FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/6 p. 4-7
  • Inona no Nitranga Tamin’ny Fialam-boly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Nitranga Tamin’ny Fialam-boly?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny ilana fitandremana
  • “Mpampianatra Mahay” ny Tele
    Mifohaza!—2006
  • Tontolo Adalana Herisetra
    Mifohaza!—2012
  • Nanova anao ve ny televiziona?
    Mifohaza!—1992
  • Fihazonana Fomba Fihevitra Mahasalama
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/6 p. 4-7

Inona no Nitranga Tamin’ny Fialam-boly?

AHOANA no nahafahan’ny Romana fahiny nihevitra fa fialam-boly ny fialan’ain’olombelona tahaka azy, raha lazaina fa teo amin’ny fara tampon’ny kolontsainy ry zareo? “Tsy misy azo anazavana izany afa-tsy ny hoe noho ny faniriana miredareda zava-manaitaitra vaovao sy mahery kokoa”, hoy ny nosoratan’i Gerhard Uhlhorn, ao amin’ny The Conflict of Christianity With Heathenism. “Efa leon’izay rehetra nety nitondra fahafinaretana ny olona, ka nitady (...) zavatra nampientanentana izay tsy hitan’izy ireo intsony tany an-toeran-kafa.”

Olona maro amin’izao andro izao no maneho “faniriana miredareda zava-manaitaitra vaovao sy mahery kokoa” mitovy amin’izany. Marina aloha fa mety tsy ho vory lanona mba hijery fandripahana olona na fanaranam-po amin’ny filan’ny nofo ara-bakiteny izy ireo, kanefa ny fialam-boly fidiny dia mampiharihary fa adalan-kerisetra sy ny momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy toy izany koa izy ireo. Diniho ange ireto ohatra sasany ireto e!

Sarimihetsika. Tato anatin’ireo taona faramparany, ireo mpanao sarimihetsika dia nampiseho fa “tia kokoa zava-betaveta” izy ireo, hoy ny filazan’i Michael Medved, mpitsikera sarimihetsika. “Ny votoatin-kevitra eo amin’ny sehatry ny sarimihetsika”, hoy ny teny nanampiny, “dia toa hoe: Ny sary maneho halozana sy hadalana dia mendrika ny hoheverina ho zava-dehibe kokoa sy [mendrika] fanajana bebe kokoa sy mandeha ho azy, raha oharina amin’izay mety ho fiezahana hampita fahambonian-toetra na hatsaram-po.”

Ny fifaninanana amin’ny televiziona dia nanery an’ireo mpanao sarimihetsika hanao saika izay rehetra azony atao mba hisarihana ny olona ho amin’ny sinema. “Mila sary manaitra izahay, [sary] mahasarika, miavaka amin’ny fandaharana rehetra hitan’ny olona ao amin’ny televiziona”, hoy ny mpitari-draharahan’ny studio iray fanaovana sarimihetsika. “Tsy hoe toy ny manokan-tena ho an’ny ‘gidragidra’ feno fandatsahan-dra sy ny teny [ratsy] akory izahay, saingy izany no ilaina amin’izao andro izao mba hamoahana sarimihetsika iray.” Eny tokoa, olona maro no tsy tafintohina intsony, na dia amin’ny herisetra faran’izay mibaribary ao amin’ny sarimihetsika aza. “Mihamanjary tsy mihontsina amin’izany ny olona”, hoy i Alan J. Pakula, talen’ny sarimihetsika iray. “Nitombo avo efatra heny ny isan’ny olona maty, mihamitombo izaitsizy ny herin’ny fipoahana, kanefa dia manjary tsy miraika amin’izany izy ireo. Lasa tsy nety afa-po tamin’ny fitadiavana zava-manaitaitra feno herisetra izy ireo.”

Televiziona. Fahita ankehitriny any amin’ny faritra maro amin’izao tontolo izao, anisan’izany i Brezila sy i Eoropa ary i Japon, ny firaisana aseho mibaribary ao amin’ny televiziona. Ny mpijery televiziona araka ny antonona, any Amerika, dia tojo sary na resaka momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy in-14 000 eo ho eo, ao anatin’ny taona iray monja. “Tsy hita soritra hoe hihena ny fitomboana eo amin’ny foto-kevitra momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, mbamin’ny fampisehoana izany amin’ny fomba mibaribary”, hoy ny tatitra nataon’ny ekipa iray mpanao fikarohana. “Ireo foto-dresaka fady taloha, toy ny firaisana amin’ny havana akaiky, ny fahafinaretana mampijaly ny hafa na ny tena, ny firaisana amin’ny biby, dia nanjary fomba hahazoan-tombony be dia be tokoa amin’ny fotoana mahabe mpijery indrindra ny televiziona.”

Araka ilay boky hoe Watching America (Fijerena An’i Amerika), dia misy antony mahatonga ilay hadalana amin’ny fanaovana gaboraraka ao amin’ny televiziona. Hoy ny fanambaran’izy io: “Ahitan-tombony ny [fampisehoana] firaisana. (...) Arakaraka ny nahitan’ireo chaînes sy ireo kompania mpamokatra fandaharana fa nahafinaritra mpijery betsaka kokoa izy ireo, fa tsy hoe nanafintohina azy, dia nampitomboiny tsikelikely ny fahafahany hampandeha ireo zavatra novokariny, tamin’ny namelany ny haniratsirana zava-pady bebe kokoa hatrany tamin’ny fomba nihanibaribary.”

Kilalao vidéo. Ilay vanim-potoana tsy dia nisy tsininy, nivoahan’ny Pac-Man sy ny Donkey Kong, dia nodimbasan’ny vanim-potoana vaovao iray izay isian’ny kilalao mampiseho fahafinaretana mampijaly ny hafa amin’ny fomba mampihorohoro. Lazalazain’ny Profesora Marsha Kinder ho “ratsy kokoa noho ny tele na ny sarimihetsika” ireny kilalao ireny. Izy ireny dia mampita “ilay hafatra hoe amin’ny alalan’ny herisetra no hany fomba hahazoana ny laka”.

Noho ny fanahian’ny besinimaro, ny mpanamboatra kilalao vidéo lehibe iray any Etazonia dia mampiasa fomba fanasokajiana ireo kilalao vidéo vokariny, ankehitriny. Ny marika hoe “MA-17” — manondro fa tsy sahaza ho an’ny latsaka ny 17 taona ilay kilalao “matotra” — dia mety hisy herisetra mahery vaika, foto-kevitra momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy, ary teny vetaveta. Kanefa, matahotra ny sasany sao tsy hanao afa-tsy ny hampitombo ny fanintonan’ny kilalao iray ny fanasokajiana azy hoe “matotra”. “Raha 15 taona aho no mahita marika hoe MA-17”, hoy ny tanora iray mpankafy kilalao vidéo, “dia hataoko izay hahazoana an’io kilalao io na ahoana na ahoana.”

Mozika. Milaza ny gazetiboky iray izay mandinika akaiky ny zavatra raketin’ny mozika tiam-bahoaka fa tamin’ny faran’ny 1995, dia 10 monja tamin’ny albums Top 40 no tsy nisy teny vetaveta na firesahana momba ny zava-mahadomelina, ny herisetra na ny maha-lahy sy ny maha-vavy. “Faran’izay manafintohina ny mozika mety ho azon’ireo ankizy mbola tsy zatovo akory, ka maro amin’izany mozika izany no mandala ny tsy finoana na inona na inona tsotra izao”, hoy ny tatitra nataon’ny St. Louis Post-Dispatch. “Ny [mozika] manintona tanora sasany dia feno fahatezerana sy famoizam-po ary mamelona fihetseham-po hoe ho ratsy fiafara izao tontolo izao sy ny tenan’ilay mpihaino.”

Toa anaranam-po amin’ny herisetra ny death metal sy ny rock “grunge” ary ny rap “gangsta”. Ary araka ny tatitra iray nataon’ny San Francisco Chronicle, dia “talen’ny indostria [momba ny fialam-boly] maro no manambara mialoha fa eo an-dalan’ny ho sangany ireo tarika mampahatahotra indrindra”. Ny hira fiderana ny fahatezerana sy ny fahafatesana dia nanjary tiam-bahoaka ankehitriny any Aostralia sy i Eoropa ary i Japon. Marina aloha fa misy tarika sasany niezaka hifidy votoatin-kevitra tsara kokoa. Na dia izany aza, dia manamarika toy izao ny Chronicle: “Toa tondroin’ny porofo fa tsy be mpividy loatra ny [mozika] madio.”

Ordinatera. Fitaovana sarobidy azo ampiasaina amin’ny fomba maro mampandroso izy ireny. Kanefa, nampiasain’ny sasany koa hanelezana zavatra vetaveta izy ireny. Ohatra, manao tatitra ny gazetiboky Maclean’s fa tafiditra amin’izany “ny sary sy soratra mahakasika ny zava-drehetra, manomboka amin’ny fimatimatesana hafahafa amin’ny fivarotan-tena ka hatramin’ny fanaovana firaisana amin’ankizy — zavatra hampisy fikorontanana eo amin’ny olon-dehibe maro, ka mainka moa fa ny zanany.”

Zavatra vakina. Boky maro tiam-bahoaka no heniky ny momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy ary ny herisetra. Ny lamaody iray vao haingana any Etazonia sy Kanada, dia izay nantsoina hoe “shock fiction” — tantara mampihorohoro izaitsizy, ka na ankizy vao valo taona aza dia efa ataony lasibatra. Milaza i Diana West, izay nanoratra tao amin’ny New York Teacher, fa ireny boky ireny dia “mahatonga ny ankizy kely ho tsy miraika sy manakantsakana ny fivelaran’ny sainy raha mbola tsy manomboka akory [izany fivelarana izany]”.

Bandes dessinées maro, avoaka any Hong-Kong sy Japon ary Etazonia, no manasongadina “foto-kevitra momba ny ady mahery vaika sy feno habibiana, ny fihinanana olona, ny fanapahan-doha, ny satanisma, ny fametavetana vehivavy, sy ny teny vetaveta”, hoy ny tatitra nataon’ny fandinihana iray nataon’ny Firaisan-dinam-pirenena Miady Amin’ny Herisetra ao Amin’ny Televiziona (NCTV). “Manafintohina ny hamafin’ny herisetra sy ny hevitra mikororosy momba ny maha-lahy sy ny maha-vavy ao amin’ireny gazetiboky ireny”, hoy ny Dr. Thomas Radecki, talen’ny fikarohana ao amin’ny NCTV. “Izany dia mampiseho ny fomba namelantsika ny tenantsika hanjary ho tsy miraika.”

Ny ilana fitandremana

Mazava fa eo amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia misy ny fahalianana amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy ary ny herisetra, ary hita taratra izany eo amin’ny indostrian’ny fialam-boly. Ilay tarehin-javatra dia mitovy tsy misy valaka amin’izay nolazalazain’i Paoly, apostoly kristiana, manao hoe: “Olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana.” (Efesiana 4:19). Noho ny antony tsara no itadiavan’ny olona maro amin’izao andro izao zavatra tsara kokoa. Mitady izany ve ianao? Raha eny, dia ho faly ianao hahalala fa azonao atao ny mahita fialam-boly mahasoa, araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka.

[Efajoro/Sary, pejy 5]

Afaka ny Hampidi-doza ny Televiziona

TANY amin’ilay foara niraisam-pirenena tamin’ny 1939, tany New York, no naseho vahoaka voalohany tany Etazonia ny televiziona. Ny mpanao gazety iray tonga tao dia naneho ny fisalasalany momba ny hoavin’io fitaovana vaovao io. “Ny olana amin’ny televiziona”, hoy ny nosoratany, “dia ny hoe tsy maintsy mipetraka sy mampifantoka ny masony amin’ny écran ny olona; tsy hanam-potoana amin’io ny fianakaviana amerikana tsotsotra.”

Diso hevitra izy! Eny tokoa, voalaza fa amin’ny fotoana ahazoan’ny Amerikana tsotsotra ny diplaomany any an-tsekoly, dia ho efa nanan-tombo 50 isan-jato ny fotoana nolaniny teo anoloan’ny televiziona, raha oharina amin’ny fotoana nolaniny teo anoloan’ny mpampianatra. “Ny ankizy fatra-pijery televiziona dia tia setrasetra kokoa, mifantoka kokoa amin’ny lafy ratsin-javatra, be lanja kokoa, tsy mahita hevitra firy, tsy mahay miombom-pihetseham-po firy amin’ny hafa, ary mpianatra tsy dia mahay loatra raha oharina amin’ireo tsy dia mijery televiziona firy”, hoy ny Pr. Madeline Levine, ao amin’ilay bokiny hoe Viewing Violence (Fijerena Herisetra).

Ny toroheviny? “Ilaina ny hampianarana ny ankizy fa ny televiziona, tsy misy hafa amin’ny fitaovana hafa rehetra ao an-trano, dia manana anjara asa voafaritra iray. Tsy avelantsika handeha eo foana akory ny fitaovana fanamainam-bolo rehefa maina ny volontsika, na ny [lafaoro] rehefa vita ny mofo. Takatsika ny fomba voafaritra tsara fampiasana ireny fitaovana ireny ary fantatsika ny fotoana hamonoana azy. Ilain’ny zanatsika ny hampianarina toy izany koa ny amin’ny televiziona.”

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Fialam-boly Manerana Izao Tontolo Izao

Nangataka ireo masoivohony avy tamin’ny faritra maro samihafa eto amin’izao tontolo izao ny Mifohaza! mba hilazalaza ny fironana misy eo amin’ny fialam-boly any amin’ny toerana misy azy ireo. Izao manaraka izao ny sasany tamin’ny tenin’izy ireo.

Brezila: “Mikororosy hatrany ny fandaharana ao amin’ny televiziona. Kanefa, satria ray aman-dreny maro no miasa any ivelan’ny tokantrano, dia matetika ny ankizy no avela hampiala voly ny tenany amin’ny televiziona. Tiam-bahoaka ny CD-ROM miompana amin’ny asan’ny maizina sy ny kilalao vidéo manasongadina herisetra feno habibiana.”

République tchèque: “Nanomboka tamin’ny nianjeran’ny Komonisma, itỳ firenena itỳ dia heniky ny fialam-boly izay mbola tsy hitany mihitsy teo aloha, anisan’izany ny fandaharana ao amin’ny televiziona avy any amin’ny Tandrefana sy ny toeram-pivarotana sary vetaveta. Matetika no mankany amin’ny boîte de nuit sy toeram-pilalaovana billard ary trano fisotroan-toaka, ny tanora. Matetika no mampihatra fitaomana mahery eo amin’izy ireny ny dokam-barotra tafahoatra ny mety sy ny faneren’ny mitovy taona aminy.”

Alemaina: “Mampalahelo fa ray aman-dreny maro no reraka loatra ka tsy mahavita mandamina fialam-boly ho an’ny zanany, hany ka matetika ireo tanora no miankina amin’izy samy izy mba hahitana fotoana mahafinaritra. Ny sasany moa dia mitokantokana amin’ny kilalao amin’ny ordinatera. Ny hafa dia mamonjy alim-pandihizana antsoina hoe raves, izay ielezan’ny zava-mahadomelina.”

Japon: “Bandes dessinées no fanalana andro tian’ny tanora sy ny olon-dehibe indrindra, saingy matetika izy ireny no feno herisetra sy fahalotoam-pitondran-tena ary teny ratsy. Fahita koa ny filokana. Ny fironana mampikorontan-tsaina hafa iray dia ny fisian’ny tovovavy sasany miantso an-telefaonina ireo telephone clubs anaovana dokam-barotra hatraiza hatraiza. Mikarakara izay ilain’ny lehilahy manan-java-kendrena feno fahalotoam-pitondran-tena ireny clubs ireny. Ny tovovavy sasany moa dia miantso fotsiny ho fanalana andro, fa ny hafa kosa dia nanjary ‘nampiaraka’ mba hahazoam-bola, ka izany dia mitarika ho amin’ny fivarotan-tena amin’ny toe-javatra sasany.”

Nizeria: “Miely patrana manerana an’i Afrika Andrefana ireo trano fandefasana vidéo tsy ara-dalàna. Ireny trano tsizarizary ireny dia misokatra ho an’ny olona na firy taona na firy taona, anisan’izany ny ankizy. Vidéo feno sary vetaveta sy mampihorohoro no fandefa tsy tapaka. Fanampin’izany, ireo sarimihetsika vokarina eo an-toerana, alefa ao amin’ny televiziona, dia mazàna no manasongadina spiritisma.”

Afrika Atsimo: “Miroborobo eto ny alim-pandihizana, ary matetika no ahazoana mora foana zava-mahadomelina any amin’izy ireny.”

Soeda: “Mandroso be ireo trano fisotroan-toaka sy boîtes de nuit eto Soeda, ary matetika no mirohotra mankany amin’ny toerana toy izany ireo mpanao heloka bevava sy mpanao varo-maizina zava-mahadomelina. Ny fialam-boly atolotry ny televiziona sy ny vidéo dia feno herisetra sy spiritisma ary fahalotoam-pitondran-tena.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara