FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 92
  • Ahoana no Hahaizako Mandanjalanja Amin’ny Resaka Sakafo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hahaizako Mandanjalanja Amin’ny Resaka Sakafo?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hoatran’ny ahoana ilay hoe mahay mandanjalanja amin’ny resaka sakafo?
  • Inona no azoko atao?
  • Inona no Azoko Atao fa Te Hihena Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Inona no Tokony Hataon’ny Ankizy Matavy Loatra?
    Mifohaza!—2012
  • Misakafo Tsara ve Ianao eo Amin’ny Lafiny Ara-panahy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Fitandremam-pahasalamana ara-batana tsara
    Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 92
Tovolahy iray mieritreritra hoe inona no sakafo hohaniny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hahaizako Mandanjalanja Amin’ny Resaka Sakafo?

Efa fantatrao angamba fa mety harary ianao raha tsy mandanjalanja ny sakafo haninao. Raha zatra mihinana sakafo tsy mahasalama ianao izao, dia ho hoatr’izany koa rehefa lehibe. Amin’izao àry ianao no mila miezaka hanana fahazarana tsara.

  • Hoatran’ny ahoana ilay hoe mahay mandanjalanja amin’ny resaka sakafo?

  • Inona no azoko atao?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Hoatran’ny ahoana ilay hoe mahay mandanjalanja amin’ny resaka sakafo?

Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ‘hahay handanjalanja eo amin’ny zavatra fanaontsika.’ Tafiditra amin’izany ny resaka sakafo. (1 Timoty 3:11) Hoatran’ny ahoana anefa ilay hoe mahay mandanjalanja?

  • Mihinana an’ireo karazana sakafo dimy. Ireto avy izany: Voankazo, legioma, voamadinika, sakafo misy proteinina, ary ronono na zavatra vita amin’ny ronono. Misy olona te hihena, dia tsy mihinana ny sasany amin’ireo karazana sakafo ireo. Lasa tsy mahazo ny otrikaina ilaina anefa ny vatany raha izany.

    Andramo izao: Manaova fikarohana mba hahitanao hoe nahoana no tena ilaina ny mihinana sakafo sasany. Afaka manontany ny dokotera koa ianao. Eritrereto, ohatra, izao:

    Manome hery anao ny gliosida. Ny proteinina indray manampy ny vatanao hiady amin’ny mikraoba, hamorona sela vaovao, ary hanamboatra ny tambatsela simba. Misy vokany tsara koa ny menaka amin’ny sakafo sasany, raha araka ny antonony. Hahazo hery, ohatra, ianao sady tsy dia atahorana harary fo, raha mihinana an’ireny sakafo ireny.

    “Miezaka mandanjalanja ny sakafo hohaniko aho, dia mihinana ny karazana sakafo rehetra ilaina. Tsy ratsy akory raha mba mihinana hani-masaka na zavatra mamy ianao indraindray. Tsy tokony ho ireo fotsiny anefa no hohaninao. Tsara foana ilay hoe mandanjalanja.”—Brenda.

    Tovolahy iray mianjera satria mipetraka eo amin’ny seza iray tsy ampy tongony

    Hoatran’ny olona mipetraka eo amin’ny seza iray tsy ampy tongony ianao, raha tsy ampy ny karazana sakafo haninao

  • Tsy manao zavatra tafahoatra. Mety hoe zara raha misakafo ilay olona, na tsy mihinan-kanina mihitsy mandritra fotoana lavalava dia avy eo misakafo be. Mety hoe mitandrina loatra koa izy, ka tsy mba mihinana ny zavatra tiany mihitsy.

    Andramo izao: Jereo, mandritra ny iray volana, hoe hoatran’ny ahoana ny fahazaranao. Imbetsaka ve ianao no manao zavatra tafahoatra, hoatran’ireo voalaza etsy ambony? Inona ny zavatra azonao ovana?

    “Nisy fotoana aho nihinana sakafo be kalôria be nandritra ny andro maromaro, dia avy eo indray nihinana sakafo tena kely kalôria. Tsy niasa saina be tamin’ny resaka kalôria intsony anefa aho, tatỳ aoriana. Nitandrina koa aho mba tsy hisakafo be loatra, fa hijanona rehefa voky. Elaela mihitsy aho vao nahay nandanjalanja.”—Hailey.

Inona no azoko atao?

  • Eritrereto mialoha izay hataonao. Milaza ny Baiboly hoe: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.” (Ohabolana 21:5) Mila mieritreritra mialoha ny zavatra hataonao ianao, raha te hihinana sakafo mahasalama foana.

    “Mila alaminao mialoha izay hataonao, raha te hihinana sakafo mahasalama ianao. Ny sakafo andrahoina ao an-trano matetika no tena tsara. Tsy mora aloha ilay hoe mahandro e! Mahasoa anao anefa izany sady mitsitsy vola.”—Thomas.

  • Soloy izay sakafo tsy mahasalama. Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Arovy ny fahendrena.” (Ohabolana 3:21) Hita amin’ny zavatra ataon’ny olona iray raha hendry izy na tsia. Eritrereto àry ny zavatra azonao atao mba ho sakafo mahasalama foana no hohaninao.

    “Niezaka nanova zavatra iray isan’andro aho tamin’ny voalohany. Raha afaka nihinana sôkôlà, ohatra, aho, dia naleoko nihinana paoma. Vetivety dia lasa be dia be ny sakafo nosoloako hoatr’izany, isan’andro.”—Kia.

  • Aza hentitra loatra. Milaza ny Baiboly hoe: “Hano amim-pifaliana ny sakafonao.” (Mpitoriteny 9:7) Aza atao mampiferinaina ilay hoe miezaka mandanjalanja ny sakafo hanina. Zavatra mahafaly mantsy ny hoe misakafo. Tandremo koa sao lasa miasa saina be momba an’izay zavatra rehetra haninao ianao. Na mila mampihena vatana aza ianao, dia tadidio foana hoe ny ho salama no tanjonao. Aza hentitra be loatra.

    “Nihena 13 kilao mahery kely aho vao haingana. Nisakafo tsara foana anefa aho talohan’izay, sady nihinana an’ireo karazana sakafo rehetra ilaina. Tsy hoe nanamelo-tena be koa aho rehefa mba nihinana gatô na gilasy. Fantatro hoe tsy vetivety eo aho dia hihena, fa mila fotoana ilay izy. Ny fahazarako tamin’ny resaka sakafo mihitsy koa no nila novako.”—Melanie.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Delayna

“Rehefa noana aho any amin’ny toerana alehako, dia matetika no tsy mahatandrina ny sakafo haniko. Aleoko àry mitondra sakafo antoandro na sakafo maivana. Mora kokoa amiko amin’izay ny mihinana sakafo mahasalama.”—Delayna.

Andrew

“Misy olona tsy mba marary mihitsy, nefa mihinana an’izao zavatra rehetra izao. Mety ho kivy ianao rehefa mahita an’izany. Aza mampitaha ny tenanao amin-dry zareo anefa. Jereo hoe inona no mety aminao dia izay arahina.”—Andrew.

Famerenana: Ahoana no hahaizako mandanjalanja amin’ny resaka sakafo?

  • Eritrereto mialoha izay hataonao. Mitondrà sakafo raha misy toerana halehanao, amin’izay ianao tsy voatery hividy sakafo.

  • Soloy izay sakafo tsy mahasalama. Asio sakafo mahasalama foana eny akaikikaiky eny, amin’izay ianao tsy alaim-panahy hihinana haninkanina.

  • Aza hentitra loatra. Aza mampitaha ny tenanao amin’ny hafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara