FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 112
  • Rahoviana no Hitsahatra ny Ady? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rahoviana no Hitsahatra ny Ady? Inona no Lazain’ny Baiboly?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ady maneran-tany
  • Ady iray hamarana ny ady rehetra
  • Ady any Moyen-Orient​—Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Tsy Misy Afa-bela Amin’ny Vokatry ny Ady
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2025
  • “Haheno Ady Ianareo”
    Foto-kevitra Hafa
  • Feno Herintaona Ilay Ady any Ukraine: Inona no Ampanantenain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 112
Ankizilahikely sy ny mamany mijery tanàna rotidrotiky ny ady. Ravarava ny trano, dia feno tanky simba eny an-dalana.

MIAMBENA FOANA!

Rahoviana no Hitsahatra ny Ady? Inona no Lazain’ny Baiboly?

Santionany iray fotsiny amin’ny zava-mitranga maneran-tany ny ady any Israely.

“Mbola tsy nisy ady mahatsiravina be dia be hoatr’izao hatramin’ny nisian’ny Ady Lehibe II. Olona roa arivo tapitrisa, izany hoe ampahefatry ny mponina eran-tany, no mipetraka any amin’ny tany misy ady.”​—Filan-kevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana, 26 Janoary 2023.

Ireto avy ny toerana anisan’ny ahitana ady mahatsiravina amin’izao: Israely, Gaza, Syria, Azerbaïjan, Ukraine, Soudan, Etiopia, Niger, Myanmar, ary Haïti.a

Rahoviana no hitsahatra ny ady? Ho vitan’ny mpitondra eo amin’izao tontolo izao ve ny hampisy filaminana? Inona no lazain’ny Baiboly?

Ady maneran-tany

Ny fisian’ny ady maneran-tany amin’izao dia mampiseho fa kely sisa dia tsy hisy intsony ny ady. Manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly momba ny androntsika ireny ady ireny, ary mampiseho fa “efa akaiky ny faran’izao tontolo izao.”​—Matio 24:3.

  • “Haheno ady ianareo ary hisy hilaza aminareo koa hoe misy ady any an-toeran-kafa. . . . Hisy firenena hiady amin’ny firenena, ary hisy fanjakana hiady amin’ny fanjakana.”​—Matio 24:6, 7.

Vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona ny Famantarana ny ‘Andro Farany’?” mba hahitana hoe nahoana ny ady amin’izao no manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly.

Ady iray hamarana ny ady rehetra

Milaza ny Baiboly fa hifarana ny ady ataon’ny olombelona. Ahoana no hahatanterahan’izany? Tsy avy amin’ny ezaka ataon’ny olombelona fa amin’ny alalan’ny Aramagedona, izay antsoin’ny Baiboly hoe “adin’ny andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Apokalypsy 16:14, 16) Aorian’io ady io, dia hotanterahin’Andriamanitra ilay fampanantenany hoe hiadana mandrakizay ny olombelona.​—Salamo 37:10, 11, 29.

Raha tianao ny hahafantatra bebe kokoa momba an’ilay ady iray hamarana ny ady rehetra, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Atao hoe Ady Aramagedona?”

a “Filaharan’ireo ady maneran-tany” (Tatitra Momba ny Ady Avoakan’i ACLED, Janoary 2024)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara