FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 17
  • Manohana ny Jiosy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manohana ny Jiosy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Manao Politika?
    Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Aza Manohana An’ity Tontolo ity Mihitsy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • “Tsy Anisan’izao Tontolo Izao Izy”
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • “Tsy Naman’izao Tontolo Izao”
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 17

Manohana ny Jiosy ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsia. Kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah ary miorina amin’ny Soratra Masina ny zavatra inoany. Misy fivavahana milaza fa manatanteraka faminaniana ao amin’ny Soratra Masina ny fanangonana ny Jiosy any Palestina. Tsy miombon-kevitra amin’izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy mino izy ireo hoe misy faminaniana momba an’izany ao amin’ny Soratra Masina. Ny Soratra Masina aza tsy manindrahindra fitondram-panjakan’olombelona sady tsy milaza hoe misy foko na firenena ambony noho ny hafa. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana, gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Tsy manohana ny hetsika ara-politika ataon’ny Jiosy mihitsy ny Soratra Masina.”

Milaza Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa ny hanangana sy hanohana ny fanjakana jiosy any Palestina no tanjona amin’ilay hetsika ho fanohanana ny Jiosy. Sady hetsika ara-pivavahana ilay izy no ara-politika. Tsy anisan’ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny fanohanana ny Jiosy, ary tsy momba ny atsy na ny aroa mihitsy izy ireo amin’io hetsika io.

Fikambanana ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy manohana hetsika ara-politika, anisan’izany ny fanohanana ny Jiosy. Tsy manao politika mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah ary betsaka ny porofo manamarina izany. Misy amin’izy ireo aza enjehina mafy any amin’ny tany sasany noho izany antony izany. Mino izy ireo fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hitondra fiadanana maharitra eto an-tany. Tsy misy fitondran’olombelona na hetsika ara-politika mahavita izany.

Mankatò ny lalàn’ny fitondram-panjakana ny Vavolombelon’i Jehovah, na aiza na aiza tany misy azy. Tsy mikomy amin’ny fitondrana izy ireo sady tsy mandray anjara amin’ny ady.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara