasana 200 tapitrisa eo ho eo no very isan-taona noho ny tsy fahasalamana ara-tsaina mifandray amin’ny asa’, any Etazonia. Milaza koa izy io fa antsasany mahery amin’ny mpiasa no azon’ny aretina mifandray amin’ny fihenjanana, any Failandy. Ankoatra izany, dia voalaza fa tokotokony ho 30 isan-jaton’ny mpiasa any Grande-Bretagne no manana olana ara-tsaina, ary 5 isan-jato no ketraka mafy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara