FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 31
  • Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Lalao Video?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Lalao Video?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valio ireto raha hainao
  • Ny maha tsara azy
  • Ny maha ratsy azy
  • Mahaiza mandanjalanja
  • Tsara sa Ratsy ny Lalao Video?
    Mifohaza!—2008
  • Tsara sa Ratsy ny Lalao Video?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Tokony Hanao Kilalao ao Amin’ny Ordinatera na Vidéo ve Aho?
    Mifohaza!—1996
  • Mampidi-doza ve ny Lalao jeux de rôle?
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 31
Ankizilahy manao lalao video

MANONTANY NY TANORA

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Lalao Video?

  • Valio ireto raha hainao

  • Ny maha tsara azy

  • Ny maha ratsy azy

  • Mahaiza mandanjalanja

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Valio ireto raha hainao

Mahazo vola an’arivo tapitrisa dolara ny mpamokatra lalao video, any Etazonia.

  1. Olona firy taona no tena mpanao lalao video any?

    1. 18

    2. 30

  2. Firy ny lahy, ary firy ny vavy?

    1. 55 isan-jato ny lahy; 45 isan-jato ny vavy

    2. 15 isan-jato ny lahy; 85 isan-jato ny vavy

  3. Iza amin’ireto ambany ireto no tena mpilalao?

    1. Vehivavy 18 taona no ho miakatra

    2. Ankizilahy 17 taona no ho midina

Valiny (fanadihadiana natao tamin’ny 2013):

  1. B. 30.

  2. A. Vehivavy ny 45 isan-jato, izany hoe efa ho ny antsasany.

  3. A. Vehivavy 18 taona no ho miakatra ny 31 isan-jaton’izy ireo, ary ankizilahy 17 taona no ho midina ny 19 isan-jato.

Hita amin’io fanadihadiana io hoe olona hoatran’ny ahoana no tia lalao video. Tsy hita amin’io anefa hoe inona no mety ho vokatry ny lalao video eo aminao. Mety hisy vokany tsara izy ireny nefa koa mety hisy vokany ratsy.

Ny maha tsara azy

Ireto ny hevitry ny tanora sasany momba ny lalao video. Mitovy hevitra amin’izy ireo ve ianao?

  • “Mahafinaritra ilay izy rehefa ataonao miaraka amin’ny fianakavianao sy ny namanao, satria lasa mifankatia ianareo.”​—Irene.

  • “Mba verivery dia ianao, dia tsy mieritreritra an’izay olana mahazo anao.”​—Annette.

  • “Mampianatra anao ho kingakinga ilay izy!”​—Christopher.

  • “Mampianatra anao hahay hamaha olana ilay izy.”​—Amy.

  • “Tsara ilay izy satria mampiasa saina, dia lasa mahitahita hevitra sy mahay mitady tetika isan-karazany ianao.”​—Anthony.

  • “Mampianatra ny mpinamana hifanampy ny sasany.”​—Thomas.

  • “Mampihetsika vatana ny lalao video sasany, ka mahasalama sy mampavitribitrika.”​—Jael.

Ekenao ve ny sasany amin’ireo, sa izy rehetra mihitsy? Mety hahasoa tokoa ny lalao video sasany, satria sady kilalaon-tsaina no fanatanjahan-tena. Ary na dia fanalana andro fotsiny aza izy ireny, araka ilay tenin’i Annette hoe “mba verivery dia ianao”, dia tsy voatery ho ratsy foana akory izany.

● Milaza ny Baiboly hoe “misy fotoanany daholo ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra”, anisan’izany ny fialam-boly.—Mpitoriteny 3:1-4.

Ny maha ratsy azy

Mandany ny fotoananao ve ny lalao video?

“Tsy mahafehy tena mihitsy aho. Miteny foana aho hoe: ‘Farany sisa ity!’ Adiny firy aorian’izay anefa aho mbola eo ihany!”​—Annette.

“Mba mieritreritra erỳ ianao hoe nahavita zavatra satria nandresy indimy. Nefa inona akory no teo! Ny fotoananao fotsiny no lany, fa ianao tsy nahavita na inona na inona akory.”​—Serena.

Ankizilahy miari-tory manao lalao video eo am-pandriana

Tadidio izao: Raha lany ny volanao, dia mbola afaka manangona ianao. Tsy mba hoatr’izany anefa ny fotoana. Aza lanilanina fotsiny àry ny fotoana satria azo lazaina hoe mbola sarobidy noho ny vola izy io.

● Hoy ny Baiboly: “Mitondrà tena amim-pahendrena foana ... ka mahaiza manararaotra fotoana.”—Kolosianina 4:5.

Misy vokany eo amin’ny sainao ve ilay lalao?

“Misy zavatra mampigadra na mahavoaheloka ho faty raha tena atao, nefa tsy matahotra mihitsy ianao manao an’ilay izy ao amin’ny lalao video.”—Seth.

“Be dia be ny kilalao misy hoe mila mandresy ny fahavalonao ianao, dia mampiasa fomba mahatsiravina isan-karazany ianao mba hamonoana azy.”​—Annette.

“Mahateny zavatra tsy fiteny amin’ny namanao ianao indraindray eo am-pilalaovana eo, ohatra hoe ‘Matiko ialahy!’ na hoe ‘Vonoiko ialahy androany!’”​—Nathan.

Tadidio izao: Aza manao lalao video misy zavatra halan’Andriamanitra, ohatra hoe misy herisetra na fijangajangana na herin’ny maizina.—Galatianina 5:19-21; Efesianina 5:10; 1 Jaona 2:15, 16.

● Milaza ny Baiboly hoe tsy ny olona mahery setra ihany no halan’i Jehovah, fa ny “olona tia herisetra” koa. (Salamo 11:5) Marina fa tsy hita amin’ny lalao video tianao hoe ho lasa olona hoatran’ny ahoana ianao. Mety ho efa hita sahady anefa hoe karazan’olona hoatran’ny ahoana ianao.

Eritrereto izao: Hoy ny boky Getting to Calm: “Misy vokany kokoa amin’ny ankizy ny manao lalao video misy herisetra noho ny hoe mahita herisetra ao amin’ny tele. Tsy hoe mijery mpilalao masiaka sy mpamono olona fotsiny mantsy izy, fa izy mihitsy ilay mpilalao. Mitovy amin’ny mpampianatra ny lalao video, saingy herisetra no tena ampianariny.”—Ampitahao amin’ny Isaia 2:4.

Mahaiza mandanjalanja

Maro ny tanora niezaka tsy ho variana loatra amin’ny lalao video. Anisan’izany ireto:

“Alina be mihitsy aho taloha vao natory fa nilaozako nanao lalao video. Nieritreritra aho hoe: ‘Izaho ange tsy mila matory ela be izany e! Adiny dimy dia ampy. Aleo hanao kely farany sisa!’ Fa tsy manao an’izany intsony aho izao. Mbola milalao ihany aho, fa tsindraindray. Tsy maintsy atao amin’ny antonony ihany ny zava-drehetra.”​—Joseph.

“Niezaka tsy nilalao firy intsony aho tato ho ato, dia lasa mahavita zavatra be dia be! Lasa nahay nitory sy nampianatra kokoa aho, dia nahavita nanampy olona tao amin’ny fiangonanay, dia nahavita nianatra piano mihitsy aza. Be dia be kay ny zavatra hafa azo atao!”​—David.

● Milaza ny Baiboly hoe “mahay mandanjalanja eo amin’izay zavatra fanaony” ny olona matotra. (1 Timoty 3:2, 11) Tia miala voly izy nefa mahavita mifehy tena. Ferany ny fotoana ialany voly.—Efesianina 5:10.

Tadidio izao: Mahafinaritra ny lalao video raha atao araka ny antonony. Tandremo àry sao lasa lany fotoana amin’ny lalao video, ka lasa manadino an’izay zavatra tena tokony hatao. Sady tsy aleo lavitra ve miezaka mafy hanatratra tanjona tena izy, toy izay hiezaka mafy hanatratra tanjona amin’ny kilalao?

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Madison

“Raha ao amin’ny efitra fatorianao ilay kilalao, ka azon’ny fakam-panahy hilalao foana ianao, dia afindrao any an-toeran-kafa ilay izy. Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Hajanoko ity rehefa kelikely eo’, kanefa raha mbola ao amin’ny efitra fatorianao ilay kilalao, dia ho raikitra eo ihany ianao mandra-paharainan’ny andro.”​—Madison.

Corbin

“Miteny ianao indraindray hoe: ‘Hijanona aho afaka 10 na 20 minitra.’ Fa tsy mety mihitsy ilay izy e! Aleo fotsiny tonga dia vonoina ilay kilalao, dia mandeha mitady zavatra hafa hatao. Maninona moa raha ajanona kely mihitsy ny lalao video e! Ohatra hoe mandritra ny andro vitsivitsy? Dia anaovana zavatra mampihetsiketsika vatana ilay fotoana, ohatra hoe baskety na zavatra hafa.”​—Corbin.

Alexandria

“Efa lasa andevozin’ny lalao video ianao raha mahavita milalao hatramin’ny iray maraina na mihoatra an’izany. Lasa ilay kilalao indray no miteny aminao hoe amin’izao na amin’izao ianao vao mahazo matory. Mankarary izany, sady mandreraka anao ny ampitson’iny, nefa tsy mba zavatra mahasoa akory ilay izy.”​—Alexandria.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara