Hanoanana Ara-panahy any Romania
NILAZA ny tatitra iray nataon’ny Associated Press avy tany Brasov, Romania, fa tokony ho ny 90 isan-jaton’ireo olona 23 tapitrisa any Romania no mpikambana ao amin’ny Eglizy Ortodoksa, izay nomen-dalana hiasa teo ambany fanapahana komonista. Kanefa, nomarihin’ny Daily Record any Canon City, Colorado, Etazonia, fa olona maro ankehitriny no mahita fa nandiso fanantenana ny eglizy. Nitondra izao matoan-dahatsoratra izao izy io: “Hitan’ny Romaniana fa Tsy Misy Ifandraisany Amin’ny Fiainana Andavanandro ny Eglizy Ortodoksa”.
“Nanonona tsy fahampiam-pitokiana amin’ireo mpitondra ao amin’ny eglizy i Alexandru Paleologu, mpanoratra sady filozofa”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety tamin’ny Oktobra lasa teo, “ary nilaza fa nanjary nisafotofoto ny fomba fanaon’ilay fivavahana sy ny maha-izy azy fototra. Ohatra, manao ny mariky ny lakroa ny olona ary mifady hanina amin’ny fotoana mety. Miely patrana anefa ny fanalana zaza, izay heverin’ny eglizy fa fahotana.”
Nomarihin’ny Daily Record fa maro no tonga Vavolombelon’i Jehovah, ary notononiny ny vokatry ny fandaharam-pampianarana Baiboly nataon’ny Vavolombelona teo amin’ny fianakaviana iray: “Nisotro toaka be sady namono azy ny vadin’i Florentina Petrisor, hoy izy. Noho izy mivady tonga Vavolombelon’i Jehovah anefa, dia mirindra ny fiainam-pianakaviany.”
Araka ilay tatitra, i Florentina, 38 taona, mpanjaitra, dia “nandao ny eglizy ortodoksa satria tsy nisy ny fampianaran’ny pastora ary niahy fatratra ny zavatra ara-nofo ny pretra eo an-toerana”. Hoy ny fanazavan’ilay gazety: “Rehefa maty ny rafozan-dahiny, dia nilaza i Petrisor fa voatery nandoa vola tamin’ilay pretra sy nanome hanina azy aloha ny fianakaviany mba hahazoana fotoam-pivavahana tsara dia tsara tamin’ny fandevenana, ary taorian’izay vao afaka nanome hanina ny zanany izy. ‘Nihevitra aho fa tsy rariny izany’, hoy izy.”
Mikasika ny ezaka manokana nataon’ny eglizy mba hampielezana fanazavana diso momba ny Vavolombelona, dia hoy ny nomarihin’ny Daily Record: “Any Romania, ny eglizy ortodoksa, izay nahazo hery indray, dia nanampy mba hitarika ny fitondram-panjakana hamindra ny fivoriambe irain’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’itỳ fahavaratra itỳ hiala avy tao Bucarest, renivohitra, ho any Brasov sy Cluj, tanàna any amin’ny faritr’i Transylvanie.”
Nilaza ny amin’ny ezaka manokana nataon’ny eglizy mba hitaomana ny fitondram-panjakana hanafoana ilay fivoriambe niraisam-pirenena tokony ho natao tao Bucarest tamin’ny Jolay 1996, ny Mifohaza! tamin’ny 8 Martsa 1997. Azonao vakina ao amin’io gazety io ny fomba nandaminana haingana fivoriambe hafa tany Cluj-Napoca sy Brasov sy ny nanatrehan’ny olona 34 866 tamin’ny fitambarany an’izany. Niavaka ny fampahafantarana ny olona naneran-tany vokatr’izany. “Izay noheverin’ny Eglizy Ortodoksan’i Romania fa hanakana anay dia nivadika ho fampandrosoana ny vaovao tsara raha ny marina”, hoy ny nomarihin’ny lehilahy iray solontenan’ny Vavolombelona.
[Sary, pejy 31]
Mpanatrika nihira tany amin’ilay fivoriambe tany Brasov