Havia: Mpiasa an-tsitrapo tany Silia nandray anjara tamin’ny fanamboarana ny tranona mpivady anankiray taorian’ilay afo nandravarava. Havanana: Anabavy roa any Nizeria nahazo fanampiana rehefa tratran’ny tondra-drano nampidi-doza ny faritra nisy azy
FOMBA AMPIASANA NY FANOMEZANAO
Fanampiana Tra-boina Tamin’ny 2023: “Tsapanay hoe Tia Be Anay i Jehovah”
26 JANOARY 2024
Efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe rehefa “akaiky ny faran’izao tontolo izao”, dia “hisy firenena hiady amin’ny firenena” sy loza isan-karazany. (Matio 24:3, 7) Nahita ny fahatanterahan’izany faminaniana izany isika nandritra ny taom-panompoana 2023,a satria efa ho 100 ny tany nahitana ady sy loza isan-karazany. Na dia teo aza anefa izany, dia nanahaka an’i Jehovah ny Vavolombelon’i Jehovah ka nampiseho fitiavana.
Tamin’ny taom-panompoana 2023, dia 200 mahery ny loza nisy fiantraikany tamin’ny mpiara-manompo. Maherin’ny folo tapitrisa dolarab ny vola lanin’ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana tra-boina tamin’izany. Nalaina tao amin’ny fanomezana ho an’ny asa maneran-tany io vola io. Be dia be koa anefa ny rahalahy sy anabavy teo an-toerana no nanome vola mba hanampiana ny tra-boina. Loza anankiroa fotsiny tamin’ireny loza be dia be nitranga ireny no horesahintsika izao. Hojerentsika koa hoe ahoana no nampiasana ny fanomezanao mba hanampiana an’ireo rahalahy tra-boina tamin’izany.
“Izany no atao hoe tena fitiavana”
Matetika no misy tondra-drano ny faritra sasany any Nizeria, rehefa vanim-potoanan’ny orana. Ilay tondra-drano tamin’ny Oktobra 2022 anefa no nisy vokany ratsy indrindra tato anatin’ny folo taona. Toeram-pambolena maherin’ny 676 000 hektara no simba, ary olona maherin’ny roa tapitrisa mahery no voatery nifindra toerana. Tonga dia nanendry Komitin’ny Vonjy Rano Vaky maromaro ny sampan’i Nizeria mba handamina ny fanampiana an’ireo rahalahintsika tra-boina sy hampahery azy ireo.
Tany Nizeria: Rahalahy nandeha tamin’ny lalana ratsy be sy niampita renirano tondraka be mba hanatitra fanampiana ho an’ny tra-boina
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mpitory 7 505 no nafindra toerana
Trano 860 no simba na rava
Efitrano Fanjakana 90 sy Efitrano Fivoriambe iray no dibo-drano
Fomba nampiasana ny fanomezana
Maherin’ny 250 000 dolara no lany tamin’ny fanampiana tra-boina:
Nividianana sakafo, ohatra hoe vary, tsaramaso, ary paty
Nividianana zavatra ilaina ao an-trano, ohatra hoe kidoro sy lay aro moka
Nanamboarana na nanorenana trano rava
Ahoana no nataon’ireo rahalahintsika mba ho azo antoka hoe nampiasaina tsara ny vola? Nodinihin-dry zareo tsara, ohatra, ny trano tsirairay mba hahitana raha mbola azo amboarina ilay izy. Raha tsy maintsy nosoloana tanteraka ilay izy, dia nanamboatra trano tsotra kely hoatran’ny fahita teo an-toerana ry zareo.
Tena nankasitraka ny fanampiana azy ireo ny rahalahy sy anabavy. Hoy ny anabavy iray: “Nikorontana tanteraka ny fiainanay noho ilay tondra-drano, satria simba daholo ny tanimbolinay ary tsy nanana trano intsony izahay. Ny androtr’iny ihany anefa dia tonga nanampy anay sy nanome toerana hipetrahanay ny mpiara-manompo. Nahatsapa ho maivamaivana erỳ izahay! Mbola nahazo sakafo avy any amin’ny biraon’ny sampana koa izahay. Niainanay mihitsy ilay voalazan’ny Jaona 13:34, 35. Niaiky izahay hoe ... izany no atao hoe tena fitiavana. Misaotra eram-po eran-tsaina an’ireo mpiara-manompo tonga nanampy anay izahay mianakavy, satria tamin’ny fotoana tena nilainay azy mihitsy no tonga ilay fanampiana.”
Nahatsikaritra an’ilay fanampiana vonjy rano vaky nataontsika ny olona teo an-toerana. Izao no nolazain’ny manam-pahefana iray any Sabagreia, any amin’i Faritr’i Bayelsa: “Be dia be ny fikambanana na fivavahana maneran-tany, fa ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no hitako manao hoatran’izao. . . . Tsara be ny [fikambananareo].”
“Tsapanay hoe tia be anay i Jehovah”
Nisy afo nandravarava 400 mahery tany Silia, tamin’ny Febroary 2023. Velaran-tany maherin’ny 430 000 hektara no may, ary kilan’ny afo ny foto-drafitrasa lehibe sasany. Olona 8 000 teo ho eo no nafindra toerana. Nandamina fanampiana tra-boina ny biraon’ny sampana, tsy ela taorian’ilay loza.
Tany Silia: Nosoloan’ny mpiasa an-tsitrapo tanteraka ny tranon’ny fianakaviana anankiray izay tsy azo namboarina intsony
Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo
Mpitory 222 no tsy maintsy nafindra toerana
Trano 20 no rava
Fomba nampiasana ny fanomezana
Maherin’ny 200 000 dolara no lany tamin’ny fanampiana tra-boina:
Nividianana sakafo sy rano
Nividianana solika, zavatra ilaina amin’ny fanadiovana, ary fanafody
Nanorenana trano simba
Hoatran’ny nilatsaham-baratra ny fianakaviana anankiray rehefa hitan-dry zareo hoe rava daholo ny fananany, anisan’izany ny tranony sy ny fivarotany. Lasa tsy nanana fidiram-bola intsony izy mianakavy. Kivy be ilay fianakaviana taorian’ilay loza rehefa nahita hoe tsy nisy na inona na inona intsony teo amin’ilay toerana nisy ny tranon-dry zareo teo aloha. Tsy niady saina be intsony anefa ry zareo rehefa hitany hoe nihanandroso ny fanamboarana ny tranony. Nanampy an-dry zareo hiatrika an’ilay olana koa ny fitiavana be nasehon’ireo mpiasa an-tsitrapo nanao an’ilay fanorenana. Nanohina be ny fon’izy mianakavy izany fitiavana izany, dia iny koa ry zareo fa nanampy an’ireo mpiasa an-tsitrapo mba hanorina ny tranon’ny rahalahy iray hafa.
Nampiaiky ny rahalahy sy anabavy maro ilay fanampiana tra-boina. Hoy ny rahalahy iray: “Tena miavaka ilay fandaharan’i Jehovah hoe manangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky rehefa misy loza. Ny ampitson’ilay loza dia efa tonga teo an-toerana ry zareo mba hanome an’izay tena nilainay. Mampahery ny mamaky momba ny fanampiana tra-boina any an-tany hafa, fa hafa mihitsy rehefa ianao no miaina an’ilay izy. Vao mainka ianao mankasitraka ny fandaminana rehefa hitanao hoe manahaka ny toetran’i Jehovah ireo rahalahy. Ry zareo koa tena miahy anay dia ataony azo antoka hoe mahazo izay ilainay izahay mba hahasalama anay, mba hanananay finoana matanjaka foana, ary mba tsy ho kivy be. Tsapanay hoe tia be anay i Jehovah.”
Efa tena akaiky izao ny farany, dia vao mainka isika hahita loza be dia be. (Lioka 21:10, 11) Na eo aza anefa izany, dia miaraka amintsika “isan’andro, mandra-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao” i Kristy Jesosy, ilay Mpanjakantsika be fitiavana. (Matio 28:20) Mampiasa ny fiangonana kristianina izy mba hahatsapantsika an’izany. Mazoto manao fanomezana ho an’ny asa maneran-tany, amin’ny alalan’ny donate.jw.org sy amin’ny fomba hafa, ianareo. Mampiasa ny fotoananareo sy ny herinareo koa ianareo mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Asehonareo amin’izany rehetra izany hoe manohana an’ilay Fanjakana sy ilay Mpanjaka be fitiavana ianareo. Misaotra fa mazoto manome foana ianareo.
a Nanomboka tamin’ny 1 Septambra 2022 ny taom-panompoana 2023, ary nifarana tamin’ny 31 Aogositra 2023.
b Dolara amerikanina daholo ny dolara resahina ato amin’ity lahatsoratra ity.