Ny Fiheveran’ny Baiboly
Ny Tari-dalan’iza no Azonao Itokiana?
“ANDEHA amin’izay isika!”, hoy ny ambaran’ilay ray amin’ilay zanany lahy dimy taona. Manolotra ny tanany ilay ray, ary tsy misalasala ilay zanany lahy manakatra azy io ka mamihina amin’ny tanan-keliny ny rantsantanan’ny rainy. Na aiza na aiza mety haleha, dia mitoky amin’ny tari-dalan’ny rainy ilay zaza ka manaraka amim-patokiana. Na inon-kidona na inon-kihatra, dia tsy miova ny famikirana mafin’ilay zaza.
Noho isika miaina amin’izao andron’ny tsy fananana antoka ara-bola sy ara-politika ary ny fisalasalan’ny tsirairay izao, moa ve ianao tsy handray an-tanan-droa ny tanana iray mitari-dalana, avy amin’ny loharano iray azonao itokiana tsy amim-pisalasalana? Kanefa, miaina amin’ny fotoana izay anararaotan’ny olona maty eritreritra an’ireo tsy ampy fanandraman-javatra isika. Noho izany, dia misy antony tsara tokony hitandremana raha ny amin’ny olona itokiantsika. Angamba ianao efa diso fanantenana tanteraka tamin’ny lasa, rehefa nisy olona nianteheranao mba hitari-dalana anao kanefa nandiso fanantenana anao.
Na dia izany aza, dia mampirisika antsika ny Baiboly mba hametraka ny fitokiantsika amin’Andriamanitra. “Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tànanao ankavanana, dia Ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao”, hoy ny noraketin’i Isaia mpaminany an-tsoratra. (Isaia 41:13). Ary nanome torohevitra toy izao ny apostoly Petera: “Koa amin’izany manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” — 1 Petera 5:6, 7.
Na dia izany aza, dia ara-drariny raha mety hanontany ianao hoe: ‘Inona no antony ananako mba hametrahako ny fitokiako amin’Andriamanitra mba hitari-dalana ahy?’ Hita ao amin’ny firaketana an-tsoratra momba ireo Isiraelita fahiny ireto antony marim-pototra manaraka ireto.
Nitarika ny olony ny tanan’Andriamanitra
Nandrava ny fahatapahan-kevitr’i Farao mpitondra tsy refesi-mandidy, izay nampanao asa an-tery vozona, sy ny an’ireo Egyptiana, ireo fitohitohizan’ny fisehoan-javatra nahatratra ny fara tampony tamin’ny alin’ny 14 Nisana 1513 al.f.i., hany ka namotsotra ny vahoakan’Andriamanitra, dia ny Isiraelita, tamin’ny fanandevozana izy ireo. (Eksodosy 1:11-13; 12:29-32). Tamin’ny 15 Nisana, dia nitodi-doha nankany an’efitra ny firenen’ny Isiraely ravoravo, teny an-dalana ho any amin’ny Tany Nampanantenaina. Ny lalana nivantana indrindra dia tany avaratr’i Memfisa, nanaraka ny moron-dranomasin’i Mediterane, nanakaiky ny tany nipetrahan’ireo Filistina natahorana, ary dia niditra ny Tany Nampanantenaina. Kanefa, lalana hafa no tao an-tsain’Andriamanitra. — Eksodosy 13:17, 18; Nomery 33:1-6.
Nanome mpitari-dalana hita maso, izay niseho tamin’ny endriky ny andry rahona nandritra ny andro ary andry afo nandritra ny alina, ho an’ny firenen’ny Isiraely fahiny Andriamanitra. (Eksodosy 13:21, 22). Niaraka tamin’io fisehoan-javatra nahagaga io, i Jehovah dia nampiasa an’i Mosesy, lehilahy nahatoky, ho solontenany teto an-tany. (Eksodosy 4:28-31). Nisy àry ny porofo tsy azo nolavina fa nitari-dalana an’ireo Isiraelita ny tanan’Andriamanitra.
Tao Etama, toeram-pitobiany faharoa, “teo an-tsisin’ny efitra”, dia nandidy an’i Mosesy mba hivily ka hitoby teo amin’ny moron’ny Ranomasina Mena, tao Pi-hahirota, i Jehovah. (Eksodosy 13:20). Nahatonga an’i Farao hanatsoaka hevitra io fifindrana toa tsy azo nohazavaina io fa “azon’ny tamberintany” ny Isiraelita. Nihanahazo herim-po i Farao ka niova hevitra. Tapa-kevitra izy izao ny hanandevo indray ny Isiraelita, ka nanangona ny tafiny izy ary niainga mba hanenjika. — Eksodosy 14:1-9.
Tamin’ny nitondrany ilay firenena ho any amin’ny lalan-kafa, ho eo amin’izay niharihary fa tany lemaka iva nidina ho any amin’ny Ranomasina Mena, i Mosesy dia toa nametraka an’ireo Isiraelita teo amin’ny toerana hahatonga azy ireo ho voafandrik’ireo tendrombohitra teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay toby tao Pi-hahirota sy ny Ranomasina Mena ary ny tafik’i Farao nihanandroso. Toa nanjary lasibatry ny fampanekena na ny fandripahana vetivety mora foana ny Isiraelita.
Inona no vokatr’izany teo amin’izy ireo? Haneho fitokiana amin’ny tari-dalan’i Jehovah ve izy ireo? Raha jerena amin’izao, dia tsy nisy fanantenana ilay tarehin-javatra. Noho izany, dia nanjary nisahotaka ny sasany. Ny hafa koa nanomboka nimonomonona tamin’i Mosesy. Ny sasany aza vonona ny hilavo lefona ka hiverina ho amin’ny fanandevozan’ny Egyptiana! — Eksodosy 14:10-12.
Mifikira mafy amin’ny tanan’Andriamanitra!
Tao amin’io tarehin-javatra io, dia nila naneho fitokiana toy ny an’ny zaza, tamin’ny Tsitoha, ny Isiraelita. Tsy fantatr’ilay firenena tamin’ny fitambarany fa nanana antony tsara nanoroana hevitra an’i Mosesy hita ny Ranomasina Mena tao Pi-hahirota, i Jehovah. Tamin’ny nanombohana ny dian’ny Isiraelita ho any amin’ny Tany Nampanantenaina teo atsimon’ny tanin’ny Filistina, dia nampiseho fahaiza-mahataka-javatra feno fitiavana i Jehovah. Taorian’ny nitoeran’ny Isiraelita 215 taona tany Egypta, dia tsy nisalasalana firy fa tsy voaomana hiady tamin’ny firenena iray nanana mpiady lozabe izy ireo. Noho izany, dia nifantina lalana iray izay hanalavirana ady toy izany i Jehovah.a — Eksodosy 13:17, 18.
Manome porofo mahatalanjona ny amin’ny hery mahavonjin’Andriamanitra ny fanafahana ilay firenena sy ny faharesen’i Farao sy ny tafiny teo amin’ny Ranomasina Mena. Ankoatra izany, dia velom-pisaorana toy inona moa ireo Isiraelita izay tsy namela ny tanan’Andriamanitra, na dia tsy takany aza ny antony nitarihan’Andriamanitra azy ireo tamin’ny fomba niavaka iray! Nifikitra mafy izy ireo ka nahita ilay fampisarahana tamin’ny fomba mahagaga ny Ranomasina Mena ary koa ny fandripahana ireo fahavalony. Novalian-tsoa ny fitokiany tamin’ny tari-dalan’i Jehovah. — Eksodosy 14:19-31.
Andeha hodinihintsika indray ilay ohatra ny amin’ny zaza iray mihazona ny tanan-drainy. Rehefa manjary manahy ny zaza iray, ahoana no ataony? Tsy manala na manalefaka ny famikirany izy, fa vao mainka hanamafy ny famikiran’ny tanan-keliny ny rantsantanan’ny rainy. Amin’ny fanaovana izany, dia mampiseho fitokiana tsy mihozongozona izy fa hanome tari-dalana sy tanjaka tsy mety lefy ilay rainy mandritra ireo fotoan-tsarotra.
Toy izany koa, rehefa mandia fahoriana isika eo amin’ny fiainantsika, dia mila manamafy ny famikirantsika, ka vao mainka mitoky bebe kokoa amin’ny tari-dalan’Andriamanitra! Afaka ny ho tonga fahazavana mitari-dalana antsika ny Teniny, ny Baiboly. (Salamo 119:105). Afa-tsy izany koa, dia tadidio fa miaraka amin’ny fitokiana ny faharetana. Noho izany, dia tsy maintsy manome fotoana ho an’i Jehovah isika mba hamahany ireo olana, na dia mety tsy ho takatsika amin’ny fomba feno aza, mandritra ny fe-potoana sasany, ny antony itarihany antsika amin’ny lalana iray. Eny, afaka mitoky amin’ny tari-dalan’Andriamanitra isika. — Eksodosy 15:2, 6; Deoteronomia 13:5; Isaia 41:13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana misimisy momba an’i Pi-hahirota, dia jereo ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, pejy 1190-1191, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.