FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwwd lahatsoratra 12
  • Ny Fahaizan’ny Ngovo Mitsoraka Anaty Rano

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fahaizan’ny Ngovo Mitsoraka Anaty Rano
  • Nisy Namorona Ve?
  • Mitovitovy Aminy
  • Vorona Mahay Manjono
    Mifohaza!—2011
  • Ny Fahaizan’ny Trozon’i Cuvier Milomano any Anaty Rano Lalina
    Nisy Namorona Ve?
  • Vatolampy Makadiry
    Mifohaza!—2007
  • Ny Hazavana Avoakan’ny Zavamananaina
    Nisy Namorona Ve?
Hijery Hafa
Nisy Namorona Ve?
ijwwd lahatsoratra 12
Ngovo mitsoraka anaty rano.

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Ngovo Mitsoraka Anaty Rano

Vorondrano lehibe ny ngovo ary mahatratra 190 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehany rehefa mitsoraka any anaty ranomasina izy. Mafy be ny fidonany amin’ilay rano satria mety hihoatra ny avo 20 heny amin’ny hery misinton’ny tany. Ahoana no ataony mba tsy hahafaty azy sy hahafahany mamerimberina mitsoraka hoatr’izany?

Diniho izao: Rehefa hidona amin’ny rano ny ngovo dia velariny ao aoriany ny elany ka lasa hoatran’ny tsipìka ny paoziny. Mamoaka karazana sosona miaro ny masony koa izy ary manabontsina taova eo amin’ny tendany sy ny tratrany mba tsy ho mafy loatra aminy ny fidonany amin’ny rano.

Lasa hoatran’ny zavatra matsoko ny vavany sy ny lohany ary ny tendany, amin’ilay izy midona amin’ny rano iny. Miparitaka amin’ny hozatra rehetra amin’ny tendany, amin’izay, ny herin’ilay rano midona aminy. Ovany haingana be koa ny fomba fijerin’ny masony ka afaka mahita any anaty rano izy.

Tafidina hatrany amin’ny firy metatra ny ngovo rehefa mitsoraka any anaty rano? Tonga hatrany amin’ny 11 metatra latsaka izy, nefa mbola afaka midina any amin’ny lalina kokoa rehefa mampiasa ny elany sy ny tongony. Efa nisy nahita ngovo nidina hatrany amin’ny 25 metatra mahery mihitsy aza. Mitsingevana mora foana mankeny ambony rano izy rehefa avy nandehandeha tao anaty rano, ary vonona hanidina indray.

Hijery ngovo mitsoraka anaty rano

Nanamboatra robot mitovitovy amin’ny ngovo ny mpikaroka mba hahafahana mikaroka sy mamonjy olona rehefa misy loza. Tian’izy ireo raha afaka manidina, mitsoraka anaty rano, ary avy eo miverina manidina ilay robot. Simba foana anefa ny robot iray rehefa nanao fanandramana izy ireo satria nidona mafy loatra tamin’ny rano. Niaiky àry izy ireo hoe tsy mahay mitsoraka anaty rano ilay robot natao andrana, raha oharina amin’ny ngovo.

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny fahaizan’ny ngovo mitsoraka anaty rano, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara