FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 125
  • Mampiaraka​—Fizarana 3: Tokony Hisaraka ve Izahay?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mampiaraka​—Fizarana 3: Tokony Hisaraka ve Izahay?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana raha misy zavatra manalasala anao?
  • Nahoana ianao no tokony handinika tsara aloha vao manapa-kevitra?
  • Ahoana raha tena tapa-kevitra ianao hoe hisaraka aminy?
  • Mampiaraka​—Fizarana 2: Inona avy no Tokony Hampoiziko Rehefa Mampiaraka Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Rahoviana Aho vao Mahazo Mampiaraka?
    Mifohaza!—2007
  • Mampiaraka​—Fizarana 1: Efa Afaka Mampiaraka ve Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Ratsy ve ny Mampiaraka Nefa Manafina?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 125
Tovovavy mijery ny sarin’izy sy ilay tovolahy miaraka aminy ao anaty telefaonina.

MANONTANY NY TANORA

Mampiaraka​—Fizarana 3: Tokony Hisaraka ve Izahay?

Efa elaela angamba ianareo roa no niaraka, nefa lasa misy zavatra manalasala anao amin’ilay olona miaraka aminao. Dia ahoana? Mbola hiaraka aminy ihany ve ianao sa tokony hisaraka aminy? Natao hanampiana anao hanapa-kevitra ity lahatsoratra ity.

Ho hitantsika ato hoe:

  • Ahoana raha misy zavatra manalasala anao?

  • Nahoana ianao no tokony handinika tsara aloha vao manapa-kevitra?

  • Ahoana raha tena tapa-kevitra ianao hoe hisaraka aminy?

Ahoana raha misy zavatra manalasala anao?

Rehefa avy miaraka elaela ny tovolahy iray sy ny tovovavy iray, dia mety hahita hoe hay misy zavatra tsy itovizan’izy roa ihany, tsy araka ny noeritreretin’izy roa tamin’ny voalohany. Ohatra hoe:

  • Ny iray tia mankeny amoron-dranomasina, fa ny iray tia mandehandeha an-tongotra.

  • Ny iray be resaka fa ny iray tsy dia be teny.

  • Ny iray tia mamitapitaka fa ny iray milaza ny marina foana.

Tsy mitovy ireo toe-javatra telo ireo. Ny zavatra mahaliana no tsy mitovy, amin’ilay voalohany. Amin’ilay faharoa indray, ny toetra no tsy mitovy. Amin’ilay fahatelo, ny fitsipika arahina no tsy mitovy.

Eritrereto izao: Raha lasa mpivady ianareo roa any aoriana any, iza amin’ireo telo ireo no hitanao hoe tsy ho vitanao ny handefitra amin’ilay izy? Ary iza no mety ho azonareo roa itadiavana marimaritra iraisana, raha misy?

Tadidio hoe ny olon-droa mifanentana tsy midika mihitsy hoe tsy maintsy mitovy be. Afaka ny ho sambatra foana ny tokantrano, na dia tsy mitovy aza ny zavatra mahaliana ny mpivady sy ny toetrany. Azo atao tsara ny mitady marimaritra iraisana. Misy, ohatra, mba miezaka manao ny zavatra mahaliana na mahafinaritra ny vadiny indraindray. Misy koa miezaka mijery hoe sao dia mahasoa azy ny toetran’ny vadiny na dia tsy azoazony aza ilay izy.a

Fa misy zavatra tena tokony hitovizanareo roa anefa. Tokony hitovy ny fitsipika arahinareo. Tokony hitovy, ohatra, ny zavatra inoanareo sy ny fitsipika arahinareo momba ny fitondran-tena. Samy tokony hitovy koa ny zavatra ekenareo roa hoe tsara sy ratsy. Raha tsy mitovy ireo, dia aleo manapa-kevitra hoe tsy hiaraka amin’ilay olona intsony.

Ahoana, ohatra, raha tsy mitovy ny zavatra inoanareo? Hoy ilay boky hoe Fighting for Your Marriage: “Hita tamin’ny fikarohana natao hatramin’izay fa ny mpivady tsy mitovy fivavahana no tena matetika misaraka.”

Torolalan’ny Baiboly: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.”​—2 Korintianina 6:14.

Nahoana ianao no tokony handinika tsara aloha vao manapa-kevitra?

Resahin’ny Baiboly hoe “ny manambady dia tsy ilaozam-pijaliana.” (1 Korintianina 7:28, Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara) Tsy tokony ho gaga àry ianao raha hoe na izao vao miaraka izao aza ianareo roa dia efa samy mahatsapa kely an’izany.

Mety hoe miadiady kely ianareo indraindray, nefa tsy voatery hidika izany hoe tsy mifanentana ianareo. Hainareo roa ve ny mifandamina rehefa mitranga izany, nefa tsy mifampila vaniny? Tsara be raha mahavita an’izany ianareo satria mbola hilainareo izany ao an-tokantrano.

Torolalan’ny Baiboly: ‘Miezaha ho tsara fanahy amin’ny namanareo avy, ka hangoraka sy hifamela heloka tanteraka.’​—Efesianina 4:32.

Ahoana anefa raha mifamaly lava ianareo sady mifamaly be mihitsy? Mety hidika izany hoe tsy mifanentana ianareo. Aleo hita dieny izao izany toy izay rehefa lasa mpivady!

Sary: Ilay tovovavy teo ihany mieritreritra ny adin’izy sy ilay tovolahy miaraka aminy. 1. Ilaozan’ilay tovolahy mijery telefaonina fa tsy miraharaha azy. 2. Miara-mividy akanjo izy roa, dia miady aminy ilay tovolahy. 3. Tonga eo am-baravaran’ilay tovovavy ilay tovolahy, dia manondro ny famantaranandrony ilay tovovavy.

Raha mifamaly lava ianareo sady mifamaly be mihitsy, dia mety hidika izany hoe tsy mifanentana ianareo

Tadidio àry izao: Misy zavatra manalasala be anao ve amin’ilay olona miaraka aminao? Sa mbola misalasala ianao hoe vonona hanambady sa tsia? Aza odiana tsy hita izany!

Torolalan’ny Baiboly: “Mahatsinjo ny loza ny olona malina ka miafina, fa izay tsy dia nahita fiainana kosa mbola miroso ihany ka voa.”​—Ohabolana 22:3.

Jiro ampola.

Soso-kevitra: Miresaha amin’ny namana matotra raha miasa saina ianao hoe mbola hiaraka amin’ilay olona sa hisaraka aminy. Marina aloha hoe ianao ihany no tokony hanapa-kevitra hoe ahoana no hataonao fa tsy ilay namanao mihitsy. Efa nahita fiainana anefa izy, dia afaka manoro tsara anao an’izay mety sy tsy mety.​—Ohabolana 11:14.

Ahoana raha tena tapa-kevitra ianao hoe hisaraka aminy?

Mety ho mafy be izany hoe misaraka izany. Aleo anefa misaraka raha misy zavatra tena manalasala anao na tena manalasala anareo roa momba an’ilay fiarahanareo, indrindra moa raha hoe tsy mety voalamina mihitsy ilay izy.

Dia ahoana no hataonao rehefa hiteny aminy hoe hisaraka aminy ianao? Aleo tsy amin’ny SMS na e-mail na tambazotran-tserasera, raha tsy hoe misy antony tsy azo anoarana angaha. Zava-dehibe ilay horesahinareo, dia aleo mifidy fotoana sy toerana mety tsara hifampiresahana imasoimaso momba an’ilay izy.

Ilay tovovavy teo ihany miresaka amin’ilay tovolahy miaraka aminy eo ivelan’ny hotely fisakafoanana iray.
Jiro ampola.

Soso-kevitra: Miezaha hahay handanjalanja nefa ho hentitra mandritra an’ilay resaka. Aza tanisaina izay tsy nety nataony, fa ny momba anao no tena resaho, izany hoe nahoana no tsy mety aminao intsony ilay fiarahanareo.

Torolalan’ny Baiboly: “Samia milaza ny marina amin’ny namany avy.”​—Zakaria 8:16.

Raha hoe nisaraka tamin’ny olona iray ianao, midika ve izany hoe ianao mihitsy no olana? Tsy izany mihitsy. Tadidio hoe matoa ianao miaraka amin’ilay olona aloha fa tsy tonga dia manambady azy, dia satria natao hanampiana anao hanapa-kevitra izany hoe hanambady azy ianao sa tsia. Tadidio koa hoe na misaraka aza ianareo, dia misy zavatra tsara azonao ianarana foana avy amin’ilay fiarahanareo.

Eritrereto hoe: ‘Inona no zava-baovao hitako momba ahy avy tamin’iny fiarahanay iny? Mbola misy zavatra mila iezahako ve mba ho vonona hanambady aho? Inona no tsy hataoko intsony raha misy olon-kafa miaraka amiko any aoriana any?’

a Raha tianao ho fantatra hoe inona no vokany eo amin’ny mpivady rehefa tsy mitovy ny zavatra mahaliana azy roa sy ny toetrany, dia jereo ireto lahatsoratra ireto: “Ho An’ny Fianakaviana: Ahoana Raha Samy Hafa Be Izahay?” sy ilay hoe “Ho An’ny Fianakaviana: Misy Toetran’ny Vadinao Tsy Azoazonao Ve?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara