Thai Liang Lim/E+ via Getty Images
MIAMBENA FOANA!
Mampanahy ny Olona Eran-tany ny Fampiasan’ny Tanora Tambazotran-tserasera
Nilaza ny solontenan’ny firenena eran-tany tamin’ny 2025 hoe manahy ry zareo, satria mety hanimba ny tanora ny fampiasana tambazotran-tserasera. Lasa tsy mahazo mampiasa tambazotran-tserasera intsony izao ny ankizy latsaka ny 16 taona, any amin’ny tany anankiray. Mieritreritra hanao lalàna hoatr’izany koa ny firenena hafa.
Na ny tanora sasany aza mahita hoe mety hisy vokany ratsy ny fampiasana tambazotran-tserasera. Nisy fanadihadiana nataon’ny Pew Research Center tany Etazonia, dia nivoaka tamin’ny Aprily 2025 ny vokatr’ilay izy. “Efa ho ny antsasaky ny tanora (48%) nohadihadina no nilaza hoe misy vokany ratsy amin’ny ankizy mitovy taona aminy ny ankamaroan’ny zavatra hita ao [amin’ny tambazotran-tserasera].”
Nisy manam-pahaizana momba ny fahasalamana nampitandrina hoe misy vokany ratsy eo amin’ny sain’ny tanora sy ny fihetseham-pony ny tambazotran-tserasera. Izao no nolazain’ny Dr. Vivek Murthy, minisitry ny fahasalamana any Etazonia, tamin’ny herintaona: “Olana mpahazo ny tanora ny resaka aretin-tsaina, ary mila alamina haingana izany. Anisan’ny antony tena mahatonga an’izany ny tambazotran-tserasera.”
Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hiarovana ny zanany amin’ny loza ateraky ny tambazotran-tserasera? Misy torohevitra azo ampiharina ao amin’ny Baiboly.
Inona no azon’ny ray aman-dreny atao?
Diniho ireto torolalan’ny Baiboly ireto:
‘Mieritreritra tsara ny olona malina isaky ny hanao zavatra.’—Ohabolana 14:15.
Na be dia be aza ny voka-dratsin’ny tambazotran-tserasera, dia tsy voatery handrara ny zanakao tsy hampiasa azy io ianao. Alohan’ny hamelana azy anefa, dia ataovy azo antoka hoe efa matotra tsara izy ka hahavita hanaja ny fotoana noferanao hoe azony ampiasana an’ilay izy, hahay hifidy namana tsara foana, ary tsy hijery zavatra ratsy mihitsy.
Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Tokony Hampiasa Tambazotran-tserasera ve ny Zanako?” sy ilay hoe “Ampianaro ny Zanakao mba ho Voaro Rehefa Mampiasa Tambazotran-tserasera.”
“Ampiasao tsara ny fotoananareo.”—Efesianina 5:16.
Raha mamela ny zanakao hampiasa tambazotran-tserasera ianao, dia mametraha fitsipika ary hazavao aminy hoe nahoana ireny no miaro azy. Mbà mailomailo ihany anefa raha hitanao hoe niova ny zanakao. Mety ho famantarana mantsy izany hoe mila ferana ny fotoana ampiasany tambazotran-tserasera.
Ampiasao ilay kisarisary hoe Mbà Fetsifetsy Amin’ny Internet! mba hanampiana ny zanakao hahazo hoe nahoana no mila ferana ny fotoana ampiasana ny tambazotran-tserasera.
Raha te hahita soso-kevitra hafa miorina amin’ny Baiboly ianao mba hanampiana ny zanakao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Mampitandrina ny Amin’ny Voka-dratsin’ny Tambazotran-tserasera eo Amin’ny Tanora ny Tompon’andraikitra Ambony Momba ny Fahasalamana: Inona no Lazain’ny Baiboly?”
Manaova fikarohana
Milaza ny Baiboly hoe “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina” izao iainantsika izao. (2 Timoty 3:1-5) Misy torohevitra manampy antsika hiatrika an’izany koa anefa ao amin’izy io, ary mahasoa foana izy ireny. Hahita lisitra-na fanazavana ara-baiboly 20 mahery ianao ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Mihabetsaka ny Tanora Voan’ny Aretin-tsaina: Inona no Lazain’ny Baiboly?” Natao ho an’ny ray aman-dreny sy ny zanany ireo fanazavana ireo.