Ny Vola ve no Fototry ny Ratsy Rehetra?
Valiny ara-baiboly
Tsia. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe ratsy ny vola, na hoe izy io no mahatonga ny zava-dratsy rehetra. Fomba fiteny mahazatra nalaina avy ao amin’ny Baiboly ilay hoe “ny vola no fototry ny ratsy rehetra”, saingy misy tsy ampy izy io. Izao, raha ny marina, no lazain’ny Baiboly: “Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra.”a—1 Timoty 6:10, Fandikan-teny Protestanta, izahay no manao sora-matavy.
Nahoana ny Baiboly no mampitandrina antsika mba tsy ho tia vola?
Inona ny soa raisintsika raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly momba ny vola isika?
Inona no lazain’ny Baiboly momba ny vola?
Milaza ny Baiboly fa mety hahasoa ny vola raha ampiasaina amin’ny fomba tsara, ary mety ‘hiaro’ mihitsy aza. (Mpitoriteny 7:12) Midera ny olona tia manome koa ny Baiboly, ary mety ho anisan’izany fanomezana izany ny vola.—Ohabolana 11:25.
Mampitandrina koa anefa ny Baiboly hoe tsy ny vola no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Izao no lazainy: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo.” (Hebreo 13:5) Mila mahay mandanjalanja àry isika eo amin’ny resaka vola ary tsy tokony hikatsaka harena. Tokony ho afa-po amin’izay zavatra tena ilaintsika isika, anisan’izany ny sakafo, akanjo, ary trano.—1 Timoty 6:8.
Nahoana ny Baiboly no mampitandrina antsika mba tsy ho tia vola?
Tsy hahazo fiainana mandrakizay ny olona manana faniriana tsy mety afa-po. (Efesianina 5:5) Anisan’ny fanompoan-tsampy na fivavahan-diso mantsy izany. (Kolosianina 3:5) Matetika koa ny olona miezaka hahazo an’izay iriny no tsy manara-dalàna. Milaza ny Ohabolana 28:20 fa “tsy hitoetra ho tsy manan-tsiny ... izay maimay te hanan-karena.” Mety halaim-panahy hanao heloka bevava mihitsy aza izy ireo, ohatra hoe haka olona an-keriny, na hisoloky, na hampihorohoro, na hamono olona.
Na dia mety tsy hahatonga ny olona hanao ratsy aza ny fitiavam-bola, dia mety hisy vokany ratsy hafa ihany. Milaza ny Baiboly fa “izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba.”—1 Timoty 6:9.
Inona ny soa raisintsika raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly momba ny vola isika?
Hanaja tena isika sady hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah sy ny fanampiany, raha tsy manao zavatra efa fantatsika hoe ratsy sy halan’i Jehovah mba hikatsahana vola. Izao no ampanantenain’Andriamanitra an’ireo tena te hampifaly azy: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.” (Hebreo 13:5, 6) Manome toky koa izy fa “hahazo fitahiana maro izay olona mendri-pitokisana.”—Ohabolana 28:20.
a Misy koa mandika an’io andinin-teny io hoe: “Fitiavam-bola ... no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao.”