FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g95 8/7 p. 28-30
  • Ny Fanalana Zaza — Io ve no Vahaolana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fanalana Zaza — Io ve no Vahaolana?
  • Mifohaza!—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny antony mahatonga ny sasany hanala zaza
  • Holatra ara-pihetseham-po
  • Fahazoana fanohanana
  • Tsy Tena Mamaha Olana ny Fanalana Zaza
    Mifohaza!—2009
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanalana Zaza?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Inona no Tokony Hataon’ny Ankizivavy Bevohoka?
    Mifohaza!—2002
  • Manana ny Valiny ve Ireny Fivavahana Ireny?
    Mifohaza!—1993
Hijery Hafa
Mifohaza!—1995
g95 8/7 p. 28-30

Manontany ny Tanora Hoe...

Ny Fanalana Zaza — Io ve no Vahaolana?

“Rehefa nivaly ny fizahana vohoka ahy hoe bevohoka aho”, hoy ny tsaroan’i Judy, “dia nitaky avy hatrany ny hanalako zaza ilay ankizilahy niarahako. Nanome ahy ny vola ho amin’izany mihitsy aza izy.” Fito ambin’ny folo taona i Judy.a

REHEFA hitan’i Marta, 15 taona, fa bevohoka izy, dia niresaka tamin’ny mpanolo-tsaina iray tao amin’ny klinika mikarakara fanalana zaza izy. “Nanazava tamiko ny zava-drehetra izy”, hoy i Marta. “Nilaza tamiko izy fa azoko atao ny manala zaza, na hanampy ahy hahita masoivohon’ny fananganan-jaza, na trano fiterahana izy, raha izany no niriko.”

Isan-taona dia ankizivavy maherin’ny iray tapitrisa no manjary bevohoka, any Etazonia fotsiny. Anisan’izy ireo ny tanora maro izay, na dia teo aza ny fampiofanana kristiana, dia tsy nankato ny didin’Andriamanitra mba ‘hifady ny fijangajangana’, na ny fananana firaisana alohan’ny fanambadiana. (1 Tesaloniana 4:3). Izany fahalotoam-pitondran-tena izany dia miteraka fijaliana be tsy nilaina. Maro amin’ireny tanora ireny anefa no manjary manenina noho ny lalam-pitondran-tenany ka maniry hanitsy ny fomba fiainany. Kanefa, eo anatrehan’ny fahatsinjovana mahatahotra ny hiteraka ivelan’ny fanambadiana, dia mety hanontany tena ny sasany raha toa ka mety ho vahaolana tsotra ho an’ny zava-manahirana azy ny fanalana zaza. Rehefa dinihina tokoa, isan-taona dia efa ho antsasa-tapitrisa ny zazavavy bevohoka any Etazonia mifidy ny fanalana zaza. Tena io ve no vahaolana tsara indrindra ho an’ny fitondrana vohoka tsy nirina?

Ny antony mahatonga ny sasany hanala zaza

Takatra fa mety hisy fihetseham-po mahery, mifanohitra mihitsy aza, ho tafiditra. Azo inoana mihitsy fa ny zatovovavy iray dia hahatsapa fihetseham-po voajanahary amin’ilay zaza mitombo ao an-kibony, kanefa mety hahatsapa tahotra sy tebiteby ara-dalàna koa izy.

I Vicky, 18 taona, ohatra, dia “naniry hankany amin’ny oniversite, angamba mba hahazo diplaoman’ny maîtrise mihitsy aza”. Tao an-tsainy, ny fiterahana dia hanakantsakana ny planiny. (gazetiboky ’Teen, Martsa 1992). Nanatsoaka hevitra toy izany koa i Marta: “Raha miteraka ianao, dia hijanona ao an-trano miaraka amin’ny zanakao ka ho vita hatreo ny fandehananao any an-tsekoly. Tsy vonona ho amin’izany aho.” Araka ny fandinihana iray, dia ny 87 isan-jaton’ny tanora izay manala zaza no matahotra sao ny fiterahana ka hanova lalina ny fiainany amin’ny fomba izay tsy niomanany ny hanaiky izany.

Antony fahita koa, izay mahatonga tanora maro hifidy ny fanalana zaza, ny tahotra ny fahasahiranana ara-bola sy ny fanahiana sao ny tena mety tsy ho afaka hiantsoroka ireo andraikitra amin’ny fitaizana irery ny zanaka. Toy izao no nilazan’i Vicky izany: “Avy tamin’ny fianakaviana iray izay manana ray aman-dreny nisara-panambadiana aho, ary nitaiza irery ny zanany telo ny reniko. Nodinihiko ny ady mafy nataony (...) Toa hitako mihitsy ny tenako tonga reny mitaiza irery ny zanany tahaka ny reniko.”

Ny fanerena avy amin’ny hafa, indrindra fa avy amin’ny ankizilahy iarahana, dia mety hanery ny tena koa hiroso ho amin’ny famaranana ny fitondrana vohoka. Nanome an’i Judy safidy farany ilay ankizilahy niarahany: “Raha tsy manala zaza ianao, dia tsy ta hahita anao intsony aho.” Ho an’i Nancy, ny fanerena hanala zaza dia avy tamin-dreniny, ary koa ny havana hafa.

Mampihatra fitaomana mahery koa ny fiheveran’ny besinimaro fa ny fanalana zaza dia tsy tena mahatafiditra famonoana zaza. Hoy i Vicky: “Tsy navelako hihevitra azy io ho zaza ny tenako. (...) Novakiko fa eo amin’ny herinandro fahadimin’ny fitondrana vohoka, ilay tsaika dia kely kokoa noho ny hohon’ny ankikelinao. Nifikitra mafy dia mafy tamin’izany hevitra izany aho. Niteny anakampo aho fa raha toa ka tahaka ny haben’ny hohon’ny ankikely fotsiny izy io, dia tsy tena zaza. Niezaka ny hanao azy io ho tsy tena izy tao an-tsaiko aho, mba hahafahako hanatanteraka ilay fanalana zaza.”

Milaza koa ny sasany fa, fara faharatsiny any amin’ireo firenena mandroso amin’ny lafiny teknika, dia tsy misy atahorana ny fanalana zaza — heverina fa tsy misy atahorana kokoa noho ny fiterahana ho an’ny zatovo bevohoka iray. Rehefa dinihina tokoa àry ny zava-drehetra, dia mety ho toa faniry ny fanalana zaza. Na dia izany aza, dia asehon’ireo zava-misy fa olona maro nifidy ny fanalana zaza no manenina atỳ aoriana. Hoy ny vehivavy iray: “Nanala zaza aho teo amin’ny faha-20 taonako. Efatra amby telopolo aho izao, ary sarotra amiko ny mizaka izay nataoko. Naniry ny zanako aho, kanefa tsy mba toy izany ilay ankizilahy niarahako. Mbola mahatsapa fikorontanana ara-pihetseham-po aho; miaraka aminao mandritra ny andro sisa hiainanao ilay fanaintainana.”

Holatra ara-pihetseham-po

Tsy ny lalan-kivoahana mora akory ny fanalana zaza, fa mety hampitombo ny zava-manahirana ny tena kosa. Fara fahakeliny, izany dia mifanohitra amin’ny fahatsapantsika ao anaty izay tsara sy izay ratsy — ny fieritreretana izay napetrak’Andriamanitra ao amin’ny olombelona. (Romana 2:15). Ankoatra izany, ny fanalana zaza dia mitaky ny hanidian’ny zatovovavy iray ny varavaran’ny fangorahany feno fitiavana an’ilay aina bitika mitombo ao an-kibony. (Ampitahao amin’ny 1 Jaona 3:17, NW .) Mahaketraka toy inona moa izany!

Hoy i Marta: “Raha tsy efa lasa ny tapa-bolana [taorian’ilay fanalana zaza] dia tsy nanomboka nahatsapa tena ho meloka sy somary menatra noho izay nataoko aho.” Nihasarotra mihitsy aza ny tarehin-javatra rehefa tonga ny volana Febroary — ilay volana tokony ho nahaterahan’ilay zaza. Milaza amim-pieritreretana toy izao i Eliasa: “Nanala zaza aho 15 taona lasa izay. Nanaraka izany, dia nijaly noho ny fahaketrahana lehibe aho ka voatery notsaboina imbetsaka tao amin’ny klinika iray. Naniry ny hamono tena mihitsy aza aho.”

Marina aloha fa tsy ny zatovovavy rehetra no mampiseho fihetsika toy izany. Maro no mino amim-pahatsorana fa tsy ain’olombelona ny tsaika iray. Kanefa inona no lazain’ny Mpamorona — ilay “loharanon’aina” — momba izany? (Salamo 36:9). Asehon’ny Baiboly mazava fa amin’i Jehovah Andriamanitra, ny zaza iray mbola tsy teraka mitombo ao an-kibo dia mihoatra lavitra noho ny tambatselan’ny tsaika fotsiny. Nanome tsindrimandry an’i Davida Mpanjaka hanoratra toy izao izy: “Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady [“fanjary tsaika”, NW ] aza aho; voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa ny andro voatendry”. (Salamo 139:16). Araka izany, ny Mpamorona dia mihevitra, na dia ny fanjary tsaika iray aza, ho persona miavaka, olona velona iray. Noho izany antony izany, dia nilaza izy fa hampamoahina ny olona iray raha mandratra zaza iray mbola tsy teraka. (Eksodosy 21:22, 23). Eny, raha mbola araka ny hevitr’Andriamanitra koa, ny famonoana zaza iray mbola tsy teraka dia fanalana ain’olombelona. Noho izany, ny zazavavy iray maniry hampifaly an’Andriamanitra dia tsy afaka mihevitra ny fanalana zaza ho safidy iray azo ekena — na manao ahoana na manao ahoana ny fanerena ampiharina aminy.b

Fahazoana fanohanana

I Judy, voaresaka teo am-piandohana, dia nifidy ny tsy hanala ny zanany. Hoy izy: “Nahafantatra izany ny zokiko vavy, ary hatramin’ny voalohany mihitsy, dia nanohana izy, indrindra teo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po. Nilaza mihitsy aza izy fa hanohy hanohana ahy aorian’ny fahaterahan’ilay zaza. Izany indrindra no nilaiko ho re mba hanaovana izay noheveriko tao am-poko lalina tao fa mety. Niroso aho ka niteraka ilay zaza.” Sivy taona lasa izay. Mijery ilay zanany lahy valo taona i Judy, ka hoy izy: “Ny fanatanterahana ilay fanalana zaza dia ho ny fahadisoana lehibe indrindra teo amin’ny fiainako.”

Mitantara toy izany koa ny zatovovavy iray atao hoe Natisa: “Dimy taona lasa izay dia tao amin’ny klinika iray mikarakara fanalana zaza aho, nipetraka niandry ny anjarako. Tsy niditra anefa aho tamin’ny anjarako, fa nieritreritra indray ka nivoaka ilay klinika kosa. Manana zanakalahy iray mahafatifaty efa-taona aho izao sy iray hafa efa ho teraka ary manambady raim-pianakaviana be fitiavana iray.”

Na iza na iza miatrika fitondrana vohoka ivelan’ny fanambadiana dia tsy tokony hanao fanapahan-kevitra maimaika. Na dia mety ho toa ratsy aza ny tarehin-javatra, dia tsy izany akory no faran’izao tontolo izao. Kanefa, azo antoka fa tena mila fanampiana sy fitarihana mampiseho fahamatorana izy ireny. Fanombohana tsara ny fanolorana ny fon’ny tena amin’ny ray aman-drenin’ny tena, indrindra fa raha Kristiana izy ireo. (Ohabolana 23:26). Marina aloha sady tsy isalasalana fa haratra ara-pihetseham-po sy ho tezitra izy ireo eo am-boalohany. Amin’ny farany anefa, dia azo inoana fa ho voatosika hanampy izy ireo. Afaka mandamina ny fikarakarana alohan’ny fiterahana izy ireo, ohatra. Afaka manampy koa izy ireo amin’ny fanararaotana ny fandaharan’ny fitondram-panjakana azo ampiasain’ireo izay mety hahafeno fepetra. Ny zava-dehibe indrindra, dia afaka mampirisika an’ilay nanao fahadisoana mba handray ny fanampiana ara-panahy ilaina avy amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona, izy ireo. — Jakoba 5:14, 15.

Misy vehivavy miteraka tsy manambady sasany nifidy ny hanome ny zanany hatsangan’olona, amin’ny fiheverana fa tsy ho afaka nanome ny tsara indrindra ho an’ilay zaza izy. Azo antoka fa na dia tsara kokoa noho ny famaranana ny ain’ilay zaza aza ny fanomezana azy hatsangan’olona, Andriamanitra dia tena mitana ny ray na ny reny iray ho tompon’andraikitra amin’ny ‘famelomana ny azy’. (1 Timoty 5:8). Mety ho tsy afaka hanome ho an’ny zanany ny tsara indrindra ara-nofo ny reny iray mitaiza irery ny zanany, kanefa afaka manome zavatra lehibe lavitra noho izany izy — ny fitiavana. (Ohabolana 15:17, fanamarihana ambany pejy). Koa ao anatin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia ho tsara kokoa ho an’ny vehivavy iray miteraka tsy manambady ny mitaiza ilay zaza.

Ahoana ny amin’ny andraikitra hitaiza zaza iray — sy ireo fiovana lehibe eo amin’ny fomba fiaina izay tsy isalasalana fa tsy maintsy hatao? Mety ho toa mahakivy izany rehetra izany. Na dia izany aza, ny Baiboly dia manome torohevitra azo ampiharina izay afaka manampy ny olona hiatrika ireny zava-tsarotra ireny. Afaka mandray soa koa avy amin’ny fanampiana ara-panahy miorina mafy amin’ny Tenin’Andriamanitra ireo vehivavy miteraka tsy manambady izay mibebaka. Eny, miaraka amin’ny fanohanana feno fitiavana sy ny fitarihana mety, izy ireo dia afaka mitantana amin’ny fomba tsara indrindra ny tarehin-javatra misy azy.c Tsy vahaolana tsotra izao ny fanalana zaza!

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ny anarana sasany.

b Na iza na iza nanao fahadisoana tamin’ny lasa ka nanala zaza mbola tsy teraka dia tsy voatery hanatsoaka hevitra fa tsy misy fanantenana intsony. Afaka matoky izy ireny fa manohana an’ireo mpanao ratsy mibebaka i Jehovah ary ‘mamela heloka dia mamela heloka tokoa’. (Isaia 55:7). Na dia mety mbola hisy aza ny holatra ara-pihetseham-po, dia manome toky toy izao ny mpanao salamo: “Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.” — Salamo 103:12.

c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Martsa 1981, “Ahoana no Itaizana Irery ny Zanaky ny Tena?”, na Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 15 Desambra 1980, “Comment élever seul ses enfants?”. Jereo koa ny “Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Ahafahan’ireo Vehivavy Miteraka Tsy Manambady Mitantana Amin’ny Fomba Tsara Indrindra ny Tarehin-javatra Misy Azy?” ao amin’ny Mifohaza! Janoary-Martsa 1995.

[Sary, pejy 29]

Matetika ny ankizilahy iarahana no mitady hanery ny zazavavy hanala zaza

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara