FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwwd lahatsoratra 13
  • Ny Hoditry ny Pamplemosy Mahazaka Tontona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Hoditry ny Pamplemosy Mahazaka Tontona
  • Nisy Namorona Ve?
  • Mitovitovy Aminy
  • Hoditra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Hoditry ny Bibilava
    Mifohaza!—2014
  • Toy ny Mandan’ny Tanàna ny Hoditrao
    Mifohaza!—2004
  • Ranomaso ao Anaty Siny Hoditra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Nisy Namorona Ve?
ijwwd lahatsoratra 13
Pamplemosy mbola eny ambony hazo.

NISY NAMORONA VE?

Ny Hoditry ny Pamplemosy Mahazaka Tontona

Karazana voasary lehibe mamy maniry amin’ny hazo ny pamplemosy. Tsy maninon-tsy maninona ilay izy rehefa milatsaka avy eny amin’ny 10 metatra. Inona no mahatonga an’io voankazo io tsy hihontsina mihitsy rehefa mitontona?

Diniho izao: Hitan’ny mpikaroka hoe hoatran’ny spaonjy misy efitrefitra mielanelana ilay fotsifotsy ao anatin’ny hoditry ny pamplemosy. Mihalehibe ny elanelan’ireo efitrefitra ireo rehefa any anatiny kokoa, ary rano na rivotra no mameno an’ilay elanelana. Iny rano iny no mampievotra an’ilay voankazo rehefa milatsaka amin’ny tany ilay izy. Tsy rovitra àry ny hodiny fa lasa mihamafy ary mahazaka an’ilay tontona.

Pamplemosy zaraina roa mba hampisehoana an’ilay hodiny hoatran’ny spaonjy. Misy sary ahitana an’ireo efitrefitra mielanelana nohalehibeazina.

Maka tahaka an’izany ny mpahay siansa, ka manao andrana izy ireo mba hahitana raha mahazaka dona ny metaly atao mitovy firafitra amin’ilay hoditry ny pamplemosy. Mieritreritra izy ireo hoe ho azo ampiasaina izany mba hanamboarana aro loha ho an’ny mpitondra moto, na mba hiarovana fiara na sambon-danitra tsy ho simba rehefa midona amin-javatra.

Ahoana ny hevitrao? Nivoatra miandalana ve ny hoditry ny pamplemosy sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara