FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/5 p. 32
  • Ny Mifohaza! no Nilaza Azy Io Tamin’ny 1990

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Mifohaza! no Nilaza Azy Io Tamin’ny 1990
  • Mifohaza!—1997
Mifohaza!—1997
g97 8/5 p. 32

Ny Mifohaza! no Nilaza Azy Io Tamin’ny 1990

TSY ela akory izay, ny fielezan’ny “maladie de la vache folle” dia niteraka fahatairana lehibe tany Eoropa. Natahotra ny maro hoe mety hifindra amin’ny olombelona ilay aretina. Nino koa ny sasany fa misy fifandraisana eo amin’ny fihinanana ny henan’ireo biby narary sy ny fitomboan’ny aretina Creutzfeldt-Jakob, aretina mihombo tsikelikely sy tsy maintsy mahafaty, izay mahavoa ny rafi-pitatitra foiben’ny olombelona. Tsy mahagaga raha nihena be dia be ny fihinanana henan’omby, rehefa niely ny vaovao momba ny aretina “vache folle”.

Mahaliana fa nanoratra toy izao tao amin’ny nomerao tamin’ny May 1996 tamin’ilay gazety italiana mivoaka ara-potoana hoe TuttoReggio i Stefania Ferrari: “Nahita gazety iray izay efa nilaza momba an’io loza mahatsiravina io izahay tamin’ny 1990 — Ny Mifohaza! avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izany.” Ilay lahatsoratra nasiany firesahana dia nitondra ny lohateny hoe “ ‘Vaches folles’ britanniques: Le dilemme” ary niseho tao amin’ny nomerao tamin’ny 8 Novambra 1990 (frantsay). Rehefa avy nanonona ireo fehintsoratra efatra fanokafana i Ferrari, dia naneho ny fahagagany noho io lahatsoratra io niseho “enin-taona talohan’ny nitondrana ilay raharaha manontolo ho fantatry ny sarambabem-bahoaka maneran-tany”. Nanohy ny teniny toy izao izy: “Rehefa nahita an’io lahatsoratra tamin’ny 1990 io, izay nitantara fanazavana araka ny toetr’andro nefa sarotra ninoana aoka izany ny olona sasany, dia nilaza toy izao: ‘Raha fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah io raharaha lehibe io, nahoana izany no tsy nentin’izy ireo teo amin’ny rehetra, na dia teo amin’ireo tsy anisan’ny kongregasionany aza?’ Aoka isika hilaza ny marina: Raha nisy Vavolombelon’i Jehovah nandondòna tao amin’ny varavarantsika tamin’ny taona 1990, ka nampiseho ny Baiboly sy io lahatsoratra navoaka tao amin’ny gazetiny io tamintsika, firy amintsika izay manaraka fivavahana hafa, no ho nihevitra azy io ho zava-dehibe?”

Tamin’ny 1990, rehefa navoaka ilay lahatsoratra hoe “ ‘Vaches folles’ britanniques: Le dilemme”, dia Mifohaza! efa ho 12 tapitrisa no natonta tamin’ny fiteny 62. Be zavatra natao ireo Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fanelezana an’io gazety tonga amin’ny fotoana ilana azy io, tany amin’ny tany 200 mahery maneran-tany. Amin’izao andro izao, dia Mifohaza! 18 350 000 no atonta amin’ny fiteny 82. Io gazety io dia manohy mamoaka lahatsoratra manita-tsaina sy araka ny toetr’andro. Raha tianao ny hahazo an’ireo nomerao manaraka amin’ny Mifohaza!, dia miresaha, aza fady, amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana na manorata amin’ny adiresy akaiky anao indrindra voalaza ao amin’ny pejy faha-5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara