FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 159
  • Mankany An-danitra ve ny Biby?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mankany An-danitra ve ny Biby?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Mankaiza ny biby rehefa maty?
  • Manota ve ny biby?
  • Mety ve ny mampijaly biby?
  • Ny Biby
    Mifohaza!—2015
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Biby Maloto
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ratsy ve ny Mampijaly Biby?
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 159
Alika

Mankany An-danitra ve ny Biby?

Valiny ara-baiboly

Milaza ny Baiboly fa olombelona vitsivitsy ihany no mankany an-danitra, fa tsy ny zavamananaina rehetra eto an-tany. (Apokalypsy 14:1, 3) Ho lasa mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Jesosy izy ireo any. (Lioka 22:28-30; Apokalypsy 5:9, 10) Ny ambiny kosa raha maty, dia eto an-tany no hatsangana ary hiaina mandrakizay eto. Efa paradisa ny tany amin’izany.—Salamo 37:11, 29.

Tsy miteny mihitsy ny Baiboly hoe ho any an-danitra ny biby ataon’ny olona namana, ohatra hoe ny alika. Nahoana? Satria tsy mahafeno fepetra ho any ny biby. Tsy maintsy ho efa nianatra momba an’Andriamanitra izay ‘voantso ho any an-danitra’, ary mila mino sy mankatò azy. (Hebreo 3:1; Matio 19:17; Jaona 3:16; 17:3) Ny olombelona irery koa no afaka manantena hiaina mandrakizay, satria efa izany mihitsy no namoronana azy.—Genesisy 2:16, 17; 3:22, 23.

Tsy maintsy hoe maty aloha ny zavamananaina etỳ an-tany, dia hatsangana amin’ny maty, izay vao afaka mankany an-danitra. (1 Korintianina 15:42) Maromaro ny fitsanganana amin’ny maty tantarain’ny Baiboly. (1 Mpanjaka 17:17-24; 2 Mpanjaka 4:32-37; 13:20, 21; Lioka 7:11-15; 8:41, 42, 49-56; Jaona 11:38-44; Asan’ny Apostoly 9:36-42; 20:7-12) Olombelona daholo anefa no natsangana fa tsy nisy hoe biby, na iray aza.

  • Mankaiza ny biby rehefa maty?

  • Manota ve ny biby?

  • Mety ve ny mampijaly biby?

Mankaiza ny biby rehefa maty?

Milaza ny Baiboly hoe samy “zavamananaina” ny olombelona sy ny biby. Midika izany hoe mitovy ny ain’ny olombelona sy ny ain’ny biby, amin’Andriamanitra. Samy noforoniny “avy tamin’ny vovoky ny tany” ny biby sy ny olombelona, ary samy nomeny “fofonaina.”—Genesisy 1:24; 2:7; Nomery 31:28.

Milaza koa ny Baiboly hoe mety maty ny biby sy ny olombelona. (Eksodosy 19:13) Samy miverina ho vovoka izy ireo rehefa maty, izany hoe tsy misy intsony.—Mpitoriteny 3:19, 20.

Manota ve ny biby?

Tsia. Ny atao hoe manota, dia mandika ny lalàn’Andriamanitra momba ny atao hoe tsara sy ratsy. Mety hoe an’eritreritra izany, na any am-po, na tena atao mihitsy. Tsy maintsy hoe zavamananaina mahay manapa-kevitra àry no manota na tsia. Tsy mahay manao an’izany anefa ny biby. (2 Petera 2:12) Mandeha ho azy fotsiny eny ny fiainany fa tsy manan-tsafidy izy, dia maty izy rehefa tapitra ny androm-piainany na dia tsy manota aza.

Mety ve ny mampijaly biby?

Tsia. Avelan’Andriamanitra hanjaka amin’ny biby ny olombelona, nefa tsy manan-jo hampijaly azy ireny. (Genesisy 1:28; Salamo 8:6-8) Sarobidy amin’Andriamanitra ny biby tsirairay, na dia ny vorona kely aza. (Jona 4:11; Matio 10:29) Tsy avelany mampijaly biby àry ny mpanompony fa asainy mikarakara tsara azy ireny.—Eksodosy 23:12; Deoteronomia 25:4; Ohabolana 12:10.

Andinin-teny momba ny biby

Genesisy 1:28: “Nitso-drano [ny olombelona voalohany] Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: ‘Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.’”

Inona no dikan’izany? Avelan’Andriamanitra hanjaka amin’ny biby ny olombelona.

Mpitoriteny 3:19, 20: “Fa manam-piafarana ny zanak’olombelona ary manam-piafarana koa ny biby, ary mitovy ihany ny iafaran’izy roa tonta. Fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa. Iray ihany ny hery mamelona azy roa tonta, koa tsy misy maha ambony ny olona amin’ny biby, fa zava-poana ny zava-drehetra. Samy mankany amin’ny toerana iray izy rehetra. Samy avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho vovoka indray izy rehetra.”

Inona no dikan’izany? Samy miverina ho vovoka ny biby sy ny olombelona rehefa maty.

Ohabolana 12:10: “Mitsimbina ny ain’ny biby fiompiny ny marina.”

Inona no dikan’izany? Tsy mampijaly biby ny olona tsara fanahy fa mikarakara tsara azy ireny na ompiany ilay izy na tsia.

Matio 10:29: “Tsy vola madinika kely vidy ve no ivarotana fody roa? Tsy hisy ho latsaka amin’ny tany anefa ireny na iray aza, ka tsy ho fantatry ny Rainareo.”

Inona no dikan’izany? Mitsinjo sy mikarakara ny biby rehetra Andriamanitra, hatramin’ny vorona kely.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara