FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 105
  • Afaka Manampy Anao Tsy Hahatsiaro ho Manirery ny Baiboly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Manampy Anao Tsy Hahatsiaro ho Manirery ny Baiboly
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Torolalan’ny Baiboly afaka manampy
  • Mihabetsaka Foana ny Olona Manirery: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Mihabetsaka ny Olona Manirery Eran-tany: Ahoana no Hatao mba Tsy ho Tratran’izany?
    Foto-kevitra Hafa
  • Aza Avela Hanimba ny Fiainanao ny Fahatsiarovan-tena ho Manirery
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Nahoana no Be dia Be Ireo Manirery?
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 105
Tanora vitsivitsy falifaly sady miresadresaka, eo amoron-drano.

Afaka Manampy Anao Tsy Hahatsiaro ho Manirery ny Baiboly

Hitan’ny manam-pahaizana, tamin’ny 2023, fa mila manao zavatra ry zareo satria lasa aretina mampidi-doza ny fahasalamana ilay hoe mahatsapa ho manirery. Misy zavatra azo atao ve?

  • Izao no nolazain’ny Dr. Vivek Murthy, mpandidy any Etazonia: “Rehefa mahatsiaro ho manirery sy tafasaraka amin’ny hafa ny olona iray, dia mety hisy vokany be amin’ny fahasalamany izany sady tsy ho faly intsony izy.” Milaza koa anefa izy hoe: “Misy zavatra azontsika atao.” Inona izany? “Mila manao zavatra madinidinika isika isan’andro, mba hahatonga antsika hinamana kokoa amin’ny hafa.”a

Mety hahatsiaro ho manirery isika na dia misy olona be dia be aza manodidina antsika. Na inona na inona antony mahatonga antsika hahatsiaro ho manirery, dia afaka manampy antsika ny Baiboly. Misy torohevitra manampy antsika hahay hifandray kokoa amin’ny hafa ao, amin’izay isika tsy dia hahatsiaro ho manirery loatra.

Torolalan’ny Baiboly afaka manampy

Mahaiza miresaka. Inona no tafiditra amin’izany? Tsy hoe mamboraka ny fihetseham-ponao amin’ny hafa fotsiny fa mihaino tsara azy koa. Rehefa asehonao hoe tena miahy ny hafa ianao, dia vao mainka ianareo ho mpinamana.

  • Torolalan’ny Baiboly: “Aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.”​—Filipianina 2:4.

Miezaha hinamana amin’olona isan-karazany. Miezaha hinamana amin’olona be taona kokoa na tanora kokoa noho ianao, na koa tsy mitovy kolontsaina na fiaviana aminao.

  • Torolalan’ny Baiboly: “Sokafy midanadana ... ny fonareo.”​—2 Korintianina 6:13.

Raha tianao ho fantatra hoe inona no azonao atao mba hana-namana ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Te Hahazo Namana Tsara ve Ianao?”

Asainay ianao

Miara-mivory indroa isan-kerinandro ny Vavolomben’i Jehovah mba hahatonga an-dry zareo hinamana kokoa amin’ny Mpamorona sy amin’ny hafa. Asainay ianao hiara-mivory aminay.

  • Mitadiava fivoriana eny akaikinareo.

  • Mangataha hotsidihina.

a Our Epidemic of Loneliness and Isolation: The U.S. Surgeon General’s Advisory on the Healing Effects of Social Connection and Community, 2023.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara