FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 137
  • Inona no Dikan’ny hoe Masina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Dikan’ny hoe Masina?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Afaka ny ho masina ve ny olona tsy lavorary?
  • Mety ho lasa tsy masina eo anatrehan’Andriamanitra intsony ve ny olona iray?
  • Hevi-diso momba ny hoe masina
  • Fahamasinana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • “Aoka ho Masina Ianareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Heverinao ho Masina ve Izay Heverin’i Jehovah ho Masina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • “Masina Izaho Jehovah Andriamanitrareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 137
Mosesy sy ilay voaroy mirehitra

Inona no Dikan’ny hoe Masina?

Valiny ara-baiboly

Ny hoe masina dia midika hoe natokana mba tsy hisy loto mihitsy. Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “nosarahina” ilay teny nadika hoe “masina.” Ny hoe “masina” àry dia hoe nosarahina tamin’ny zavatra hafa na heverina ho masina satria madio.

Andriamanitra no masina indrindra. Milaza ny Baiboly hoe: “Tsy misy masina tahaka an’i Jehovah.”a (1 Samoela 2:2) Andriamanitra ihany àry no afaka miteny hoe inona no atao hoe masina.

Azo lazaina hoe “masina” izay zavatra mahakasika an’Andriamanitra, indrindra fa ny zavatra voatokana hampiasaina amin’ny fivavahana. Miresaka an’ireto, ohatra, ny Baiboly:

  • Toerana masina: Hoy Andriamanitra tamin’i Mosesy teo akaikin’ilay voaroy mirehitra: “Tany masina io ijoroanao io.”—Eksodosy 3:2-5.

  • Fotoan-dehibe masina: Nanao fety ny Israelita, ho fanompoana an’i Jehovah. Nantsoina hoe “fivoriambe masina” ireny fety ireny.—Levitikosy 23:37.

  • Fitaovana masina: “Fanaka masina” no niantsoana an’ireo fitaovana nampiasaina tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra, tao amin’ny tempoly tany Jerosalema. (1 Mpanjaka 8:4) Nohajaina tsara ireny fitaovana masina ireny nefa tsy nivavahana mihitsy.b

Afaka ny ho masina ve ny olona tsy lavorary?

Eny. Mandidy ny Kristianina Andriamanitra hoe: “Aoka ho masina ianareo, satria masina aho.” (1 Petera 1:16) Marina aloha fa tsy lavorary isika ka tsy afaka ny ho masina hoatran’Andriamanitra. Raha mankatò ny lalàny anefa isika, dia ho ‘masina ary hankasitrahan’Andriamanitra.’ (Romanina 12:1) Hita amin’ny teny sy ny ataon’ny olona iray hoe miezaka ny ho masina izy. Arahiny, ohatra, ny torohevitry ny Baiboly hoe tokony ‘ho masina ka hifady ny fijangajangana’, sy hoe ‘tokony ho masina amin’ny fitondran-tena rehetra.’—1 Tesalonianina 4:3; 1 Petera 1:15.

Mety ho lasa tsy masina eo anatrehan’Andriamanitra intsony ve ny olona iray?

Eny. Rehefa tsy manaraka ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena intsony ny olona iray, dia tsy masina intsony izy amin’Andriamanitra. Nosoratana ho an’ny “rahalahy masina”, ohatra, ny bokin’ny Hebreo. Mbola nampitandrina azy ireo anefa io boky io sao izy ireo “hanjary hanana fo ratsy sady tsy mino, ka hiala amin’ilay Andriamanitra velona.”—Hebreo 3:1, 12.

Hevi-diso momba ny hoe masina

Hevi-diso: Rehefa mihafy tsy manao izay tianao ianao dia efa masina.

Ny tena marina: Milaza ny Baiboly fa ‘tsy manampy eo amin’ny ady atao amin’ny fanomezana fahafaham-po ny nofo mihitsy ny fampijalian-tena.’ Tsy misy dikany amin’Andriamanitra àry izy io. (Kolosianina 2:23) Tena tian’Andriamanitra hankafy fiainana kosa isika. Hoy mantsy ny Baiboly: “Tokony hihinana sy hisotro ary hifaly noho ny asa mafy nisasarany ny olona rehetra. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.”—Mpitoriteny 3:13.

Hevi-diso: Masina kokoa ny olona iray rehefa tsy manambady.

Ny tena marina: Na dia afaka mifidy ny hijanona ho mpitovo aza ny olona iray, dia tsy midika izany hoe masina eo anatrehan’Andriamanitra izy. Marina aloha fa afaka manompo an’Andriamanitra bebe kokoa ny mpitovo. (1 Korintianina 7:32-34) Asehon’ny Baiboly anefa fa afaka ny ho masina koa izay manambady. Ny iray tamin’ireo apostolin’i Jesosy, fara fahakeliny, no nanambady. Nanambady, ohatra, i Petera.—Matio 8:14; 1 Korintianina 9:5.

Avy aiza ilay teny hoe “Baiboly Masina”?

Efa hatry ny ela ny Baiboly iray manontolo no natao hoe “Baiboly Masina” na “Soratra Masina”, noho ireto antony ireto:

  • Ny niandohany. “Avy tamin’Andriamanitra ... no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”—2 Petera 1:21.

  • Ny hafatra raketiny. “Madio ny didin’i Jehovah, mampahiratra ny maso. Madio ny fahatahorana an’i Jehovah, maharitra mandrakizay.”—Salamo 19:8, 9.

Masina àry ny Baiboly. Miavaka amin’ny boky hafa izy io satria madio ny hafatra raketiny, ary natao hampiasaina amin’ny fivavahana ihany.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. Andinin-teny maro ao amin’ny Baiboly no mampifandray an’io anarana io amin’ny hoe “masina” sy “fahamasinana.”

b Raran’ny Baiboly ny mankamasina relìka na mivavaka amin’ireny (ohatra hoe sisan-taolan’ny olo-masina).—1 Korintianina 10:14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara