FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 109
  • Tokony Hatao Batisa ve Aho?—Fizarana 1: Inona no Dikan’ny hoe Batisa?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tokony Hatao Batisa ve Aho?—Fizarana 1: Inona no Dikan’ny hoe Batisa?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no atao hoe batisa?
  • Inona no atao hoe manokan-tena?
  • Nahoana no tena ilaina ny batisa?
  • Vonona Hatao Batisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Tanjona Tena Tsara ny Batisa!
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Ry Tanora, Vonona Hatao Batisa ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Mila Atao Batisa Izay Te ho Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 109
Ankizilahy iray atao batisa ao anaty dobo filomanosana, mandritra ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah.

MANONTANY NY TANORA

Tokony Hatao Batisa ve Aho?​—Fizarana 1: Inona no Dikan’ny hoe Batisa?

Betsaka ny tanora vita batisa isan-taona. Misy amin’izy ireny notezain’ny ray aman-dreniny tao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mieritreritra ny hatao batisa koa ve ianao? Raha izany, dia mila fantatrao aloha ny dikan’ny hoe manokan-tena sy atao batisa.

  • Inona no atao hoe batisa?

  • Inona no atao hoe manokan-tena?

  • Nahoana no tena ilaina ny batisa?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

  • Inona no lazain’ny olona, nefa inona no tena marina?

Inona no atao hoe batisa?

Alentika tanteraka ao anaty rano ny olona atao batisa, raha ny Baiboly no jerena, fa tsy hoe fafazana rano kely fotsiny. Misy dikany be mantsy ilay hoe alentika tanteraka ao anaty rano.

  • Rehefa alentika tanteraka ao anaty rano ianao, dia asehonao amin’ny olona hoe tsy izay tianao intsony no hataonao.

  • Rehefa avoaka avy ao anaty rano indray ianao, dia manomboka fiainana vaovao, ka izay ampifaliana an’Andriamanitra no tena ifantohanao.

Rehefa atao batisa ianao, dia mampiseho amin’ny olona fa i Jehovah no manana fahefana hamaritra ny atao hoe tsara sy ratsy, ary mampahafantatra ny voady nataonao hoe vonona hanao ny sitrapony foana ianao.

Eritrereto izao: Nahoana no mila asehonao amin’ny olona hoe efa nivoady ianao fa hankatò an’i Jehovah foana? Jereo ny 1 Jaona 4:19 sy ny Apokalypsy 4:11.

Inona no atao hoe manokan-tena?

Mila manokan-tena ho an’i Jehovah aloha ianao, izay vao azo atao batisa. Ahoana izany?

Mivavaka manokana amin’i Jehovah ianao, dia mampanantena azy hoe hanompo azy mandrakizay sady hanao izay tiany foana, na inona na inona hitranga ary na inona na inona safidy ataon’ny hafa.

Rehefa atao batisa indray ianao, dia mampiseho amin’ny olona rehetra fa efa nanokan-tena ho an’i Jehovah. Ho hita amin’izay fa tsy izay tianao intsony no hataonao satria efa an’i Jehovah ianao.​—Matio 16:24.

Eritrereto izao: Nahoana no ho tsara kokoa ny fiainanao rehefa natokanao ho an’i Jehovah? Jereo ny Isaia 48:17, 18 sy ny Hebreo 11:6.

Nahoana no tena ilaina ny batisa?

Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy atao batisa izay te ho lasa mpianany. (Matio 28:19, 20) Tsy maintsy atao batisa àry ny olona iray raha te ho lasa Kristianina. Milaza mihitsy aza ny Baiboly fa mila atao batisa izay te ho voavonjy.​—1 Petera 3:21.

Tokony hoe noho ianao tia an’i Jehovah sy noho ianao mankasitraka an’izay nataony anefa no tena mahatonga anao hatao batisa. Tokony hitovy amin’ity voalazan’ny mpanao salamo ity ny toe-tsainao: “Inona no havaliko an’i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko? ... Ny anaran’i Jehovah no hantsoiko. Hanefa ny voadiko amin’i Jehovah aho.”​—Salamo 116:12-14.

Eritrereto izao: Inona no soa efa nataon’i Jehovah ho anao, ary inona no havalinao azy? Jereo ny Deoteronomia 10:12, 13 sy ny Romanina 12:1.

Ny hevitry ny tanora toa anao

Mijin.

“Manao voady amin’i Jehovah ianao rehefa manokan-tena, dia tsy kilalao ilay izy. Be dia be anefa ny fitahiana ho azonao rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah ianao. Mahay mikarakara antsika mihoatra noho ny tenantsika mantsy izy.”​—Mijin.

Ember.

“Efa nasehon’i Jehovah hoe tiany ianao. Raha atao batisa ianao, dia izay no ampisehoanao aminy hoe tena tia azy ianao. Tena tombontsoa ny hoe atao batisa, sady ahazoana fitahiana be dia be.”​—Ember.

Julian.

“Amin’ny fanapahan-kevitra rehetra, dia ny hoe manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa no lehibe indrindra. Tsy tokony hampatahotra anao anefa izany. Raha miomana tsara ianao sady antony tsara no anaovanao an’ilay izy, dia io no fanapahan-kevitra tsara indrindra horaisinao.”​—Julian.

Inona no lazain’ny olona, nefa inona no tena marina?

INONA NO LAZAIN’NY OLONA? Ny olon-dehibe ihany no azo atao batisa satria efa matotra.

INONA NY TENA MARINA? Tsy ny taonan’ny olona iray no amantarana hoe matotra izy na tsia, fa hoe tia an’i Jehovah ve izy sady vonona hankatò azy. Mbola tanora, ohatra, i Josefa sy Samoela ary Josia dia efa matotra. Betsaka koa ny tanora hoatr’izany amin’izao.

Milaza ny Baiboly hoe: “Na ny zaza aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.”​—Ohabolana 20:11.

INONA NO LAZAIN’NY OLONA? Tokony hatao batisa koa ianao raha atao batisa ny namanao.

INONA NY TENA MARINA? Tokony ho fanapahan-kevitrao samirery sy tena vokatry ny fonao ny hoe hanokan-tena sy hatao batisa. Tsy hoe misy taona mila tratrarinao, dia rehefa tratranao io taona io dia tsy maintsy atao batisa ianao satria hoe hoatr’izany no nataon’ny ankizy hafa, na hoe izay no antenain’ny olona aminao.

Milaza ny Baiboly hoe: “Hanolo-tena an-tsitrapo ny [olon’Andriamanitra].”​—Salamo 110:3.

INONA NO LAZAIN’NY OLONA? Tsy hataon’Andriamanitra ampamoaka ianao rehefa tsy vita batisa.

INONA NY TENA MARINA? Tsy hoe rehefa vita batisa ianao vao hataon’i Jehovah ampamoaka amin’izay ataonao, fa rehefa mahafantatra hoe inona no tsara sy ratsy.

Milaza ny Baiboly hoe: “Raha misy mahafantatra izay tokony hataony, nefa tsy manao, dia manota izy.”​—Jakoba 4:17.

SOSO-KEVITRA: Raha matahotra ny hanokan-tena sy hatao batisa ianao, dia maninona raha dinihina hoe inona no mampatahotra anao, ary inona no hanampy anao tsy hatahotra intsony? Azonao atao, ohatra, ny mamaky ny toko faha-37 amin’ilay boky Manontany ny Tanora​—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2.

Famerenana: Nahoana no tena ilaina ny batisa?

  • Nilaza i Jesosy hoe tsy maintsy atao batisa ny mpianany.

  • Mila atao batisa izay te ho voavonjy.

  • Tena tombontsoa ny hoe manompo an’i Jehovah rehefa avy nanokan-tena sy natao batisa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara