FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/9 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanombanana ny Tsy Hay Tombanana
  • Mitsidika An’i Cuba ny Papa
  • Ny Volo Lava Indrindra Eran-tany
  • Fomba Fijery Telo Samy Hafa ny Tantara
  • Ahitra Maitso Kokoa ao Amin’ny Kianja
  • Ratra Noho ny Trampolines
  • Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana
  • Mpiaro ny Loharanon-karena Voajanahary Tena Filamatra
  • Lalao Mahery Setra ao Amin’ny Ôrdinatera
  • Baiboly Tsy Misy hoe Andriamanitra
  • Manahirana Anao ve ny Volonao?
    Mifohaza!—2002
  • Volo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Vaovao Teokratika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Diniho Akaiky Kokoa ny Volonao
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/9 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fanombanana ny Tsy Hay Tombanana

Nanangona tatitra izay nanombana tamin’ny vola dolara ny vidin’ny zavatra maro be eo amin’ny natiora, ny mpahay siansa niisa 13, avy tany amin’ny tany maromaro. Niasa mafy ireo mpahay siansa, avy tamin’ny fandinihana efa navoaka niisa 100 mahery, mba hanombanana ny tokony ho vidin’ny soa maro samihafa omen’ny tany, isaky ny hektara. Ohatra, ny fandinihana iray dia nampiseho fa isaky ny heniheny iray hektara nanorenana trano, tany Etazonia, “ny tsy fahafahan’ny tany nitroka ny ranon’ny tondra-drano intsony dia nampitombo ny fanimbana vokatry ny tondra-drano isan-taona ho 3 300 dolara ka hatramin’ny 11 000 dolara”, hoy ny gazetiboky Science. Na dia maro aza no manamaivana ireo zava-tsoa sy asa soa voajanahary raisiny avy amin’ny tany, ireo mpahay siansa dia manombana ny tokom-bidin’izy ireo ho 33 300 000 000 000 dolara isan-taona — efa ho avo roa heny noho ny harin-karena faobe rehetra eto an-tany, raha atambatra.

Mitsidika An’i Cuba ny Papa

Nosoritan’ny Papa Jean-Paul II ny fanantenan’ny Eglizy Katolika hanana anjara asa miitatra kokoa ao amin’ny fiaraha-monina any Cuba, tamin’ny fitsidihany an’i Cuba tamin’ny Janoary lasa teo. Nilaza izy, araka ny voalazan’ny L’Osservatore Romano, fa ny ray aman-dreny dia “tokony ho afaka hifidy (...) ny fampianarana fototra momba ny fitondran-tena sy ny mahaolom-pirenena ary koa ny fitarihana ara-pivavahana ilain-janany, mba hahafahan’izy ireo hahazo fanabeazana feno”. Na dia fanirian’ny papa aza ny hanokatra indray ireo sekoly katolika ao amin’ilay tany, dia milaza ireo manam-pahefana any Cuba fa irin’izy ireo ho eo ambany fitantanan’ny Fitondrana ihany ny fampianarana. Momba ny fomba fiheveran’ny fitondram-panjakana any Cuba ny fitsidihan’ny papa, dia manazava toy izao ny gazetiboky frantsay Le Monde Diplomatique: “Fandresena ilay fanilihana nampiharina tamin’ny fitondrany no iheveran’i Fidel Castro ilay fitsidihana.” Na dia mazava aza fa nisy ambadika politika ny sasany tamin’ireo fanambaran’ny papa, fony izy tany Cuba, dia mitoetra ho tsy momba ny atsy na ny aroa ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny asany ara-pivavahana.

Ny Volo Lava Indrindra Eran-tany

Efa ho 70 taona izao no tsy nanapaka ny volony i Hoo Sateow, lehilahy 85 taona avy amin’ny foko hmong, any amin’ny faritra avaratr’i Tailandy. “Fony aho 18 taona no nanapaka azy io farany, ary tena narary mihitsy aho”, hoy i Hoo. Vao haingana izay no nandrefesan’ny mpitsara iray ao amin’ny Guinness Book of World Records ny volony, ary hita fa nisy 520 santimetatra; io no volo lava indrindra eran-tany ankehitriny, araka ny tatitra nataon’ny Associated Press. Indray mandeha isan-taona i Hoo no manasa ny volony ary ahantony eo amin’ny talantalana izy io mba ho maina. I Yi rahalahiny, 87 taona, izay tamin’ny 1957 no nanapaka farany ny volony, no mpifaninana manarakaraka an’i Hoo avy hatrany. Na dia izany aza, dia lava kokoa noho ny volon’ilay Karàna vavy, izay tompon-daka teo aloha, ny an’i Yi. Mirefy 420 santimetatra ny volon’io Karàna io. Mihevitra i Hoo fa tombontsoa ny manana volo lava be toy izany, indrindra fa eny amin’ny tendrombohitra mangatsiakan’i Tailandy eny. “Mampahafana ahy izy itỳ”, hoy izy.

Fomba Fijery Telo Samy Hafa ny Tantara

Filazalazana telo samy hafa no ampianarina ny ankizy mpianatra any Bosnia, momba ny tantara sy ny zavakanto ary ny fitenin’ilay faritra. Misy foko telo lehibe any, ka ny zavatra reny dia miankina amin’izay foko mifehy ny fandaharam-pianarany, araka ny tatitra nataon’ny The New York Times. Ohatra, ireo mpianatra any amin’ny faritra ortodoksa tatsinanana izay fehezin’ny Serba dia mianatra fa ilay lehilahy namono an’i Ferdinand, Andrianan’i Aotrisy, tamin’ny 1914, ka nahatonga ny fipoahan’ny ady lehibe voalohany, dia “lehilahy be herim-po sy mpanao tononkalo”. Ny mpianatra katolika rômanina any Kroasia dia ilazana fa “mpamono olona nampiofanina sy nobaikoin’ny Serba hanao io asa fampihorohoroana io” ilay lehilahy. Ny fomba ilazalazan’ny Miozolimanina an’ilay fisehoan-javatra indray dia mampiseho an’ilay lehilahy ho “tia tanindrazana izay nandrehitra ny fikorontanana nanoherana ny Serba, ary ny polisy avy tamin’ireo foko telo ihany vao nahajanona ilay fikorontanana”. Nasaina ireo mpianatra hilaza ny tenany, na Serba izy, na Miozilimanina na Kroaty, mba hanavahana izay kilasy miavaka hisy azy arakaraka ny foko misy azy, hoy ny fanambaran’ilay tatitra.

Ahitra Maitso Kokoa ao Amin’ny Kianja

Rakotra ahitra tsara dia tsara ny toerana ilalaovana ao amin’ny kianja iray mahazaka mpijery 28 000. Mitafo koa io kianja naorina ho an’ny Vitesse Arnhem, klioba holandey amin’ny baolina kitra, io. Sarotra ny hananana ahitra maniry tsara raha misy tafo ny kianja, satria rehefa mahazo tsara hainandro sy ranonorana voajanahary ny ahitra, vao tena maniry tsara. Raha tsy misy an’ireo, dia lasa mavomavo ny ahitra, ka malazo. Tao amin’ny fomba nanaovana ilay rafitra no namahana ilay olana, araka ny tatitra nataon’ilay gazetiboky New Scientist. Eo ambony takelaka vita tamin’ny rihibato no nasiana ilay toerana ilalaovana. Azo akorisa io takelaka io satria vita tamin’ny teflon tsy miraikitra ny tongony. Azo esorina manontolo tsy ho eo amin’ny kianja izy io, rehefa tsy ampiasaina, ka atao an-kalamanjana, na dia milanja 11 000 taonina aza, amin’ny alalan’ny paompy hydraulique efatra. Azo ampiasaina ilay tany mafy vita tamin’ny rihibato, rehefa misy rindran-kira na fisehoan-javatra mitovy amin’izany. Izany koa dia tombontsoa fanampiny avy amin’izy io.

Ratra Noho ny Trampolines

Nitombo be ny mpankafy ny trampolines (lamba nohenjanina natao hitsambikinana) tato anatin’ireo taona farany, nefa nampitombo ny isan’ny ankizy naratra koa izany, hoy ny The New York Times. “Diso ny fiheverana ny olona hoe malefaka sy malemilemy ny trampolines”, hoy ny Dr. Gary A. Smith, ao amin’ny Hôpitalin’ankizy any Columbus, Ohio, Etazonia. Nilaza ny Dr. Smith fa ny fianjerana ivelan’ilay trampoline, ny tsy fahaiza-milatsaka eo ambonin’ilay lamba, ny fifandonana amin’ny ankizy hafa miara-mitsambikina, na ny fandonana faritra tsy misy lamba no mampaharatra ny ankizy. Nanampy teny izy fa ny trampolines misy tohatra iakarana no mampidi-doza indrindra, satria mahatonga ny ankizy kely ho afa-miakatra eo, nefa izy ireo indrindra no mora maratra. Manolo-kevitra i Ann Brown, avy ao amin’ny Vaomiera Miaro ny Mpanjifa, fa tsy tokony hitsambikina amin’ny trampolines ny ankizy latsaka ny enin-taona, ary tsy tokony hiara-mitsambikina ny ankizy. Hoy ny fanamarihany: “Mila fanaraha-maso tsy an-kijanona ny ankizy manao trampoline, tsy misy hafa amin’ny ankizy ao anaty dobo filomanosana.”

Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana

“Azo inoana indrindra fa tsy hampiasa zava-mahadomelina sy zava-pisotro misy alkaola, ary tsy hanandrana hamono tena, sy tsy hanao herisetra na hitady hanao firaisana aloha be, ny zatovo miraiki-po mafy amin’ny ray aman-dreniny sy ny mpampianatra azy”, hoy ny tatitra nataon’ny The Washington Post. Hitan’ireo mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Minnesota sy ny Oniversiten’i Caroline Avaratra, any Chapel Hill, koa fa marina izany, na miara-mipetraka amin’ny rainy fotsiny, na ny reniny fotsiny, ilay ankizy, na miara-mipetraka amin’izy roa. Ny zava-dehibe dia ny ahatsapan’ilay zaza fa tiana sy ankasitrahana izy, ary takatra ny heviny. Lafin-javatra hafa iray nantitranterin’ilay fandinihana koa ny hoe “zava-dehibe ny handraisan’ny ray aman-dreny anjara hatrany amin’ny fiainan-janany mandritra ireo taona mahazatovo, na dia rehefa heveriny aza fa mihena ny anjara asany”, hoy ny Post.

Mpiaro ny Loharanon-karena Voajanahary Tena Filamatra

Mampiasa osy ny Royal Navy any Grande-Bretagne mba hanampy eo amin’ny fiarovana ny rary birikin’ny rova ara-tantara iray any amoron-tsiraka, araka ny tatitra nataon’ny The Sunday Telegraph. Manimba ny biriky sy ny rihitra mampiraikitra azy ny fakan’ny voaroy sy ny hazo ary ny bozaka. Anisan’ny fomba ara-dalàna fanesorana azy ireo ny fampiasana tsofa elektrika sy fanafody famonoana ahitra, izay mety hampidi-doza. Fanampin’izany, ireo fomba ireo dia manimba ny zavamaniry tsy fahita firy sy ny volombato ary ny bibikely. Kanefa, tsy vitan’ny hoe mora vidy kokoa ny osy maila-pihetsika, fa kely kokoa ny fanimbana entiny eo amin’ny zavamaniry sy ny zavamiainadia izay atahorana ho lany tamingana. Hoy i Mike Beauchamp, mpanolo-tsaina momba ny drafitra: “Rehefa afaka folo taona, dia hampiasa osy ny ankamaroan’ireo fikambanana mpiaro ny loharanon-karena voajanahary mba hamerenana amin’ny laoniny ny tany anirian’ny kirihitra.”

Lalao Mahery Setra ao Amin’ny Ôrdinatera

Nampanarahina ny toetr’andro ny lalao Quake II ao amin’ny ôrdinatera — iray amin’ireo lalao mahery setra indrindra noforonina hatramin’izay — ka nampidirana herisetra bebe kokoa. “Tena be mpitia [ilay programa] ahitana ra mifantsitsitra sy rantsambatana miparitaka etsy sy eroa eo amin’ny efijerin’ireo mpilalao”, hoy ny tatitra nataon’ny The Wall Street Journal. “Ny teny voarainay momba ilay izy dia hoe mbola tsy ampy ny ra latsaka”, hoy i John Carmack, mpikarakara ilay programa, “koa nasianay fandatsahan-dra bebe kokoa.” Ny Quake II dia mamela ireo mpilalao hanaram-po amin’ny “fandripahana isan-karazany” amin’ny fiadiana amin’ny mpilalao hafa am-polony maro amin’ny alalan’ny Internet, ka miady izy ireo mandra-pahafatin’ny iray aminy. Misy lafiny lehibe amin’ilay lalao mamela ireo mpilalao hanao fihetsehana vetaveta amin’ireo mpifanandrina aminy. Ireo mpanao programa sy ireo mpanakanto izay namokatra ilay lalao dia miasa “ao amin’ny toeram-pahafinaretan’ny mpilalao, izay misy fanaovana ‘bokona hozatra’ sy lakozia feno tahirin-tsakafo tsy manjary. Ny nomeraon’ny efitra misy azy ireo dia 666, nalaina (...) avy tamin’ny Bokin’ny Apokalypsy, ao amin’ny Baiboly”.

Baiboly Tsy Misy hoe Andriamanitra

Namoaka ny Soratra Hebreo, dikan-teny nasiana fanovana, ny dokotera danoà iray, ka nesoriny avokoa ny firesahana rehetra momba an’Andriamanitra ao amin’izy io. Mihevitra ny Dr. Svend Lings fa ny hoe Andriamanitra sy ny hoe finoana “dia zavatra efa lany andro izay tsy manao afa-tsy ny managadra antsika fotsiny”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety danoà hoe Kristeligt Dagblad. Voamarik’i Lings fa tsy sambatra sady manirery ny ankamaroan’ny olona. “Miaina ao amin’ny kolontsaina jiosy sy kristianina isika”, hoy i Lings. “Noho izany, dia tsy maintsy ho tompon’andraikitra amin’ny tsy fananantsika fahasambarana ny kolontsaina jiosy sy kristianina.” Ny tanjon’i Lings tamin’ny nanaovany an’io dikan-tenin’ny Baiboly vaovao io, araka ny voalazan’ilay gazety, dia ny “hanozongozona ny fototry ny kolontsaintsika”. Toy izao no amakiana ny Genesisy 3:12 ao amin’ilay Baiboly Tsy Misy hoe Andriamanitra, nataon’i Lings: “Hoy i Adama anakampo: ‘Ny vehivavy izay eto anilako no nanome ahy voankazo avy tamin’ilay hazo, ka dia nihinana aho.’ ” Manontany toy izao ny Kristeligt Dagblad: “Izany ve tsy mitovy amin’ny fiezahana hanala ny rano ao amin’ny oram-panala mba hijerena izay sisa tavela?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara