FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 51
  • Afaka Manampy Ahy Hanana Fianakaviana Sambatra ve ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Manampy Ahy Hanana Fianakaviana Sambatra ve ny Baiboly?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny Ara-baiboly
  • Azo Avotana ny Fanambadianao!
    Mifohaza!—2001
  • ‘Aoka ho Mendri-kaja ny Fanambadiana’
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Aoka Ianao Hitana ny Voady Nifanaovanareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?
    Mifohaza!—2006
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 51

Afaka Manampy Ahy Hanana Fianakaviana Sambatra ve ny Baiboly?

Valiny Ara-baiboly

Eny. Ireto misy torohevitra ara-baiboly nanampy lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany hanana fianakaviana sambatra:

  1. Tokony hisora-panambadiana ny mpivady. Rehefa misora-panambadiana ny olon-droa, dia mifanaiky fa ho lamban’akoho ny fiarahana. Mahasambatra ny tokantrano izany.—Matio 19:4-6.

  2. Mahaiza mifankatia sy mifanaja. Tafiditra amin’izany ny hoe izay fomba tianao hitondrana ny tenanao no tokony hitondranao ny vadinao.—Matio 7:12; Efesianina 5:25, 33.

  3. Aza manao teny maharary. Aoka ianao ho tsara fanahy rehefa miteny, na dia miteny na manao zavatra mandratra anao aza ny vadinao. (Efesianina 4:31, 32) Hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 15:1: “Mampitony fahatezerana mafy ny valin-teny malefaka, fa ny teny maharary kosa mahatonga fahasosorana.”

  4. Aza mivadika amin’ny vadinao. Ny vadinao ihany no tokony ho tianao, ary aminy irery ihany ianao no tokony haniry hanao firaisana. (Matio 5:28) Hoy ny Baiboly: “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady.”—Hebreo 13:4.

  5. Ampianaro amim-pitiavana ny zanakao. Aza milefitra loatra nefa koa aza masiaka loatra.—Ohabolana 29:15; Kolosianina 3:21.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara