FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 81
  • Miahy ny Marenina Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miahy ny Marenina Andriamanitra
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fiheveran’Andriamanitra ny marenina
  • Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny marenina?
  • Inona avy no avoakanay sy ataonay mba hampianarana Baiboly ny olona marenina?
  • ‘Mampamirapiratra ny Tavany Amin’izy Ireo i Jehovah’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Asehoy fa Tianao Ireo Rahalahy sy Anabavy Marenina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • “Mahasoa An’ireo Marenina ny Mianatra Baiboly”
    Mifohaza!—2010
  • Karakarao Izay Ilain’ny Marenina mba Hanatonany An’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 81
Vavolombelon’i Jehovah mampiseho video amin’ny tenin’ny tanana amin’ny vehivavy anankiray eo ivelan’ny toerana fisakafoana. Faly erỳ ilay vehivavy mijery an’ilay video.

Miahy ny Marenina Andriamanitra

Misy marenina 70 tapitrisa eo ho eo maneran-tany, ary maro amin’izy ireo no mampiasa ny iray amin’ny tenin’ny tanana 200 mahery. Mampalahelo anefa fa matetika no iharan’ny tsy rariny ny olona marenina araka ny hitantsika amin’ireto tatitra ireto:

  • “Matetika no tsy misy miraharaha ny zon’ny olona marenina sy ny olona tsy dia mandre tsara maneran-tany.”​—National Association of the Deaf (U.S.).

  • “Anisan’ny olona faraidiny ny marenina any amin’ny tany mahantra, satria voafetra ny fahafahany hianatra, hiasa sy hahazo fanazavana.”​—World Federation of the Deaf.

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny marenina? Inona no lazain’ny Baiboly momba azy ireo? Ary ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana azy ireo?

Ny fiheveran’Andriamanitra ny marenina

Lazain’ny Baiboly fa miahy ny marenina i Jehovaha Andriamanitra. Tsy tian’Andriamanitra raha misy mampijaly ny marenina ary tiany handray soa avy amin’ny fampianarany izy ireny.

Andinin-teny: “Aza manozona ny marenina.”​—Levitikosy 19:14.

Inona no dikan’izany? Niaro ny zon’ny marenina ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita fahiny.

Andinin-teny: “Tsy mijery tavan’olona Andriamanitra.”​—Asan’ny Apostoly 10:34.

Inona no dikan’izany? Miahy ny olona avy amin’ny kolontsaina sy fiaviana ary fiteny rehetra i Jehovah, anisan’izany ny marenina.

Andinin-teny: “Lasa i Jesosy nitety ny tanàna rehetra ... ka ... nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.”​—Matio 9:35.

Inona no dikan’izany? Tonga tetỳ an-tany i Jesosy mba hampianatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy izay hataon’izy io ho an’ny olombelona, anisan’izany ny marenina.​—Matio 6:10.

Andinin-teny: Vitan’i Jesosy mihitsy aza ‘ny nahatonga ny marenina handre sy ny moana hiteny.’​—Marka 7:37.

Inona no dikan’izany? Nasehon’i Jesosy tamin’ny fahagagana nataony fa handre sy hiteny ny marenina rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Tamin’io fotoana io, ohatra, tsara fanahy tamin’ny lehilahy marenina anankiray i Jesosy ka nanao fihetsika taminy alohan’ny hanasitranany azy. Lasa nandre sy nahay niteny ilay lehilahy.​—Marka 7:31-35.

Andinin-teny: “Hatao mandre ny sofin’ny marenina.”​—Isaia 35:5.

Inona no dikan’izany? Nampanantena i Jehovah hoe ho lasa mandre ny marenina.​—Isaia 29:18.

Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny marenina?

Mitory ny hafatra avy amin’Andriamanitra izay manome fanantenana ho an’ny marenina ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Ahoana no anaovanay an’izany? Mamoaka Baiboly sy video hianarana Baiboly amin’ny tenin’ny tanana maherin’ny 100 izahay. Mampianatra Baiboly sy mandamina fivoriana kristianina amin’ny tenin’ny tanana ho an’izay maniry hahazo ny fanampian’Andriamanitra koa izahay. Maimaim-poana no anaovanay an’izany satria izao no didy nomen’i Jesosy: “Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”​—Matio 10:8.

Afaka mahita an’ireo video ireo ao amin’ny Internet ianao na azonao atao ny maka azy ireny amin’ny fitaovanao ao amin’ny:

Sary kely mampiseho fiteny ao amin’ny jw.org.

JW.ORG. Tsindrio ilay sary kely mampiseho fiteny eo amin’ny farany ambony amin’ilay tranonkala, mba hahitanao ny zavatra navoaka tamin’ny tenin’ny tanana anankiray.

Sarin’ilay programa “JW Library.”

Programa JW Library. Ampidiro ao amin’ny fitaovanao io programa maimaim-poana io, amin’izay ianao ho afaka haka video amin’ny tenin’ny tanana 100 mahery na hijery an’ilay izy rehefa manana Internet.

Inona avy no avoakanay sy ataonay mba hampianarana Baiboly ny olona marenina?

Baiboly amin’ny tenin’ny tanana. Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina no Baiboly voalohany eran-tany voadika manontolo amin’ny tenin’ny tanana. Misy amin’ny tenin’ny tanana maromaro ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao na ny ampahany aminy amin’izao, ary miampy foana ny isan’ny tenin’ny tanana amoahana an’io Baiboly io isan-taona. (Raha tianao ho hita hoe inona avy ny fiteny namoahana an’io Baiboly io na te hijery azy ireo ao amin’ny Internet ianao, dia jereo ilay efajoro hoe “Ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Amin’ny Tenin’ny Tanana.”)

  • Jereo ilay video hoe Voadika Manontolo Amin’ny Tenin’ny Tanana Amerikanina ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao mba hahitanao hoe inona avy ny asa tafiditra amin’ny famoahana Baiboly amin’ny tenin’ny tanana.

  • Raha te handray soa amin’ny famakiana Baiboly ianao, dia ampidiro amin’ny fitaovanao ilay programa JW Library. Afaka mifidy izay andinin-teny tianao hojerena amin’ny tenin’ny tanana ianao ao amin’io programa io.

  • Marenina i Dmytro sy Vita, fa mandre kosa ny zanak’izy ireo. Jereo hoe inona ny soa raisin’izy mianakavy rehefa miara-mijery Baiboly amin’ny tenin’ny tanana izy ireo isan’andro.

Video hianarana Baiboly. Namoaka Baiboly amin’ny tenin’ny tanana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana ny olona hahazo sy hampihatra ny torohevitry ny Baiboly momba ny...

  • mpivady sy ny fianakaviana

  • tanora

  • ankizy

Fampianarana Baiboly mivantana. Misy olona afaka mampianatra Baiboly anao amin’ny tenin’ny tanana ary maimaim-poana izany. Ianao no mamaritra ny faharetan’ny fotoana tianao hianarana. Asaivo asehony anao ny fomba fianarana.

Mipetraka any Philippines i Jeson Senajonon. Jereo fa lasa akaiky kokoa an’Andriamanitra izy rehefa niara-nianatra Baiboly taminay.

Mario Antúnez manao tenin’ny tanana.

Pasitera i Mario Antúnez taloha, ary mipetraka any Honduras. Jereo ilay tantaram-piainany hoe “Be dia Be ny Fanontaniako Mbola Tsy Voavaly”, fa hazavainy ao hoe hitany tao amin’ny Baiboly ny valin’ny fanontaniana rehetra nanitikitika ny sainy.

Fivoriana sy fandaharana hafa. Manana fiangonana sy antoko-mpitory amin’ny tenin’ny tanana izahay maneran-tany. Miara-mivory isan-kerinandro ny marenina any amin’izy ireny mba hianatra momba an’Andriamanitra sy hanompo azy. Ankoatra izany, dia mandamina fivoriana lehibe kokoa izahay mba hianarana Baiboly amin’ny tenin’ny tanana isan-taona. Mandika teny amin’ny alalan’ny kasi-tanana ho an’ny olona marenina sady jamba izahay mandritra ny fivorianay sy ny fandaharana hafa. Mizara boky sy gazety amin’ny soratra braille koa izahay ary maimaim-poana izy ireny.

  • Jereo izay fiangonana akaiky anao.

  • Fantaro hoe inona avy ny fivoriambe ataonay isan-taona.

  • Tongava manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, izay fivoriana miavaka indrindra ho anay ao anatin’ny taona.

Mipetraka any Meksika i José Luis Ayala. Vao teraka izy dia efa marenina ary lasa jamba tatỳ aoriana. Jereo hoe nisy nanampy izy dia lasa mpampianatra Baiboly mahay.

Ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Amin’ny Tenin’ny Tanana

Mora azo ny teny ampiasaina ao amin’io Baiboly io, ary hatramin’ny 1 Janoary 2026 dia efa misy amin’ireto fiteny manaraka ireto io Baiboly io manontolo na ny ampahany aminy.

Sarina Baiboly misokatra.

Baiboly manontolo

  • Tenin’ny Tanana Amerikanina

  • Tenin’ny Tanana any Kolombia

  • Tenin’ny Tanana Brezilianina

  • Tenin’ny Tanana Italianina

  • Tenin’ny Tanana Koreanina

  • Tenin’ny Tanana Meksikanina

  • Tenin’ny Tanana Rosianina

Sarina Baiboly misokatra.

Soratra Grika Kristianina (“Testamenta Vaovao”)

  • Tenin’ny Tanana Alemà

  • Tenin’ny Tanana Anglisy

  • Tenin’ny Tanana Angoley

  • Tenin’ny Tanana any Afrika Atsimo

  • Tenin’ny Tanana any Arzantina

  • Tenin’ny Tanana any Ekoatera

  • Tenin’ny Tanana any Inde

  • Tenin’ny Tanana any Malawi

  • Tenin’ny Tanana any Silia

  • Tenin’ny Tanana any Zimbabwe

  • Tenin’ny Tanana Espaniola

  • Tenin’ny Tanana Frantsay

  • Tenin’ny Tanana Indonezianina

  • Tenin’ny Tanana Japoney

  • Tenin’ny Tanana Perovianina

  • Tenin’ny Tanana Poloney

  • Tenin’ny Tanana Venezoelianina

  • Tenin’ny Tanana Zambianina

Sarina Baiboly misokatra.

Boky sasantsasany ao amin’ny Baiboly

  • Tenin’ny Tanana any Cuba

  • Tenin’ny Tanana any Ghana

  • Tenin’ny Tanana any Mozambika

  • Tenin’ny Tanana Aostralianina

  • Tenin’ny Tanana Filipino

  • Tenin’ny Tanana Nizerianina

  • Tenin’ny Tanana Sinoa

Misy andinin-teny sasantsasany koa voadika amin’ny tenin’ny tanana hafa.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara