FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 10
  • Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny SMS?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny SMS?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no tokony handefasana SMS?
  • Inona no hosoratana ao?
  • Rahoviana ianao no tsy tokony handefa na hamaky SMS?
  • Soso-kevitra momba ny SMS
  • Hajao ny Hafa Rehefa Mampiasa Telefaonina
    Mifohaza!—2014
  • Mpinamana Fotsiny sa Mpifankatia? Fizarana 1: Tia Anao Tokoa ve Izy?
    Manontany ny Tanora
  • Mpinamana Fotsiny sa Mpifankatia? Fizarana 2: Tena Tia Azy Tokoa ve Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Andevozin’ny Fitaovana Elektronika ve Aho?
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 10

MANONTANY NY TANORA HOE

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny SMS?

  • :-) Fomba mety ifandraisana amin’ny hafa izy io rehefa ampiasaina tsara.

  • :-( Raha tsy ampiasainao tsara kosa izy io, dia ho very namana ianao na ho ratsy laza.

Ho hitanao ato:

  • Iza no tokony handefasana SMS?

  • Inona no hosoratana ao?

  • Rahoviana ianao no tsy tokony handefa na hamaky SMS?

Ho hitanao ato koa:

  • Soso-kevitra momba ny SMS

  • Fanontaniana momba ny SMS

Iza no tokony handefasana SMS?

Maro ny tanora mieritreritra fa tsy afaka mifandray amin’ny namany izy raha tsy eo ny SMS. Ahafahanao mifandray amin’ny olona rehetra ao amin’ny telefaoninao ny SMS, raha tsy hoe bedin’ny dadanao sy mamanao angaha ianao.

“Tsy tian’i Dada hiresaka amin’ny ankizilahy izaho sy ny zandriko vavy. Raha manao izany izahay, dia tsy maintsy amin’ny telefaonina ao amin’ny efitra fandraisam-bahiny, ary tokony hisy olon-kafa eo.”​—Lenore.

Tsara ho fantatra: Ho sahirana ianao raha omenao an’izao olona rehetra izao ny nomeraonao.

“Mety haharay SMS na sary tsy tianao ianao raha tsy tandremanao tsara hoe iza avy no homenao ny nomeraonao.”​—Scott.

“Ho mora miraiki-po ny ankizilahy sy ankizivavy mifandefa SMS matetika.”​—Steven.

Hoy ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” (Ohabolana 22:3) Tsy halahelo be ianao raha mitandrina kely fotsiny.

Tena nisy: “Nana-namana ankizilahy iray izay aho, ary nifandefa SMS foana izahay. Nihevitra aho hoe mpinamana be fotsiny izahay. Nilaza tamiko anefa izy fa tia ahy, ka izay vao tsapako hoe tsy nety ny nataonay. Rehefa mandinika ny lasa aho, dia hitako hoe tsy tokony ho niaraka be sy nandefa SMS taminy foana aho.”​—Melinda.

Diniho izao: Araka ny hevitrao, mbola mpinamana foana ve i Melinda sy ilay ankizilahy rehefa avy nilaza ilay ankizilahy hoe tia azy?

Avereno soratana ilay tantara. Inona no tokony ho nataon’i Melinda mba ho mpinamana fotsiny izy sy ilay ankizilahy fa tsy hihoatra an’izay?

Inona no hosoratana ao?

Mahafaly ny mahazo SMS ary tena mora ny mandefa azy, ka mety tsy ho ao an-tsain’ilay olona akory hoe mety handika vilana ny zavatra nosoratany ny hafa.

Tsara ho fantatra: Mety ho diso fandray an’ilay SMS ny olona.

“Tsy ahafantarana ny fihetseham-po sy ny toe-peo ny SMS, na dia misy kisarisary aza miaraka aminy. Mety ho diso fandray an’ilay hafatra ny olona.”​—Briana.

“Lasa ratsy laza sy malaza ho mpanadala ankizilahy ny ankizivavy sasany, noho ny zavatra nosoratany tamin’ny SMS ho an’ny ankizilahy.”​—Laura.

Hoy ny Baiboly: “Ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly.” (Ohabolana 15:28) Inona no dikan’izany? Vakio tsara ilay SMS alohan’ny andefasana azy.

Rahoviana ianao no tsy tokony handefa na hamaky SMS?

Mandiniha tsara ka farito ny fotoana anaovanao an’izany ary hajao.

Tsara ho fantatra: Hanjary tsy hahalala fomba ianao ary ho very namana raha tsy tandremanao tsara ny fotoana andefasanao sy amakianao SMS.

“Tsy mety ny ataoko indraindray, satria mbola miresaka amin’olona aho na eo am-pisakafoana nefa mandefa SMS.”​—Allison.

“Mampidi-doza ny mandefa na mamaky SMS rehefa mitondra fiara. Mety hiharan-doza ianao raha tsy mifantoka amin’ny lalana.”​—Anne.

Hoy ny Baiboly: ‘Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy. Misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.’ (Mpitoriteny 3:1, 7) Azo ampiharina amin’ny resaka SMS koa izany.

Soso-kevitra momba ny SMS

Iza no tokony handefasana SMS?

  • ;-) Ankatoavy izay lazain’ny ray aman-dreninao.​—Kolosianina 3:20.

  • ;-) Fidifidio ny olona omenao nomeraon-telefaonina. Mianatra toetra hilainao rehefa lehibe ianao, raha mahay mandà tsy hanome ny mombamomba anao, anisan’izany ny nomeraon’ny findainao.

  • ;-) Aza mandefa SMS manadaladala olona satria hoe efa mifankazatra loatra aminy. Ianao ihany no hahatonga anareo ho sorena sy halahelo raha sendra misy raiki-pitia ny iray aminareo.

“Efa atokisan’i Dada sy Neny aho amin’ny fampiasana finday. Fantany hoe fidiko tsara ny nomeraon’olona ampidiriko ao.”​—Briana.

Inona no hosoratana ao?

  • ;-) Eritrereto izao alohan’ny hanoratana SMS: ‘Ny mandefa SMS ve no tena mety amin’ity toe-javatra ity?’ Mety ho tsara kokoa ny miantso an’ilay olona na ny miandry hihaona aminy.

  • ;-) Aza alefa SMS ny zavatra tsy sahinao resahina mivantana. Hoy i Sarah, 23 taona: “Aza alefa SMS ilay izy raha tsy sahinao lazaina mivantana.”

“Alazao amin’ny ray aman-dreninao izay olona mandefa sary vetaveta aminao. Ho voaro ianao amin’izay sady ho lasa atokisan’izy ireo.”​—Sirvan.

Rahoviana ianao no tsy tokony handefa na hamaky SMS?

  • ;-) Diniho mialoha hoe rahoviana ianao no tsy hampiasa finday. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Olivia: “Tsy mitondra finday aho rehefa misakafo na mianatra. Vonoiko ilay izy rehefa mamonjy fivoriana kristianina aho. Amin’izay aho tsy alaim-panahy hijery an’ilay izy.”

  • ;-) Mahaiza mihevitra ny hafa. (Filipianina 2:4) Aza mandefa na mamaky SMS rehefa miresaka mivantana amin’ny olona.

“Misy zavatra tsy ataoko mihitsy, ohatra hoe ny mandefa SMS rehefa miaraka amin’ny namako, raha tsy hoe tena ilaina ilay izy. Tsy omeko olona tsy mifankazatra amiko koa ny nomeraoko.”​—Janelly.

Fanontaniana momba ny SMS

Tantara 1

Efa enim-bolana ianao sy ny olona iray no niaraka ary hitanao hoe tsy mety aminao izy. Iza amin’ireto no SMS tokony halefanao any aminy?

  1. “Vita hatreo ny amintsika!”

  2. “Mila miresaka isika sy ianao, ka rahoviana no mety?”

Valiny mety: B. Raha tsy hoe misy antony tsy azo anoarana, dia tsara kokoa raha resahina mivantana ny zava-dehibe toy ny hoe hisaraka amin’ny olona iray.​—Lioka 6:31.

Tantara 2

Maharay SMS ianao ary sarin’ny mpiara-mianatra aminao ilay izy, nefa mamoafady. Inona no tokony hataonao?

  1. Vonoinao avy hatrany ilay sary.

  2. Alefanao any amin’ny namanao rehetra ilay izy.

Valiny mety: A. Samy tsy manana ny hajany intsony na ny mandefa na ny mijery sary vetaveta. Aza mandray anjara amin’izany!​—Efesianina 5:3, 4.

Tantara 3

Miara-misakafo amin’ny fianakavianao ianao. Injay fa maneno ny findainao ka fantatrao fa misy SMS tonga. Inona no tokony hataonao?

  1. Mijery an’ilay izy ary mieritreritra hoe tsy hanome tsiny anao amin’izany ny mpianakavinao.

  2. Miandry aorian’ny sakafo vao mijery an’ilay izy.

Valiny mety: B. Afaka miandry ilay SMS. Zava-dehibe kokoa noho ilay izy ny fianakavianao.​—Filipianina 1:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara