FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g02 8/1 p. 28-29
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2002
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Vola Maloto
  • Valisoa Rehefa Mamaky Teny ho An’ny Ankizy
  • Ny Feon’ny Vorondolo sy ny Fahasalamany
  • Tsy Mahare Tsiron-kanina
  • Voalohany Amin’ny Mpamokatra Ronono Eran-tany
  • Mitombo Haingana ny Masikirìny any Etazonia
  • “Hianareo no fanasin’ny tany”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Sira
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • “Zanaky ny Ray Aman-dreny Madio Indrindra”
    Mifohaza!—2006
  • Zavatra Fito Azonao Atao mba ho Azo Antoka sy Hahasalama ny Sakafo Hohaninao
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Mifohaza!—2002
g02 8/1 p. 28-29

Topy Maso Eran-tany

Vola Maloto

“Feno bakteria ny vola taratasy”, hoy ny gazety kanadianina The Globe and Mail. Fantatra noho ny fikarohana natao vao haingana tany Etazonia, fa saika ny vola taratasy kirakiraina rehetra no misy bakteria sy mikraoba hafa. “Mety hampidi-doza ireo mikraoba ireo, ho an’ny olona mora andairan’aretina, toy ny zokiolona efa mihaosa, na ny olona voan’ny SIDA”, hoy ny The Globe. Misy bakteria mampidi-doza kokoa mihitsy aza amin’ny vola taratasy sasany. Fotoana tokony “hanadiovam-bola” ara-bakiteny angamba izao, hoy ny mpikaroka. Efa mahazo vola madio ny Japoney, satria “200 degre no hafanana ao amin’ilay masinina mamoaka ilay vola. Ampy tsara mba hamonoana bakteria izany, nefa tsy mandoro ilay vola.” Rehefa avy mikasika vola ianao, dia “sasao ny tananao!”, hoy ny The Globe.

Valisoa Rehefa Mamaky Teny ho An’ny Ankizy

“Rehefa hitan’ny [ankizy] fa mazoto mamaky teny ny ray aman-dreniny dia miezaka manahaka azy ireo izy”, hoy ny gazety poloney Przyjaciółka. Voalaza tao koa fa mihatia mijery tele ny ankizy ankehitriny, ka ilaina ny mamaky teny aminy sady mampiseho ary manazava sary aminy, na dia vao roa taona monja aza izy. Afaka mametraka fanontaniana momba izay novakina ny ray aman-dreny mba hahitana raha azon’ilay ankizy ilay izy. “Raha sendra sorena ilay zaza ..., dia manaova fihetsehana ary ovaovay ny feo mba ho velombelona ilay vakiteny.” Ampirisihina ny ray aman-dreny mba hamantatra izay mahaliana ny zanany sy hiresaka momba izany aminy. “Lazao aminy ny boky tianao indrindra fony ianao mbola kely ary tonòny aminy ny lohatenim-boky mahaliana vitsivitsy. ... Aza mitsahatra mamaky teny ho an’ny zanakao, na dia efa mahavita izany samirery aza izy”, hoy ilay gazety. “Ampy ampirisihana an’ilay zaza indraindray ny famakiana ny pejy vitsivitsy voalohany fotsiny. Ho faly hamaky ny tohiny izy avy eo.”

Ny Feon’ny Vorondolo sy ny Fahasalamany

Fantatra amin’ny feon’ny vorondolo ny toe-pahasalamany, hoy ny gazety The Economist. “Nandinika vorondolo 22 tao anatin’ny Ala Kiedler, any amin’ny faritra avaratr’i Angletera, i Stephen Redpath sy ny namany, avy ao amin’ny Foibe Britanika Momba ny Tontolo Iainana sy ny Rano.” ‘Nisy vorondolo nampihainoin’ny mpikaroka feom-borondolo hafa, dia nojeren’izy ireo hoe afaka hafiriana izy ireo vao namaly.’ Ela kokoa vao namaly ny vorondolo raha be kokoa ny katsentsitra ao amin’ny rany. Raha tonga dia namaly, ohatra, ny vorondolo salama, dia mbola nisy elanelam-potoana indroa torak’izay vao namaly ny vorondolo be katsentsitra indrindra. Ambonin’izany, dia iva kokoa noho ny an’ny vorondolo salama ny feon’ireo vorondolo be katsentsitra. “Nivoaka ho azy ny tsiambaratelon’ireo vorondolo”, hoy ilay gazety teo.

Tsy Mahare Tsiron-kanina

Milaza i Hiroshi Tomita, manam-pahaizana momba ny sofina sy ny orona ary ny tenda, fa olona maherin’ny 140 000 no tsy mandre tsiron-kanina intsony any Japon isan-taona, ary be kokoa noho ny hatramin’izay ny tanora voan’izy io. Mety ho vokatry ny fanafody sy ny aretina izy io, hoy ny gazety The Daily Yomiuri. Inoan’i Tomita anefa fa tsy ampy zinc, mineraly ilain’ny vatana, ny 30 isan-jaton’ny olona tsy mahare tsiron-kanina. Milaza ilay gazety fa “tena ilaina ny zinc mba iforonan’ny sela vaovao hahatsapana tsiron-javatra, ka mihatsy mandre tsiron-kanina ny olona rehefa tsy ampy [zinc].” Anisan’ny mahatonga izany koa ny haninkanina sy ny sakafo efa voahodina ary ny fihinanana sakafo mitovy foana. Hazavain’io gazety io fa “mandevona ny zinc ao anaty vatana sady manakana ny vatana tsy handray zinc ny zavatra toy ny fosfaty, fahita anaty hani-masaka.” Asain’i Tomita mihinana sakafo be zinc ny olona tsy mandre tsiron-kanina. Anisan’izany ny masajy sy ny trondro madinika ary ny atin-kena. Afaka handre tsiron-kanina indray ny olona raha miovaova sady mahasalama ny sakafony. Lazain’i Tomita anefa fa mety tsy ho sitrana ny olona tena tsy mandre tsiron-kanina, raha tsy nitsabo izany tao anatin’ny enim-bolana mahery.

Voalohany Amin’ny Mpamokatra Ronono Eran-tany

I Inde no voalohany amin’ny mpamokatra ronono ankehitriny, hoy ny gazety The Hindustan Times. “Nidera ny Indianina ny Fikambanana Mpandinika An’izao Tontolo Izao, miompana amin’ny tontolo iainana [any Etazonia], satria nanao fiovana lehibe izy ireo ka lasa nihabetsaka ny ronono novokariny”, hoy ny voalazany. “Nanomboka tamin’ny 1994, dia ny ronono no voalohany amin’ireo zavatra vokarin’ny fiompian’ny Indianina. Resiny i Etazonia tamin’ny 1997, ka izy indray no lasa voalohany amin’ny mpamokatra ronono eran-tany.” Nilaza toy izao i Lester Brown, lehiben’ny Fikambanana Mpandinika An’izao Tontolo Izao: “Mahagaga ny nahavitan’izy ireo izany, satria tsy voa maina no nataony sakafom-biby fa ireo zavatra sisa tavela tamin’ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana. Nampitombo ny tahirina proteinina ny Indianina, nefa tsy naka tamin’ny voa maina natao ho an’ny olombelona.”

Mitombo Haingana ny Masikirìny any Etazonia

Mihamaro ny Silamo, araka izao lazain’ny gazety The New York Times izao: “Nitombo 25 isan-jato ny isan’ny masikirìny [mosquée] teto Etazonia tao anatin’ny enin-taona, ka lasa maherin’ny 1 200.” “Efatra ka hatramin’ny enina tapitrisa eo ho eo” izao ny Silamo any, araka an’i John Esposito, mpitantana ny Foibe Fandinihana ny Silamo sy ny Kristianina any amin’ny Oniversiten’i Georgetown. Mety ho mbola betsaka noho izany aza izy ireo, araka ny fanadihadiana nalamin’ny fikambanana silamo amerikanina efatra. Hihabetsaka foana anefa izy ireo, hoy i Esposito, satria “manohy mifindra monina ary maro anaka ny ankamaroan’ny Silamo. Io no ho fivavahana faharoa lehibe indrindra any Amerika rehefa afaka am-polo taona monja.” Milaza ny gazety Times fa “lehilahy no tena betsaka” mivavaka any amin’ireny masikirìny ireny. Fantatra ihany koa fa “samy hafa fiaviana ireo mpivavaka: Avy any Azia Atsimo ny ampahatelony, Amerikanina mainty ny 30 isan-jatony, ary Arabo ny 25 isan-jatony.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara