FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/6 p. 10-13
  • “Osa ny Zaza”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Osa ny Zaza”
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Foto-pitsipika ambony
  • Zava-misy amin’izao andro maoderina izao
  • Ny tena vahaolana
  • Tezao mba ho tia an’i Jehovah ny zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ampiofano Manomboka eo Amin’ny Maha-zazakely Azy ny Zanakao
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Manorena Fianakaviana Matanjaka Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ampio ny Zanakao Hivelatra Tsara
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/6 p. 10-13

“Osa ny Zaza”

‘Osa ny zaza; handeha miadana araka ny dian’ny zaza aho.’ — Jakoba, raim-pianakaviana maro anaka, tamin’ny taonjato faha-18 al.f.i.

TSY zava-baovao akory ny fitondrana ratsy ny ankizy. Malaza ratsy ho nanao sorona zaza ny sivilizasiona fahiny, toy ny Aztèques, ny Kananita, ny Incas, ary ny Fenisianina. Ny fandavahana natao tao amin’ny tanàna fenisianin’i Carthage (faritanàna manamorona an’i Tunis ankehitriny, atsy Afrika Avaratra) dia nampiharihary fa teo anelanelan’ny taonjato fahadimy sy fahatelo al.f.i. dia nahatratra 20 000 ny ankizy natao sorona ho an’i Bala andriamanitra sy ho an’i Tanit andriamanibavy! Vao mainka koa tena mahatafintohina io isa io, rehefa tadidy fa voalaza hoe 250 000 teo ho eo monja ny mponin’i Carthage, fony izy io niroborobo indrindra.

Nisy fitambaran’olona iray hafa noho izany anefa, fahiny. Na dia niaina teo anivon’ny mpiara-belona feno halozana tamin’ankizy aza ny firenen’ny Isiraely, dia niavaka teo amin’ny fitondrana ireo zaza madinika. Nanome ohatra ny amin’izany ny rain’io firenena io, i Jakoba patriarika. Araka ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly, rehefa niverina tany amin’ny tany niaviany i Jakoba, dia nanitsy ny hafainganam-pandehan’ireo rehetra niaraka taminy mba tsy ho mafy loatra tamin’ny ankizy. “Osa ny zaza”, hoy izy. Tamin’izay, ny zanany dia tokotokony ho 5 ka hatramin’ny 14 taona. (Genesisy 33:13, 14). Naneho fanajana ny zavatra ilain’ny ankizy sy ny fahamendrehany toy izany koa ny taranak’i Jakoba, dia ireo Isiraelita.

Azo antoka fa nanan-javatra betsaka natao ny ankizy tamin’ny andron’ny Baiboly. Rehefa nihalehibe ireo ankizilahy dia nomen’ny rainy fiofanana azo nampiharina teo amin’ny fambolena, na teo amin’ny asa tanana, toy ny fandrafetana. (Genesisy 37:2; 1 Samoela 16:11). Raha mbola tao an-tokantrano ireo zazavavy, dia nampianarin-dreniny ny raharaha tao an-trano, izay hisy vidiny rehefa ao amin’ny fiainan’olon-dehibe izy ireo. Mpiandry ondry i Rahely, vadin’i Jakoba, fony izy tovovavy. (Genesisy 29:6-9). Nanao asa fijinjana tany an-tsaha ny vehivavy tanora, ary niasa tany an-tanimboaloboka. (Rota 2:5-9; Tonon-kiran’i Solomona 1:6).a Matetika ny asa toy izany no natao teo ambany fanaraha-mason’ny ray aman-dreny be fitiavana, sady narahina fampianarana.

Tetsy an-danin’izany, dia fantatr’ireo ankizy madinika teo amin’ny Isiraely ny atao hoe fifaliana niala sasatra sy nilalao. Niresaka ny amin’ny ‘lalam-be any an-tanàna izay feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika milalao’ ny mpaminany Zakaria. (Zakaria 8:5). Ary nanisy firesahana ny amin’ny ankizy madinika nipetraka teny an-tsena sy nitsoka sodina ary nandihy, i Jesosy Kristy. (Matio 11:16, 17). Inona no nahatonga izany fomba mendrika nitondrana ny ankizy izany?

Foto-pitsipika ambony

Raha mbola nitandrina ny lalàn’Andriamanitra ireo Isiraelita, dia tsy nampijaly na nanararaotra ny zanany mihitsy izy ireo. (Ampitahao amin’ny Jeremia 7:31 ny Deoteronomia 18:10.) “Lova avy amin’i Jehovah” sy “tamby” no niheverany ny zanany lahy sy ny zanany vavy. (Salamo 127:3-5). ‘Zanak’oliva manodidina ny latabany’ no niheveran’ny ray na ny reny iray ny zanany. Ary tena sarobidy ny hazo ôliva tao amin’io fitambaran’olona mpamboly io! (Salamo 128:3-6). Nomarihin’ilay mpahay tantara hoe Alfred Edersheim fa nanana teny sivy nanondroana ny zanaka, ankoatra ny teny hanondroana ny zanakalahy sy ny zanakavavy, ny fiteny hebreo fahiny, ka ny teny tsirairay dia nanondro dingana samy hafa teo amin’ny fiainan’ny ankizy. Nanatsoaka hevitra toy izao izy: “Azo antoka fa tsy maintsy ho niraiki-po tamin-janany ireo izay nandinika tamim-pitandremana ny fiainan’ny zaza mba hanomezana anarana feno filazalazana hanondroana ny dingana mandroso tsirairay eo amin’ny fiainan’izy io.”

Tamin’ny andro kristianina, dia nanarina ny ray aman-dreny mba hitondra ny zanany tamim-pahamendrehana sy tamim-panajana. Namela ohatra tsara dia tsara i Jesosy, raha ny amin’ny fitondrana ny zanaky ny hafa. Indray mandeha, tany amin’ny faramparan’ny fanompoany teto an-tany, dia nanomboka nitondra ny zanany madinika ho eo aminy ny olona. Miharihary fa noho ny fiheveran’ireo mpianatra hoe sahirana loatra i Jesosy ka tsy tokony hohelingelenina, dia nanandrana nisakana ny olona izy ireo. Niteny mafy azy ireo toy izao anefa i Jesosy: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana”. “Nitrotro [ny zaza]” mihitsy aza i Jesosy. Tsy isalasalana fa nihevitra ny ankizy ho sarobidy sy mendrika ny hoentina amin-katsaram-panahy izy. — Marka 10:14, 16; Lioka 18:15-17.

Tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’ny raim-pianakaviana toy izao ny apostoly Paoly: “Aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.” (Kolosiana 3:21). Rehefa manaraka izany baiko izany ny ray aman-dreny kristianina tamin’izany sy amin’izao fotoana izao, dia tsy hamela na oviana na oviana ny zanany hanjary hitondra fahavoazana noho ny toe-piainana feno fampijaliana any am-piasana. Takatr’izy ireo fa mba hitomboan’ny ankizy tsara ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy, dia ilaina ny hisian’ny rivo-piainana feno fitiavana sy fiahiana ary tsy fananana ahiahy. Tokony hiharihary fa misy tena fitiavana avy amin’ny ray aman-dreny. Tafiditra amin’izany ny fiarovana ny zanany mba tsy hanao asa ao anatin’ny toe-piainana mahakely hery.

Zava-misy amin’izao andro maoderina izao

Mazava ho azy fa ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’ izao iainantsika izao. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Noho ny zava-misy ara-toe-karena henjana, any amin’ny tany maro, na ny fianakaviana kristianina aza dia mety hahita fa tena ilaina ny hamelana ny zanany hamonjy ny laharan’ny mpiasa. Araka ny efa nomarihina, dia tsy misy maha ratsy ny fanaovan’ny ankizy asa mahasoa sy ahafahany miana-javatra. Ny asa toy izany dia afaka mampandroso na mampitombo ny ankizy iray eo amin’ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, ara-pitondran-tena na sosialy, nefa tsy manakantsakana ny fianarana, ny fanarian-dia voalanjalanja ary ny fialan-tsasatra izay samy tena ilaina.

Tsy isalasalana fa irin’ny ray aman-dreny kristianina ny hiasan-janany eo ambany fanaraha-maso feno fiahiana avy amin’ny tenany, fa tsy ho toy ny andevon’ny mpampiasa lozabe sy tsy mihontsina na maty eritreritra. Irin’ny ray aman-dreny toy izany ny hanao izay hahazoana antoka fa tsy hahatonga ny zanany hiharan’ny fampijaliana sy ny fametavetana na ny fampahoriana ny karazana asa ataon’izy ireo. Afa-tsy izany koa, dia irin’izy ireo ho eo akaikiny ny zanany. Amin’izany fomba izany no ahafahan’izy ireo manatanteraka ny anjara asany miorina amin’ny Baiboly, dia ny ho mpanabe ara-panahy, araka izao voalaza izao: “Ampianaro tsara ny zanakao [ireo tenin’Andriamanitra], ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha”. — Deoteronomia 6:6, 7.

Ambonin’izany, dia ilazana ny Kristianina iray mba haneho fiaraha-miory sy hanana firaiketam-po ary hangoraka amim-pitiavana. (1 Petera 3:8). Ampirisihina izy “hanao soa amin’ny olona rehetra”. (Galatiana 6:10). Raha tokony hanehoana ireo toetra araka an’Andriamanitra ireo ny olona amin’ny ankapobeny, mainka fa ny zanaky ny tena! Milaza toy izao ny Fitsipika Volamena: “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. (Matio 7:12). Rehefa manaraka izany ny Kristianina dia tsy hamela na oviana na oviana ny tenany hanararaotra ny zanaky ny hafa, na kristianina izany, na tsia. Fanampin’izany, koa satria olom-pirenena mpanara-dalàna ny Kristianina, dia maniry hitandrina mba tsy handika ny lalàm-panjakana mahakasika ny fetran’ny taonan’ny olona miasa ho azy. — Romana 13:1.

Ny tena vahaolana

Ahoana ny amin’ny hoavy? Misy fotoana tsara kokoa miandry ny ankizy sy ny olon-dehibe. Matoky ny Kristianina marina fa fitondram-panjakana iray haneran-tany ho avy, izay antsoin’ny Baiboly hoe “ny fanjakan’ny lanitra”, no hamaha tanteraka ny olana ny amin’ny fampiasana ankizy. (Matio 3:2). Nivavaka ho an’izany efa hatramin’ny taonjato maro ny olona matahotra an’Andriamanitra, rehefa nilaza hoe: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:9, 10.

Ankoatra ny zavatra hafa, io Fanjakana io dia hanaisotra ny toe-piainana izay mitarika ho amin’ny fampiasana ankizy. Hamongotra ny fahantrana izy io. “Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.” (Salamo 67:6). Hanao izay hahazoana antoka ny Fanjakan’Andriamanitra fa hahazo fampianarana mety sy miorina amin’ireo toetran’Andriamanitra avokoa ny rehetra. “Raha mamely ny tany ny fitsaran[’Andriamanitra], dia mianatra fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.” — Isaia 26:9.

Handrava ny rafitra ara-toe-karena izay mampandroso ny tsy fitovian-tsaranga ny fitondram-panjakan’Andriamanitra. Tsy hisy fanavakavahana ara-pirazanana, ara-tsosialy, ara-tsokajin-taona, na araka ny maha lahy sy ny maha vavy amin’izay fotoana izay, satria ny lalàna hanapaka ao amin’io fitondram-panjakana io, dia ho ny lalàn’ny fitiavana, ka voafaoka amin’izany ilay baiko hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao”. (Matio 22:39). Eo ambany fitondram-panjakana marina haneran-tany toy izany, dia ho fongotra tanteraka ny olana ny amin’ny fampiasana ankizy!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tsy nampietry ny vehivavy ho mpianakavy ambany izay tsy natao afa-tsy ho amin’ny asa an-trano na eny an-tsaha fotsiny akory izany. Ny filazalazana ny amin’ilay “vehivavy mahay” ao amin’ny Ohabolana dia mampiharihary fa ny vehivavy manambady dia tsy vitan’ny hoe afaka mitantana tokantrano fotsiny, fa afaka manao varotra, sy manorina saha mahavokatra ary manao fandraharahana kely koa. — Ohabolana 31:10, 16, 18, 24, fanamarihana ambany pejy.

[Efajoro, pejy 12]

Navelany Handeha Ireo Ankizivaviny

NANDRITRA ny 15 taona i Ceciliab dia nanana sy nitantana trano fivarotan-tena tao amin’ny iray amin’ireo nosy Caraïbes. Nividy ankizivavy 12 ka hatramin’ny 15 indray niaraka izy, ka ny ankamaroany dia latsaka ny 18 taona. Tsy araka ny sitrapon’ireo ankizivavy no nihazonana azy ireo, fa noho ny trosan’ny fianakaviany. I Cecilia no nandoa ny trosa, ary naka ireo ankizivavy mba hiasa tao aminy. Avy tamin’izay vola azon’izy ireo no nanonerany ny lanin’izy ireo tamin’ny sakafo sy ny fikojakojana, ary nakany ampahany koa izany mba ho tambin’ilay nividianany azy tamin’ny voalohany. An-taonany maro vao nahazo fahafahana indray izy ireo. Tsy navela hivoaka ny trano mihitsy ireo ankizivavy raha tsy hoe nisy mpiambina angaha niaraka tamin’izy ireo.

Tsaroan’i Cecilia tsara ny toe-javatra manokana iray. Tonga isan-kerinandro ny renin’ny ankizivavy iray mpivaro-tena mba hahazo boatin-tsakafo — sakafo azo tamin’ny alalan’ny ‘asan’ny’ zanany vavy. Nitaiza zanakalahy io ankizivavy io. Tsy tafavoaka tamin’ireo trosany izy ary tsy nanana fanantenana hanana fiainan’olona afaka mihitsy. Namono tena izy indray andro, ka tao amin’ny hafatra nosoratany, dia nankininy tamin’ilay ramatoa ny zanany lahy hokarakarain’izy io. Niara-notezain’i Cecilia tamin-janany naterany efatra ilay zazalahy.

Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ireo misionera Vavolombelon’i Jehovah ny iray tamin’ireo zanakavavin’i Cecilia. Nampirisihina hiara-mianatra koa i Cecilia, nefa nanda izy tamin’ny voalohany, satria tsy mba nianatra namaky teny na nanoratra mihitsy. Nanjary takany tsikelikely anefa ny fitiavana sy ny faharetan’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny fandrenesany ireo resadresaka avy tao amin’ny Baiboly, ka nankamamy ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra izy. (Isaia 43:25). Tsy ela izy dia nanomboka nianatra namaky teny sy nanoratra, satria ny tenany mihitsy no naniry hianatra Baiboly. Arakaraka ny nandrosoany tamin’ny fahalalana ny Baiboly, dia hitany fa nila nampifanaraka ny nataony tamin’ny fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony izay an’Andriamanitra izy.

Indray andro, akory ny hagagan’ireo ankizivavy rehefa nilazany hoe afaka nandeha izy ireo! Nohazavainy fa tena tsy nampifaly an’i Jehovah ny zavatra nataon’izy ireo. Tsy nisy nandoa ny trosany ireo ankizivavy, na iray aza. Kanefa, nisy anankiroa nifindra mba hiara-mipetraka taminy. Tonga Vavolombelona vita batisa ny iray hafa, tatỳ aoriana. Mpampianatra Baiboly manontolo andro i Cecilia, efa 11 taona izao, ka manampy olon-kafa hanafa-tena amin’ny fomba fanao manala baraka an’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

b Tsy izany no tena anarany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara