FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/11 p. 18-20
  • Nahoana Andriamanitra no Mamela Ireo Zava-dratsy Hitranga?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Andriamanitra no Mamela Ireo Zava-dratsy Hitranga?
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy avy amin’Andriamanitra ny zava-dratsy
  • Ny famelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy
  • Raharaha iray mahakasika anao
  • Jehovah — Andriamanitra be fitiavana izay mikarakara
  • Nahoana moa Andriamanitra no namela ny zava-dratsy hisy hatramin’izao androntsika izao?
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Nahoana Andriamanitra no Mamela ny Fijaliana Hisy?
    Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Nahoana no Mbola Manjaka ny Faharatsiana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Nahoana Isika no Mijaly?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/11 p. 18-20

Manontany ny Tanora Hoe...

Nahoana Andriamanitra no Mamela Ireo Zava-dratsy Hitranga?

VAO herotrerony i Lidija fony nipoaka ny ady tao amin’ny tanindrazany — ilay tany fantatra taloha hoe Iogoslavia. “Nandany andro sy alina maro tao amin’ny toeram-pialofana maizina iray aho”, hoy ny tsaroany. “Matetika aho no nalaim-panahy hihazakazaka teny ivelany, na dia nidika ho fahafatesana aza izany! Talohan’ilay ady, dia nanana ny zava-drehetra nirinao ianao, kanefa izao ny naha-velona anao fotsiny dia efa nahafaly anao.”

Tsy ela dia nisy fiantraikany teo amin’ny Lidija tamin’ny lafiny ara-panahy ireo fihenjanana nentin’ny ady. Hoy izy: “Tsy afaka nandeha teny amin’ny asa fitoriana na nankany amin’ny fivoriana nandritra ny herinandro maro izahay. Tena nihevitra aho fa tsy nanisy fiheverana firy anay i Jehovah. Nanontany tena aho hoe: ‘Nahoana izy no tsy manampy anay amin’izao fotoana izao?’ ”

Ady, heloka bevava, herisetra, aretina, loza, voina — afaka manjo ny tanora koa ny zava-dratsy toy ireo. Ary rehefa mamely ny tena ny loza, dia ara-dalàna raha mety hanontany tena ianao hoe: ‘Nahoana Andriamanitra no mamela ireo zava-dratsy ireo hitranga?’

Nametraka fanontaniana toy izany ny olon’Andriamanitra tamin’ny andro lasa. Rehefa nahita ny toe-draharaha nanafintohina nisy teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, ohatra, ny mpaminany Habakoka, dia nitaraina toy izao izy: “Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany. Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho, ary mijery fahoriana Hianao?” (Habakoka 1:2, 3). Amin’izao andro izao, ny tanora kristiana sasany dia mahatsapa fahoriana ara-pihetseham-po mitovy amin’izany.

Diniho izay tsapan’ny Kristiana tanora iray taorian’ny nahafatesan-drainy tamin’ny fomba tsy nampoizina. Hoy izy: “Lasa adaladala aho, nikiakiaka teo am-baravarankely, sady niantsoantso an’i Jehovah Andriamanitra. (...) Nanome tsiny azy noho ny zava-drehetra aho. Ahoana no nety nitrangan’izao? Ray tsara fanahy be sady vady be fitiavana i Dada, ary anefa dia izao no mitranga — tsy miahy ve i Jehovah e?” Ao anatin’ny tarehin-javatra tahaka izany, dia ara-dalàna tsotra izao ny ahatsapana fisafotofotoan-tsaina, ratram-po, na fahatezerana mihitsy aza. Tadidio fa sahiran-tsaina koa i Habakoka, mpaminany nahatoky, satria navela hisy ny faharatsiana. Na dia izany aza, raha manohy manolokolo lonilony ny olona iray, dia misy ny loza. Mety hanjary ‘ho sosotra amin’i Jehovah’ izy. — Ohabolana 19:3.

Ahoana àry no ahafahanao manalavitra ny ho resin’ny fahatsapana fahatezerana sy lonilony? Voalohany aloha, dia tsy maintsy takatrao hoe avy aiza ny faharatsiana.

Tsy avy amin’Andriamanitra ny zava-dratsy

Asehon’ny Baiboly mazava fa tsy nikendry mihitsy ny hijaliantsika toy izao Andriamanitra. Nametraka ny mpivady voalohany tao amin’ny fonenana paradisa izay tsy nisy fanaintainana sy fijaliana izy. (Genesisy 1:28). Tsy isalasalana fa fantatrao tsara ny fomba nivadihan’ny toe-javatra ho ratsy: Nisy zavaboary ara-panahy iray tsy hita maso, izay nanjary fantatra hoe Devoly sy Satana, nitaona an’i Adama sy i Eva tsy hankato an’Andriamanitra. (Genesisy, toko faha-3; Apokalypsy 12:9). Tamin’ny nanaovany izany, i Adama dia nanolotra ny taranany rehetra ho amin’ny ota sy ireo vokany mandrava. — Romana 5:12.

Mazava fa tsy Andriamanitra no nitondra ny faharatsiana teo amin’ny olombelona, fa ny olona ihany. (Deoteronomia 32:5; Mpitoriteny 7:29). Eny tokoa, vokatry ny tsy nankatoavan’i Adama an-tsitrapo ny zava-dratsy rehetra mahazo ny olona amin’izao andro izao — ny aretina, ny fahafatesana, ny ady, ny tsy rariny. Ankoatra izany, isika rehetra dia iharan’izay antsoin’ny Baiboly hoe “ny fotoana sy ny sampona”. (Mpitoriteny 9:11). Na ny ratsy fanahy na ny olona marina dia samy iharan’ny voina sy ny loza feno hasomparana.

Ny famelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy

Na dia mampionona aza ny mahafantatra fa tsy Andriamanitra no loharanon’ny faharatsiana, dia mety hanontany tena ihany ianao hoe: ‘Nahoana izy no mamela ny faharatsiana hitohy?’ Eto indray, dia miverina amin’ireo raharaha napoitra tao Edena izany. Nilaza tamin’i Adama Andriamanitra fa raha tsy nankato izy, dia ho faty. (Genesisy 2:17). Nilaza tamin’i Eva anefa ny Devoly fa raha nihinana avy tamin’ilay hazo voarara izy, dia tsy ho faty! (Genesisy 3:1-5). Raha ny marina, dia nihevitra an’Andriamanitra ho mpandainga i Satana. Ankoatra izany, dia te hilaza i Satana fa hahita soa kokoa ny olona raha nanao ny fanapahan-keviny manokana sady tsy baikoin’Andriamanitra ny amin’izay tokony hataony!

Tsy afaka ninia tsy nahalala ireo fiampangana ireo Andriamanitra. Efa nahita mpiara-mianatra iray sahy nanohitra ny fahefan’ny mpampianatra iray ve ianao? Raha mamela azy ho afa-maina ilay mpampianatra, dia hanomboka haditra koa ny mpianatra hafa. Toy izany koa, fa ho nipoaka ny fisafotofotoana teo amin’izao rehetra izao, raha tsy niatrika nivantana ilay fihaikan’i Satana i Jehovah. Nanao izany i Jehovah tamin’ny famelana ny olona hanaraka ny fomba nanaovan’i Satana zavatra. Nanjary nanana ilay fahaleovan-tena toy ny an’Andriamanitra izay nampanantenain’i Satana ve ny olona? Tsia. Nitondra fikorontanana lehibe sy fahoriana ny fanapahan’i Satana, ka nanaporofo fa mpandainga lozabe izy!

Hamela ny faharatsiana hitohy mandrakizay ve Andriamanitra? Tsia. Mba handaminana ireo raharaha napoitran’i Satana, tsy ho ela Andriamanitra dia hamarana ny faharatsiana rehetra. (Salamo 37:10). Ahoana anefa no iatrehantsika azy ireny mandra-pahatongan’izany?

Raharaha iray mahakasika anao

Aoka ho takatrao fa, voalohany indrindra, dia mahakasika anao io raharaha eo amin’Andriamanitra sy i Satana io! Amin’ny ahoana izany? Diniho ilay boky ao amin’ny Baiboly nomena ny anaran’i Joba, lehilahy marina. Rehefa nisarika ny saina ho amin’i Joba ho ohatra ny amin’ny mpivavaka nahatoky Andriamanitra, dia namaly toy izao i Satana: “Hivavaka aminao ve i Joba raha tsy mahazo na inona na inona avy amin’izany izy?” (Joba 1:9, Today’s English Version). Eny tokoa, nanantitrantitra i Satana hoe raha avela hampihatra fanerena izy, dia ho afaka hampiodina ny olona na iza na iza tsy hanompo an’Andriamanitra! — Joba 2:4, 5.

Noho izany, dia nanendrikendrika ny olona rehetra matahotra an’Andriamanitra i Satana. Nanendrikendrika anao izy. Kanefa, hoy ny Ohabolana 27:11: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.” Eny, rehefa manompo an’Andriamanitra ianao, na dia eo aza ireo zava-tsarotra mampanaintaina, dia manampy hanaporofo ianao, raha ny marina, fa mpandainga i Satana!

Ekena fa rehefa miatrika zava-dratsy ny tena, dia tsy mora ny mieritreritra momba ireo raharaha tafiditra. Hoy i Diane, izay folo taona monja fony maty ny reniny: “Natahotra aho hoe hanjary ho mafy fo na feno lonilony ny tenako, noho ireo fisedrana teo amin’ny fiainako.” Kanefa, ny fahafantarana ny antony namelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy, dia nanampy azy hanana fomba fijery mety momba ireo olana nahazo azy. Hoy izy ankehitriny: “Na dia eo aza ireo zavatra sarotra atrehina eo amin’ny fiainako, dia nomba ahy foana ny tanan’i Jehovah.”

Mampahatsiahy antsika zava-misy tena lehibe iray i Diane: Tsy antenain’i Jehovah ny hiatrehantsika an’ireny fanerena ireny amin’ny herintsika manokana. Manome toky antsika toy izao ny Salamo 55:22: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” Hitan’i Kotoyo tanora fa marina izany. Niatrika loza izy fony maty tamin’ilay horohoron-tany tamin’ny 1995 izay namely an’i Kobe, any Japon, ny ray aman-dreniny. Mitondra ny teniny sy ny an’ireo zandriny izy, ka manao hoe: “Koa satria ny reniko nampianatra anay hiantehitra amin’i Jehovah, dia afaka miaritra izahay.”

Ahoana ny amin’i Lidija, ilay tovovavy voalaza terỳ am-piandohana? Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary takany fa tsy nandao azy velively i Jehovah. Hoy izy ankehitriny: “Teo foana i Jehovah mba hanampy anay. Nitarika anay sy nitantana ny dianay izy.”

Jehovah — Andriamanitra be fitiavana izay mikarakara

Ianao koa dia afaka mahatsapa ny fanampiana avy amin’Andriamanitra, rehefa misy zava-dratsy manjo anao. Nahoana? Satria mikarakara anao i Jehovah! Ary na dia mamela ny zava-dratsy hanjo ny olona tsara aza izy, dia manome fampiononana feno fitiavana koa. (2 Korintiana 1:3, 4). Amin’ny alalan’ny kongregasiona kristiana no fomba iray anaovany izany. Ao ianao dia afaka mahita “sakaiza mifikitra mafy kokoa noho ny rahalahy”, sakaiza izay afaka manatanjaka anao rehefa mandalo fotoan-tsarotra ianao. (Ohabolana 18:24, NW ). Izao no tsaroan’i Kotoyo: “Nanomboka tamin’ny andro voalohany taorian’ilay horohoron-tany, dia nankany amin’ilay toerana nivorian’ireo rahalahy izahay, ary nahazo fampaherezana sy ireo zavatra tena ilaina. Nahatonga ahy hahatsiaro hilamin-tsaina izany. Raha mbola manana an’i Jehovah sy ireo rahalahy koa izahay, dia heveriko fa afaka miaritra na inona na inona.”

Koa satria fantatr’i Jehovah ianao amin’ny maha-ianao anao, dia afaka mikarakara izay ilainao koa izy rehefa mitranga ireo zava-dratsy. Mieritreritra ny amin’ny fomba nahazakany ny famoizana ny rainy i Daniel, ka manao hoe: “Manjary ray ho anao i Jehovah, ary manome lehilahy araka ny fanahy ho ohatra fakan-tahaka ny fandaminany. Manome foana valin’ireo fanontaniako izay ho niarahako nidinika tamin’ny dadako, raha ny ara-dalàna, i Jehovah.” Nahatsapa toy izany koa ny fikarakaran’i Jehovah feno fitiavana i Diane, nanomboka tamin’ny nahafatesan-dreniny. Hoy izy: “Tamin’ny alalan’ireo olona be taona kokoa, matotra ara-panahy, izay nanome fampaherezana sy fitarihan-dalana ary torohevitra, dia nitari-dalana ahy sy nanampy ahy hiezaka handresy ny fahakiviana rehetra izy.”

Mazava ho azy fa tsy mahafinaritra mihitsy ny mandia zava-dratsy. Manovoza fampiononana anefa avy amin’ny fahalalana ny antony amelan’Andriamanitra ny zavatra toy izany hisy. Tsarovy lalandava fa tsy ho ela dia hamaha ilay olana Andriamanitra. Hanjavona amin’ny farany ny soritra rehetran’ny zava-dratsy nodiavintsika! (Isaia 65:17; 1 Jaona 3:8). Amin’ny fanararaotana ny fandaharana rehetra ataon’Andriamanitra mba hanampiana antsika hiatrika azy ireny, dia afaka manao ny anjaranao ianao eo amin’ny fanaporofoana fa mpandainga i Satana. Any aoriana, dia ‘hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masonao Andriamanitra’. — Apokalypsy 21:3, 4.

[Sary, pejy 19]

Tsy ho ela i Jehovah dia hamarana ny zava-dratsy rehetra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara